Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hanome Taratry ny Voninahitr’Andriamanitra ve Ianao?

Hanome Taratry ny Voninahitr’Andriamanitra ve Ianao?

Hanome Taratry ny Voninahitr’Andriamanitra ve Ianao?

Tahaka ny fitaratra, dia manome taratry ny voninahitr’i Jehovah ... isika.” —2 KORINTIANINA 3:18.

1. Inona no hitan’i Mosesy, ary inona no nitranga taorian’izay?

MBOLA tsy nisy olona nahita zava-mahagaga toy izany. Irery teo amin’ny Tendrombohitra Sinay i Mosesy tamin’izay, ary nisy zavatra hafakely nangatahiny, ka naseho azy. Navela hahita zavatra mbola tsy hitan’ny olona mihitsy izy, dia ny voninahitr’i Jehovah. Mazava ho azy fa tsy nahita mivantana an’i Jehovah izy. Tsy misy mahita azy ka mbola ho velona, satria mahatalanjona loatra izy. Nanarona an’i Mosesy tamin’ny ‘tanany’ izy mandra-pandalony, ary mety ho anjely no nirahiny hanao izany. Navelany hahita sombin’ny famirapiratan’ny voninahiny i Mosesy avy eo. Niresaka taminy tamin’ny alalan’ny anjely koa izy. Izao no nitranga taorian’izay: ‘Mosesy nidina avy tao an-tendrombohitra Sinay, ary namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny [nitenenan’i Jehovah] taminy.’—Eksodosy 33:18–34:7, 29.

2. Inona no nosoratan’ny apostoly Paoly, momba ny voninahitra hita taratra eo amin’ny Kristianina?

2 Alao sary an-tsaina hoe miaraka amin’i Mosesy eo amin’io tendrombohitra io ianao. Azo inoana fa hientam-po be ianao, rehefa mahita ny famirapiratan’ny voninahitr’ilay Mahery Indrindra, ary mihaino ny teniny! Ho voninahitra lehibe ho anao avy eo ny hidina ny Tendrombohitra Sinay miaraka amin’i Mosesy, ilay mpanelanelana amin’ny fifaneken’ny Lalàna! Fantatrao ve anefa fa manome taratry ny voninahitr’Andriamanitra koa ny tena Kristianina, sady mamiratra kokoa izy io noho ilay hita tamin’ny tarehin’i Mosesy? Niresaka momba izany hevi-dalina izany ny apostoly Paoly, ao amin’ny taratasiny iray. Nilaza izy fa ‘tahaka ny fitaratra manome taratry ny voninahitr’i Jehovah’, ny Kristianina voahosotra. (2 Korintianina 3:7, 8, 18) Azo lazaina koa hoe manome taratry ny voninahitr’Andriamanitra ny Kristianina manantena hiaina eto an-tany.

Ahoana no anomezantsika taratry ny voninahitr’Andriamanitra?

3. Nahoana isika no mahalala an’i Jehovah bebe kokoa noho i Mosesy?

3 Ahoana no anomezantsika taratry ny voninahitr’Andriamanitra? Mbola tsy nahita na nandre azy toa an’i Mosesy isika. Mahalala zavatra betsaka kokoa momba an’i Jehovah anefa isika. Efa ho 1 500 taona taorian’ny nahafatesan’i Mosesy i Jesosy vao lasa Mesia. Tsy fantatr’i Mosesy àry fa ny Lalàna dia ho tanteraka amin’i Jesosy, izay maty mba hanavotra ny olona amin’ny fampahorian’ny ota sy ny fahafatesana. (Romanina 5:20, 21; Galatianina 3:19) Vitsy koa ny zavatra fantatr’i Mosesy momba ilay fikasana faran’izay tsara ananan’i Jehovah, mifandray amin’ny Fanjakan’ny Mesia sy ilay Paradisa an-tany hoentin’izy io. Noho izany, dia mahita ny voninahitr’i Jehovah isika, nefa tsy amin’ny maso ara-bakiteny fa amin’ny mason’ny finoana, miorina amin’ny fampianarana ao amin’ny Baiboly. Mandre ny feony koa isika, nefa tsy amin’ny alalan’ny anjely fa amin’ny alalan’ny Baiboly, indrindra fa ireo Filazantsara. Asehon’izy ireo amin’ny fomba kanto ny fampianaran’i Jesosy sy ny fanompoany.

4. a) Ahoana no anomezan’ny voahosotra taratry ny voninahitr’Andriamanitra? b) Ahoana no ataon’ireo manantena hiaina eto an-tany, mba hanomezana taratry ny voninahitr’Andriamanitra?

4 Marina fa tsy mamirapiratra ny tarehin’ny Kristianina, rehefa manome taratry ny voninahitr’Andriamanitra. Tena miramirana anefa ny endrik’izy ireo, rehefa miresaka momba ny toetran’i Jehovah sy ny fikasany faran’izay tsara. Nilaza i Isaia mpaminany, fa “hitory ny [voninahitr’i Jehovah] any amin’ny jentilisa” ny vahoakan’Andriamanitra, amin’ny androntsika. (Isaia 66:19) Hoy koa ny 2 Korintianina 4:1, 2: “Satria manana izany fanompoana izany izahay, ... [dia] efa nialanay ny zava-mahamenatra afenimpenina, ka tsy mandeha amin-kafetsena na manatsatso ny tenin’Andriamanitra izahay. Mampiseho miharihary ny fahamarinana kosa izahay ka izany no mahatonga anay ho tsara laza amin’ny feon’ny fieritreretan’ny olona rehetra, eo imason’Andriamanitra.” Ny Kristianina voahosotra, “mpanompon’ny fifanekena vaovao”, no tena tian’i Paoly horesahina eo. (2 Korintianina 3:6) Nisy vokany teo amin’ny olona maro koa anefa ny fanompoan’izy ireo, ka lasa manantena hiaina mandrakizay eto an-tany ireo olona ireo. Anisan’ny fanompoan’ny voahosotra sy ireo namany, ny fanomezana taratry ny voninahitr’i Jehovah, tsy amin’ny fampianarany ihany fa amin’ny fomba fiainany koa. Andraikitra sady voninahitra ho antsika ny manome taratry ny voninahitr’ilay Andriamanitra Avo Indrindra!

5. Manaporofo inona ny fitomboan’ny isantsika sy ny sakafo ara-panahy tondraka ananantsika?

5 Torina eran-tany, araka ny nolazain’i Jesosy, ny vaovao tsara be voninahitra momba ny Fanjakan’Andriamanitra ankehitriny. (Matio 24:14) Mandray azy io amin-kafanam-po ny olona avy amin’ny firenena, foko, vahoaka ary fiteny rehetra, ka manova ny fiainany mba hanaovany ny sitrapon’Andriamanitra. (Romanina 12:2; Apokalypsy 7:9) Tsy afaka ny tsy hiteny momba izay hitany sy reny izy ireo, toy ny Kristianina voalohany. (Asan’ny Apostoly 4:20) Olona enina tapitrisa mahery no manome taratry ny voninahitr’Andriamanitra ankehitriny, ary mbola tsy nisy toy izany hatramin’izay. Anisan’izy ireo ve ianao? Tena mitahy sy miaro ny vahoakany i Jehovah, rehefa jerena ny fitomboan’ny isan’izy ireo sy ny sakafo ara-panahy tondraka ananany. Hita izany na dia misy hery lehibe miady amintsika aza, ka vao mainka miharihary fa ampian’ny fanahin’i Jehovah isika. Hijery ny porofon’izany isika.

Tsy hangina mihitsy ny vahoakan’Andriamanitra

6. Nahoana isika no mila finoana sy herim-po, raha te hiandany amin’i Jehovah?

6 Eritrereto hoe asaina mijoro ho vavolombelona eny amin’ny fitsarana ianao, mba hanameloka mpanao heloka bevava raindahiny. Fantatrao fa manana fikambanana matanjaka be izy, sady hanao araka izay tratran’ny heriny mba hisakanana anao tsy hilaza ny marina momba azy. Tsy maintsy be herim-po ianao, raha te hijoro ho vavolombelona amin’io raharaha io. Mila matoky koa ianao fa hiaro anao amin’io olon-dratsy io ny manam-pahefana. Toy izany ny toe-javatra misy antsika. Mijoro ho vavolombelona hanameloka an’i Satana Devoly isika, rehefa miresaka momba an’i Jehovah sy ny fikasany. Asehontsika amin’izany fa mpamono olona sy mpandainga i Satana, ary mamitaka ny tany rehetra misy mponina. (Jaona 8:44; Apokalypsy 12:9) Mila finoana sy herim-po àry ianao, raha te hiandany amin’i Jehovah sy hanameloka ny Devoly.

7. Manao ahoana ny herin’i Satana, ary miezaka manao inona izy?

7 Iaraha-manaiky fa i Jehovah no Tompo Fara Tampony. Lehibe lavitra noho ny an’i Satana ny heriny. Matokia fa afaka miaro antsika izy sady vonona hanao izany, raha tsy mivadika aminy isika. (2 Tantara 16:9) Tadidio anefa fa i Satana no lehiben’ny demonia sy mpitondra an’ity tontolo tafasaraka amin’Andriamanitra ity. (Matio 12:24, 26; Jaona 14:30) Natsipy tetỳ an-tany izy ary “tezitra mafy”, ka manohitra ny mpanompon’i Jehovah araka izay azony atao. Mampiasa ity tontolo eo ambany fahefany ity izy, mba hanakombonana ny vavan’izay rehetra mitory ny vaovao tsara. (Apokalypsy 12:7-9, 12, 17) Ahoana no ataony? Mampiasa tetika telo izy, fara fahakeliny.

8, 9. Inona no ataon’i Satana mba tsy ho tia an’Andriamanitra ny olona, ary nahoana isika no tokony hifidy tsara ny namantsika?

8 Voalohany, ataon’i Satana izay hahavariana antsika amin’ny fanahian’ny fiainana. Tia vola sy tia tena ary tia fahafinaretana ny olona amin’izao andro farany izao, fa tsy tia an’Andriamanitra. (2 Timoty 3:1-4) Revo amin’ny asa aman-draharaha andavanandro ny ankamaroany, ka ‘tsy miraharaha’ ny vaovao tsara torintsika. Tsy mahaliana azy ireo tsotra izao ny hianatra ny fahamarinana ara-baiboly. (Matio 24:37-39) Mety hifindra amintsika izany toe-tsaina izany, ka ho lasa kamokamo isika eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Hihamangatsiaka ny fitiavantsika azy, raha lasa matimatin-karena sy tia fahafinaretana isika.—Matio 24:12.

9 Izany no mahatonga ny Kristianina hifidy tsara ny namany. Hoy i Solomona Mpanjaka: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” (Ohabolana 13:20) Enga anie àry isika ‘hiara-dia’ amin’ireo manome taratry ny voninahitr’Andriamanitra. Tena mahafinaritra tokoa izany! Mampahery antsika ny fitiavana, finoana, fifaliana, ary ny fahendren’ireo rahalahy sy anabavintsika, rehefa miaraka aminy isika any am-pivoriana na amin’ny fotoana hafa. Mahasoa antsika izany, ary mahatonga antsika ho tapa-kevitra kokoa hanohy ny fanompoana.

10. Ahoana no anesoan’i Satana ny olona manome taratry ny voninahitr’Andriamanitra?

10 Faharoa, misakana ny Kristianina tsy hanome taratry ny voninahitr’Andriamanitra i Satana, amin’ny alalan’ny fanesoana. Tsy mahagaga izany. Nisy naneso i Jesosy Kristy tamin’izy nanompo teto an-tany: nihomehezana izy, nohamavoina, nalam-baraka, ary nororana mihitsy aza. (Marka 5:40; Lioka 16:14; 18:32) Nisy naneso koa ny Kristianina voalohany. (Asan’ny Apostoly 2:13; 17:32) Misy manaratsy toy izany ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny. Nilaza ny apostoly Petera fa hopetahana anarana hoe “mpaminany sandoka” izy ireo. Hoy izy: “Amin’ny andro farany, dia hisy mpaneso ho tonga haneso, sady mandeha araka ny faniriany, ka milaza hoe: ‘Aiza akory izay fanatrehany nampanantenaina eo? ... Tsy [niova ny] zava-drehetra fa mbola mitovy tanteraka amin’izay nisy hatrany am-piandohan’ny famoronana.’ ” (2 Petera 3:3, 4) Esoin’ny olona ny vahoakan’Andriamanitra, ka lazainy fa mpanonofy antoandro. Heverina ho efa lany andro ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena. Hadalana amin’ny olona maro ny hafatra torintsika. (1 Korintianina 1:18, 19) Mety hisy haneso isika Kristianina any am-pianarana, any am-piasana, ary eo anivon’ny fianakaviana koa aza indraindray. Tsy kivy anefa isika, fa manome taratry ny voninahitr’Andriamanitra foana amin’ny alalan’ny fitoriana. Toa an’i Jesosy mantsy, dia fantatsika fa fahamarinana ny Tenin’Andriamanitra.—Jaona 17:17.

11. Ahoana no ampiasan’i Satana ny fanenjehana, mba hampanginana ny Kristianina?

11 Fahatelo, ataon’i Satana izay hisian’ny fanoherana na fanenjehana, mba hampanginana antsika. Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: “Hanolotra anareo ho amin’ny fahoriana ny olona ka hamono anareo ho faty, ary ho halan’ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.” (Matio 24:9) Iharan’ny fanenjehana mivaivay tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah, any amin’ny tany maro. Fantatsika fa efa nilaza hatry ny ela i Jehovah hoe hisy fifankahalana, na fifandrafiana, eo amin’ny mpanompon’Andriamanitra sy ny mpanompon’i Satana Devoly. (Genesisy 3:15) Fantatsika koa fa raha tsy mivadika isika rehefa iharam-pitsapana, dia hanaporofo fa manana zo hanjaka eo amin’izao rehetra izao i Jehovah. Mahatonga antsika ho be herim-po izany, na dia ao anatin’ny fitsapana faran’izay mafy aza. Tsy hahavita hampangina tanteraka antsika mihitsy ny fanenjehana, raha tapa-kevitra hanome taratry ny voninahitr’Andriamanitra isika.

12. Nahoana isika no tokony ho faly, rehefa tsy mivadika na dia toherin’i Satana aza?

12 Tsy manaiky ny fitaoman’ity tontolo ity ve ianao, ary tsy mivadika na dia misy maneso sy manohitra aza? Tokony ho faly ianao, raha izany. Nanome toky an’ireo hanara-dia azy i Jesosy hoe: “Sambatra ianareo raha omen’ny olona tsiny sy enjehiny ary amoronany lainga ho nanao izao zava-dratsy rehetra izao, noho ny amiko. Mifalia sy miravoravoa fatratra, satria lehibe ny valisoanareo any an-danitra. Fa toy izany no nanenjehany ny mpaminany talohanareo.” (Matio 5:11, 12) Porofoin’ny fiaretanao fa miasa aminao ny fanahy masin’i Jehovah izay tena mahery, ka manatanjaka anao mba hanomezanao taratry ny voninahiny.—2 Korintianina 12:9.

Manampy antsika hiaritra i Jehovah

13. Inona no tena antony iaretantsika sy anohizantsika ny fanompoana?

13 Tia an’i Jehovah isika, ary tena mahafinaritra antsika ny manome taratry ny voninahiny. Izany no tena antony iaretantsika sy anohizantsika ny fanompoana. Matetika ny olombelona no maka tahaka ny olona tiany sy hajainy. Iza anefa no mendrika ny hotahafina mihoatra noho i Jehovah Andriamanitra? Lehibe tokoa ny fitiavany, ka nirahiny tetỳ an-tany ny Zanany, mba hanambara ny marina sy hanavotra ny olona mankatò. (Jaona 3:16; 18:37) Toa an’Andriamanitra, dia tiantsika ho tonga amin’ny fibebahana sy ho voavonjy ny karazan’olona rehetra. Izany no mahatonga antsika hitory aminy. (2 Petera 3:9) Noho izany faniriana izany sy noho isika tapa-kevitra hanahaka an’Andriamanitra, dia tsy mitsahatra manome taratry ny voninahiny isika amin’ny alalan’ny fanompoana.

14. Ahoana no anatanjahan’i Jehovah antsika, mba hahafahantsika hiaritra sy hanohy ny fanompoana?

14 Avy amin’i Jehovah, raha ny marina, ny hery ahafahantsika miaritra sy manohy ny fanompoana. Manampy sy manatanjaka antsika izy amin’ny alalan’ny fanahiny sy ny fandaminany ary ny Teniny. “Manome fiaretana” ho an’izay maniry hanome taratry ny voninahiny i Jehovah. Mamaly ny vavaka ataontsika izy, ary manome antsika fahendrena hiatrehana fitsapana. (Romanina 15:5; Jakoba 1:5) Tsy avelany hiharan’ny fitsapana tsy ho zakantsika mihitsy koa isika. Raha matoky azy isika, dia hasiany lalan-kivoahana, mba hanohizantsika hanome taratry ny voninahiny.—1 Korintianina 10:13.

15. Inona no manampy antsika hiaritra?

15 Hita fa manana ny fanahin’Andriamanitra isika, rehefa miaritra sy manohy ny fanompoana. Aoka hatao hoe irahina mitety trano ianao mba hizara mofo maimaim-poana. Ny fotoananao sy ny volanao no asaina ampiasainao hanaovana izany. Tsy ela anefa dia hitanao fa vitsy no tena tia an’ilay mofo, ary misy aza misakana anao tsy hizara an’ilay izy. Mbola hanohy io asa io mandritra ny volana maromaro ve ianao, na aman-taonany mihitsy? Azo inoana fa tsia. Tsy toy izany anefa no ataonao eo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. Mikely aina ianao, sady mampiasa ny fotoananao sy ny volanao, angamba efa an-taonany maro na am-polony taona mihitsy aza. Nahoana? Tsy noho ny fitiavanao an’i Jehovah ve? Tsy izy ve no nandrotsaka ny fanahiny taminao, mba hahombiazan’ny ezaka ataonao sy hahafahanao hiaritra? Tena izany mihitsy!

Asa tsy hohadinoina mihitsy

16. Raha miaritra sy manohy ny fanompoana isika, inona no ho vokany ho antsika sy izay mihaino antsika?

16 Tsy manan-tsahala ny fanompoana mifandray amin’ny fifanekena vaovao, ataon’ny voahosotra. (2 Korintianina 4:7) Sarobidy koa ny fanompoana ataon’ny ondry hafa eran-tany. “Hamonjy ny tenanao sy ireo mihaino anao” ianao, raha miaritra sy manohy ny fanompoanao, araka ny nosoratan’i Paoly tamin’i Timoty. (1 Timoty 4:16) Eritrereto ange ny dikan’izany e! Afaka hiaina mandrakizay ny olona, noho ilay vaovao tsara torinao aminy. Mety ho lasa mpinamana be koa ianao sy ireo ampianao ho tonga mpanompon’i Jehovah. Alao sary an-tsaina ny ho fifalianao rehefa hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa, miaraka amin’ny olona nampianao hahafantatra an’Andriamanitra! Azo antoka fa tsy hohadinoiny mihitsy ny ezaka nataonao hanampiana azy. Tena hahafa-po tokoa izany!

17. Inona no mampiavaka izao vanim-potoana iainantsika izao?

17 Vanim-potoana miavaka eo amin’ny tantaran’ny olombelona izao iainantsika izao. Tsy hotorina eo amin’ny tontolo tafasaraka amin’Andriamanitra intsony ny vaovao tsara any aoriana any. Niaina teo anivon’ny tontolo toy izany i Noa, ary nahita ny nandringanana azy io. Azo antoka fa faly izy satria namita hatramin’ny farany an’ilay sambo fiara, araka ny sitrapon’Andriamanitra, hany ka voavotra izy sy ny mpianakaviny! (Hebreo 11:7) Afaka ny ho faly toa azy koa ianao. Eritrereto hoe ao amin’ny tontolo vaovao ianao, ary manao jery todika ny asa nataonao nandritra ny andro farany. Tsy ho faly ve ianao satria nanao araka izay tratran’ny herinao, mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana?

18. Inona no toky sy fampaherezana omen’i Jehovah ny mpanompony?

18 Aoka àry isika hanome taratry ny voninahitr’Andriamanitra hatrany. Tsy hohadinointsika mandrakizay ny fanaovantsika izany, ary hotsaroan’i Jehovah koa. Mampahery antsika toy izao ny Baiboly: “Andriamanitra ... tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany, tamin’ny nikarakaranareo sady mbola ikarakaranareo ny olona masina. Ary irinay ianareo tsirairay avy mba haneho fahazotoana toy izany koa, mba ho tena azonareo antoka tanteraka hatramin’ny farany ilay fanantenana. Amin’izay dia tsy ho kamo ianareo, fa hanahaka kosa an’ireo mandova ny fampanantenana noho izy ireo nanana finoana sy faharetana.”—Hebreo 6:10-12.

Hainao Hazavaina Ve?

• Ahoana no anomezan’ny Kristianina taratry ny voninahitr’Andriamanitra?

• Inona no tetika sasany ampiasain’i Satana, mba hampanginana ny vahoakan’Andriamanitra?

• Inona no manaporofo fa manana ny fanahin’Andriamanitra isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Hita taratra teo amin’ny tarehin’i Mosesy ny voninahitr’i Jehovah

[Sary, pejy 16, 17]

Manome taratry ny voninahitr’Andriamanitra isika eny amin’ny fanompoana