Mandray Soa Izay Tsy Mivadika
Mandray Soa Izay Tsy Mivadika
TIAN’NY ankizy sasany ny mametaka tsipolitra amin’ny akanjon’ny namany, rehefa misangisangy. Miraikitra ilay tsipolitra, ary tsy mety miala mihitsy na inona na inona ataon’ilay namany, na mandeha izy, na mihazakazaka, na mihifikifika na mitsambikimbikina. Tsy maintsy esorina tsirairay ilay izy vao afaka. Faly erỳ ny ankizy amin’izany.
Mazava ho azy fa tsy ny olona rehetra akory no faly, rehefa misy tsipolitra ny akanjony. Tena mahavariana anefa ny mahita ilay izy miraikitra tsara. Azo oharina amin’izany ny olona tsy mivadika, satria tsy miala amin’ny namany mihitsy izy, ka mateza ny fifandraisan’izy ireo. Tanterahiny foana koa ny adidy aman’andraikitra aterak’izany, na dia mety ho sarotra aza. Tsotra sy mendri-pitokisana ary be fitiavana, ny olona tsy mivadika. Azo inoana fa tianao rehefa tsy mivadika aminao ny olona. Ahoana anefa ny aminao? Moa ve ianao tapa-kevitra ny tsy hivadika? Ary amin’iza ianao no tokony tsy hivadika?
Zava-dehibe ny tsy mivadika amin’ny vady
Tena ilaina ny tsy fivadihana eo anivon’ny tokantrano, nefa mampalahelo fa mivadika amin’ny vadiny ny olona matetika. Azo inoana fa ho sambatra sy hilamin-tsaina kokoa ny mpivady raha tsy mivadika amin’ny voadim-panambadiana nataony, izany hoe tsy misaraka fa miezaka mitady izay hahasoa ny andaniny avy. Nahoana? Satria efa voajanahary ao amin’ny olombelona ny faniriana tsy hivadika sy hanana namana tsy mivadika. Nilaza toy izao Andriamanitra, rehefa natao tao amin’ny Saha Edena ny fanambadian’i Adama sy Eva: “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny.” Izany koa no notakina tamin’ny vehivavy, satria tsy natao hisaraka amin’ny vadiny izy. Natao hifanampy ny mpivady ka tsy tokony hisy hivadika.—Genesisy 2:24; Matio 19:3-9.
Marina aloha fa efa an’arivony taona lasa izany no nitranga. Midika anefa ve izany fa efa lany andro ny hoe tsy mivadika amin’ny vady? Maro no hamaly hoe tsia. Nilaza ny 80 isan-jaton’ny olona nadinadinin’ny mpikaroka alemà, fa tena zava-dehibe ny tsy mivadika amin’ny vady. Nisy fanadihadiana hafa koa natao, mba hahitana hoe inona no toetra tena tian’ny olona ho hita indrindra eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Nisy lehilahy maromaro nasaina nitanisa toetra dimy tena tiany ho hita amin’ny vehivavy, ary nisy vehivavy maromaro koa nasaina nitanisa toetra dimy tena tiany ho hita amin’ny lehilahy. Hita tamin’izany fa ny tsy fivadihana no toetra be mpitia indrindra.
Mafy orina sy mahomby tokoa ny fanambadiana, rehefa tsy mivadika ny mpivady. Araka ny efa hitantsika tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha anefa, dia toetra be mpitia izy io, nefa vitsy mpanana. Be dia be, ohatra, ny olona mivadika, rehefa jerena ny habetsahan’ny fisaraham-panambadiana any amin’ny tany maro. Ahoana àry no hahafahan’ny mpivady hisoroka izany, sy tsy hivadika amin’ny vadiny?
Mampaharitra ny fanambadiana ny tsy fivadihana
Hita hoe tsy mivadika ny mpivady, rehefa mitady fomba hanamafisana ny fifankatiavany. Tsara kokoa, ohatra, ny Ohabolana 11:14; 15:22.
milaza hoe “antsika” fa tsy hoe “ahy.” Azo atao ny miteny hoe: “namantsika”, “zanatsika”, “tranontsika”, “zavatra nanjo antsika”, sy ny toy izany. Tokony hihevitra ny fihetseham-pon’ny vadiny sy ny heviny ny lehilahy sy ny vehivavy, rehefa misy zavatra kasainy hatao na fanapahan-kevitra horaisiny. Ohatra, momba ny trano, asa, fitaizana, fialam-boly, vakansy, na zavatra atao mifandray amin’ny fivavahana.—Hita koa fa tsy mivadika ny lehilahy sy ny vehivavy manambady, rehefa asehony fa tena tiany sy ilainy ny vadiny. Lasa tsy milamin-tsaina ny vehivavy, raha tsara fanahy loatra amin’ny vehivavy hafa ny vadiny, ary toy izany koa ny lehilahy. Manoro hevitra ny lehilahy mba tsy hiala ‘amin’ny vadin’ny fahatanorany’ ny Baiboly. Tsy tokony hila fitia amin’ny vehivavy hafa ny lehilahy manambady. Tokony tsy hifampikitikitika amin’ny vehivavy hafa koa izy. Mampitandrina ny Baiboly hoe: “Izay mijangajanga amin’ny vehivavy dia tsy ampy saina; izay ta-hanimba tena no manao izany.” Mihatra amin’ny vehivavy manambady koa izany fitsipika faran’izay tsara momba ny tsy fivadihana izany.—Ohabolana 5:18; 6:32.
Mandray soa ve ny mpivady rehefa miezaka ny tsy hivadika? Izany tokoa. Lasa milamina kokoa sy maharitra ny fanambadian’izy ireo, ary samy mahazo tombony amin’izany izy mivady. Rehefa mitady izay hahasoa ny vadiny foana, ohatra, ny lehilahy, dia manjary milamin-tsaina ny vadiny, ka lasa maneho toetra tsara dia tsara aminy. Toy izany koa ny vokany, rehefa mitady izay hahasoa ny vadiny foana ny vehivavy. Ary rehefa tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’ny vadiny ny lehilahy, dia manjary manaraka fitsipi-pitondran-tena tsara foana, eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainany.
Hilamin-tsaina ny mpivady tsy mivadika, rehefa mandalo fotoan-tsarotra. Matetika kosa no misara-toerana na misara-panambadiana mihitsy aza ny mpivady tsy mifampatoky, rehefa mitranga ny olana. Tsy mamaha ny olana anefa izany, fa vao mainka miteraka olana hafa. Nandao ny vady aman-janany, ohatra, ny lehilahy malaza iray mpahay lamaody, tany amin’ireo taona 1980. Nahasambatra azy ve izany? Niaiky izy, 20 taona tatỳ aoriana, fa nahatonga azy ho “nanirery sy nikorontan-tsaina” ilay fisarahana, sady “tsy nahita tory izy tamin’ny alina, satria te hilaza tamin-janany hoe ‘tafandria mandry rankizy a.’ ”
Tsy fivadihana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka
Raha tsy mivadika amin’izy samy izy ny mpivady, dia misy hotahafin’ny zanany izany. Rehefa tezaina eo anivon’ny tokantrano ahitana tsy fivadihana sy fitiavana ny ankizy, dia ho mora kokoa aminy any aoriana, ny hanatontosa ny andraikiny amin’ny vadiny sy amin’ny ray aman-dreniny be taona efa osa.—1 Timoty 5:4, 8.
Tsy voatery ho ny ray aman-dreny foana anefa no ho osa voalohany. Ny ankizy indraindray no mila fikarakarana maharitra. Nanao izany nandritra ny 40 taona i Herbert sy Gertrud, mpivady Vavolombelon’i Jehovah.
Voan’ny halemen-kozatra hatry ny fony kely mantsy i Dietmar, zanany lahy. Nila fikarakarana sy fiahiana andro aman’alina izy, nandritra ireo fito taona farany, talohan’ny nahafatesany tamin’ny Novambra 2002. Be fitiavana tokoa ny ray aman-dreniny, ka nikarakara azy foana. Nasian’izy ireo fitaovam-pitsaboana mihitsy aza tao an-tranony, ary nanao fiofanana ara-pitsaboana koa izy mivady. Tena fakan-tahaka tokoa ny tsy fivadihan’izy mivady tamin’ny mpianakaviny!Mampifandray hatrany ny mpinamana, ny tsy fivadihana
“Afaka ny ho sambatra ianao raha tsy manambady, fa sarotra ny ho sambatra raha tsy mana-namana ianao”, hoy i Birgit. Mitovy hevitra aminy angamba ianao. Na manambady ianao na tsia, dia hahasambatra anao sy hanatsara ny fiainanao ny fananana namana akaiky tsy mivadika. Mazava ho azy aloha fa ny vadinao no tokony ho namanao akaiky indrindra, raha manambady ianao.
Tsy toy ny olom-pantatra fotsiny ny namana. Mety ho be dia be mantsy ny olom-pantatrao, toy ny mpifanila trano, mpiara-miasa, ary olona hitanao tsindraindray eny. Anokanana fotoana kosa ny tena namana. Tsy mitandro hasasarana ianao manampy azy, ary mahatsapa adidy aminy satria tia azy. Mahafinaritra be izany hoe mana-namana izany. Andraisan-tsoa izany, nefa koa arahina andraikitra.
Tsy maintsy mifampiresaka tsara amin’ny namantsika isika. Rehefa mifampiresaka ny mpinamana, dia ny zavatra ilain’ny andaniny sy ny ankilany no mety hamaritra ny foto-dresak’izy ireo. Hoy i Birgit: “Mifampiantso an-telefaonina indray mandeha na indroa isan-kerinandro izaho sy ilay namako, rehefa misy olana mahazo azy na mahazo ahy. Tena faly aho fa eo izy sady mihaino ahy.” Afaka ny ho mpinamana ny olona, na dia mifanalavitra aza. Misy an’arivony kilaometatra, ohatra, ny elanelan’ny toerana ipetrahan’i Gerda sy Helga. Efa 35 taona mahery anefa izy ireo no mpinamana akaiky. “Mifanoratra matetika izahay”, hoy i Gerda, “ary mifampitantara ny zavatra iainanay, sady milaza izay tena any am-ponay lalina any, na mahafaly ilay izy na mampalahelo. Faly be foana aho rehefa maharay taratasy avy any amin’i Helga. Tena mitovy tsara ny tadin-dokanganay.”
Tena ilaina ny tsy fivadihana, mba hampaharitra ny fifandraisana amin’ny namana. Raha mivadika indray mandeha monja ny iray, dia mety ho rava ny fisakaizana, na dia efa naharitra ela aza. Fanaon’ny mpinamana ny mifanoro hevitra, na dia mahakasika ny tsiambaratelony aza. Afaka milaza izay ao am-pony izy ireo, fa tsy matahotra hoe hanambany azy ilay namany, na hitantara ny tsiambaratelony amin’ny olon-kafa. Hoy ny Baiboly: “Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana.”—Ohabolana 17:17.
Misy heriny eo amin’ny fomba fisainan’ny olona sy ny fihetseham-pony ary ny zavatra ataony, ny namany. Noho izany, dia olona mitovy fomba fiaina aminao no tsara hataonao namana. Miezaha, ohatra, mba hinamana amin’olona mino ny zavatra inoanao, mitovy hevitra aminao momba ny fitondran-tena, ary manaraka ny fitsipika arahinao momba ny tsara sy ny ratsy. Hanampy anao hahatratra ny tanjonao ny namana toy izany. Nahoana koa moa ianao no hinamana amin’olona tsy manaraka ny fitsipi-pitondran-tena arahinao? Asehon’ny Baiboly fa ilaina ny mifidy namana tsara. Izao no voalaza ao: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.”—Ohabolana 13:20.
Afaka mianatra ny tsy hivadika isika
Mihamahay mametaka tsipolitra amin’ny akanjon’olona ny ankizy, rehefa manao izany foana. Toy izany koa ny olona tsy mivadika. Nahoana? Satria manjary mora kokoa aminy ny tsy mivadika rehefa mizatra an’izany izy. Raha
ampianarina tsy hivadika amin’ny mpianakaviny dieny mbola kely ny ankizy, dia ho mora kokoa aminy any aoriana ny tsy hivadika amin’ny namany. Ary azo inoana fa ny fifandraisana tsara sy maharitra toy izany dia hanampy azy tsy hivadika amin’ny vadiny, rehefa manambady izy. Hanampy azy tsy hivadika amin’ilay namana tsara indrindra koa izany.Nilaza i Jesosy fa ny didy lehibe indrindra dia hoe tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo, sy ny tenanao manontolo sy ny sainao manontolo ary ny herinao manontolo. (Marka 12:30) Midika izany fa tsy tokony hivadika amin’i Jehovah Andriamanitra mihitsy isika, na ahoana na ahoana. Mandray soa be dia be isika amin’izany. Tsy handao antsika na handiso fanantenana antsika mihitsy izy, satria “Andriamanitra mahatoky”, izany hoe tsy mivadika. (Deoteronomia 7:9) Mitondra soa mandrakizay mihitsy ny tsy fivadihana aminy.—1 Jaona 2:17.
[Teny notsongaina, pejy 6]
Mahasambatra ny manana namana akaiky tsy mivadika
[Sary, pejy 5]
Mifampiahy ny mpianakavy tsy mivadika