Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Teny Amin’ny Ranomasin’i Galilia

Teny Amin’ny Ranomasin’i Galilia

Teny Amin’ny Ranomasin’i Galilia

VOATANTARA ao amin’ny Marka 4:35-41, fa nandeha sambo niampita ny Ranomasin’i Galilia i Jesosy sy ny mpianany. Izao no voalaza ao: “Ary nisy tafio-drivotra mahery ka niantonta tsy an-kijanona tao anaty sambokely ny onja, dia nila ho feno rano ilay sambokely. Teo amin’ny vodisambo anefa i Jesosy, natory niondana.”

Eo ihany no ahitana ilay teny grika nadika hoe “niondana”, ao amin’ny Baiboly, na “ondana” araka ny dikan-teny hafa. Tsy fantatry ny manam-pahaizana àry ny tena dikan’io teny io. Fa inona ilay ondana? Toa fitaovana tao anaty sambo izy io, rehefa jerena ilay teny grika tany am-boalohany nampiasain’i Marka. Manampy antsika hahafantatra ny mety ho dikan’ilay teny, ny sambo iray hita teny amin’ny faritry ny Ranomasin’i Galilia, tamin’ny 1986.

Nisy fikarohana natao, ary hita fa lay sy fivoy no nampandeha io sambo mirefy valo metatra io. Nentina nanarato izy io, ary nafatotra teo amin’ny vodisambo ny harato fandrika lehibe sy mavesatra. Misy mihevitra fa nampiasaina teo anelanelan’ny taona 100 T.K. sy ny taona 70 A.K. io sambo io, ary mety ho ilay karazany nampiasain-dry Jesosy. Nikaroka sy nampakatra an’io sambo hita tany ambanin’ny Ranomasin’i Galilia io koa i Shelley Wachsmann, ary nanoratra boky momba azy io. Nilaza izy fa gonim-pasika natao hihazonana ny sambo tsy hihilangilana, ilay ‘ondana’ natorian’i Jesosy. Hoy ny mpanarato iray avy any Jaffa, za-draharaha amin’ny fampiasana harato fandrika: “Nitondra gonim-pasika iray na roa foana ireo sambo niasako teny amin’ny Ranomasina Mediterane, tamin’izaho mbola tanora. ... Nentina foana ireo, mba hihazonana an’ilay sambo tsy hihilangilana. Nampiriminay tao anaty lakalin’ny vodisambo anefa izy ireny rehefa tsy nampiasaina. Nisitrika natory tao anaty lakaly àry ny olona rehefa vizana, ary niondana an’ilay gonim-pasika.”

Mino ny manam-pahaizana maro, fa te hilaza i Marka hoe niondana gonim-pasika tao anaty lakalin’ny vodisambo i Jesosy. Tao no voaro indrindra, rehefa ratsy ny andro. Na inona na inona anefa ilay ondana dia tsy izay no zava-dehibe, fa izay nitranga avy eo. Nahazo hery sy fanampiana avy tamin’Andriamanitra i Jesosy, ka nampitony ilay ranomasina nasamboaravoaran’ny tafiotra. Na ny mpianany aza nanontany hoe: “Fa iza marina àry izy ity, fa na ny rivotra sy ny ranomasina aza mankatò azy?”