Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitra na dia Misafotofoto aza ny Fiainana

Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitra na dia Misafotofoto aza ny Fiainana

Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitra na dia Misafotofoto aza ny Fiainana

“Niara-nandeha tamin’Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin’Andriamanitra.”—GENESISY 5:24.

1. Inona no mahatonga ny fiainantsika hisafotofoto?

FIAINANA misafotofoto! Mahalaza tsara ny korontana sy herisetra nisy nanomboka tamin’ny 1914 izany. Tamin’io taona io no niorina ny Fanjakan’ny Mesia ary nanomboka teo “ny andro farany.” Mbola tsy betsaka toy izao mihitsy ny loza toy ny mosary, areti-mandringana, horohoron-tany, ary ady. (2 Timoty 3:1; Apokalypsy 6:1-8) Iharan’izany na dia ny mpanompon’i Jehovah aza. Azo lazaina hoe samy miatrika zava-tsarotra daholo isika, ary tsy mahalala izay havoakan’ny ampitso. Manasarotra ny fiainana koa ny fahasahiranana ara-bola, korontana politika, heloka bevava, ary aretina.

2. Inona avy no zava-tsarotra atrehin’ny mpanompon’i Jehovah?

2 Maro koa ny mpanompon’i Jehovah miaritra fanenjehana mitohy sy mahery vaika. Tsy mitsahatra mantsy i Satana miady amin’ireo ‘mitandrina ny didin’Andriamanitra sy manao ny asa fitoriana momba an’i Jesosy.’ (Apokalypsy 12:17) Mbola tsy niaritra fanenjehana ny sasany tamintsika. Tsy maintsy miady amin’i Satana Devoly sy ny toe-tsaina aeliny anefa ny tena Kristianina rehetra. (Efesianina 2:2; 6:12) Mila mailo foana isika sao hifindran’io toe-tsaina io. Ahitana azy io mantsy any am-piasana, any am-pianarana, ary na aiza na aiza ifampikasohantsika amin’ny olona tsy liana amin’ny fivavahana marina.

Aza miara-mandeha amin’ny hafa firenena

3, 4. Inona no tsy mampitovy ny Kristianina amin’izao tontolo izao?

3 Nanohitra mafy ny toe-tsain’ity tontolo ity ny Kristianina voalohany, ka nanjary tsy nitovy tamin’ireo tsy anisan’ny fiangonana. Hoy i Paoly momba izany: “Koa izao no lazaiko sy porofoiko amin’ny anaran’ny Tompo, dia ny tsy handehananareo intsony tahaka ny hafa firenena, izay mandeha araka ny fahafoanan’ny sainy, sady maizin-tsaina sy lavitra ny fiainana an’Andriamanitra, noho ny tsy fahalalana ao anatiny sy noho ny hamafin’ny fony. Efa tsy mahalala menatra intsony izy ireny, ka manaram-po amin’ny fitondran-tena mahamenatra hanao izao karazam-pahalotoana rehetra izao, sady tsy mety afa-po fa mbola te hanao foana.”—Efesianina 4:17-19.

4 Mahalaza tsara ny zava-nisy tamin’ny andron’i Paoly izany! Lavitra an’Andriamanitra sy tena ratsy fitondran-tena mantsy ilay tontolo nisy tamin’izany. Toy izany koa ny tontolo misy antsika. Tsy ‘mandeha tahaka ny hafa firenena’ ny Kristianina ankehitriny, toy ny tamin’ny taonjato voalohany ihany. Voninahitra lehibe ho azy ireo kosa ny miara-mandeha amin’Andriamanitra. Marina fa tsy eken’ny olona sasany ny hoe afaka miara-mandeha amin’i Jehovah ny olona ambany sy tsy lavorary. Milaza anefa ny Baiboly fa azo atao tsara izany. I Jehovah mihitsy no mitaky izany. Izao no nampanoratiny an’i Mika mpaminany, tamin’ireo taona 700 T.K.: “Izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo ary ny [hiara-mandeha amin’Andriamanitrao, TV ] amin’ny fanetren-tena.”—Mika 6:8.

Ny atao hoe miara-mandeha amin’Andriamanitra sy ny anton’izany

5. Ahoana no ahafahan’ny olona tsy lavorary miara-mandeha amin’Andriamanitra?

5 Ahoana no ahafahantsika miara-mandeha amin’Andriamanitra tsy hita maso sy mahery indrindra? Mazava ho azy fa tsy toy ny miara-mandeha amin’ny olona izany. Ny hoe “mandeha” ao amin’ny Baiboly dia mety hidika hoe “manaraka fitsipi-pitondran-tena.” * Miara-mandeha amin’Andriamanitra àry ny olona, rehefa manaraka ny fomba fiaina atorony sy mampifaly azy. Lasa tsy mitovy amin’ny ankamaroan’ny olona isika rehefa manao izany. Izay ihany anefa no safidy tsara ho an’ny Kristianina. Nahoana? Noho ny antony maro.

6, 7. Hazavao fa ny miara-mandeha amin’Andriamanitra no fomba fiaina tsara indrindra.

6 I Jehovah no Mpamorona sy Loharanon’ny aintsika. Izy no manome izay rehetra ilaintsika mba hivelomana. (Apokalypsy 4:11) Izy irery àry no manan-jo hilaza amintsika izay tokony ho fomba fiainantsika. Ny miara-mandeha amin’Andriamanitra koa no fomba fiaina tsara indrindra. Nataony mantsy izay hahazoan’ireo miara-mandeha aminy famelan-keloka sy hananan’izy ireo fanantenana azo antoka, dia ny fiainana mandrakizay. Manome torohevitra tsara koa ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra. Manampy an’ireo miara-mandeha aminy hahomby eo amin’ny fiainana ireny torohevitra ireny, na dia tsy lavorary sy miaina ao amin’ny tontolo eo ambany fahefan’i Satana aza izy ireo. (Jaona 3:16; 2 Timoty 3:15, 16; 1 Jaona 1:8; 2:25; 5:19) Mampitombo ny fiadanana sy firaisan-tsain’ny fiangonana koa isika raha miara-mandeha amin’Andriamanitra.—Kolosianina 3:15, 16.

7 Izao no antony lehibe indrindra iarahantsika mandeha amin’Andriamanitra: Tiantsika haseho hoe iza no iandaniantsika amin’ilay adihevitra lehibe momba ny zo hitondra, nipoitra tao amin’ny saha Edena. (Genesisy 3:1-6) Asehontsika amin’ny fomba fiainantsika fa miandany tanteraka amin’i Jehovah isika, ary sahy milaza fa izy irery ihany no manan-jo hanjaka. (Salamo 83:18) Mifanaraka amin’ny vavaka ataontsika izany, dia ny hanamasinana ny anaran’Andriamanitra sy hanaovana ny sitrapony. (Matio 6:9, 10) Tena hendry àry ireo mifidy ny hiara-mandeha amin’Andriamanitra! Azon’izy ireo antoka fa mizotra amin’ny lalana tokony halehany izy, satria i Jehovah no “hany manam-pahendrena.” Tsy mety diso mihitsy izy.—Romanina 16:27.

8. Inona no itovian’ny androntsika amin’ny andron’i Enoka sy Noa?

8 Ahoana anefa no hananana fomba fiaina kristianina, eto amin’ity tontolo misafotofoto sy tsy te hanompo an’i Jehovah ity? Hitantsika ny valin’izany, rehefa dinihintsika ny fiainan’ireo olona nahatoky fahiny, izay tsy nivadika mihitsy na dia nandia fotoan-tsarotra aza. Anisan’ireny i Enoka sy Noa. Mitovitovy amin’ny androntsika ny andro niainan’izy ireo. Niely hatraiza hatraiza ny faharatsiana. Feno herisetra ny tany tamin’ny andron’i Noa ary nanjaka ny fitondran-tena maloto. Tsy nanaraka ny toe-tsain’ilay tontolo tamin’izany anefa i Enoka sy Noa, fa niara-nandeha tamin’i Jehovah. Ahoana no nahavitany izany? Hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity aloha ny ohatr’i Enoka. Hiresaka momba an’i Noa kosa ny lahatsoratra manaraka.

Niara-nandeha tamin’Andriamanitra i Enoka na dia nisafotofoto aza ny fiainana

9. Inona no fantatsika momba an’i Enoka?

9 I Enoka no olona voalohany resahin’ny Baiboly fa niara-nandeha tamin’Andriamanitra. Hoy izy io: ‘Niara-nandeha tamin’Andriamanitra Enoka taorian’ny niterahany an’i Metosela.’ (Genesisy 5:22) Resahin’izy io avy eo ny faharetan’ny androm-piainan’i Enoka, izay lava noho ny antsika, nefa fohy noho ny an’ny olona tamin’izany. Hoy ilay fitantarana: “Niara-nandeha tamin’Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin’Andriamanitra.” (Genesisy 5:24) Toa nafindran’i Jehovah avy tany amin’ny tanin’ny velona ho any amin’ny fonenan’ny maty izy, mba tsy hampijalin’ny mpanohitra. (Hebreo 11:5, 13) Vitsy ihany ny andininy miresaka momba an’i Enoka ao amin’ny Baiboly, ankoatra ireo andininy fohy ireo. Rehefa dinihina anefa izy ireny sy ny porofo hafa, dia azo inoana fa nisafotofoto ny fiainana tamin’ny androny.

10, 11. a) Ahoana no nielezan’ny faharatsiana taorian’ny fikomian’i Adama sy Eva? b) Inona no faminaniana nambaran’i Enoka, ary nanao ahoana ny fihetsiky ny olona?

10 Niely haingana be, ohatra, ny faharatsiana taorian’ny nanotan’i Adama. Milaza ny Baiboly fa i Kaina, lahimatoan’i Adama, no mpamono olona voalohany, rehefa namono an’i Abela rahalahiny. (Genesisy 4:8-10) Niteraka zanakalahy hafa antsoina hoe Seta i Adama sy Eva, taorian’ny nahafatesan’i Abela. Izao no voalaza momba azy: “Seta koa niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Enosy. Tamin’izany no vao niantsoana ny anaran’i Jehovah.” (Genesisy 4:25, 26) Mampalahelo fa mifandray amin’ny fivadiham-pinoana ilay teny hoe ‘niantso ny anaran’i Jehovah’ eto. * Namoron-kira ho an’ny vadiny roa i Lameka, taranak’i Kaina, taona maro taorian’ny nahaterahan’i Enosy. Voalaza ao amin’izy io fa namono tovolahy nandratra azy i Lameka. Nampitandrina koa izy hoe: “Raha valiana fito heny izay mamono an’i Kaina, dia fito amby fito-polo heny kosa izay mamono an’i Lameka.”—Genesisy 4:10, 19, 23, 24.

11 Hitantsika avy amin’izany fa niely haingana teo amin’ny taranak’i Adama, ny faharatsiana nampidirin’i Satana tao amin’ny saha Edena. Izany tontolo izany no niainan’i Enoka, mpaminanin’i Jehovah, ary mbola mihatra hatramin’izao ny teny mafonja nolazainy. Milaza i Joda fa naminany toy izao i Enoka: “Indro, efa tonga i Jehovah, miaraka amin’ny anjeliny masina an’alinalina, mba hampihatra didim-pitsarana amin’ny rehetra, sy hanaporofo fa meloka izay rehetra tsy natahotra an’Andriamanitra. Meloka izy ireny noho ny asa ratsy rehetra nataony tamin-karatsiam-panahy, sy noho ny teny manafintohina rehetra nentin’ny mpanota hanoherana an’Andriamanitra, dia ireo mpanota tsy matahotra azy.” (Joda 14, 15) Ho tanteraka amin’ny fomba feno ireo teny ireo amin’ny ady Hara-magedona. (Apokalypsy 16:14, 16) Azo antoka anefa fa maro tamin’ireo ‘mpanota tsy natahotra an’Andriamanitra’ no tezitra rehefa nandre ny faminanian’i Enoka, na dia tamin’ny androny aza. Naneho fitiavana lehibe tokoa i Jehovah, rehefa namindra an’ilay mpaminany mba tsy ho azon’izy ireo!

Inona no nanampy an’i Enoka hiara-mandeha amin’Andriamanitra?

12. Inona no nampiavaka an’i Enoka tamin’ny mpiara-belona taminy?

12 Nihaino an’i Satana i Adama sy Eva tao amin’ny saha Edena, ary nikomy tamin’i Jehovah i Adama. (Genesisy 3:1-6) Tsy mba nanao toy izany kosa i Abela zanany lahy, ka nankasitrahan’i Jehovah. (Genesisy 4:3, 4) Mampalahelo anefa fa tsy toa azy ny ankamaroan’ny taranak’i Adama. Nanahaka an’i Abela kosa i Enoka, teraka an-jatony taona tatỳ aoriana. Inona no nampiavaka azy tamin’ireo olona maro be taranak’i Adama? Hoy ny apostoly Paoly: “Finoana no nahatonga an’i Enoka hafindra toerana mba tsy hahita fahafatesana, ary tsy hita na taiza na taiza izy satria nafindran’Andriamanitra. Fa talohan’ny namindrana azy, dia nambara taminy fa nahazo sitraka tamin’Andriamanitra izy.” (Hebreo 11:5) Nisy “vavolombelona maro be toy ny rahona” nanam-pinoana fakan-tahaka talohan’ny andro kristianina, ary anisan’izany i Enoka. (Hebreo 12:1) Ny finoana no nanampy an’i Enoka ho tsara fitondran-tena foana nandritra ny 300 taona mahery, izany hoe maherin’ny avo telo henin’ny androm-piainan’ny ankamaroantsika!

13. Inona ilay finoana nananan’i Enoka?

13 Niresaka ny amin’ny finoan’i Enoka sy ny vavolombelona hafa i Paoly. Hoy izy: “Ny finoana dia fiandrasana amin-toky ny zavatra antenaina, ary fanomezana porofo mazava ny zavatra tena misy izay tsy hita maso.” (Hebreo 11:1) Ny finoana tokoa dia ny fiandrasana amin-toky fa ho tanteraka ny zavatra antenaintsika. Tena mafy orina izany fiandrasantsika izany, ka misy akony amin’izay heverintsika ho zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Izany finoana izany no nanampy an’i Enoka hiara-mandeha amin’Andriamanitra, na dia tsy nanao izany aza ny mpiara-belona taminy.

14. Inona no fahalalana marina nety ho nananan’i Enoka, ka nahatonga azy hanam-pinoana?

14 Mifototra amin’ny fahalalana marina ny tena finoana. Inona no fahalalana nananan’i Enoka? (Romanina 10:14, 17; 1 Timoty 2:4) Azo antoka fa fantany ny zava-nitranga tany Edena. Azo inoana fa reny koa hoe nanao ahoana ny fiainana tao amin’ilay saha, izay mbola nisy angamba tamin’izany, na dia tsy navela hidiran’ny olona aza. (Genesisy 3:23, 24) Fantany koa fa nasain’Andriamanitra hameno ny tany ny taranak’i Adama, ary hanao azy io ho toy ilay Paradisa tany am-boalohany. (Genesisy 1:28) Azo antoka fa zava-dehibe tamin’i Enoka ny fampanantenan’i Jehovah hoe hisy Taranaka hanorotoro ny lohan’i Satana, sy hikosoka ny voka-dratsin’ny famitahany. (Genesisy 3:15) Niresaka ny amin’ny handringanana ny taranak’i Satana mihitsy aza i Enoka, araka ilay faminaniany voatahiry ao amin’ny bokin’i Joda. Fantatsika fa nanompo an’i Jehovah ilay “mpamaly soa an’izay mitady azy fatratra” i Enoka, satria nanam-pinoana. (Hebreo 11:6) Marina fa kely noho ny antsika ny fahalalany, nefa ampy mba hananany finoana matanjaka izany. Nanampy azy tsy hivadika izany finoana izany, na dia nisafotofoto aza ny fiainana.

Tahafo i Enoka

15, 16. Ahoana no hanahafantsika an’i Enoka?

15 Tokony hanahaka an’i Enoka àry isika, satria te hampifaly an’i Jehovah na dia misafotofoto aza ny fiainana. Mila mianatra ny marina momba an’i Jehovah sy ny fikasany isika, ary mitadidy izany. Tsy ampy anefa izany. Tokony hitari-dalana antsika koa io fahalalana marina io. (Salamo 119:101; 2 Petera 1:19) Tokony hanaiky hotarihin’ny fomba fisainan’i Jehovah isika, ary hiezaka hampifaly azy foana amin’izay rehetra eritreretintsika sy ataontsika.

16 Tsy hay raha nisy olon-kafa nanompo an’i Jehovah tamin’ny andron’i Enoka. Miharihary anefa fa izy irery no nanao izany, na vitsy kely izy ireo. Vitsy koa isika eto amin’ity tontolo ity, nefa tsy mahakivy antsika izany. Hanampy antsika i Jehovah, na iza na iza manohitra antsika. (Romanina 8:31) Sahin’i Enoka ny nampitandrina fa horinganina ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra. Sahintsika koa ny mitory “ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity”, na dia esoina sy toherina ary enjehina aza isika. (Matio 24:14) Tsy ela velona toy ny ankamaroan’ny mpiara-belona taminy i Enoka. Tsy nanantena na inona na inona tamin’ilay tontolo nisy tamin’izany anefa izy, fa nifantoka tamin’ny zava-dehibe kokoa. (Hebreo 11:10, 35) Mifantoka amin’ny fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah koa isika, ka tsy revo tanteraka amin’ity tontolo ity. (1 Korintianina 7:31) Atokantsika hanompoana an’i Jehovah kosa ny herintsika sy ny fananantsika.

17. Inona no fahalalana ananantsika nefa tsy nananan’i Enoka, koa inona no tokony hataontsika?

17 Nino i Enoka fa ho avy amin’ny fotoana voatondron’i Jehovah ilay Taranaka nampanantenaina. Efa ho 2 000 taona izao no niavian’io Taranaka io, izany hoe i Jesosy Kristy. Nanome ny ainy ho vidim-panavotana izy, mba ho afaka hiaina mandrakizay isika sy ireo vavolombelona mahatoky fahiny toa an’i Enoka. Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra izao io Taranaka io, ary nanjera an’i Satana ho etỳ an-tany. Hitantsika manodidina antsika ny fahoriana naterak’izany. (Apokalypsy 12:12) Be lavitra tokoa ny fahalalana ananantsika, raha mitaha amin’izay nananan’i Enoka. Aoka àry isika hanam-pinoana matanjaka toa azy. Enga anie ka hisy heriny eo amin’izay rehetra ataontsika, ny fatokisantsika fa ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra. Ary enga anie isika hiara-mandeha aminy toa an’i Enoka, na dia misafotofoto aza ny fiainana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Efa niresaka tamin’i Adama i Jehovah, talohan’ny andron’i Enosy. Nekeny ny fanatitr’i Abela, ary niresaka tamin’i Kaina mihitsy izy, talohan’ny namonoan’i Kaina ny rahalahiny noho ny fialonana sy fahatezerana. Tsy misy ifandraisana amin’ny fivavahana marina àry ilay hoe nanomboka ‘nantsoina ny anaran’i Jehovah.’

Ahoana no Havalinao?

• Inona no dikan’ny hoe miara-mandeha amin’Andriamanitra?

• Hazavao fa ny miara-mandeha amin’Andriamanitra no fomba fiaina tsara indrindra.

• Inona no nanampy an’i Enoka hiara-mandeha amin’Andriamanitra, na dia nisafotofoto aza ny fiainana?

• Ahoana no hanahafantsika an’i Enoka?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

“Niara-nandeha tamin’Andriamanitra i Enoka” satria nanam-pinoana

[Sary, pejy 17]

Tena matoky isika fa ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah

[Sary nahazoan-dalana, pejy 13]

Vehivavy, farany havanana: FAO photo/B. Imevbore; trano mirodana: San Hong R-C Picture Company