Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lalàn’ny Fitiavana Voasoratra ao Am-po

Lalàn’ny Fitiavana Voasoratra ao Am-po

Lalàn’ny Fitiavana Voasoratra ao Am-po

“Hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony.” —JEREMIA 31:33.

1, 2. a) Inona izao no hodinihintsika? b) Ahoana no nisehoan’i Jehovah teo amin’ny Tendrombohitra Sinay?

HITANTSIKA tao amin’ireo lahatsoratra roa teo aloha, fa nanome taratry ny voninahitr’i Jehovah ny tarehin’i Mosesy ka namirapiratra, rehefa nidina ny Tendrombohitra Sinay izy. Niresaka momba ny nanaronan’i Mosesy ny tarehiny koa isika. Hodinihintsika izao ny foto-kevitra iray mifandray amin’ny zava-nitranga tamin’io fotoana io, sady misy heviny ho an’ny Kristianina ankehitriny.

2 Nomen’i Jehovah didy i Mosesy, tamin’izy teny amin’ny Tendrombohitra Sinay. Nivory teo anoloan’io tendrombohitra io ny Israelita tamin’izay, ary niseho tamin’izy ireo tamin’ny fomba nampitolagaga Andriamanitra. ‘Nisy kotrokorana sy tselatra ary rahona matevina teo amin’ny tendrombohitra, ary nisy feon’anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby. Ary ny tendrombohitra Sinay nivoa-tsetroka avokoa, satria Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo; dia niakatra ny setroka tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay rehetra.’—Eksodosy 19:16-18.

3. Ahoana no nanomezan’i Jehovah ny Didy Folo ho an’ny Israely, ary inona no nanjary fantatr’ilay firenena?

3 Niteny tamin’ilay vahoaka tamin’ny alalan’ny anjely iray i Jehovah, mba hanomezana ny Didy Folo. (Eksodosy 20:1-17) Tsy isalasalana mihitsy àry fa avy tamin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ireo lalàna ireo. Nosoratan’i Jehovah tamin’ny vato fisaka izy ireo, nefa nopotehin’i Mosesy ilay izy rehefa nahita ny Israelita nivavaka tamin’ny ombilahikely volamena izy. Nosoratan’i Jehovah tamin’ny vato fisaka hafa indray àry ilay izy. Tamin’izay no namirapiratra ny tarehin’i Mosesy, rehefa nidina avy tany an-tendrombohitra izy, nitondra ireo vato fisaka ireo. Fantatry ny rehetra àry nanomboka teo, fa tena zava-dehibe ireo lalàna ireo.—Eksodosy 32:15-19; 34:1, 4, 29, 30.

4. Inona no naha zava-dehibe ny Didy Folo?

4 Natao tao anatin’ny fiaran’ny fifanekena ireo vato fisaka roa nisy ny Didy Folo. Napetraka tao amin’ny efitra Masina Indrindra tao amin’ny tranolay io fiara io, ary nafindra tao amin’ny efitra Masina Indrindra tao amin’ny tempoly, tatỳ aoriana. Nifototra tamin’ireo lalàna voasoratra tamin’ny vato ireo, ny fifaneken’ny Lalàn’i Mosesy sy ny fomba nitondran’i Jehovah ny firenen’ny Israely. Nahariharin’ireny lalàna ireny, fa nanana vahoaka manokana izay nofidiny Andriamanitra.

5. Nahoana no nampiseho ny fitiavan’Andriamanitra, ny lalàna nomeny ny Israely?

5 Nampianatra zavatra maro momba an’i Jehovah ireny lalàna ireny, indrindra fa ny fitiavany ny vahoakany. Tena fanomezana sarobidy tokoa ilay izy ho an’ireo nankatò azy! Hoy ny manam-pahaizana iray: ‘Mbola tsy nisy mihitsy fitsipi-pitondran-tena noforonin’olombelona, ka hoe nifanahantsahana na nitovy, na nihoatra ny didy folon’Andriamanitra.’ Hoy i Jehovah momba ny Lalàn’i Mosesy: “Raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa Ahy ny tany rehetra. Dia ho fanjakà-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy hianareo.”—Eksodosy 19:5, 6.

Lalàna voasoratra ao am-po

6. Inona no lalàna sarobidy kokoa noho ireo voasoratra tamin’ny vato?

6 Tena sarobidy tokoa ireny lalàn’Andriamanitra ireny taloha. Fantatrao ve anefa fa manana zava-tsarobidy lavitra noho ireny lalàna voasoratra tamin’ny vato ireny, ny Kristianina voahosotra? Nilaza mialoha i Jehovah fa hanao fifanekena vaovao, izay tsy mitovy amin’ny fifaneken’ny Lalàna nataony tamin’ny firenen’ny Israely. Hoy izy: “Hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony.” (Jeremia 31:31-34) Tsy nanome fehezan-dalàna an-tsoratra ho an’ny mpanara-dia azy i Jesosy, ilay Mpanelanelana amin’ny fifanekena vaovao. Nataony kosa izay hahalatsa-paka ny lalàn’i Jehovah tao am-po sy tao an-tsain’ny mpianany, tamin’ny alalan’ny zavatra nolazainy sy nataony.

7. Iza no nomena voalohany “ny lalàn’i Kristy”, ary iza koa no nanaiky azy io tatỳ aoriana?

7 Antsoina hoe “lalàn’i Kristy” io lalàna io. Tsy ny firenen’ny Israely taranak’i Jakoba no nomena azy io voalohany, fa “ny Israelin’Andriamanitra” izay firenena ara-panahy. (Galatianina 6:2, 16; Romanina 2:28, 29) Ireo Kristianina voahosotry ny fanahy no atao hoe Israelin’Andriamanitra. Nanatevin-daharana azy ireo tamin’ny fanompoana an’i Jehovah koa, tatỳ aoriana, ny “vahoaka be” avy amin’ny firenena rehetra. (Apokalypsy 7:9, 10; Zakaria 8:23) “Andiany iray” andrasan’ny ‘mpiandry iray’ izy ireo, ary samy manaraka “ny lalàn’i Kristy.” Mifehy azy amin’izay rehetra ataony io lalàna io.—Jaona 10:16.

8. Inona no naha samy hafa ny Lalàn’i Mosesy sy ny lalàn’i Kristy?

8 Tsy maintsy nankatò ny Lalàn’i Mosesy ny Israelita rehetra, satria nanaiky hanaraka azy io ny razambeny. Manaiky an-tsitrapo ny lalàn’i Kristy kosa anefa ny Kristianina satria izay no safidiny, fa tsy misy idiran’ny firazanana sy ny toerana nahaterahana. Mianatra momba an’i Jehovah sy ny fiheviny izy ireo, ka maniry mafy hanao ny sitrapony. ‘Ao an-tsain’izy ireo’ ny lalàn’Andriamanitra, ary toy ny hoe voasoratra “ao am-pony.” Tsy fahatahorana sazy na fanefana adidy fotsiny àry no ankatoavan’ireo Kristianina voahosotra an’Andriamanitra. Antony lehibe kokoa no mandresy lahatra azy ireo hankatò azy. Mankatò koa ireo ondry hafa, satria voasoratra ao am-pony ny lalàn’Andriamanitra.

Lalàna miorina amin’ny fitiavana

9. Ahoana no nanazavan’i Jesosy fa ny fitiavana no votoatin’ny lalàn’i Jehovah?

9 Azo fintinina amin’ny teny iray monja ny votoatin’ny lalàn’i Jehovah sy ny fitsipiny, dia ny fitiavana. Mitana toerana lehibe eo amin’ny fivavahana madio tokoa io toetra io, ary tsy hiova mihitsy izany. Hoy i Jesosy, rehefa nanontaniana azy ny didy lehibe indrindra ao amin’ny Lalàna: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.” Ary ny faharoa dia hoe: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” Hoy izy avy eo: “Ireo didy roa ireo no ihantonan’ny Lalàna manontolo sy ny Mpaminany.” (Matio 22:35-40) Nohazavain’i Jesosy tamin’izany, fa tsy ny Lalàna sy ny Didy Folo ihany no nifototra tamin’ny fitiavana, fa ny Soratra Hebreo manontolo mihitsy.

10. Ahoana no ahafantarantsika fa miorina amin’ny fitiavana ny lalàn’i Kristy?

10 Miorina amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiava-namana koa ve ilay lalàna ao am-pon’ny Kristianina? Izany tokoa! Mandidy antsika mba ho tia an’Andriamanitra amin’ny fontsika ny lalàn’i Kristy, ary tafiditra amin’izy io koa ny didy vaovao iray, dia ny mba hifanehoan’ny Kristianina fitiavana feno fahafoizan-tena. Ny Kristianina dia tsy maintsy manahaka ny fitiavan’i Jesosy, izay nanaiky hamoy ny ainy mba hamonjena ny namany. Nampianatra ny mpianany izy mba ho tia an’Andriamanitra, sy hifankatia toy ny nitiavany azy ireo. Ny fifankatiavana tsy misy toa azy eo amin’izy ireo, no marika miavaka indrindra amantarana ny tena Kristianina. (Jaona 13:34, 35; 15:12, 13) Nampianatra azy ireo mba ho tia ny fahavalony mihitsy aza i Jesosy.—Matio 5:44.

11. Ahoana no nanehoan’i Jesosy ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny olona?

11 Nanome modely tonga lafatra momba ny fanehoana fitiavana i Jesosy. Anjely mahery tany an-danitra izy, nefa nanaiky hanao ny sitrapon’ny Rainy tetỳ an-tany. Nanao sorona ny ainy izy mba hahazoan’ny olona fiainana mandrakizay, ary tsy izay ihany fa natorony azy ireo koa ny tokony ho fomba fiaina. Nanetry tena izy, tsara fanahy, ary niahy ny olona, ka nanampy an’ireo nampijalina sy ketraka noho ny zava-manahirana. Nampita “ny tenin’ny fiainana mandrakizay” koa izy, ka tsy nitandro hasasarana nanampy ny olona mba hahalala an’i Jehovah.—Jaona 6:68.

12. Nahoana no azo lazaina fa tsy afa-misaraka, ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiava-namana?

12 Tsy afa-misaraka, raha ny marina, ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiava-namana. Hoy ny apostoly Jaona: “Avy amin’Andriamanitra ny fitiavana ... Raha misy manao hoe: ‘Tia an’Andriamanitra aho’, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy. Fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, dia tsy afaka ny ho tia an’Andriamanitra izay tsy hitany.” (1 Jaona 4:7, 20) I Jehovah no loharanon’ny fitiavana, ary izy no ohatra tonga lafatra amin’izany. Ny fitiavana foana no mahatonga azy hanao zavatra. Afaka maneho fitiavana isika, satria noforonina tahaka ny endriny. (Genesisy 1:27) Manaporofo ny fitiavantsika an’Andriamanitra isika, raha mampiseho fa tia namana.

Mankatò an’Andriamanitra ny olona tia azy

13. Inona no tsy maintsy ataontsika voalohany, raha te ho tia an’Andriamanitra isika?

13 Ahoana no hitiavantsika an’Andriamanitra, izay tsy hitantsika? Tsy maintsy mianatra momba azy aloha isika. Tsy afaka ny ho tena tia na hatoky olona tsy fantatsika isika. Mampirisika antsika àry ny Tenin’Andriamanitra, mba hianatra bebe kokoa momba azy, ka hamaky Baiboly, hivavaka, ary hifanerasera amin’ny olona efa mahafantatra sy tia azy. (Salamo 1:1, 2; Filipianina 4:6; Hebreo 10:25) Tena manampy ny Filazantsara, satria tantarainy ao ny fiainana sy ny fanompoan’i Jesosy Kristy, ka ahitana taratry ny toetran’i Jehovah. Vao mainka isika maniry hankatò an’Andriamanitra sy hanahaka ny toetrany, rehefa mahafantatra azy sy mankasitraka ny fitiavana nasehony tamintsika. Mankatò an’Andriamanitra tokoa ny olona tia azy.

14. Nahoana no azo lazaina fa tsy mavesatra ny lalàn’Andriamanitra?

14 Rehefa tia olona iray ianao, dia fantatrao tsara hoe inona no tiany sy tsy tiany, ary arakaraka izay ny zavatra ataonao. Tsy irintsika ny hampahatezitra ny olona tiantsika. Hoy ny apostoly Jaona: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny itandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.” (1 Jaona 5:3) Tsy mavesatra ny didin’Andriamanitra sady tsy maro be. Ny fitiavana azy no mibaiko antsika. Tsy mila mitadidy lalàna maro be àry isika, mba hahafantarana izay tokony hatao. Hahafinaritra antsika kosa ny hanao ny sitrapony, raha tiantsika izy. Hankasitraka antsika izy amin’izay, ary handray soa koa isika satria mahasoa foana ny toromariny.—Isaia 48:17.

15. Inona no handrisika antsika hanahaka an’i Jehovah? Hazavao.

15 Mandrisika antsika hanahaka ny toetran’Andriamanitra ny fitiavantsika azy. Rehefa tia olona iray ianao, dia mahafinaritra anao ny toetrany ary miezaka ny ho toa azy ianao. Eritrereto, ohatra, ny fifandraisan’i Jehovah sy Jesosy. Niaraka tany an-danitra nandritra ny an’arivony tapitrisa taona tany ho any angamba izy mianaka. Nisy fitiavana lalina sy madio tanteraka teo amin’izy ireo. Nanahaka tanteraka ny Rainy i Jesosy, ka afaka nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray.” (Jaona 14:9) Manjary te hanahaka an’i Jehovah sy ny Zanany isika, rehefa mianatra momba azy ireo sy mankasitraka azy. Ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ny herin’ny fanahiny masina, dia hanampy antsika ‘hanaisotra ny toetra taloha mbamin’ireo fanao niaraka taminy, ary hitafy ny toetra vaovao.’—Kolosianina 3:9, 10; Galatianina 5:22, 23.

Fanehoana fitiavana

16. Nahoana no azo lazaina fa tia an’Andriamanitra sy ny namantsika isika, raha mitory sy mampianatra?

16 Kristianina isika, ka entanin’ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny fitiava-namana, mba hitory ilay Fanjakana sy hanao mpianatra. Mahafaly an’i Jehovah Andriamanitra izany, satria sitrapony ny “hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.” (1 Timoty 2:3, 4) Noho izany, dia mahafaly antsika ny manampy olona, mba ho voasoratra ao am-pon’izy ireo ny lalàn’i Kristy. Ary faly isika mahita azy miova sy manahaka ireo toetra tsaran’i Jehovah. (2 Korintianina 3:18) Ny fanampiana azy hahalala an’Andriamanitra, no fanomezana sarobidy indrindra azontsika atolotra ny olona. Afaka ny ho sakaizan’i Jehovah mandrakizay izy ireo, raha manaiky ho tonga namany.

17. Nahoana no fahendrena ny miezaka ho tia an’Andriamanitra sy ny olona, toy izay ho tia vola aman-karena?

17 Ny vola aman-karena no tena sarobidy amin’ny olona eto amin’ity tontolo ity, ary imatimatesany mihitsy aza. Tsy maharitra mandrakizay anefa izy io. Mety hisy hangalatra izy io na ho simba. (Matio 6:19) Mampitandrina antsika ny Baiboly hoe: “Mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (1 Jaona 2:16, 17) Haharitra mandrakizay tokoa i Jehovah, ary ho toy izany ireo tia sy manompo azy. Tsy fahendrena kokoa àry ve ny miezaka ho tia an’Andriamanitra sy ny olona, toy izay hikatsaka ny zavatra mihelina eto amin’ity tontolo ity?

18. Ahoana no nanehoan’ny misionera iray fitiavana feno fahafoizan-tena?

18 Mitondra dera ho an’i Jehovah ny olona miezaka maneho fitiavana. Eritrereto, ohatra, ny nataon’i Sonia, misionera any Sénégal. Nampianatra Baiboly an’i Heidi izy. Nahazo ny tsimokaretina VIH avy tamin’ny vadiny tsy Vavolombelona, io vehivavy io. Natao batisa izy taorian’ny nahafatesan’ny vadiny. Niharatsy anefa ny fahasalamany, tsy ela taorian’izay, ka nampidirina hopitaly izy satria voan’ny SIDA. Hoy i Sonia: “Nanao izay azony natao ny mpiasan’ny hopitaly, nefa vitsy izy ireo. Nantsoina mba hikarakara azy tany amin’ny hopitaly àry, ny olona teo anivon’ny fiangonana. Nipetraka tamin’ny tsihy teo akaikin’ny fandrianany aho, ny alina faharoa naha tao amin’ny hopitaly azy, ary nikarakara azy mandra-pahafatiny. Hoy ilay dokotera niandraikitra azy: ‘Tena sahirana izahay rehefa misy olona mararin’ny SIDA, satria matetika na ny havany aza dia mandao azy rehefa mahafantatra ny aretiny. Nahoana anefa ianao no vonona hisetra loza toy izao, nefa tsy havany akory, tsy iray firenena sady tsy mitovy firazanana aminy?’ Nohazavaiko taminy fa noraisiko ho toy ny iray tam-po tamiko mihitsy i Heidi. Ary faly aho nikarakara azy, noho izany antony izany.” Tsara homarihina fa tsy nisy voka-dratsiny tamin’i Sonia, ny fikarakarany an’i Heidi.

19. Inona no tokony hohararaotintsika, raha manana ny lalàn’Andriamanitra ao am-pontsika isika?

19 Maro ny mpanompon’i Jehovah maneho fitiavana feno fahafoizan-tena. Tsy misy fehezan-dalàna an-tsoratra mampiavaka ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny. Hitantsika kosa ny fahatanterahan’ny Hebreo 8:10, manao hoe: “ ‘Izao no fifanekena hataoko amin’ny taranak’Israely rehefa afaka izany andro izany’, hoy i Jehovah: ‘Hataoko ao an-tsainy sy hosoratako ao am-pony ny lalàko. Ary izaho ho Andriamaniny, ary izy ireo kosa ho oloko.’ ” Enga anie isika hankamamy foana ny lalàn’ny fitiavana nosoratan’i Jehovah ao am-pontsika, ka hanararaotra haneho fitiavana isaky ny afaka manao izany.

20. Nahoana no harena faran’izay sarobidy ny lalàn’i Kristy?

20 Tena mahafaly ny manompo an’Andriamanitra miaraka amin’ireo rahalahy maneran-tany, izay maneho fitiavana toy izany! Manana harena faran’izay sarobidy ny olona manana ny lalàn’i Kristy ao am-pony, eto amin’ity tontolo tsy misy fitiavana ity. Tsy vitan’ny hoe tian’i Jehovah izy ireo, fa faly koa satria mifankatia fatratra toy ny mpirahalahy. “Tsara sady mahafinaritra [tokoa] raha ny mpirahalahy no miara-monina.” Tena miray saina ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia avy amin’ny firenena maro, sy mampiasa fiteny maro, ary samy hafa kolontsaina aza izy ireo. Ankasitrahan’i Jehovah izy ireo noho izany. Hoy ny mpanao salamo: “Voadidin’i Jehovah ho eo [anivon’ny vahoaka tafaray noho ny fitiavana] ny fitahiana, dia fiainana ho mandrakizay.”—Salamo 133:1-3.

Hainao Valiana Ve?

• Inona no naha sarobidy ny Didy Folo?

• Inona ilay lalàna voasoratra ao am-pon’ny Kristianina?

• Inona no toerana tanan’ny fitiavana ao amin’ny “lalàn’i Kristy”?

• Ahoana no azontsika anehoana fitiavana an’Andriamanitra sy ny olona?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 25]

Nanana lalàna voasoratra tamin’ny vato ny Israelita

[Sary, pejy 26]

Manana ny lalàn’Andriamanitra ao am-pony ny Kristianina

[Sary, pejy 28]

Sonia sy ankizivavy senegaley iray, tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2004