Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andriamanitra sa Olona?

Andriamanitra sa Olona?

Andriamanitra sa Olona?

“IZAHO no fahazavan’izao tontolo izao. Izay manaraka ahy, tsy mba handeha ao amin’ny maizina mihitsy, fa hanana ny fahazavana manome fiainana.” (Jaona 8:12) I Jesosy Kristy no nilaza ireo teny ireo. Niresaka momba azy ny lehilahy iray nahita fianarana, tamin’ny taonjato voalohany. Hoy izy: “Tsara afina ao aminy tokoa mantsy ny haren’ny fahendrena rehetra sy haren’ny fahalalana rehetra.” (Kolosianina 2:3) Hoy koa ny Baiboly: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Tena ilaina àry ny fahalalana marina tsara an’i Jesosy, raha te hifandray amin’Andriamanitra isika.

Olona maro eran-tany no efa nandre momba an’i Jesosy Kristy. Tsy iadian-kevitra fa tena nanan-kery teo amin’ny tantara izy. Miorina amin’ny taona noheverina fa nahaterahany mihitsy aza, ny ankamaroan’ny kalandrie eran-tany. Manazava toy izao Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy): “Antsoin’ny maro hoe T.K. na talohan’i Kristy, ny daty talohan’io taona io. Ny teny hoe A.D. na anno Domini (amin’ny andron’ny Tompo) kosa no ilazany ny daty aorian’io taona io.”

Samy manana ny heviny momba an’i Jesosy anefa ny olona. Ho an’ny sasany, dia olona niavaka namela soritra teo amin’ny tantara fotsiny izy. Ny hafa indray mihevitra azy ho Andriamanitra Mahery Indrindra, ka mivavaka aminy. Misy koa Hindoa mampitovy an’i Jesosy Kristy amin’i Krishna, andriamanitra hindoa, izay lazain’ny maro fa andriamanitra tonga olombelona. Olon-tsotra fotsiny ve i Jesosy sa andriamanitra tokony hivavahana? Iza marina izy, ary avy aiza? Nanao ahoana ny toetrany? Ary aiza izy izao? Mamaly tsara an’ireo fanontaniana ireo ilay boky miresaka betsaka momba an’i Jesosy, araka ny ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.