Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Handeha Amin’ny Anaran’i Jehovah Andriamanitsika Isika

Handeha Amin’ny Anaran’i Jehovah Andriamanitsika Isika

Handeha Amin’ny Anaran’i Jehovah Andriamanitsika Isika

Isika handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.’—MIKA 4:5.

1. Nanao ahoana ny fitondran-tenan’ny olona tamin’ny andron’i Noa, ary inona no tsy nampitovy an’i Noa tamin’izy ireo?

IENOKA no olona voalohany resahin’ny Baiboly fa niara-nandeha tamin’Andriamanitra. I Noa no faharoa, araka ity voalaza ity: “Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin’ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin’Andriamanitra Noa.” (Genesisy 6:9) Niala tamin’ny fivavahana marina ny ankamaroan’ny olona, tamin’ny andron’i Noa. Vao mainka nanaratsy ny toe-javatra ireo anjely nivadika, izay nanao firaisana mamoafady tamim-behivavy. Nantsoina hoe Nefilima ny zanak’izy ireo, izay “olo-mahery” na “lehilahy nanan-daza” tamin’izany fotoana izany. Tsy nahagaga àry raha feno herisetra ny tany! (Genesisy 6:2, 4, 11) Tsy nisy tsiny anefa i Noa, sady “mpitory ny fahamarinana.” (2 Petera 2:5) Nandidy azy hanorina sambo fiara Andriamanitra, mba hitsimbinana aina. Nankatò i Noa, ka ‘nanao izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy.’ (Genesisy 6:22) Tena niara-nandeha tamin’Andriamanitra tokoa izy.

2, 3. Inona no modely nomen’i Noa ho antsika?

2 Anisan’ireo vavolombelona nahatoky notanisain’i Paoly i Noa. Hoy izy: “Finoana no nanehoan’i Noa tahotra an’Andriamanitra sy nanamboarany sambo fiara hamonjena ny ankohonany, rehefa nahazo fampitandremana avy tamin’Andriamanitra ny amin’ny zavatra mbola tsy hitany izy. Ary izany finoana izany no nanamelohany an’izao tontolo izao, ka tonga mpandova an’ilay fahamarinana izay araka ny finoana izy.” (Hebreo 11:7) Fakan-tahaka tokoa i Noa! Natoky izy fa ho tanteraka ny tenin’i Jehovah, ka natokany hanatanterahana ny didin’Andriamanitra ny fotoanany sy ny heriny ary ny fananany. Maro koa ankehitriny no mandà ny laza sy voninahitra ary harena atolotr’ity tontolo ity. Aleon’izy ireo manokana ny fotoanany sy ny heriny ary ny fananany, mba hankatoavana ny didin’i Jehovah. Miavaka ny finoan’izy ireo ary hahavoavonjy ny tenany sy ny hafa izany.—Lioka 16:9; 1 Timoty 4:16.

3 Azo antoka fa tsy mora tamin’i Noa sy ny fianakaviany ny naneho finoana. Tsy mora koa izany tamin’i Enoka, rain’ny dadabeny, voaresaka tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Vitsy no tena mpivavaka tamin’ny andron’i Noa sy Enoka. Olona valo monja no tsy nivadika, ka tsy matin’ny Safodrano. Nitory ny fahamarinana teo anivon’ny tontolo nahery setra sy ratsy fitondran-tena, i Noa. Nanamboatra sambo fiara goavam-be vita tamin’ny hazo koa izy mianakavy, mba hiomanana ho amin’ilay safodrano haneran-tany, na dia mbola tsy nisy nahita safodrano toy izany aza talohan’izay. Tsy maintsy ho tena hafahafa ny fahitan’ny olona an’izany.

4. Inona no nasongadin’i Jesosy momba ny mpiara-belona tamin’i Noa?

4 Niresaka momba ny andron’i Noa i Jesosy. Tsara homarihina anefa fa tsy ny herisetra na ny fivavahan-diso, na ny fitondran-tena maloto no nasongadiny, na dia tena nahatsiravina aza izany. Ny fandavan’ny olona tsy hihaino fampitandremana kosa no nasongadiny. Nilaza izy fa “nihinana sy nisotro, nampaka-bady sy navoaka hampakarina ny olona, mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Noa tao amin’ny sambo fiara.” Fa inona moa no maharatsy ny mihinana, misotro, mampaka-bady ary mamoaka ny hampakarina? Fomba fiaina “ara-dalàna” izany, araka ny hevitr’ireo mpiara-belona tamin’i Noa. Nananontanona anefa ny Safodrano ary nitory ny fahamarinana i Noa. Tokony ho mailo izy ireo rehefa nandre ny tenin’i Noa sy nahita ny fitondran-tenany. “Tsy niraharaha [anefa] izy ireo mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra.”—Matio 24:38, 39.

5. Toetra tsara inona avy no nilain’i Noa sy ny fianakaviany hananana?

5 Hita taratra tamin’ny fomba fiainan’i Noa fa hendry tokoa izy, rehefa dinihina izay nitranga tamin’izany. Nilana herim-po anefa izany hoe niavaka tamin’ny rehetra izany, talohan’ny Safodrano. Tsy maintsy niaiky mafy ry Noa mianakavy fa tena hisy ilay loza, matoa izy ireo nanorina sambo fiara goavam-be, sy nameno azy io tamin’ny biby isan-karazany. Mba nisy tamin’ireo olom-bitsy nahatoky ireo ve tsy te hiavaka loatra tamin’ny hafa, sy naniry hanana fiainana heverina fa “ara-dalàna”? Mety ho niserana tao an-tsainy ihany izany, nefa tsy nivadika izy ireo. Tsy hisy amintsika ho voatery hiaritra an-taonany maro toy ny niaretan’i Noa. Voavonjy tamin’ny Safodrano anefa izy, noho ny finoany. Niharan’ny didim-pitsaran’i Jehovah kosa ireo rehetra nanana fiainana heverina fa “ara-dalàna” sy tsy niraharaha fa niavaka ny vanim-potoana niainany.

Nanjaka indray ny herisetra

6. Inona no zavatra mbola nitohy taorian’ny Safodrano?

6 Nanomboka fiainam-baovao ny olona rehefa nihena ny rano. Mbola tsy lavorary anefa izy ireo, ary mbola ‘ratsy hatramin’ny fahazazany ny fisainan’ny fon’ny olona.’ (Genesisy 8:21) Mbola niasa mafy koa ny demonia, na dia tsy afaka naka endrik’olombelona intsony aza. Vetivety dia niharihary fa ‘teo ambany fahefan’ilay ratsy’ ireo olona tsy tia an’Andriamanitra. Tsy maintsy nanohitra “ny teti-dratsin’ny Devoly” ireo tena mpivavaka, toy ny amin’ny androntsika ihany.—1 Jaona 5:19; Efesianina 6:11, 12.

7. Hazavao ny fomba nitomboan’ny herisetra taorian’ny Safodrano.

7 Nanjary feno herisetra indray ny tany taorian’ny Safodrano, fara fahelany, tamin’ny andron’i Nimroda. Nirongatra izy io, arakaraka ny nitomboan’ny isan’ny mponina sy ny fandrosoan’ny teknolojia. Lefona, sabatra, tsipìka sy zana-tsipìka, ary kalesy no nampiasaina taloha. Nipoitra ny tafondro sy ny basy tatỳ aoriana, ary ny basy maro vava sy ny fiadiana ary fomba kokoa, teo am-piandohan’ireo taona 1900. Ary tamin’ny Ady Lehibe I, dia nisy indray fiadiana nampahatahotra kokoa, toy ny fiaramanidina, tanky, sambo mpisitrika, ary gazy mahafaty. Nandripaka olona an-tapitrisany izy ireny. Tokony hahagaga antsika ve izany? Tsia.

8. Ahoana no ahatanterahan’ny Apokalypsy 6:1-4?

8 Lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra i Jesosy tamin’ny 1914, ary tamin’io no nanomboka “ny andron’ny Tompo.” (Apokalypsy 1:10) Aseho toy ny Mpanjaka mandresy, mitaingina soavaly fotsy, izy ao amin’ny Apokalypsy. Misy mpitaingin-tsoavaly hafa manaraka azy, ary samy milaza loza ho an’ny tany izy ireo. Mitaingina soavaly mena toy ny afo ny iray, ary navela “hanaisotra ny fandriampahalemana amin’ny tany mba hifandripahan’ny olona, ary nomena sabatra lehibe izy.” (Apokalypsy 6:1-4) Sarin-teny ilazana ady ilay soavaly sy ny mpitaingina azy. Ary ilay sabatra lehibe dia midika fa mbola tsy nahafatesana olona maro be toy izao mihitsy ny ady, noho ireo fitaovam-piadiana mahery vaika misy ankehitriny. Anisan’izany ireo baomba niokleary, izay mahavita mandripaka olona an’aliny ny iray aminy. Afaka mandefa an’ireny baomba ireny any amin’ny an’arivony kilaometatra ny bala afomanga. Eo koa ireo fitaovam-piadiana simika sy biolojika mahafaty olona maro be.

Mihaino ny fampitandreman’i Jehovah isika

9. Manao ahoana ny tontolo misy antsika raha ampitahaina amin’ny tontolo talohan’ny Safodrano?

9 Nandringana ny olona tamin’ny andron’i Noa i Jehovah, satria nahery setra be ireo ratsy fanahy sy ny Nefilima. Ahoana kosa ny amin’ny androntsika? Kely kokoa noho ny tamin’ny andron’i Noa ve ny herisetra ankehitriny? Tsia! Manohy ny asa fanaony isan’andro koa ny olona ankehitriny, toy ny tamin’ny andron’i Noa ihany. Miezaka hanana fiainana heveriny fa “ara-dalàna” izy ireo, fa tsy mihaino ny fampitandremana omena azy. (Lioka 17:26, 27) Afaka matoky àry isika, fa handringana ny olona indray Andriamanitra.

10. a) Inona no fampitandremana miverimberina ao amin’ny faminanian’ny Baiboly? b) Inona no hany safidy tsara ankehitriny?

10 An-jatony taona talohan’ny Safodrano i Enoka no efa naminany fa hisy ny fandringanana, ary tsy maintsy ho avy amin’ny androntsika izy io. (Joda 14, 15) Niresaka ny amin’ny “fahoriana lehibe” ho avy koa i Jesosy. (Matio 24:21) Nampitandrina ny amin’izy io ny mpaminany hafa. (Ezekiela 38:18-23; Daniela 12:1; Joela 3:4, 5) Miresaka mazava tsara an’io fandringanana farany io koa ny bokin’ny Apokalypsy. (Apokalypsy 19:11-21) Manahaka an’i Noa isika tsirairay, ka mazoto mitory ny fahamarinana. Mihaino ny fampitandreman’i Jehovah isika, ary manampy ny mpiara-belona amintsika hanao izany koa. Miara-mandeha amin’Andriamanitra toa an’i Noa àry isika. Tena mila miara-mandeha amin’Andriamanitra hatrany izay te ho velona. Ahoana no hahavitantsika izany, na dia eo aza ny zava-tsarotra atrehintsika isan’andro? Mila mino mafy isika fa ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra.—Hebreo 11:6.

Miaraha mandeha amin’i Jehovah foana na dia misafotofoto aza ny fiainana

11. Ahoana no hanahafantsika ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany?

11 Voalaza fa nanaraka “Ny Lalana” ny Kristianina voahosotra tamin’ny taonjato voalohany. (Asan’ny Apostoly 9:2) Hita teo amin’ny fomba fiainan’izy ireo foana, fa nino an’i Jehovah sy Jesosy Kristy izy ireo sady nanara-dia an’ilay Tompony. Izany koa no ataon’ny Kristianina mahatoky ankehitriny.

12. Inona no nitranga rehefa avy nanome sakafo ny vahoaka tamin’ny fomba mahagaga i Jesosy?

12 Tena ilaina ny finoana, araka ity zava-nitranga nandritra ny fanompoan’i Jesosy ity. Nanao fahagagana i Jesosy, ka nanome sakafo vahoaka nahitana lehilahy 5 000 teo ho eo. Gaga sy faly be ilay vahoaka. Mariho izay nitranga avy eo: “Nony hitan’ny olona ny famantarana nataon’i Jesosy, dia hoy ireo: ‘Tena io mihitsy ilay mpaminany ho tonga amin’izao tontolo izao.’ Ary rehefa fantatr’i Jesosy fa efa ho avy izy ireo haka azy an-keriny hataony mpanjaka, dia niala teo izy ka nankany an-tendrombohitra indray, izy irery.” (Jaona 6:10-15) Nankany an-toeran-kafa izy ny alin’io. Azo inoana fa maro no diso fanantenana, rehefa tsy nanaiky hatao mpanjaka i Jesosy. Noporofoiny tokoa mantsy fa nanana ny fahendrena nilaina mba ho mpanjaka izy, sady nanan-kery hanome izay ilain’ny olona. Mbola tsy tonga anefa ny fotoana hanaovan’i Jehovah azy ho Mpanjaka. Any an-danitra koa ny Fanjakany fa tsy etỳ an-tany.

13, 14. Inona no tena nahaliana ny maro, ary ahoana no nitsapana ny finoan’izy ireo?

13 Tapa-kevitra ny hanaraka an’i Jesosy ihany anefa ilay vahoaka, ka nahita azy “teny ampitan’ny ranomasina”, araka ny tenin’i Jaona. Nahoana izy ireo no mbola nanaraka azy, nefa izy efa tsy nety natao mpanjaka? Hita fa ny sakafo no tena nahaliana azy ireo. Ny sakafo nomen’i Jehovah tany an-tany efitra, tamin’ny andron’i Mosesy, mantsy no nantitranteriny. Toa te hilaza izy ireo fa tokony hanome hatrany ny sakafo nilain’izy ireo i Jesosy. Tsikaritr’i Jesosy fa ratsy ny antony nanosika azy ireo hitady azy, ka nanomboka nampianariny ny fahamarinana izy ireo, mba hanitsiana ny fisainany. (Jaona 6:17, 24, 25, 30, 31, 35-40) Nimonomonona taminy anefa ny sasany, indrindra rehefa nanao ity fanoharana ity izy: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’olona sy misotro ny rany ianareo, dia tsy manana fiainana ao anatinareo. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako dia manana fiainana mandrakizay, ary izaho hanangana azy amin’ny maty amin’ny andro farany.”—Jaona 6:53, 54.

14 Matetika ny fanoharan’i Jesosy no nampirisika ny olona hampiseho raha tena naniry hiara-mandeha amin’Andriamanitra izy ireo na tsia. Tsy nisy hafa tamin’izany ilay fanoharana nataony teto. Nanao ahoana ny fihetsik’ireo nandre azy io? Izao no vakintsika: “Maro tamin’ny mpianany izay nandre izany no nanao hoe: ‘Manafintohina izany teny izany. Iza no mahahaino izany?’ ” Nohazavain’i Jesosy tamin’izy ireo fa tokony hofantariny ny hevitr’ilay fanoharana. Hoy izy: “Ny fanahy no manome fiainana, fa ny nofo tsy mahasoa mihitsy. Ny teny nolazaiko taminareo no fanahy sy fiainana.” Maro anefa no tsy nihaino azy, araka ny voatantara hoe: “Maro tamin’ny mpianany àry no nihemotra, ka tsy niara-nandeha taminy intsony.”—Jaona 6:60, 63, 66.

15. Inona no fomba fijery tsara nananan’ny mpanara-dia an’i Jesosy sasany?

15 Tsy nanao toy izany avokoa anefa ny mpianatr’i Jesosy. Natoky an’i Jesosy foana ireo mpianatra tsy nivadika, na dia tsy takatr’izy ireo tsara aza ny tiany holazaina. Iray amin’ireo mpianatra ireo i Petera. Nisolo tena azy rehetra izy rehefa niteny hoe: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.” (Jaona 6:68) Tsara dia tsara tokoa izany fihetsika izany sady tena fakan-tahaka!

16. Inona no fitsapana mety hihatra amintsika, ary inona no fomba fijery tsara tokony hananana?

16 Mety hiharam-pitsapana toy ireo mpianatra voalohany ireo koa isika. Mety ho diso fanantenana isika, satria tsy tanteraka haingana araka ny itiavantsika azy ny fampanantenan’i Jehovah. Mety ho sarotra amintsika koa ny mahazo ny fanazavana ny Soratra Masina, ao amin’ny boky sy gazetintsika. Na mety handiso fanantenana antsika ny fitondran-tenan’ny Kristianina hafa. Izany ve no hahatonga antsika tsy hiara-mandeha amin’Andriamanitra intsony? Mazava ho azy fa tsia! Tsy nanana ny fomba fijerin’i Jehovah ireo mpianatra nandao an’i Jesosy. Tsy tokony hanao toa azy ireo isika.

“Tsy mba anisan’izay mihemotra” isika

17. Inona no hanampy antsika hiara-mandeha hatrany amin’Andriamanitra?

17 Hoy ny apostoly Paoly: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.” (2 Timoty 3:16) Milaza mazava amintsika i Jehovah ao amin’ny Baiboly hoe: “Ity no làlana, ka andehano.” (Isaia 30:21) ‘Hitandrina tsara hatrany ny fitondran-tenantsika’ isika, raha mankatò ny Teniny. (Efesianina 5:15) ‘Handeha hatrany ao amin’ny fahamarinana’ koa isika, raha mianatra ny Baiboly sy misaintsaina izay ianarantsika. (3 Jaona 3) Marina ny tenin’i Jesosy hoe: “Ny fanahy no manome fiainana, fa ny nofo tsy mahasoa mihitsy.” Ny hany tari-dalana azontsika itokisana, dia ny tari-dalana omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny Teniny, sy ny fanahiny ary ny fandaminany.

18. a) Inona no hadalana ataon’ny olona sasany? b) Finoana manao ahoana no iezahantsika hananana?

18 Manjary sosotra ny olona, rehefa tsy manana ny fomba fijerin’i Jehovah na diso fanantenana. Matetika izy ireo no lasa revo tanteraka amin’ity tontolo ity indray. Tsy tsapany intsony hoe efa akaiky ny farany, ka mihevitra izy ireo fa tsy ilaina ny ‘miambina hatrany.’ Aleon’izy ireo mikatsaka izay hahasoa ny tenany, toy izay hametraka ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany. (Matio 24:42) Tena hadalana izany! Mariho ny tenin’ny apostoly Paoly hoe: “Isika tsy mba anisan’izay mihemotra ho amin’ny fandringanana, fa anisan’ireo manam-pinoana ho amin’ny famonjena ny aina.” (Hebreo 10:39) Misafotofoto ny fiainana, nefa voninahitra ho antsika ny miara-mandeha amin’Andriamanitra toa an’i Enoka sy Noa. Matoky àry isika fa hahita ny fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah, dia ny hamaranany ny faharatsiana sy hitondrany tontolo vaovao sy marina. Mahafinaritra tokoa izany!

19. Inona no nolazain’i Mika momba ireo tena mpivavaka?

19 Nilaza i Mika mpaminany fa ‘samy handeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy’ ny firenena. Niresaka ny amin’ny tenany sy ny mpanompo mahatoky hafa izy avy eo. Hoy izy: “Isika kosa handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.” (Mika 4:5) Tapa-kevitra ny hanao izany koa ve ianao? Mitoera àry ho akaikin’i Jehovah, na dia mety hisafotofoto kokoa noho izao aza ny fiainana. (Jakoba 4:8) Enga anie isika tsirairay samy tena haniry hiara-mandeha amin’i Jehovah Andriamanitsika dieny izao sy ho mandrakizay doria!

Ahoana no Havalinao?

• Inona no itovian’ny androntsika sy ny andron’i Noa?

• Nanao ahoana ny fomba fiainan-dry Noa mianakavy, ary ahoana no hanahafantsika ny finoany?

• Inona no tena nahaliana ny mpanara-dia an’i Jesosy sasany?

• Tapa-kevitra ny hanao inona ny tena Kristianina?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 20]

Variana amin’ny asa fanaony isan’andro ny olona ankehitriny, toy ny tamin’ny andron’i Noa

[Sary, pejy 21]

“Tsy mba anisan’izay mihemotra” isika mpitory ilay Fanjakana