Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka Hiaro Anao ny ‘Tenin’i Jehovah’

Aoka Hiaro Anao ny ‘Tenin’i Jehovah’

Aoka Hiaro Anao ny ‘Tenin’i Jehovah’

NISY ady manan-tantara tao Marathon, tany Atena, tamin’ny 490 T.K. Atenianina iray na roa alina teo ho eo no niatrika miaramila persanina maro an’isa lavitra. Ny fomba nandaminany ny miaramilany no tena paikadin’ny Atenianina. Nanao andiany nifanety kely sy niara-namindra izy ireo. Nitana ampinga sy lefona koa izy ireo, ka toy ny rindrim-be tsy mety vaky sy feno tsilotsilo no fijery azy. Tamin’izany fomba izany no nahazoan’ny Atenianina fandresena niezinezina teo amin’ny tafika persanina.

Manao ady ara-panahy ny tena Kristianina. Tsy hita maso sady matanjaka be ny fahavalony, izay mitondra an’ity tontolo ratsy ity. Antsoina hoe “mpanjakan’izao tontolo anaty haizina izao” izy ireo ao amin’ny Baiboly, ary koa hoe “fanahy ratsy any amin’ny faritry ny lanitra.” (Efesianina 6:12; 1 Jaona 5:19) Mandresy hatrany ny vahoakan’Andriamanitra, nefa tsy noho ny heriny manokana. I Jehovah no tena tokony hisaorana amin’izany, satria izy no miaro sy mampianatra azy ireo, araka ny voalazan’ny Salamo 18:30 hoe: “Ny tenin’i Jehovah dia voazaha toetra amin’ny memy; Jehovah no ampingan’izay rehetra mialoka aminy.”

Mampiasa ny ‘teniny’ madio ao amin’ny Soratra Masina tokoa i Jehovah, mba hiarovana ny mpanompony mahatoky amin’izay mety hanimba ny fihavanan’izy ireo aminy. (Salamo 19:7-11; 119:93) Hoy i Solomona momba ny fahendrena ao amin’ny Tenin’Andriamanitra: “Aza mahafoy azy, fa hiaro anao izy; tiavo izy, dia hitandrina anao.” (Ohabolana 4:6; Mpitoriteny 7:12) Ahoana no iarovan’ny fahendrena avy amin’Andriamanitra antsika? Diniho izay nitranga tamin’ny Israely fahiny.

Vahoaka narovan’ny fahendrena avy amin’Andriamanitra

Niaro ny Israelita ny Lalàn’i Jehovah, sady nanoro azy izay tokony hatao teo amin’ny lafim-piainany rehetra. Voaro tamin’ny aretina maro namely ny firenen-kafa, ohatra, izy ireo, rehefa nitandrina ireo fitsipika momba ny sakafo sy ny fahadiovana ary ny fanokanan-toerana ny marary. Tsy afaka nifampitaha tamin’ny Lalàn’Andriamanitra kosa anefa ny siansa, raha tsy tamin’ny taonjato faha-19, fotoana nahitana voalohany ny bakteria. Nahasoa ny Israelita koa ny lalàna momba ny fananan-tany, ny fanavotana, ny fanafahana amin’ny trosa, ary ny fakana zanabola. Nampilamina ny fiaraha-monina mantsy izany, sady nampitovy tantana ny fari-piainan’ny olona. (Deoteronomia 7:12, 15; 15:4, 5) Niaro ny tanin’ny Israely tsy ho simba mihitsy aza ny Lalàn’i Jehovah! (Eksodosy 23:10, 11) Niaro ny fifandraisan’ilay vahoaka tamin’Andriamanitra koa ireo didy nandrara ny fanarahana fivavahan-diso. Izy ireny no niaro azy ireo tamin’ny fampahorian’ny demonia sy ny fanaovana sorona zazakely ary ny zava-dratsy maro hafa, mbamin’ny fiankohofana teo anoloan’ny sampy tsy manana aina, izay fanao tena nampietry.—Eksodosy 20:3-5; Salamo 115:4-8.

“Tsy zava-poana” ho an’ny Israely mihitsy àry ny ‘tenin’i Jehovah.’ Nahazo fiainana sy nihamaro andro kosa izay rehetra nanaraka azy io. (Deoteronomia 32:47) Marina koa izany ankehitriny ho an’ireo manaraka ny tenim-pahendren’i Jehovah, na dia tsy fehezin’ny fifaneken’ny Lalàna intsony aza ny Kristianina. (Galatianina 3:24, 25; Hebreo 8:8) Tsy manana fehezan-dalàna ny Kristianina, raha ny marina. Manana toro lalana isan-karazany kosa izy ireo, manoro azy izay tokony hatao sy miaro azy.

Vahoaka arovan’ny toro lalana

Mety ho voafetra ny lafiny ampiharana ny lalàna, sady mety tsy haharitra izy ireny. Fahamarinana fototra kosa ireo toro lalan’ny Baiboly, ka azo ampiharina amin’ny lafiny maro sady maharitra. Diniho, ohatra, ilay toro lalana voalazan’ny Jakoba 3:17 hoe: “Ny fahendrena avy any ambony kosa dia madio aloha, ary avy eo tia fihavanana.” Nahoana moa no lazaina fa fiarovana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny izany fahamarinana fototra izany?

Madio fitondran-tena no dikan’ny hoe madio eto. Ireo mihevitra ny fahadiovana ho sarobidy àry, dia tsy hoe miezaka mafy mba tsy haloto fitondran-tena fotsiny, fa manalavitra koa izay mitarika ho amin’izany. Anisan’izany ny eritreritra maloto sy ny sary vetaveta. (Matio 5:28) Manaraka ny toro lalana ao amin’ny Jakoba 3:17 koa ireo mikasa hivady, ka manalavitra ny fifampikasohana be izay mety hahatonga azy ireo tsy hahafehy tena intsony. Manaraka toro lalana izy ireo, ka tsy voafitaka hanary ny fahadiovany, na alaim-panahy hieritreritra hoe mankasitraka izay ataony foana i Jehovah, raha mbola tsy tena mandika ny lalàny izy ireo. Fantany fa “mijery ny fo” izy, ary araka izany no itsarany ny olona. (1 Samoela 16:7; 2 Tantara 16:9) Ny olon-kendry toy izany dia voaro amin’ny aretina maro azo avy amin’ny firaisana, izay miely patrana amin’izao andro izao. Milamina foana koa ny sainy sy ny fony.

“Tia fihavanana” koa ny fahendrena avy amin’Andriamanitra, araka ny Jakoba 3:17. Fantatsika fa miezaka mampisaraka antsika amin’i Jehovah i Satana, ka mamafy herisetra ao am-pontsika. Ampiasainy hanaovana izany ny boky sy filma ary mozika sy lalao video tsy mendrika. Amin’ny lalao video sasany, ohatra, dia ampirisihina mihitsy ny mpandray anjara mba ho toy ny manao habibiana mahatsiravina sy mamono olona! (Salamo 11:5) Manaporofo ny fahombiazan’i Satana ny fitomboan’ny asan-jiolahy. Namerina ny tenin’i Robert Ressler, mahakasika ireny asan-jiolahy ireny, ny gazety aostralianina Mpanambara ny Marainan’i Sydney (anglisy), taona vitsivitsy lasa izay. Nanadinadina mpamono olona izy, tany amin’ireo taona 1970. Nilaza izy fa lasa mpamono olona ireny olona ireny, noho ny fijereny boky sy sary vetaveta, izay “mbola tsy maharikoriko kokoa noho ny amin’izao andro izao aza.” Nihevitra àry izy fa “manjombona ny hoavy, satria vao mainka hitombo ny mpamono olona amin’ny taonjato ho avy.”

Volana vitsivitsy monja taorian’ny nisehoan’io vaovao io, dia maty notifirin’ny lehilahy iray, ny ankizy 16 sy ny mpampianatra azy ireo, tao amin’ny akanin-jaza iray tany Dunblane, any Ekosy. Namono tena ilay lehilahy avy eo. Ny volana nanaraka, dia nisy lehilahy very saina iray hafa nitifitra sy nandripaka olona 32, tao Port Arthur, tanàna mangingina any Tasmania, any Aostralia. Nampihorohoro an’i Etazonia koa ny vonoan’olona tany an-tsekoly, nandritra ireo taona faramparany, ka nahatonga ny Amerikanina hanontany hoe: ‘Fa inona no anton’izany?’ Voaresaka be tamin’ny vaovao eran-tany koa i Japon, tamin’ny Jona 2001. Nisy lehilahy adala mantsy niditra tao amin’ny sekoly iray, ary notsindroniny tamin’ny antsy ny ankizy valo ka maty. Nisy olon-kafa 15 koa nodidididiany tamin’ny antsy, ka naratra. Azo antoka fa maro be ny antony nahatonga ireo zava-dratsy ireo. Mihabetsaka anefa no mihevitra fa ny herisetra aseho ao amin’ireo fampitam-baovao, no anisany mahatonga izany. Hoy ilay Aostralianina mpanoratra an-gazety atao hoe Phillip Adams: “Raha dokam-barotra iray minitra aza afaka mampandeha be ny varotra, dia azo antoka fa afaka manova ny fihetsiky ny olona ny filma adiny roa, izay nandaniana vola an’arivony tapitrisa dolara.” Tsara homarihina fa nandraofan’ny polisy kasety video 2 000 misy sary vetaveta sy ahitana herisetra, tao an-tranon’ilay mpamono olona tany Port Arthur.

Miaro ny sainy sy ny fony amin’ny karazam-pialam-boly mampitombo ny fitiavana herisetra, ireo manaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Tsy avelany hanan-kery eo amin’ny fomba fisainany sy ny faniriany “ny fanahin’izao tontolo izao.” “Ampianarin’ny fanahi[n’Andriamanitra]” kosa izy ireo, ka miezaka mafy ho tia ny vokatr’izy io, anisan’izany ny fiadanana. (1 Korintianina 2:12, 13; Galatianina 5:22, 23) Manao izany izy ireo, rehefa mianatra tsy tapaka ny Baiboly sy mivavaka ary misaintsaina zavatra mampahery. Tsy minamana amin’ny olona tia herisetra izy ireo, fa aleony miaraka amin’ireo maniry mafy toa azy hiaina ao amin’ilay tontolo vaovaon’i Jehovah izay hanjakan’ny fiadanana. (Salamo 1:1-3; Ohabolana 16:29) Miaro tokoa ny fahendrena avy amin’Andriamanitra!

Aoka hiaro ny fonao ny ‘tenin’i Jehovah’

Nilaza ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny fomba marina tsara i Jesosy, mba hanoherana ny Devoly, izay naka fanahy azy tany an-tany efitra. (Lioka 4:1-13) Tsy nampiady fahaizana tamin’ny Devoly anefa izy tamin’izay. Niteny tamin’ny fony izy rehefa nampiasa ny Soratra Masina, mba hiarovana ny tenany. Noho izany, dia tsy nandaitra taminy ilay tetika nampahomby ny Devoly tany Edena. Tsy hahomby amintsika koa ny teti-dratsin’i Satana, raha mameno ny fontsika amin’ny tenin’i Jehovah isika. Izany no zava-dehibe indrindra tokony hatao, satria “avy ao [am-po] no ihavian’ny aina.”—Ohabolana 4:23.

Tsy maintsy miaro hatrany ny fontsika koa isika, ary tsy hitsahatra hanao izany. Mbola naka fanahy an’i Jesosy foana i Satana, na dia tsy nahomby aza izy tany an-tany efitra. (Lioka 4:13) Tsy hamela antsika koa izy, fa hanandrana tetika isan-karazany mba hitaomana antsika hivadika. (Apokalypsy 12:17) Aoka àry isika hanahaka an’i Jesosy, ka hiezaka ho tia lalina ny Tenin’Andriamanitra, sady tsy hitsahatra hivavaka mba hahazoana fanahy masina sy fahendrena. (1 Tesalonianina 5:17; Hebreo 5:7) Ary i Jehovah kosa mampanantena fa harovany amin’ny loza ara-panahy izay rehetra mialoka aminy.—Salamo 91:1-10; Ohabolana 1:33.

Miaro ny fiangonana ny Tenin’Andriamanitra

Tsy hahasakana ny “vahoaka be” tsy ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe i Satana. (Apokalypsy 7:9, 14) Na izany aza, dia miezaka mafy izy mitarika ny Kristianina hanao ratsy, fara faharatsiny mamoy ny fankasitrahan’i Jehovah ny sasany amin’izy ireo. Nahomby izany tetika izany teo amin’ny Israely fahiny, ka nahafaty olona 24 000 efa teo an-tokonan’ny Tany Nampanantenaina. (Nomery 25:1-9) Mazava ho azy fa raha tena mibebaka ny Kristianina nanao fahadisoana, dia hahazo fanampiana feno fitiavana mba hihavanany indray amin’i Jehovah. Mety handoto ny fitondran-tena sy ny fivavahan’ny namany anefa ny mpanota tsy mibebaka, toa an-dry Zimry fahiny. (Nomery 25:14). Tsy izy irery amin’izay no hotandindomin-doza fa ny hafa koa, toy izay nety ho nitranga tamin’ilay andiana miaramila atenianina, raha nanary ny ampingany ny iray taminy.

Mandidy toy izao àry ny Baiboly: ‘[Aza] mifanerasera intsony amin’izay antsoina hoe rahalahy nefa mpijangajanga, na manana faniriana tsy mety afa-po, na mpanompo sampy, na mpanevateva, na mpimamo, na mpanao an-keriny, ary [aza] miara-mihinana aminy akory. Esory tsy ho eo aminareo ilay mpanao ratsy.’ (1 Korintianina 5:11, 13) Tsy ekenao ve fa miaro ny fahadiovana ara-pitondran-tena sy ara-pivavahan’ny fiangonana kristianina izany tenim-pahendrena izany?

Tsy mba toy izany kosa ny fivavahan’ny Kristianisma Anarana sy ny mpivadi-pinoana. Maro amin’izy ireo no mihevitra fa lany andro ireo teny ao amin’ny Baiboly ireo. Mifanohitra amin’ny hevitra maoderina sy malalaka momba ny fitondran-tena, hono, ireo. Izany no mahatonga azy ireo hanala tsiny ny karazana fahotana lehibe rehetra, na dia ireo nataon’ny mpitondra fivavahana aza. (2 Timoty 4:3, 4) Mariho anefa ny Ohabolana 30:5. Aorian’ny filazana fa ampinga ho an’izay mialoka aminy ny ‘tenin’i Jehovah’, dia izao no didy omena ao: “Aza manampy ny tenin[’Andriamanitra], fandrao hanariny hianao ka ho hita fa mpandainga.” Mpandainga tokoa àry izay manatsatso ny Baiboly, ary izy ireo no meloka indrindra amin’ny mpandainga rehetra! (Matio 15:6-9) Tsy tena velom-pankasitrahana àry ve isika fa anisan’ny fandaminana iray manaja lalina ny Tenin’Andriamanitra?

Miaro antsika ny ‘hanitr’i Kristy’

Toy ny mampiely ‘fofom-piainana mahavelona’ sy ankasitrahan’i Jehovah ny vahoakany, satria manaraka tsara ny Baiboly sy mampiely ny hafatra mampionona avy ao anatin’izy io. Ny mpanao ratsy kosa anefa mihevitra azy ireo ho toy ny mpanely ‘fofom-pahafatesana mahafaty.’ Tena nosimban’ny tontolon’i Satana ny fanamboloan’ny ratsy fanahy, ka lasa tsy mahazo aina na mahatsapa fankahalana mihitsy izy ireo, rehefa misy manely ny ‘hanitr’i Kristy.’ Toy ny ‘hanitr’i Kristy amin’izay [ho] voavonjy’ anefa ny olona mazoto mampiely ny vaovao tsara. (2 Korintianina 2:14-16, Fandikan-teny Katolika) Mahatsapa rikoriko mazàna ny olona tso-po toy izany, rehefa mahita ny fihatsarambelatsihy sy ny laingan’ny fivavahan-diso. Voasarika hanatona an’i Kristy sy haniry hianatra bebe kokoa àry izy ireo, rehefa manokatra ny Baiboly isika, ka mampita ny hafatra momba ilay Fanjakana.—Jaona 6:44.

Aza kivy àry raha misy olona tsy mandray ny hafatra torintsika. Tadidio fa fiarovana ny ‘hanitr’i Kristy.’ Mampandositra ny olon-dratsy tsy hiditra ao amin’ny paradisa ara-panahy misy ny vahoakan’Andriamanitra mantsy izy io, nefa koa misarika ny olona manana fo tsara.—Isaia 35:8, 9.

Nandresy ireo miaramila atenianina tany Marathon, na dia tena vitsy aza raha noharina tamin’ny fahavalony. Nanao andiany nifanety kely sy niara-namindra mantsy izy ireo, sady nitana mafy ny ampingany. Toy izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah mahatoky. Azo antoka ny hahazoany ny fandresena eo amin’ny ady ara-panahy, satria “izany no lovan[’izy ireo].” (Isaia 54:17) Aoka àry isika ‘hitana mafy [hatrany] ny tenin’ny fiainana’, mba hahafahantsika hialoka foana amin’i Jehovah.—Filipianina 2:16.

[Sary, pejy 31]

‘Madio ny fahendrena avy any ambony, ary avy eo tia fihavanana’