Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampamoy Fo ny Fahafatesana

Mampamoy Fo ny Fahafatesana

Mampamoy Fo ny Fahafatesana

“ZAZA ENIN-TAONA NAMONO TENA.” Nanaitra io matoam-baovao io, izay niresaka momba ny loza nahafaty ny zazavavy kely atao hoe Jackie. Narary mafy ny reniny ka maty vao haingana. Niantoraka teny amin’ny lalamby izy rehefa nisy lamasinina nandalo. Nilaza tamin’ny iray tam-po taminy izy talohan’izay, fa ‘te ho lasa anjely sy hiaraka amin-dreniny’, hono, izy.

Tamin’i Ian 18 taona dia nanontaniany ny pretra hoe nahoana ny rainy no matin’ny kansera. Nilaza ilay pretra fa olona tsara ny rainy, ka nalain’Andriamanitra ho any an-danitra. Nanjary tsy te hifandray amin’Andriamanitra lozabe toy izany àry i Ian. Toa zava-poana ny fiainana, ka naleony nanaram-po tamin’ny fahafinaretana. Niboboka toaka izy, nidoroka zava-mahadomelina, ary naloto fitondran-tena. Nivarilavo izy.

“Fantatry ny velona fa ho faty izy”

Asehon’ireo tantara roa mahonena ireo, fa mety hamoy fo ny olona rehefa maty tampoka ny havany. Azo inoana fa hain’ny rehetra ity teny ao amin’ny Baiboly ity: “Fantatry ny velona fa ho faty izy.” (Mpitoriteny 9:5) Tsy te hieritreritra an’izany anefa ny olona maro. Ary ianao? Be loatra ny zavatra ifantohan’ny saintsika sy mitaky ny fotoanantsika, ka tsy te hieritreritra fahafatesana izany mihitsy isika. Mihevitra mantsy isika fa mbola ho ela vao ho faty.

Hoy Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy): “Matahotra ny ho faty ny ankamaroan’ny olona, ka aleony tsy mieritreritra momba izany.” Toa mandondona antsika tampoka anefa Rafahafatesana, rehefa iharan-doza na voan’ny aretina mahafaty isika. Mety hanatrika fandevenana namana na havana koa isika, ka hitamberina ao an-tsaintsika ilay zavatra mangidy miandry ny olombelona rehetra.

Matetika anefa ny mpandevina no milaza hoe: “Tokony hitohy foana ny fiainana.” Tena mitohy tokoa izy io. Toa mandeha haingana loatra aza, ka tsy hitahita akory dia efa miatrika ny olana entin’ny fahanterana sahady isika. Efa antomotra ny fahafatesana amin’izay. Be loatra ny fandevenana atrehina. Betsaka amin’ireo namana hatramin’ny fahakely koa no afoy. Manakorontana ny sain’ny be taona maro ilay fanontaniana hoe: “Rahoviana ny anjarako?”

Fanontaniana lehibe

Tsy misy amintsika mandà ny fisian’ny fahafatesana, kanefa maro no tsy mahalala izay mitranga aorian’izy io. Mifanipaka be ihany ny fanazavana momba izany, ka mety hahatonga ireo be fisalasalana hihevitra hoe resaka fotsiny izy ireny, fa tsy misy mahalala ny tena marina. Ny hafa kosa mety hilaza hoe aleo manao izay mahafinaritra ny tena, satria ‘ho faty ihany’ ve, hono, ‘ka tsy handrovi-tsihy?’

Misy indray tsy mino hoe ny fahafatesana no faran’ny zava-drehetra. Tsy tena fantany tsara anefa izay mitranga aorian’izy io. Ao ny milaza fa mbola hitohy any an-danitra ny fiainana, sady ho feno fahasambarana mandrakizay. Ny hafa indray mihevitra fa mbola ho velona izy amin’ny hoavy, fa mety ho lasa olon-kafa fotsiny.

Manontany foana ireo nidonam-pahoriana hoe: “Aiza moa ireo maty?” Saika hamonjy lalao baolina kitra ny ekipa iray, taona vitsivitsy lasa izay. Nodonin’ny kamiao anefa ny minibus nitondra azy ireo ka nivadika. Mpilalao dimy no maty. Tsy nandeha tamin’ny laoniny intsony ny fiainan’ny vehivavy iray, hatramin’ny nahafatesan’ny zanany lahy tamin’io loza io. Mbola miezaka hahafantatra foana izy hoe aiza ny zanany. Mankany am-pasany foana izy, ary miresaka aminy mandritra ny ora maro. Hoy izy: “Tsy mino mihitsy aho hoe tsy misy fiainana intsony aorian’ny fahafatesana. Tsy haiko anefa!”

Tena misy fiantraikany eo amin’ny fiainantsika tokoa ny fiheverantsika ny fahafatesana. Maro ny fanontaniana mipoitra, rehefa jerena ny fihetsiky ny olona nidonam-pahoriana. Eritrereto ny fomba mety hamalianao azy ireo. Tsy tokony hieritreritra momba ny fahafatesana mihitsy ve isika, fa hifantoka amin’ny fiainana? Tokony havelantsika hanimba ny fiainantsika ve ny fahafatesana mananontanona? Tsy afaka hamantatra izay misy ny havany nodimandry mihitsy ve ireo nidonam-pahoriana? Ho zava-miafina foana ve ny resaka fahafatesana?