Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Baiboly Alemà Voalohany Nisy ny Anaran’Andriamanitra

Baiboly Alemà Voalohany Nisy ny Anaran’Andriamanitra

Baiboly Alemà Voalohany Nisy ny Anaran’Andriamanitra

HITANA ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah im-7 000 mahery Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, izay nivoaka tamin’ny teny alemà tamin’ny 1971. * Tsy io anefa no Baiboly alemà voalohany nahitana ny anaran’Andriamanitra. Mety ho ilay teolojianina katolika nalaza nantsoina hoe Johann Eck, no namoaka ny Baiboly alemà voalohany nisy ny anarana hoe Jehovah, 500 taona teo ho eo izay.

Teraka tamin’ny 1486, tany amin’ny faritra atsimon’i Alemaina, i Johann Eck. Nampianatra teolojia tao amin’ny oniversiten’i Ingolstadt izy, nanomboka tamin’izy 24 taona ka mandra-pahafatiny tamin’ny 1543. Niara-belona izy sy Martin Luther, ary nisy fotoana naha mpinamana azy ireo. Lasa mpitarika ny Fanavaozana Protestanta anefa i Luther, fa i Eck kosa mpiaro ny Eglizy Katolika.

Nasain’ny andrianan’i Bavière nandika ny Baiboly ho amin’ny fiteny alemà i Eck, ary navoaka tamin’ny 1537 ilay izy. Mifanaraka akaiky amin’ny nanoratana ny Baiboly tany am-boalohany io fandikan-teny io, ka “tokony hekena kokoa noho ny hatramin’izay ny fahamarinany”, hoy ny Rakipahalalana Ara-pivavahana (alemà). Izao no nandikan’i Eck ny Eksodosy 6:3: “Izaho no Tompo izay niseho tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba tamin’ny naha Andriamanitra Mahery Indrindra ahy: ary ny anarako Adonai [Tompo] tsy nasehoko tamin’izy ireo.” Hoy ny fanamarihana eo amin’ny sisim-pejy mifandray amin’io andininy io: “Ilay anarana hoe Adonai Jehoua [Jehovah].” Miaiky ny manam-pahaizana maro momba ny Baiboly, fa izay vao nisy Baiboly alemà nahitana ny anaran’Andriamanitra.

Efa an’arivony taona anefa no nahafantarana sy nampiasana io anarana io. Tamin’ny teny hebreo no nanoratana voalohany ny hoe “Jehovah”, izay niantsoana ilay hany tena Andriamanitra. (Deoteronomia 6:4) Roa arivo taona lasa teo ho eo koa izay no nanoratana tamin’ny teny grika, ilay tenin’i Jesosy nilaza fa nampahafantatra ny anaran’Andriamanitra izy. (Jaona 17:6) Hita tamin’ny fiteny maro ilay anarana nanomboka teo. Ho tanteraka tsy ho ela àry ny Salamo 83:18, ka ho fantatry ny rehetra fa i Jehovah no ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Tamin’ny 1961 no namoahan’ny Vavolombelon’i Jehovah azy io voalohany, tamin’ny teny anglisy. Misy amin’ny fiteny 50 mahery izao izy io, na ny ampahany aminy.

[Sary, pejy 32]

Baibolin’i Eck, fanontana 1558. Misy hoe Jehovah amin’ny fanamarihana eo amin’ny sisim-pejy amin’ny Eksodosy 6:3