Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Nanampy ny Manam-pahaizana ny Baibolin’ny Mpanjaka

Tena Nanampy ny Manam-pahaizana ny Baibolin’ny Mpanjaka

Tena Nanampy ny Manam-pahaizana ny Baibolin’ny Mpanjaka

NIAINGA tany Espaina ny sambo iray, ary nizotra nankany amin’ny saikinosy italianina, tany am-piandohan’ireo taona 1500. Nisy entana sarobidy be tao anatin’ny lakalin’izy io. Tsy inona izany fa ny ankamaroan’ireo Baiboly misy fiteny maro, antsoina hoe Polyglotte de Complute, izay natao pirinty teo anelanelan’ny 1514 sy 1517. Nisy tafio-drivotra tampoka anefa. Nanao izay ho afany ny tantsambo mba hamonjena ilay sambo, nefa very maina ny ezak’izy ireo. Niara-rendrika tamin’ilay sambo ireo entana sarobidy tao anatiny.

Nangataka ny hanontana indray ny Baiboly misy fiteny maro àry ny olona, taorian’ilay loza. Nanaiky hanao io asa sarotra io ilay mpanao pirinty matihanina atao hoe Christophe Plantin. Nila olona nanan-karena hisahana ny lany amin’io asa goavana io anefa izy. Nangataka an’i Philippe II, mpanjakan’i Espaina, àry izy mba hanampy azy. Tsy tonga dia nanapa-kevitra anefa ilay mpanjaka, fa naka hevitra tamin’ny manam-pahaizana espaniola aloha, anisan’izany i Arias Montano. Izao no nolazain’io manam-pahaizana malaza momba ny Baiboly io tamin’ny mpanjaka: “Tsy hoe fanompoana an’Andriamanitra sy fanasoavana ny eglizy [katolika] eran-tany fotsiny izany, fa hitondra voninahitra lehibe ho an’ny anaran’ny Mpanjaka sady hampahalaza anao koa.”

Nanapa-kevitra àry i Philippe fa hanohana tanteraka an’ilay tetikasan’i Plantin. Takany mantsy fa ho asa soratra hiavaka eo amin’ny tantara, io Baiboly misy fiteny maro nohavaozina io. Nankininy tamin’i Arias Montano ny fanontana azy io, izay asa lehibe dia lehibe tokoa. Nantsoina hoe Baibolin’ny Mpanjaka, na Polyglotte d’Anvers izy io tatỳ aoriana. *

Nahaliana be an’i Philippe ny fandrosoan’ilay asa. Nasainy nalefa tany aminy àry ny pejy tsirairay vita pirinty tamin’ilay Baiboly. Nidika izany fa nila nalefa tany Espaina aloha ireo pejy mba hovakin’ilay mpanjaka sy hahitsiny, ary avy eo vao naverina tany Anvers. Tsy te hanatara ny asany anefa i Plantin, ka ny pejy voalohany vita pirinty ihany no nalefany, niampy pejy vitsivitsy angamba. Nanao izay fanitsiana tena nilaina kosa i Montano, nandritra izany fotoana izany. Nanampy azy ny profesora telo avy tao amin’ny oniversiten’i Louvain sy ny ankizivavy iray, zanak’i Plantin.

Lehilahy tia ny Tenin’Andriamanitra

Nifandray tsara tamin’ireo manam-pahaizana tao Anvers i Arias Montano. Tian’i Plantin izy satria nalala-tsaina, ka lasa mpinamana sy mpiara-miasa izy ireo mandra-pahafatiny. Tsy hoe nahay fotsiny i Montano, fa tena tia ny Tenin’Andriamanitra koa. * Tsy andriny izay hamitana ny fianarany tamin’izy tovolahy, mba hifantohana tanteraka amin’ny fianarana ny Soratra Masina.

Nihevitra i Montano fa tokony hadika ara-bakiteny araka izay azo atao, ny Baiboly. Niriny ho voadika tsara ny soratra tany am-boalohany, mba ho marina ny Tenin’Andriamanitra hovakin’ny olona. Narahiny ilay teny filamatr’i Érasme, izay nampirisika ny manam-pahaizana mba “hampifanaraka ny hafatra torin’izy ireo momba an’i Kristy, amin’izay voasoratra tany am-boalohany.” Tsy nahazo ny hevitry ny teny nanoratana ny Soratra Masina tany am-boalohany mantsy ny olona, nandritra ny taonjato maro, satria sarotra ny dikan-teny latinina.

Ny fomba namitana ilay Baiboly

Nanomana sy nanavao sora-tanana maro i Alfonso de Zamora, rehefa natao pirinty ilay Baiboly misy fiteny maro. * Ireo sora-tanana rehetra ireo no nampiasain’i Montano, rehefa nanao ilay Baibolin’ny Mpanjaka izy.

Nokasaina ho fanontana faharoa amin’ny Baiboly misy fiteny maro, ny Baibolin’ny Mpanjaka, tamin’ny voalohany. Tsy nijanona ho fanavaozana fotsiny anefa izy io. Nalaina avy tamin’ny Baiboly misy fiteny maro, ny teny hebreo sy grika tao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Nampiana teny hafa sy fanazavana fanampiny ilay Baiboly misy fiteny maro avy eo, ka lasa Baibolin’ny Mpanjaka. Nisy boky valo ilay izy rehefa vita. Dimy taona no nanaovana pirinty azy io (1568-1572), nefa azo lazaina hoe haingana ihany izany raha ampitahaina amin’ny habetsahan’ilay asa. Baiboly 1 213 no vita pirinty.

Nosokajina ho “anisan’ny zava-bita niavaka indrindra teo amin’ny tantaran’ny fanaovana pirinty”, ny Baiboly misy fiteny maro, tamin’ny 1517. Mbola tsara kokoa anefa ilay Baiboly vaovao natao tany Anvers, na teo amin’ny fomba nanamboarana azy na ny zavatra raketiny. Anisan’ny nisongadina teo amin’ny tantaran’ny fanaovana pirinty, ny fanontana azy io. Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe anisan’ireo asa soratra ampiasain’ny mpandika Baiboly amin’ny teny hafa izy io.

Nanohitra ny fahavalon’ny Tenin’Andriamanitra

Tsy mahagaga raha nanomboka tsy faly ireo tsy nankasitraka ny handikana marina tsara ny Baiboly. Efa neken’ny papa ny hanontana ny Baibolin’ny Mpanjaka. Manam-pahaizana nohajaina sy nalaza koa i Arias Montano. Nisy nitory tany amin’ny Inquisition (fitsarana katolika) anefa izy, satria ny dikan-teny latinina nohavaozin’i Santes Pagninus no nofidiny fa tsy ny Vulgate, izay nadika taonjato maro taloha. Hita taratra avy amin’izany, fa nihevitra i Montano hoe ny Soratra Hebreo sy Grika ao amin’io dikan-teny io no marina kokoa noho ny Vulgate. Tsy vitan’izay fa niampanga an’i Montano ho mpivadi-pinoana koa ireo mpanohitra, noho izy nampiasa ny teny tany am-boalohany, mba hamoahana fandikan-teny marina tsara.

Nilaza mihitsy aza ny Inquisition fa “tsy nahazo voninahitra firy akory ilay Mpanjaka, nefa mba nampitondraina ny anarany ilay Baiboly.” Nilaza ny alahelony izy ireo, noho i Montano tsy nanome lanja kokoa ny Vulgate, izay Baiboly nampiasaina tamin’izany. Na teo aza izany fiampangana izany, dia tsy ampy ireo porofo hanamelohana an’i Montano sy ilay Baiboly misy fiteny maro. Lasa be mpitia ilay Baibolin’ny Mpanjaka, tatỳ aoriana, ka nanjary boky fampiasan’ny oniversite samihafa.

Ilaina mba handikana Baiboly

Tsy natao ho an’ny besinimaro ny Baibolin’ny Mpanjaka, nefa tena nilain’ny mpandika Baiboly izy io. Toy ilay Baiboly misy fiteny maro, dia nanampy be dia be izy io tamin’ny fanitsiana ireo fahadisoana tafiditra tao amin’ireo Baiboly nisy tamin’izany fotoana izany. Nanampy ny mpandika teny hahazo kokoa ny fiteny tany am-boalohany koa izy io. Nahasoa mpandika teny maro izy io, rehefa nandika Baiboly tamin’ireo fiteny be mpampiasa tany Eoropa izy ireo. Milaza, ohatra, Ny Tantaran’ny Baiboly Navoakan’i Cambridge (anglisy), fa nampiasa azy io ireo nandika ilay Baiboly anglisy malaza hoe Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques, tamin’ny 1611, rehefa nandika ireo fiteny fahiny. Nifototra tamin’izy io koa ny Baiboly roa misy fiteny maro, nivoaka tamin’ireo taona 1600.—Jereo ilay efajoro hoe “Baiboly Misy Fiteny Maro.”

Hita ao amin’ilay Baiboly natao tany Anvers koa ny Soratra Grika nadika tamin’ny teny syriàka. Sambany no nisy toy izany, ka tena tombony ho an’ny manam-pahaizana eoropeanina io Baiboly io. Mifanila amin’ny dikan-teny latinina ilay dikan-teny syriàka. Manampy be tokoa izy io, satria anisan’ny tranainy indrindra amin’ireo fandikan-tenin’ny Soratra Grika Kristianina. Efa hatramin’ireo taona 400 no nisian’io dikan-teny io, izay nadika avy tamin’ireo sora-tanana nisy tamin’ireo taona 100. Hoy Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena (anglisy): “Eken’ny ankamaroan’ny olona, fa tena manampy be amin’ny famakafakana lahatsoratra ny Peshitta [syriàka]. Izy io no anisan’ny tranainy sy sarobidy indrindra amin’ireo asa soratra ahitana ireo fomba amam-panao fahiny.”

Tsara kokoa sy be fanazavana kokoa noho ny Baiboly misy fiteny maro, ny Baibolin’ny Mpanjaka. Vita tamin’ny 1572 izy io, ary tsy nisy nahasakana ny fivoahany na ny ranomasina nisamboaravoara, na ny fanenjehan’ny Inquisition espaniola. Manaporofo koa ny tantaran’io Baiboly io, fa misy olona tso-po miezaka mafy hiaro ny Tenin’Andriamanitra.

Asa na fantatr’ireny lehilahy nahafoy tena ireny na tsia, fa nanamarina ny faminanian’i Isaia ny asa mafy nataon’izy ireo. Hoy mantsy izy, efa ho 3 000 taona lasa izay: “Maina ny ahitra, malazo ny voniny; fa ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.”—Isaia 40:8.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Nantsoina hoe Baibolin’ny Mpanjaka izy io, satria i Philippe Mpanjaka no niantoka ny lany tamin’ny fanontana azy. Nantsoina hoe Polyglotte d’Anvers koa izy io, satria natao pirinty tany Anvers, tanàna anisan’ny Fanjakana Espaniola tamin’izay.

^ feh. 7 Voafehiny tsara ireo fiteny dimy tao amin’ilay Baiboly: arabo, grika, hebreo, latinina, ary syriàka. Hainy tsara koa ny momba ny arkeolojia, fitsaboana, siansa momba ny zavaboary, ary teolojia. Nampiasa izany fahalalany izany izy, rehefa nanomana ny fanazavana fanampiny tao amin’ilay Baiboly.

^ feh. 10 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 2004, mba hahitana fanazavana momba ilay Baiboly misy fiteny maro.

[Teny notsongaina, pejy 13]

Ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay”

[Efajoro/Sary, pejy 12]

BAIBOLY MISY FITENY MARO

Nanazava ny momba ny Baiboly misy fiteny maro i Federico Castro, manam-pahaizana espaniola. Hoy izy: “Ny Baiboly ahitana ireo fiteny tany am-boalohany no tena nomena an’io anarana io taloha. Raha io heviny io no raisina, dia tena vitsy ny Baiboly toy izany.”

1. Polyglotte de Complute (1514-1517): Tontosa noho ny fanohanan’ny Kardinaly Cisneros, ary natao pirinty tany Alcalá de Henares, Espaina. Nisy boky enina io Baiboly io, ary nahitana fiteny efatra: hebreo, grika, aramianina, ary latinina. Nampiasain’ireo mpandika teny tamin’ireo taona 1500, ny teny hebreo sy aramianina noraketin’izy io.

2. Polyglotte d’Anvers (1568-1572): Natontan’i Arias Montano. Ny Polyglotte de Complute ihany no hita ao amin’io Baibolin’ny Mpanjaka io, miampy ny Peshitta, Soratra Grika Kristianina amin’ny teny syriàka, sy ny Targoma aramianina nataon’i Jonathan. Nampifanarahina tamin’ny soratra hebreo nataon’i Jacob ben Hayyim ny teny hebreo noraketiny, izay nahitana teboka-zanatsoratra sy tsindrimpeo. Lasa fampiasan’ireo mpandika ny Soratra Hebreo izy io.

3. Polyglotte de Paris (1629-1645): Tontosa noho ny fanohanan’ilay mpahay lalàna frantsay atao hoe Guy le Jay. Mitovitovy amin’ny Baibolin’ny Mpanjaka izy io, fa miampy soratra amin’ny teny samaritanina sy arabo.

4. Polyglotte de Londres (1655-1657): Niorina tamin’ny Baibolin’ny Mpanjaka koa io Baiboly natontan’i Brian Walton io. Hita ao amin’izy io ny fandikan-tenin’ny Baiboly tranainy amin’ny teny etiopianina sy persanina. Tsy nanampy loatra tamin’ny fahatakarana ny hevitry ny Soratra Masina anefa izy ireo.

[Sary nahazoan-dalana]

Banderôla sy Baibolin’ny Mpanjaka (roa ambany): Biblioteca Histórica. Universidad Complutense de Madrid; Baibolin’ny Mpanjaka (ambony): By courtesy of Museum Plantin-Moretus/Stedelijk Prentenkabinet Antwerpen; Polyglotte de Londres: Avy amin’ilay boky hoe The Walton Polyglot Bible, Vol. III, 1655-1657

[Sary, pejy 9]

Philippe II, mpanjakan’i Espaina

[Sary nahazoan-dalana]

Philippe II: Biblioteca Nacional, Madrid

[Sary, pejy 10]

Arias Montano

[Sary nahazoan-dalana]

Montano: Biblioteca Histórica. Universidad Complutense de Madrid

[Sary, pejy 10]

Fanontam-pirinty voalohany tany Anvers, Belzika

[Sary nahazoan-dalana]

Fanontam-pirinty: By courtesy of Museum Plantin-Moretus/Stedelijk Prentenkabinet Antwerpen

[Sary, pejy 11]

Havia: Christophe Plantin sy ny fonon’ny Baibolin’ny Mpanjaka

[Sary nahazoan-dalana]

Fonona Baiboly sy Plantin: By courtesy of Museum Plantin-Moretus/Stedelijk Prentenkabinet Antwerpen

[Sary, pejy 11]

Ambony: Tsanganana efatra misy ny Eksodosy toko faha-15

[Sary nahazoan-dalana, pejy 9]

Fonona Baiboly sy Plantin: By courtesy of Museum Plantin-Moretus/Stedelijk Prentenkabinet Antwerpen

[Sary nahazoan-dalana, pejy 13]

Biblioteca Histórica. Universidad Complutense de Madrid