Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Noderaina Satria Liana Amin’ny Baiboly

Noderaina Satria Liana Amin’ny Baiboly

Noderaina Satria Liana Amin’ny Baiboly

AVOLOMBELON’I JEHOVAH any atsimon’i Italia i Marianna, 18 taona. Ao amin’ny kilasy famaranana izy, ary misy tanora Vavolombelona hafa koa ao amin’ilay lise ianarany.

Nanoratra toy izao izy: “Efa hatramin’ny taona vitsivitsy, dia mamaky ny andinin-teny ho an’ny andro ao amin’ny bokikely Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro ny sasany aminay, mandritra ny fakan-drivotra. Teo amin’ny lalantsara iray akaikin’ny biraon’ny mpampianatra ihany no nahafahanay nanao izany. Tsy tena nangina loatra anefa teo. Nahita anay ny ankamaroan’ny mpampianatra nandalo, ary nijanona mihitsy ny sasany mba hijery izay nataonay. Matetika izany no nahafahanay namaly ny fanontanian’izy ireo. Mpampianatra iray isan’andro, tamin’ny antsalany, no nijanona mba hiresaka taminay. Nihaino anay niara-nidinika an’ilay andinin-teny ny sasany, ary avy eo nidera antsika Vavolombelona, noho isika liana amin’ny Baiboly. Nilaza taminay ny tale lefitra, indray mandeha, mba hanao ilay dinidinika tao amin’ny biraon’ny mpampianatra.”

“Rehefa hitan’ny mpampianatra anay hoe taiza izahay no nanao ilay dinidinika, dia nangataka tamin’ny tale izy mba hanome anay efitrano hanaovanay izany amim-pilaminana kokoa. Nanaiky àry ilay tale. Nidera anay teo anoloan’ny iray kilasy ilay mpampianatra anay, noho ny ohatra tsara nomenay. Faly be izahay rehetra, noho ilay voninahitra lehibe nomen’i Jehovah anay.”