Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Misy vokany eo amin’ny fifandraisana amin’i Jehovah ve ny fanaovana lalao video mahery setra?

Hoy i Davida mpanjakan’ny Israely fahiny: “Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan’ny fanahiny.” (Salamo 11:5) Manondro “fahavalo”, ilay teny hebreo nadika hoe ‘mankahala.’ Koa na iza na iza tia herisetra, dia mitsangan-ko fahavalon’Andriamanitra. Tsy maintsy dinihintsika àry ny hoe: Mety hahatonga olona iray ho tia herisetra ve ny fanaovana lalao video sasany?

Hindrahindraina be ny fampiasana fitaovam-piadiana, ao amin’ireo lalao video mahery setra. Matetika izy ireny no mampiofana ny mpilalao azy, mba hahay hiady. Hoy ny gazety Toe-karena (anglisy): “Ny lalao video no fitaovana tena fampiasan’ny tafika amerikanina, rehefa mampiofana izy. Lalao video fahita eny an-tsena amin’izao fotoana izao, ny sasany amin’ireo ampiasain’ny miaramila.”

Marina fa tsy mamely olona tena izy ny mpilalao, ao amin’ireny lalao video mahery setra ireny. Inona anefa no tena ao am-pon’ilay olona, raha ireny no fialam-boliny? (Matio 5:21, 22; Lioka 6:45) Raha toa ilay olona ka tia manindrona antsy, mitifitra, manao izay hahakilemaina, mamono (na dia tsy tena olona aza no vonoiny), dia inona no holazainao? Ahoana raha mandany ora maro isan-kerinandro izy hanomezana fahafaham-po ny fitiavany herisetra, ka mila handevozin’ireny lalao ireny mihitsy izy? Hiteny angamba ianao, fara faharatsiny, fa manolokolo fitiavana herisetra ny olona toy izany, toy ny olona manolokolo faniriana maloto, rehefa mijery boky sy sary vetaveta.—Matio 5:27-29.

Halan’i Jehovah tokoa ve ny olona tia herisetra? Nilaza i Davida fa ‘halany’ ny olona toy izany. Nasehon’i Jehovah, tamin’ny andron’i Noa, fa tena halany ny olona tia herisetra. Hoy izy tamin’i Noa: “Ny faran’ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin’ny olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin’ny tany Aho.” (Genesisy 6:13) Noravan’ilay tena Andriamanitra izao tontolo izao manontolo, noho ireo fanaony feno herisetra. Olona valo tsy tia herisetra ihany no notsimbininy, dia i Noa sy ny fianakaviany.—2 Petera 2:5.

Ny olona te ho sakaizan’i Jehovah dia ‘manefy ny sabany ho fangady, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka.’ Tsy tia herisetra izy ireo, ary ‘tsy mianatra ady intsony.’ (Isaia 2:4) Tsy maintsy ‘miala amin’ny ratsy ka manao ny tsara’ isika, raha te ho sakaizan’Andriamanitra foana, fa tsy ho fahavalony. Tsy maintsy ‘mitady fihavanana sy mitandro azy io’ koa isika.—1 Petera 3:11.

Ahoana raha efa zatra manao lalao video mahery setra isika? Raha izany no izy, dia aoka isika ho tapa-kevitra ny hampifaly an’i Jehovah, ka tsy hanao intsony izay halany. Tena tokony hangataka ny fanampian’ny fanahy masina isika, mba hitsaharana amin’io fanao manimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra io. Ho vitantsika izany, raha avelantsika hanan-kery eo amin’ny fiainantsika ny toetra toy ny fiadanana, fanaovan-tsoa, ary fifehezan-tena.—Lioka 11:13; Galatianina 5:22, 23.