Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

“Izy irery ihany no tsy mety maty” ary “tsy misy olona mahita azy na mahavita mijery azy.” Nahoana isika no afaka milaza hoe i Jesosy fa tsy i Jehovah Andriamanitra, no tiana horesahina amin’izany?

Hoy ny apostoly Paoly: “Amin’ny fotoana voatondro, dia hampiharihary izany fisehoana izany ilay Tompom-pahefana falifaly sady tokana, dia ilay Mpanjakan’izay manjaka sy Tompon’ny tompo. Izy irery ihany no tsy mety maty, ary mitoetra ao amin’ny hazavana tsy hay hatonina. Koa tsy misy olona mahita azy na mahavita mijery azy.”—1 Timoty 6:15, 16.

Matetika ny mpivaofy teny ara-baiboly no mieritreritra hoe: ‘Iza moa ankoatra an’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, no azo lazaina hoe “tsy mety maty”, ary antsoina hoe ‘Tompom-pahefana tokana’, sady “tsy misy olona mahita azy na mahavita mijery azy”?’ Marina aloha fa azo ilazana an’i Jehovah ireo teny ireo. Kanefa hita amin’ireo andinin-teny manodidina ny 1 Timoty 6:15, 16, fa i Jesosy no tena tian’i Paoly horesahina amin’izany.

Miresaka momba ‘ny fisehoan’i Jesosy Kristy Tompontsika’ i Paoly, eo amin’ny faran’ny andininy faha-14. (1 Timoty 6:14) Noho izany, dia ny fisehoan’i Jesosy fa tsy ny fisehoan’i Jehovah Andriamanitra no tian’i Paoly hambara eo amin’ny andininy faha-15, rehefa nanoratra izy hoe: “Amin’ny fotoana voatondro, dia hampiharihary izany fisehoana izany ilay Tompom-pahefana falifaly sady tokana.” Iza àry io ‘Tompom-pahefana tokana’ io? Toa i Jesosy ihany io noresahin’i Paoly io. Nahoana no izany no izy? Hita eo amin’io andininy io ihany fa nampitaha an’i Jesosy tamin’ny mpitondra olombelona i Paoly. Marina mihitsy ny nambarany fa “Mpanjakan’izay [olombelona] manjaka sy Tompon’ny tompo [olombelona]” i Jesosy. * Eny, ‘Tompom-pahefana tokana’ izy, raha ampitahaina amin’ny mpitondra olombelona. “Nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy.” (Daniela 7:14) Tsy misy mpitondra olombelona manana fahefana toy izany mihitsy!

Ary ahoana indray ny amin’ilay firesahana hoe “izy irery ihany no tsy mety maty”? Mbola ampitahaina amin’ny mpanjaka olombelona ihany i Jesosy eo. Mety maty daholo ny mpitondra eto an-tany. Tsy mety maty kosa anefa i Jesosy, araka ny tenin’i Paoly hoe: “Fantatsika ... fa tsy ho faty intsony i Kristy amin’izao izy efa natsangana tamin’ny maty izao, eny, tsy manjaka aminy intsony ny fahafatesana.” (Romanina 6:9) I Jesosy àry no voaresaka voalohany ao amin’ny Baiboly hoe tsy mety maty intsony. Izy irery ihany no toy izany, tamin’ny fotoana nanoratan’i Paoly ny taratasiny.

Tokony hotadidina koa fa diso i Paoly raha nilaza fa i Jehovah Andriamanitra irery no tsy mety maty, satria efa lasa tsy mety maty koa i Jesosy tamin’ny fotoana nanoratan’i Paoly ireo teniny ireo. Afaka nilaza kosa anefa izy fa i Jesosy irery no tsy mety maty, raha oharina amin’ny mpitondra eto an-tany.

Tena azo lazaina koa fa “tsy misy olona mahita [an’i Jesosy] na mahavita mijery azy”, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty sy niakarany tany an-danitra. Marina aloha fa hahita an’i Jesosy ireo mpianany voahosotry ny fanahy, rehefa ho lasa zavaboary ara-panahy any an-danitra izy ireo, aorian’ny hahafatesany sy hitsanganany amin’ny maty. (Jaona 17:24) Tsy misy olombelona eto an-tany anefa afaka mahita azy ao amin’ny voninahiny. Azo atao tokoa àry ny milaza fa ‘tsy nisy olona’ nahita an’i Jesosy, taorian’ny niakarany tany an-danitra rehefa natsangana tamin’ny maty izy.

Toa mihatra amin’Andriamanitra ireo teny ao amin’ny 1 Timoty 6:15, 16, rehefa jerena maimaika. I Jesosy anefa no resahin’i Paoly eo, araka ny teny manodidina sy ny fanamarinan’ny andinin-teny hafa.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Sahala amin’izany koa no iantsoana an’i Jesosy ao amin’ny 1 Korintianina 8:5, 6; Apokalypsy 17:12, 14; 19:16.