Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Araho Hatrany ny Dian’i Jesosy Kristy

Araho Hatrany ny Dian’i Jesosy Kristy

Araho Hatrany ny Dian’i Jesosy Kristy

“Izay milaza fa tafaray foana amin[’Andriamanitra], dia tsy maintsy mandeha hatrany toy izay nandehanan’i Jesosy Kristy koa.”—1 JAONA 2:6.

1, 2. Inona no dikan’ny hoe mibanjina tsara an’i Jesosy?

HOY ny apostoly Paoly: “Aoka isika hihazakazaka amim-paharetana amin’ilay hazakazaka eo anoloantsika. Sady mihazakazaka isika no mibanjina tsara an’ilay Solontena Lehibe Indrindra sy Mpandavorary ny finoantsika, dia i Jesosy.” (Hebreo 12:1, 2) Mila mibanjina tsara an’i Jesosy Kristy isika raha tsy te hivadika.

2 Ilay teny nadika hoe “mibanjina tsara” ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, dia midika hoe “mampifantoka ny saina fa tsy varimbariana”, “mampivily ny maso tsy hijery zavatra hafa mba hijerena zavatra iray”, “mijery maharitra.” Nisy boky nilaza hoe: “Nihena ny hafainganam-pandehan’ny mpihazakazaka grika iray, raha vao tsy nifantoka tamin’ny lalany sy ny tanjony izy, fa nitodika tany amin’ny mpijery teo amin’ny kianja. Mety hitranga amin’ny Kristianina koa izany.” Mety hiadana ny fandrosoantsika ara-panahy, raha varimbariana amin-javatra hafa isika. Tsy maintsy mibanjina tsara an’i Jesosy Kristy, ilay Solontena Lehibe Indrindra, àry isika. Inona anefa no tena jerentsika, rehefa mibanjina azy isika? Ilay teny grika nadika hoe “solontena lehibe indrindra” dia midika hoe “mpitarika lehibe indrindra, olona mitarika amin’izay rehetra atao, ka manome modely.” Tokony hanahaka an’i Jesosy àry isika, raha mibanjina azy tsara.

3, 4. a) Inona no tokony hataontsika, mba handehanana toy ny nandehanan’i Jesosy Kristy? b) Inona avy no fanontaniana ilaintsika hodinihina?

3 Hoy ny Baiboly: “Izay milaza fa tafaray foana amin[’Andriamanitra], dia tsy maintsy mandeha hatrany toy izay nandehanan’i Jesosy Kristy koa.” (1 Jaona 2:6) Tsy maintsy tafaray foana amin’Andriamanitra isika. Manaporofo izany isika raha mitandrina ny didin’i Jesosy, tahaka ny nankatoavany ny didin’ny Rainy.—Jaona 15:10.

4 Ilaintsika àry ny mandinika tsara an’ilay Mpitarika Lehibe Indrindra, sy manaraka akaiky ny diany, mba handehanana toy ny nandehanany. Ireto misy fanontaniana lehibe mifandray amin’izany, ilaina hodinihina: Ahoana no itarihan’i Kristy antsika ankehitriny? Amin’ny lafiny inona avy isika no mila manahaka azy? Inona avy no soa raisintsika, rehefa manaraka ny modely nomeny isika?

Ahoana no itarihan’i Kristy ny mpanara-dia azy?

5. Inona no nampanantenain’i Jesosy ny mpanara-dia azy, talohan’ny hiakarany tany an-danitra?

5 Taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty, dia niseho tamin’ny mpianany i Jesosy Kristy talohan’ny hiakarany tany an-danitra, ary nanome asa lehibe ho azy ireo. Hoy izy: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.” Nampanantena koa ilay Mpitarika Lehibe Indrindra, fa hiaraka amin’izy ireo foana eo am-panatanterahany an’ilay asa. Hoy izy: “Hiaraka aminareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Matio 28:19, 20) Ahoana no iarahan’i Jesosy Kristy amin’ny mpanara-dia azy, amin’izao fotoana madiva hifaranan’ity tontolo ity izao?

6, 7. Ahoana no ampiasan’i Jesosy ny fanahy masina, mba hitarihana antsika?

6 Hoy i Jesosy: “Ny mpanampy, dia ny fanahy masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, izy io no hampianatra anareo ny zava-drehetra, ary hampahatsiaro anareo izay rehetra nolazaiko taminareo.” (Jaona 14:26) Mitarika sy manome hery antsika ny fanahy masina, izay nirahina tamin’ny anaran’i Jesosy. Manome fahazavana ara-panahy izy io, ka manampy antsika hahazo “na dia ny zava-dalin’Andriamanitra aza.” (1 Korintianina 2:10) “Vokatry ny fanahy” koa ny toetra tsara toy ny “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena.” (Galatianina 5:22, 23) Manjary manana ireo toetra ireo isika, rehefa ampian’ny fanahy masina.

7 Rehefa mianatra ny Soratra Masina sy miezaka mampihatra izay ianarantsika isika, dia ampian’ny fanahin’i Jehovah mba hitombo fahendrena, fahaiza-mandinika, fahazoana hevi-javatra, fahalalana, ary fahaiza-misaina. (Ohabolana 2:1-11) Manampy antsika hahazaka fakam-panahy sy fitsapana koa ny fanahy masina. (1 Korintianina 10:13; 2 Korintianina 4:7; Filipianina 4:13) Ampirisihina ny Kristianina mba ‘hanadio ny tenany ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny fanahy, ka hanao izay hahatonga lafatra ny fahamasinana.’ (2 Korintianina 7:1) Tena hahatratra ny fahamasinana na ny fahadiovana takin’Andriamanitra ve isika, raha tsy ampian’ny fanahy masina? Mitarika antsika amin’ny alalan’ny fanahy masina tokoa i Jesosy, ary i Jehovah Andriamanitra no nanome azy fahefana hampiasa azy io.—Matio 28:18.

8, 9. Ahoana no ampiasan’i Kristy ny “mpanompo mahatoky sy malina”, mba hitarihana ny fiangonana?

8 Misy fomba hafa itarihan’i Kristy ny fiangonana koa ankehitriny. Hoy izy, rehefa niresaka momba ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity: “Iza tokoa moa no mpanompo mahatoky sy malina izay notendren’ny tompony hikarakara ny mpiasa an-tranony, ka hanome sakafo azy ireo amin’ny fotoana mety? Sambatra izany mpanompo izany raha tonga ny tompony ka mahita azy manao izany! Lazaiko aminareo marina tokoa fa hotendreny hikarakara ny fananany rehetra izy.”—Matio 24:3, 45-47.

9 I Jesosy Kristy ilay ‘tompo.’ Ireo Kristianina voahosotra eto an-tany kosa no “mpanompo.” Nankinina tamin’io mpanompo io ny fikarakarana ny fananan’i Jesosy eto an-tany, sy ny fanomezana sakafo ara-panahy amin’ny fotoana ilana azy. Manana solontena ilay mpanompo, dia ny Filan-kevi-pitantanana. Mpiandraikitra vitsivitsy mahafeno fepetra izy ireo, ary anisan’ny “mpanompo mahatoky sy malina.” Mitarika ny fitoriana ilay Fanjakana maneran-tany izy ireo, ary manome sakafo ara-panahy amin’ny fotoana ilana azy. Amin’izany fomba izany no itarihan’i Kristy ny fiangonana, amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” voahosotry ny fanahy sy ny Filan-kevi-pitantanany.

10. Ahoana no tokony hiheverantsika ny anti-panahy, ary nahoana?

10 Mitarika ny fiangonana koa i Kristy amin’ny alalan’ireo ‘lehilahy fanomezana’, dia ny anti-panahy na mpiandraikitra kristianina. Natao ‘hanitsy ny olona masina izy ireo, ka hanao asa fanompoana, sy hanorina ny vatan’i Kristy.’ (Efesianina 4:8, 11, 12) Hoy ny Hebreo 13:7 momba azy ireo: “Tsarovy ireo mitarika eo aminareo, dia ireo nilaza ny tenin’Andriamanitra taminareo. Ary rehefa mandinika ny iafaran’ny fitondran-tenany ianareo, dia tahafo ny finoany.” Mitari-dalana eo anivon’ny fiangonana ireo anti-panahy. Manahaka an’i Kristy Jesosy izy ireo, ka mendrika hotahafina ny finoany. (1 Korintianina 11:1) Mankasitraka an’ireo ‘lehilahy fanomezana’ ireo isika, raha mankatò sy manaiky azy.—Hebreo 13:17.

11. Ahoana no itarihan’i Kristy ny mpanara-dia azy ankehitriny, ary ahoana no andehanantsika toy ny nandehanany?

11 Mitarika ny mpanara-dia azy tokoa i Jesosy Kristy ankehitriny, amin’ny alalan’ny fanahy masina, ny “mpanompo mahatoky sy malina”, ary ny anti-panahy. Tokony ho azontsika tsara sy hekentsika ny fomba itarihany ny fiangonana, mba handehanantsika toy ny nandehanany. Tokony hanahaka azy koa isika. Hoy ny apostoly Petera: ‘Ho amin’izany lalana izany mantsy no niantsoana anareo, satria na i Kristy aza nijaly ho anareo, ka nanome modely ho anareo mba hanarahanareo tsara ny diany.’ (1 Petera 2:21) Amin’ny lafiny inona avy isika no mila manaraka ny modely tonga lafatra nomeny?

Mahaiza mandanjalanja rehefa mampihatra fahefana

12. Amin’ny lafiny inona indrindra no tokony hanahaka an’i Kristy ny anti-panahy?

12 Nomen’ny Rainy fahefana tsy manan-tsahala i Jesosy, nefa nahay nandanjalanja rehefa nampihatra izany. Tokony ho “fantatry ny rehetra fa mahay mandanjalanja” ny Kristianina rehetra eo anivon’ny fiangonana, indrindra fa ny mpiandraikitra. (Filipianina 4:5; 1 Timoty 3:2, 3) Manana fahefana sasany eo anivon’ny fiangonana ny anti-panahy, ka tena mila manaraka ny dian’i Kristy rehefa mampihatra izany.

13, 14. Ahoana no azon’ny anti-panahy anahafana an’i Kristy, rehefa mampirisika ny hafa hanompo an’Andriamanitra?

13 Notadidin’i Jesosy fa voafetra ny mety ho vitan’ny mpianany, ka tsy nitaky mihoatra noho izany izy. (Jaona 16:12) Tsy nanery ny mpianany izy, fa nampirisika azy ireo kosa mba ‘hiezaka mafy’ rehefa manao ny sitrapon’Andriamanitra. (Lioka 13:24) Nanome modely izy, ary niezaka nanohina ny fon’izy ireo. Toa an’i Jesosy, dia tsy mampitahotra ny hafa ny anti-panahy, na mahatonga azy ireo hahatsiaro tena ho menatra na meloka, mba hampirisihana azy ireo hanompo an’Andriamanitra. Mampirisika azy ireo kosa izy mba hanompo, noho ny fitiavana an’i Jehovah sy Jesosy ary ny olona.—Matio 22:37-39.

14 Tsy nanampatra ny fahefana nomena azy i Jesosy, ka hoe nifehy ny fiainan’ny olona. Tsy namorona fitsipika henjana na lalàna maro be izy. Niezaka nanohina ny fon’ny olona kosa izy, ka niresaka ny toro lalana niorenan’ireo lalàna nampitaina tamin’i Mosesy. (Matio 5:27, 28) Manahaka an’i Jesosy Kristy ny anti-panahy, ka tsy mamorona fitsipika, na manizingizina ny hanarahana ny heviny. Miezaka manohina ny fo izy ireo, rehefa manome torohevitra momba ny fitafiana sy taovolo na fialam-boly. Ampiasainy amin’izany ireo toro lalan’ny Baiboly, toy ny ao amin’ny Mika 6:8; 1 Korintianina 10:31-33; ary ny 1 Timoty 2:9, 10.

Mahaiza mangoraka ary mamelà heloka

15. Ahoana no nataon’i Jesosy, rehefa nanao fahadisoana ny mpianany?

15 Ahoana no nataon’i Kristy, rehefa nanao fahadisoana ny mpianany? Nanome modely harahintsika izy amin’io lafiny io. Diniho ny zava-nitranga roa, tamin’ny alina talohan’ny hahafatesany. Rehefa tonga tao Getsemane izy, dia “nentiny niaraka taminy i Petera sy Jakoba ary Jaona”, ary nasainy ‘niari-tory.’ “Nandroso kelikely izy” avy eo, “dia niankohoka tamin’ny tany ka nanomboka nivavaka.” “Nahita azy ireo natory” anefa izy rehefa niverina. Ahoana no nataony? Hoy izy: “Mazava ho azy fa mazoto ihany ny saina, saingy ny nofo no malemy.” (Marka 14:32-38) Tsy nasiaka izy, na nibedy an’i Petera sy Jakoba ary Jaona, fa nangoraka azy ireo kosa! Nanda an’i Jesosy intelo koa i Petera tamin’io alina io. (Marka 14:66-72) Ahoana no fomba nitondran’i Jesosy azy taorian’izay? ‘Natsangana tamin’ny maty ny Tompo, ary niseho tamin’i Simona [Petera].’ (Lioka 24:34) Milaza koa ny Baiboly hoe: “Niseho tamin’i Kefasy izy, ary avy eo tamin’izy roa ambin’ny folo lahy.” (1 Korintianina 15:5) Tsy nitahiry lolompo i Jesosy, fa namela ny helok’ilay apostoly nibebaka ary nampahery azy. Nanankinany andraikitra lehibe i Petera tatỳ aoriana.—Asan’ny Apostoly 2:14; 8:14-17; 10:44, 45.

16. Ahoana no andehanantsika toy ny nandehanan’i Jesosy, rehefa manao fahadisoana amintsika ny mpiray finoana amintsika?

16 Mety handiso fanantenana na hanao fahadisoana amintsika ny mpiray finoana amintsika, satria tsy lavorary. Tsy tokony hangoraka sy hamela ny helok’izy ireo toa an’i Jesosy koa ve isika? Nampirisika ny mpiray finoana taminy i Petera hoe: “Miraisa saina ianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, manàna fangorahana, manetre tena, ka aza mamaly ratsy ny ratsy na manevateva rehefa misy manevateva, fa aoka kosa aza hirary soa.” (1 Petera 3:8, 9) Ahoana raha tsy mitondra antsika toy ny nataon’i Jesosy ny olona, izany hoe tsy mangoraka na mamela heloka? Tsy maintsy miezaka manahaka an’i Jesosy foana isika, ka hanao izay mety ho nataony.—1 Jaona 3:16.

Ataovy loha laharana ilay Fanjakana

17. Inona no mampiseho fa nataon’i Jesosy loha laharana teo amin’ny fiainany ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra?

17 Misy lafiny iray koa tokony handehanantsika toy ny nandehanan’i Jesosy Kristy. Ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra teo amin’ny fiainany. Nilaza toy izao tamin’ny mpianany izy, rehefa avy nitory tamin’ilay vehivavy samaritanina teo akaikin’ny tanànan’i Sykara, tany Samaria: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’ilay naniraka ahy sy ny mahavita ny asany.” (Jaona 4:34) Nahazo hery i Jesosy rehefa nanao ny sitrapon’ny Rainy. Toy ny sakafo mahasalama sy mahafa-po ary mamelombelona azy izany. Azo antoka fa hisy heviny sy hahafa-po koa ny fiainanao, raha manahaka an’i Jesosy ianao, ka mifantoka amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra.

18. Inona avy no soa raisina, rehefa ampirisihina ho mpisava lalana ny ankizy?

18 Rehefa mampirisika ny zanany hanao fanompoana manontolo andro ny ray aman-dreny, dia mandray soa maro izy ireo sy ny zanany. Manan-janaka kambana ny rahalahy iray. Mbola kely izy roa lahy, dia efa nampirisihiny mba hanao tanjona ny asan’ny mpisava lalana. Lasa mpisava lalana tokoa izy ireo, rehefa nahavita fianarana. Tena nahafaly an’io raim-pianakaviana io izany, ka nanoratra izy hoe: ‘Tsy nandiso fanantenana anay izy mirahalahy. Tena faly izahay milaza fa lova avy amin’i Jehovah tokoa ny zanaka.’ (Salamo 127:3) Inona kosa no soa raisin’ny ankizy, rehefa manompo manontolo andro izy? Hoy ny vehivavy iray manan-janaka dimy: “Nanjary akaiky kokoa an’i Jehovah ny zanako rehetra, rehefa nanao ny asan’ny mpisava lalana. Nihatsara koa ny fanaovany fianarana samirery, lasa nahay nampiasa tsara ny fotoanany izy, ary nianatra nanao ny fanompoana an’Andriamanitra ho loha laharana eo amin’ny fiainany. Tsy maintsy nanao fiovana maro izy ireo, nefa tsy nanenenany mihitsy ny safidy nataony.”

19. Inona no tanjona tokony hoeritreretin’ny tanora hendry?

19 Ry tanora, inona no kasainao hatao any aoriana? Te ho matihanina amin’ny asa iray ve ianao? Sa miezaka ho tonga mpanompo manontolo andro? Nananatra toy izao i Paoly: “Mitandrema tsara hatrany mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty tsara ny fotoana, fa ratsy izao andro izao.” Hoy koa izy: “Koa aza miadaladala intsony, fa fantaro hatrany izay sitrapon’i Jehovah.”—Efesianina 5:15-17.

Aza mivadika

20, 21. Ahoana no nanehoan’i Jesosy tsy fivadihana, ary ahoana no azontsika anahafana ny tsy fivadihany? 

20 Tokony tsy hivadika toa an’i Jesosy koa isika, raha mandeha toy ny nandehanany. Hoy ny Baiboly momba ny tsy fivadihany: “Na dia fanahy tahaka an’Andriamanitra aza izy, dia tsy nieritreritra mihitsy ny handrombaka fahefana, izany hoe ny hitovy amin’Andriamanitra. Tsia, fa nofoanany kosa ny tenany ary naka ny endriky ny mpanompo izy, ka nanjary nitovy tamin’ny olombelona. Ary tsy izany ihany, fa rehefa hitany fa nitovy tamin’ny olombelona izy, dia nanetry tena ka nankatò ary tonga hatramin’ny fahafatesana ny fankatoavany, eny, fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana.” Tsy nivadika i Jesosy fa nanohana hatrany ny zon’i Jehovah hitondra, ka nanaiky hanao ny sitrapony. Nankatò izy ka nanaiky ho faty teo amin’ny hazo fijaliana mihitsy. Tokony ho ‘ao amintsika foana izany toe-tsaina izany’, ary tsy hivadika isika fa hanaiky hanao ny sitrapon’Andriamanitra.—Filipianina 2:5-8.

21 Tsy nivadika tamin’ireo apostoliny nahatoky koa i Jesosy. Tia azy ireo “hatramin’ny farany” izy, na dia nanana ny fahalemeny aza izy ireo sady tsy lavorary. (Jaona 13:1) Tokony hanahaka an’i Jesosy koa isika, ka tsy ho be fanakianana, na dia mahita ny tsy fahalavorarian’ireo rahalahintsika aza.

Araho ny modely nomen’i Jesosy

22, 23. Inona avy no soa raisintsika, rehefa manaraka ny modely nomen’i Jesosy isika?

22 Tsy lavorary isika, ka mazava ho azy fa tsy ho vitantsika ny hanaraka tanteraka ny dian’ilay Modelintsika tonga lafatra. Azontsika atao anefa ny miezaka manaraka akaiky ny diany. Mba hanaovana izany, dia tokony ho azontsika tsara sy hekentsika ny fomba itarihan’i Kristy antsika. Tokony hanaraka hatrany ny modely nomeny koa isika.

23 Mandray soa maro isika, rehefa manahaka an’i Kristy. Manjary misy heviny sy mahafa-po kokoa ny fiainantsika, satria mifantoka amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra isika, fa tsy ny sitrapontsika. (Jaona 5:30; 6:38) Manana feon’ny fieritreretana madio isika ary manjary modely ho an’ny hafa. Nanasa an’izay rehetra miasa mafy sy mavesatra entana i Jesosy, mba hanatona azy ka ho velombelona. (Matio 11:28-30) Hamelombelona ny hafa koa ny miaraka amintsika, raha manahaka an’i Jesosy isika. Aoka àry isika handeha hatrany toy ny nandehanany.

Tadidinao Ve?

• Ahoana no itarihan’i Kristy ny mpanara-dia azy ankehitriny?

• Ahoana no tokony hampiharan’ny anti-panahy ny fahefana nomen’Andriamanitra azy, raha manaraka ny fitarihan’i Kristy izy?

• Ahoana no azontsika anahafana an’i Jesosy, rehefa misy manao fahadisoana amintsika?

• Inona no azon’ny tanora atao, mba ho loha laharana eo amin’ny fiainany ilay Fanjakana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Manampy antsika hanaraka ny fitarihan’i Kristy ny anti-panahy

[Sary, pejy 24]

Ry tanora kristianina, inona no kasainao hatao any aoriana, mba hanananao fiainana mahafa-po?