Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manome Taratry ny Voninahitr’i Jehovah ny Kristianina

Manome Taratry ny Voninahitr’i Jehovah ny Kristianina

Manome Taratry ny Voninahitr’i Jehovah ny Kristianina

“Sambatra ... ny masonareo fa mahita, ary ny sofinareo fa mandre.”—MATIO 13:16.

1. Inona no fanontaniana mipetraka, momba ny fihetsiky ny Israelita nanoloana an’i Mosesy?

TENA nanana antony hanatonana an’i Jehovah, ny Israelita nivory teo amin’ny Tendrombohitra Sinay. Nanafaka azy ireo avy tany Ejipta tamin’ny tanany mahery izy. Nikarakara izay nilain’izy ireo izy, ka nanome azy sakafo sy rano tany an’efitra. Nataony koa izay nandresen’izy ireo ny tafika amalekita nanafika azy. (Eksodosy 14:26-31; 16:2–17:13) Rehefa nitoby tany an’efitra teo anoloan’ny Tendrombohitra Sinay izy ireo, dia nisy kotroka sy tselatra, ary raiki-tahotra izy ireo, ka toran-kovitra. Nahita taratry ny voninahitr’i Jehovah teo amin’ny tarehin’i Mosesy izy ireo taorian’izay, rehefa nidina an’ilay tendrombohitra izy. Tsy talanjona na nankasitraka izany anefa izy ireo, fa “natahotra” ka tsy sahy nanatona an’i Mosesy. (Eksodosy 19:10-19; 34:30) Nahoana ny Israelita no natahotra, rehefa nahita taratry ny voninahitr’i Jehovah, ilay Andriamanitra nanao soa be dia be ho azy ireo?

2. Inona no mety ho nahatonga ny Israelita hatahotra, rehefa nahita taratry ny voninahitr’Andriamanitra teo amin’ny tarehin’i Mosesy izy ireo?

2 Mety ho ny zava-nitranga talohan’izay no tena naharaiki-tahotra ny Israelita. Nofaizin’i Jehovah izy ireo, rehefa ninia tsy nankatò azy fa nanao ombilahikely volamena. (Eksodosy 32:4, 35) Fay tokoa ve izy ireo ary nankasitraka ilay famaizana? Tsia. Tsy izany no fihetsiky ny ankamaroany. Taloha kelin’ny nahafatesany, dia tsaroan’i Mosesy fa nanompo ombilahikely volamena ny Israelita, sady tsy nankatò matetika ny didin’i Jehovah. Hoy izy tamin’izy ireo: “Nandà ny tenin’i Jehovah Andriamanitrareo hianareo, fa tsy nino Azy, na nihaino ny feony. Eny, niodina tamin’i Jehovah ihany hianareo hatramin’ny andro nahalalako anareo no ho mankaty.”—Deoteronomia 9:15-24.

3. Tamin’ny toe-javatra inona i Mosesy no nisaron-tava?

3 Inona no nataon’i Mosesy, rehefa hitany fa natahotra ny Israelita? Hoy ny Baiboly: “Ary rehefa vita ny teny nataon’i Mosesy taminy, dia nasiany fisalobonana ny tavany. Ary raha niditra [tao amin’ny tranolay] teo anatrehan’i Jehovah Mosesy hiteny aminy, dia nanaisotra ny fisalobonana izy mandra-pivoakany. Dia nivoaka izy ka nilaza tamin’ny Zanak’Isiraely izay efa nandidiana azy. Ary hitan’ny Zanak’Isiraely ny tavan’i Mosesy, fa, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany; dia nasaron’i Mosesy ny tavany indray ny fisalobonana mandra-pidiny hiteny [amin’i Jehovah] indray.” (Eksodosy 34:33-35) Nahoana no nisaron-tava i Mosesy indraindray? Inona no ianarantsika avy amin’izany? Hanampy antsika handinika ny fifandraisantsika amin’i Jehovah ny valin’izany.

Tsy nahay nanararaotra

4. Nahoana i Mosesy no nisaron-tava, araka ny nolazain’ny apostoly Paoly?

4 Nohazavain’ny apostoly Paoly fa nisy ifandraisany tamin’ny toe-tsaina sy ny toe-pon’ny Israelita, ny antony nahatonga an’i Mosesy hisaron-tava. Hoy i Paoly: ‘Tsy afa-nibanjina ny tavan’i Mosesy ny zanak’Israely noho ny voninahitry ny tavany. Donto ny fisainan’izy ireo.’ (2 Korintianina 3:7, 14) Mampalahelo tokoa izany! Vahoaka nofidin’i Jehovah ny Israelita, ary niriny hanatona azy. (Eksodosy 19:4-6) Tsy nety nibanjina ny taratry ny voninahiny anefa izy ireo. Tsy nanatona an’i Jehovah tamin’ny fony sy ny sainy manontolo izy ireo. Hita tamin’ny fomba fiainany kosa fa naleony nihodina taminy.

5, 6. a) Nahoana no lazaina fa nitovy tamin’ny Israelita tamin’ny andron’i Mosesy, ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany? b) Inona no naha samy hafa an’ireo nihaino an’i Jesosy sy ireo tsy nihaino azy?

5 Toy izany no nitranga tamin’ny taonjato voalohany. Efa tsy nanan-kery intsony ny fifaneken’ny Lalàna, tamin’ny fotoana naha lasa Kristianina an’i Paoly, fa nosoloana ny fifanekena vaovao. Mpanelanelana tamin’io fifanekena io i Jesosy Kristy, ilay Mosesy Lehibe. Nanome taratra tanteraka ny voninahitr’i Jehovah izy, tamin’ny teniny sy ny nataony. Hoy i Paoly momba an’i Jesosy natsangana tamin’ny maty: “Izy io no taratry ny [voninahitr’Andriamanitra], sady mampiseho tanteraka ny maha izy azy.” (Hebreo 1:3) Azon’ny Jiosy nohararaotina tsara izany! Afaka nihaino ny tenin’ny fiainana mandrakizay nambaran’ilay Zanak’Andriamanitra izy ireo! Nampalahelo anefa fa tsy nihaino an’i Jesosy ny ankamaroan’ny olona nitoriany. Nilaza i Jesosy fa mihatra amin’izy ireo ity faminaniana nambaran’i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia ity: “Efa nanjary donto ny fon’ity vahoaka ity, ary efa nandre ny sofiny fa tsy rototra izy, ary efa nakimpiny ny masony, sao hahita ny masony sy handre ny sofiny ary hahazo ny heviny ny fony, dia hiverina izy ka hositraniko.”—Matio 13:15; Isaia 6:9, 10.

6 Tsy nitovy tamin’ireo Jiosy ireo mihitsy ny mpianatr’i Jesosy, izay nilazany hoe: “Sambatra ... ny masonareo fa mahita, ary ny sofinareo fa mandre.” (Matio 13:16) Tena maniry hahafantatra an’i Jehovah sy hanompo azy koa ny tena Kristianina. Mahafinaritra azy ireo ny manao ny sitrapony voalaza ao amin’ny Baiboly. Izany no mahatonga ny Kristianina voahosotra hanome taratry ny voninahitr’i Jehovah, amin’ny alalan’ny fanompoana mifandray amin’ny fifanekena vaovao. Manahaka azy ireo koa ny ondry hafa.—2 Korintianina 3:6, 18.

Nahoana ny vaovao tsara no toy ny misy lamba manarona?

7. Nahoana no tsy mahagaga raha tsy mandray ny vaovao tsara ny ankamaroan’ny olona?

7 Hitantsika fa tsy nahay nanararaotra ny ankamaroan’ny Israelita, tamin’ny andron’i Jesosy sy Mosesy. Toy izany koa ankehitriny. Tsy mandray ny vaovao tsara torintsika ny ankamaroan’ny olona. Tsy gaga amin’izany anefa isika. Hoy i Paoly: “Koa raha tsy mazava ny vaovao tsara torinay, toy ny hoe misy lamba manarona, dia amin’izay ho ringana izany no tsy mazava. Eo amin’izy ireny ny andriamanitr’ity tontolo ity no manajamba ny sain’ny tsy mino.” (2 Korintianina 4:3, 4) Miezaka manafina ny vaovao tsara i Satana, ary maro koa ny olona tsy te hahalala izany, ka toy ny hoe minia manarona ny tarehiny amin’ny lamba.

8. Nahoana no maro ny olona jamban’ny tsy fahalalana, ary inona no tokony hataontsika mba tsy ho toy izany?

8 Maro no jamban’ny tsy fahalalana. Milaza mantsy ny Baiboly, fa “maizin-tsaina sy lavitra ny fiainana an’Andriamanitra” ireo firenena, “noho ny tsy fahalalana ao anatiny.” (Efesianina 4:18) Nanenjika ny fiangonan’Andriamanitra i Paoly, talohan’ny naha Kristianina azy, satria jamban’ny tsy fahalalana, na dia nahay ny Lalàna aza. (1 Korintianina 15:9) Nasehon’i Jehovah taminy anefa ny fahamarinana. Hoy i Paoly: “Nahazo famindram-po ... aho mba ho amin’ny alalako, izay lohany amin’ny mpanota, no hanehoan’i Kristy Jesosy ny fahari-pony rehetra, ka hahatonga ahy ho santionan’ny olona hino azy, eny, hino azy mba hahazoana fiainana mandrakizay.” (1 Timoty 1:16) Toa an’i Paoly, dia olona maro nanohitra ny fahamarinana no lasa mpanompon’Andriamanitra. Tena tokony hanohy hitory àry isika, na dia amin’ny olona manohitra aza. Mila mianatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra sy miezaka hahazo ny heviny koa isika, mba tsy hanao zavatra noho ny tsy fahalalana, ka hampahatezitra an’i Jehovah.

9, 10. a) Inona no mampiseho fa tsy nety nianatra ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany sady niziriziry tamin’ny heviny? b) Toy izany ve no hita ao amin’ny Kristianisma Anarana ankehitriny? Hazavao.

9 Maro koa no toy ny jamba, satria tsy mety mianatra sady miziriziry amin’ny heviny. Jiosy maro no nanda an’i Jesosy sy ny fampianarany, satria nikiry tsy nety niala tamin’ny Lalàn’i Mosesy. Nisy naningana ihany anefa. “Mpisorona maro be”, ohatra, “no nanjary nanaiky ny finoana”, taorian’ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty. (Asan’ny Apostoly 6:7) Hoy anefa i Paoly momba ny ankamaroan’ny Jiosy: “Misy lamba manarona ny fon’izy ireo ... mandraka androany, isaky ny vakina izay nosoratan’i Mosesy.” (2 Korintianina 3:15) Azo inoana fa fantatr’i Paoly ireto tenin’i Jesosy tamin’ny mpitondra fivavahana jiosy ireto: “Mikaroka ao amin’ny Soratra Masina ianareo, noho ny fiheverana fa amin’ny alalan’izy io no hanananareo fiainana mandrakizay, ary izy io mihitsy no manome porofo momba ahy.” (Jaona 5:39) Tokony ho fantatr’izy ireo fa i Jesosy no Mesia, satria nikaroka tsara tao amin’ny Soratra Masina izy ireo. Niziriziry tamin’ny heviny anefa ny Jiosy, ka na ilay Zanak’Andriamanitra mpanao fahagagana aza, dia tsy naharesy lahatra azy.

10 Toy izany koa ny olona maro ao amin’ny Kristianisma Anarana ankehitriny. “Mafana fo ho an’Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny fahalalana marina tsara”, toy ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany ihany. (Romanina 10:2) Misy ihany mianatra Baiboly, saingy tsy mety mino izay voalaza ao. Tsy mety manaiky izy ireo fa mampianatra ny vahoakany i Jehovah, amin’ny alalan’ny mpanompo mahatoky sy malina, dia ny Kristianina voahosotra. (Matio 24:45) Isika kosa anefa mahalala fa mampianatra ny vahoakany i Jehovah, ary mihamazava tsikelikely foana ny fahamarinana avy aminy. (Ohabolana 4:18) Lasa mahafantatra ny sitrapony sy ny fikasany isika, rehefa manaiky ampianariny.

11. Nahoana no tsy mahita ny fahamarinana ny olona, rehefa mino izay tiany hinoana fotsiny?

11 Mino izay tiany hinoana fotsiny ny sasany, ka toy ny jamba ihany. Voalaza mialoha fa hisy haneso ny vahoakan’Andriamanitra, sy ny hafatra torin’izy ireo momba ny fanatrehan’i Jesosy. Hoy ny apostoly Petera: “Minia tsy mahalala izy ireo”, izany hoe mody tsy mahafantatra fa nanao safodrano Andriamanitra, mba handringanana ny tontolo tamin’ny andron’i Noa. (2 Petera 3:3-6) Toy izany koa ankehitriny. Olona maro mitonona ho Kristianina no miaiky fa mamindra fo i Jehovah, tsara fanahy ary mamela heloka. Tsy raharahainy na tsy ekeny anefa fa mamaly heloka i Jehovah. (Eksodosy 34:6, 7) Miezaka mafy ny tena Kristianina mba hahafantatra hoe inona marina no ampianarin’ny Baiboly.

12. Ahoana no nahatonga ny olona ho jamban’ny fomban-drazana?

12 Maro ny mpivavaka jamban’ny fomban-drazana. Hoy i Jesosy tamin’ny mpitondra fivavahana tamin’ny androny: “Ataonareo tsy manan-kery ny tenin’Andriamanitra noho ny fomban-drazana.” (Matio 15:6) Nazoto namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana marina ny Jiosy, rehefa tafaverina avy tany an-tsesitany tany Babylona. Nanjary niavonavona sy niseho ho marina anefa ireo mpisorona. Lasa fombafomba fotsiny ny fety ara-pivavahana, fa tsy tena nanehoana fanajana an’Andriamanitra. (Malakia 1:6-8) Nampian’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo fomban-drazana maro be ny Lalàn’i Mosesy, tamin’ny andron’i Jesosy. Nabaribarin’i Jesosy fa mpihatsaravelatsihy izy ireo, satria nanadino ireo toro lalana marina iorenan’ny Lalàna. (Matio 23:23, 24) Tsy maintsy mitandrina ny tena Kristianina, mba tsy hanaraka fombafomba ara-pivavahana noforonin’ny olona, ka hanjary hiala amin’ny fivavahana marina.

“Mahita an’Ilay tsy hita”

13. Inona avy ireo fomba roa nahitan’i Mosesy sombin’ny voninahitr’Andriamanitra?

13 Nangataka hahita ny voninahitr’Andriamanitra i Mosesy teny an-tendrombohitra, ary tena nahita sombiny tamin’izany. Tsy nanarona ny tarehiny izy rehefa niditra tao amin’ny tranolay. Nanana finoana matanjaka izy, ary naniry hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Marina fa nahita sombiny kely tamin’ny voninahitr’i Jehovah izy, nefa azo lazaina koa fa efa nahita an’Andriamanitra tamin’ny mason’ny finoana. Milaza ny Baiboly fa “tsy azo nohozongozonina mihitsy izy, toy ny mahita an’Ilay tsy hita.” (Hebreo 11:27; Eksodosy 34:5-7) Ankoatra izany, dia nanome taratry ny voninahitr’Andriamanitra izy, tsy tamin’ny tarehiny namirapiratra vetivety fotsiny, fa tamin’ny ezaka nataony koa mba hanampiana ny Israelita hahafantatra sy hanompo an’i Jehovah.

14. Nahoana i Jesosy no afaka nahita ny voninahitr’Andriamanitra, ary inona no tena nahafaly azy?

14 Efa hatry ny ela be i Jesosy no nahita mivantana ny voninahitr’Andriamanitra tany an-danitra, na dia mbola tsy noforonina aza izao rehetra izao. (Ohabolana 8:22, 30) Nanjary nifankatia sy niraiki-po be izy mianaka, nandritra izany fotoana izany. Naneho fitiavana sy firaiketam-po faran’izay lalina tamin’io lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra io, i Jehovah Andriamanitra. Ho setrin’izany, dia naneho fitiavana sy firaiketam-po lalina tamin’Andriamanitra, ilay nanome aina azy, i Jesosy. (Jaona 14:31; 17:24) Tonga lafatra ny fifankatiavan’izy mianaka. Toa an’i Mosesy, dia tena faly i Jesosy rehefa nanome taratry ny voninahitr’i Jehovah, tamin’ny alalan’ny fampianarany.

15. Ahoana no ahitan’ny Kristianina ny voninahitr’Andriamanitra?

15 Tena maniry hibanjina ny voninahitr’i Jehovah koa ny Vavolombelony eto an-tany ankehitriny, toa an’i Mosesy sy Jesosy. Tsy mandà ny vaovao tsara be voninahitra izy ireo. Hoy ny apostoly Paoly: “Rehefa misy fiverenana amin’i Jehovah [mba hanao ny sitrapony] ..., dia esorina ilay lamba manarona.” (2 Korintianina 3:16) Mianatra ny Soratra Masina isika, satria te hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Mampiaiky volana antsika ny voninahiny hita taratra eo amin’i Jesosy Kristy, izay notendreny ho Mpanjaka. Ary manahaka an’io Zanany io isika. Toa an’i Mosesy sy Jesosy, dia misy fanompoana asaina ataontsika. Tsy inona izany fa ny fanampiana ny olona hahafantatra an’ilay Andriamanitra be voninahitra ivavahantsika.

16. Inona no fitahiana raisintsika noho isika mahalala ny fahamarinana?

16 Nivavaka i Jesosy hoe: ‘Ry Ray ô, midera anao eo imason’ny olona aho, satria efa nafeninao tamin’ny hendry sy ny mahira-tsaina izany, fa nahariharinao tamin’ny zaza kosa.’ (Matio 11:25) Ampian’i Jehovah hahafantatra ny sitrapony sy ny toetrany, ny olona tso-po sy manetry tena am-po. (1 Korintianina 1:26-28) Miahy sy miaro antsika izy, ary mampianatra antsika hahita soa, izany hoe handray soa faran’izay betsaka amin’ny fiainana. Enga anie àry isika hanao izay rehetra azo atao mba hanatonana an’i Jehovah, ary hankasitraka ny fanampiana maro omeny mba hahafantarantsika azy tsara kokoa.

17. Ahoana no ahafantarantsika tsara kokoa ny toetran’i Jehovah?

17 Nanoratra ho an’ny Kristianina voahosotra i Paoly hoe: “Tahaka ny fitaratra, dia manome taratry ny voninahitr’i Jehovah amin’ny tava tsy misarona isika rehetra, ka ovana hitovy endrika aminy, avy amin’ny voninahitra ho amin’ny voninahitra.” (2 Korintianina 3:18) Na manantena ho any an-danitra isika na ho eto an-tany, dia hitovy kokoa amin’i Jehovah isika, rehefa mahafantatra azy bebe kokoa, izany hoe mahalala ny toetrany resahin’ny Baiboly. Ho hita taratra tsara kokoa eo amintsika ny toetran’i Jehovah, raha mandinika ny fiainan’i Jesosy Kristy sy ny fanompoany ary ny fampianarany isika, sady mankasitraka izany. Tena mahafaly tokoa ny mahafantatra fa midera an’ilay Andriamanitsika isika, ary miezaka manome taratry ny voninahiny!

Tadidinao Ve?

• Nahoana ny Israelita no natahotra, rehefa nahita ny voninahitr’Andriamanitra hita taratra teo amin’i Mosesy?

• Nahoana no toy ny ‘nisy lamba nanarona’ ny vaovao tsara, tamin’ny taonjato voalohany? Ary nahoana no toy izany koa ankehitriny?

• Ahoana no anomezantsika taratry ny voninahitr’Andriamanitra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 19]

Tsy nahavita nibanjina ny tarehin’i Mosesy ny Israelita

[Sary, pejy 21]

Toa an’i Paoly, dia olona maro nanohitra ny fahamarinana no lasa mpanompon’Andriamanitra

[Sary, pejy 23]

Tena mahafinaritra ny mpanompon’i Jehovah ny manome taratry ny voninahiny