Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza moa i Jesosy Kristy?

Iza moa i Jesosy Kristy?

Iza moa i Jesosy Kristy?

ALAO sary an-tsaina ny hafalian’ilay tovolahy jiosy atao hoe Andrea, raha vao nandre ny tenin’i Jesosy avy any Nazareta! Milaza ny Baiboly fa nandeha haingana ho any amin’ny rahalahiny izy, ary niteny hoe: “Efa hitanay ny Mesia [na Kristy]!” (Jaona 1:41) Samy midika hoe “Voahosotra”, ny teny hebreo sy grika adika matetika hoe “Mesia” sy “Kristy.” Voahosotra na Voafidin’Andriamanitra i Jesosy, ilay Mpitarika nampanantenaina. (Isaia 55:4) Nisy faminaniana momba azy tao amin’ny Soratra Masina, ary efa niandriandry azy ny Jiosy tamin’izay.—Lioka 3:15.

Ahoana no ahalalantsika fa Voafidin’Andriamanitra tokoa i Jesosy? Diniho izay nitranga tamin’ny taona 29, tamin’izy 30 taona. Nankany amin’i Jaona Mpanao Batisa izy, mba hatao batisa tao amin’ny Reniranon’i Jordana. Hoy ny Baiboly: “Niakatra avy teo amin’ny rano i Jesosy, raha vantany vao vita batisa. Ary indro, nisokatra ny lanitra, ka hitan’i Jaona ny fanahin’Andriamanitra, nidina toy ny voromailala nankeo ambonin’i Jesosy. Injay koa nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: ‘Ity no Zanako malalako, izay sitrako.’ ” (Matio 3:16, 17) Nety ho nisalasala ve i Jaona raha i Jesosy marina no Voafidin’Andriamanitra na tsia, rehefa avy nahare ireo tenim-pankasitrahana ireo? Nohosoran’Andriamanitra i Jesosy na notendreny ho Mpanjakan’ilay Fanjakana ho avy, rehefa nandatsahany ny fanahiny masina. Lasa Kristy àry i Jesosy, na hoe Voahosotra. Nahoana anefa izy no antsoina hoe Zanak’Andriamanitra? Avy aiza izy?

Efa nisy “hatry ny fahagola”

Azo zaraina telo ny fiainan’i Jesosy. Nanomboka ela be talohan’ny nahaterahany ho olombelona ny fizarana voalohany. Efa nisy ‘hatry ny fahagola [izy], dia hatrizay hatrizay’, hoy ny Mika 5:1. Hoy mihitsy i Jesosy: “Izaho avy any ambony”, izany hoe avy any an-danitra. (Jaona 8:23) Fanahy mahery tany an-danitra izy tamin’izany.

Nisy fotoana naha irery an’Andriamanitra, satria nanam-piandohana ny zavaboary rehetra. Nanomboka namorona anefa izy avy eo. Iza no noforoniny voalohany? Milaza ny boky farany ao amin’ny Baiboly, fa i Jesosy no “ilay fiandohan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra.” (Apokalypsy 3:14) Izy no “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra.” Nahoana? “Satria izy no nampiasaina tamin’ny famoronana ny zava-drehetra any an-danitra sy etỳ an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita.” (Kolosianina 1:15, 16) I Jesosy ihany no noforonin’Andriamanitra mivantana. Izany no iantsoana azy hoe ‘Zanaka lahitokan’Andriamanitra.’ (Jaona 3:16) Manana anaram-boninahitra hoe “ny Teny” koa io Zanaka lahimatoa io. (Jaona 1:14) Nahoana? Satria mpitondra tenin’Andriamanitra tany an-danitra izy, talohan’ny nahaterahany ho olombelona.

Niaraka tamin’i Jehovah Andriamanitra ‘ny Teny tany am-piandohana’, rehefa noforonina “ny lanitra sy ny tany.” Izy no nilazan’Andriamanitra hoe: “Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika.” (Jaona 1:1; Genesisy 1:1, 26) Teo anilan’i Jehovah ilay Zanany lahimatoa, ary niara-niasa taminy. Toy ny nilaza izy ao amin’ny Ohabolana 8:22-31 (Fandikan-teny Katolika) hoe: “Izaho dia niasa teo anilan[’ny Mpamorona], niravoravo isan’andro isan’andro, nilalao teo anatrehany mandrakariva.”

Azo antoka fa lasa nifankahalala tsara i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany lahitokana, noho izy ireo niara-niasa akaiky! Nisy vokany lalina teo amin’ny Zanak’Andriamanitra, izany fifandraisana akaiky efa nisy hatry ny fahagola izany. Nanjary nitovy tamin’i Jehovah Rainy, io Zanaka mpankatò io. Antsoina hoe “endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso” mihitsy i Jesosy, ao amin’ny Kolosianina 1:15. Izany no anisan’ny antony tokony hianarantsika momba azy, raha tiantsika ny hahalala an’Andriamanitra sy hifandray aminy. Nanao izay rehetra notakin’i Jehovah taminy i Jesosy, fony izy tetỳ an-tany. Lasa mahalala bebe kokoa an’i Jehovah àry isika, rehefa mianatra momba an’i Jesosy. (Jaona 8:28; 14:8-10) Ahoana anefa no nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany?

Olombelona tetỳ an-tany

Nanomboka ny fizarana faharoa tamin’ny fiainan’i Jesosy, rehefa nirahin’Andriamanitra ho etỳ an-tany izy. Nanao fahagagana izy, ka namindra ny ain’i Jesosy avy any an-danitra ho ao an-kibon’i Maria virjiny, vehivavy jiosy nahatoky. Tsy nandova tsy fahalavorariana i Jesosy, satria tsy olombelona ny rainy. Tonga tamin’i Maria ny fanahy masin’i Jehovah na ny hery ampiasainy. ‘Nanaloka’ azy ny heriny, ka bevohoka tamin’ny fomba mahagaga izy. (Lioka 1:34, 35) Niteraka zaza lavorary àry i Maria. Natsangan’i Josefa mpandrafitra ho zanany ilay zaza, ka nihalehibe teo anivon’ny tokantrano tsotsotra. Nanan-janaka maromaro i Josefa sy Maria, taorian’ny nahaterahan’i Jesosy.—Isaia 7:14; Matio 1:22, 23; Marka 6:3.

Tsy dia fantatra loatra ny fahazazan’i Jesosy, nefa nisy fisehoan-javatra iray tena niavaka. Nentin’ny ray aman-dreniny hankalaza ny Paska tany Jerosalema i Jesosy, tamin’izy 12 taona, ary efa fanaon’izy ireo isan-taona izany. Nijanona elaela tao amin’ny tempoly izy tany, “nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra, ary nihaino sady nanontany. Talanjona izay rehetra nihaino azy noho ny fahiratan-tsainy sy noho ny valin-teniny.” Mbola kely i Jesosy, nefa nametraka fanontaniana nampisaintsaina momba ny fivavahana sady nanome valiny mitombina tsara, ka gaga ny olona. (Lioka 2:41-50) Lehibe tany Nazareta izy ary nianatra nandrafitra. Azo antoka fa i Josefa, rainy nitaiza azy, no nampianatra azy an’izany.—Matio 13:55.

Nonina tany Nazareta i Jesosy, mandra-pahafenony 30 taona. Nankany amin’i Jaona izy avy eo, mba hatao batisa. Nanomboka ny fanompoany izy taorian’izay, ary tena narisika tokoa. Nitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra nanerana ilay tany niaviany izy, nandritra ny telo taona sy tapany. Noporofoiny fa nirahin’Andriamanitra izy. Tamin’ny fomba ahoana? Nanao fahagagana maro izy, izany hoe nanao asa lehibe tsy ho vitan’ny olona mihitsy.—Matio 4:17; Lioka 19:37, 38.

Be fitiavana sy niahy ny hafa koa i Jesosy. Hita izany rehefa dinihina ny fiheverany ny olona sy ny fifandraisany tamin’izy ireo. Voasarika taminy ny olona, satria mora iresahana izy sady tsara fanahy. Na ny ankizy aza tsy sadaikatra rehefa teo izy. (Marka 10:13-16) Nanaja ny vehivavy i Jesosy, na dia nanamavo azy ireny aza ny olona sasany tamin’izany. (Jaona 4:9, 27) Nanampy ny mahantra sy ny ory izy mba “ho velombelona” izy ireo. (Matio 11:28-30) Mazava sy tsotra ary azo ampiharina ny fomba fampianany. Hita tamin’ny zavatra nampianariny koa, fa tena tiany hahafantatra an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, ny mpihaino azy.—Jaona 17:6-8.

Nampiasain’i Jesosy hanaovana fahagagana ny fanahy masin’Andriamanitra. Nangoraka ny olona narary sy nijaly izy, ka nanasitrana azy ireny. (Matio 15:30, 31) Nanatona azy, ohatra, ny olona boka iray ary niteny hoe: “Raha mba sitrakao fotsiny mantsy, dia ho vitanao ny hanadio ahy.” Inona no nataon’i Jesosy? Nanatsotra ny tanany izy ka nikasika azy, sady nanao hoe: “Sitrako tokoa. Madiova ianao.” Ary sitrana ilay marary!—Matio 8:2-4.

Diniho koa izay nitranga, rehefa nisy vahoaka nijanona teo amin’i Jesosy nandritra ny telo andro, nefa tsy nanan-kohanina. Nalahelo azy ireo izy, ka nanao fahagagana mba hanomezana sakafo ‘lehilahy efatra arivo, ankoatra ny zaza amam-behivavy.’ (Matio 15:32-38) Nampitony tafio-drivotra saika nahafaty ny namany koa i Jesosy, indray mandeha. (Marka 4:37-39) Nanangana ny maty izy, na namelona azy ireo indray. * (Lioka 7:22; Jaona 11:43, 44) Vonona hanao sorona ny ainy lavorary mihitsy aza izy, mba hanana fanantenana ny olona tsy lavorary. Tena tia olona tokoa i Jesosy!

Aiza i Jesosy izao?

Maty teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy, tamin’izy 33 taona sy tapany. * Tsy nifarana teo anefa ny fiainany. Nanomboka ny fizarana fahatelo tamin’ny fiainany, telo andro teo ho eo tatỳ aoriana. Natsangan’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny maty ny Zanany, ka lasa fanahy. Niseho tamin’ny olona an-jatony velona tamin’izany i Jesosy, rehefa avy natsangana tamin’ny maty. (1 Korintianina 15:3-8) “Nipetraka teo ankavanan’Andriamanitra” izy avy eo, ary niandry ny hanomezana azy ny fanjakana. (Hebreo 10:12, 13) Nanomboka nanjaka izy, rehefa tonga io fotoana io. Ahoana àry no tokony hiheverantsika an’i Jesosy ankehitriny? Toy ny lehilahy mijaly hovonoina ho faty ve, sa toy ny andriamanitra ivavahana? Sady tsy olombelona i Jesosy izao, no tsy Andriamanitra Mahery Indrindra. Fanahy mahery kosa izy, ary efa manjaka. Kely sisa dia izy no hitondra an’ity tanintsika be zava-manahirana ity.

Mampiasa teny an’ohatra ny Apokalypsy 19:11-16, mba hilazalazana an’i Jesosy Kristy. Aseho toy ny mpanjaka mitaingina soavaly fotsy izy, ary ho avy hitsara sy hiady mandrakariva araka ny fahamarinana. Misy ‘sabatra maranitra lava lela mivoaka avy amin’ny vavany mba hamelezany ny firenena.’ Hampiasa ny heriny lehibe tokoa i Jesosy, mba handringanana ny ratsy fanahy. Ary hanao ahoana ireo miezaka manaraka ny modely nomeny tetỳ an-tany? (1 Petera 2:21) Hiaro azy ireo i Jesosy sy ny Rainy, mandritra ilay “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra, izay Hery Fara Tampony”, na ilay antsoina matetika hoe Hara-magedona. Ho afaka hiaina mandrakizay eto an-tany ireo olona ireo, ka ho olom-pehezin’ilay Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra.—Apokalypsy 7:9, 14; 16:14, 16; 21:3, 4.

Fahagagana maro be mihitsy no hataon’i Jesosy ho an’ny olona rehetra, mandritra ny fotoam-piadanana hanjakany! (Isaia 9:5, 6; 11:1-10) Hanasitrana ny aretina sy hanafoana ny fahafatesana izy. Hampiasa azy Andriamanitra mba hanangana olona an’arivony tapitrisa, ka ho afaka hiaina mandrakizay eto an-tany izy ireo. (Jaona 5:28, 29) Tsy azontsika an-tsaina mihitsy ny ho hatsaran’ny fiainantsika eo ambany fitondran’ilay Fanjakana. Zava-dehibe àry ny hianarantsika hatrany ny Baiboly sy hahalalantsika bebe kokoa an’i Jesosy Kristy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 15 Fanta-bahoaka ny fahagagana nataon’i Jesosy. Na ny fahavalony aza niaiky fa ‘nanao famantarana maro’ izy.—Jaona 11:47, 48.

^ feh. 17 Mba hahalalana raha maty teo amin’ny tsato-kazo i Kristy na teo amin’ny lakroa, dia jereo ny boky Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina, pejy 312-313, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro, pejy 7]

ANDRIAMANITRA MAHERY INDRINDRA VE I JESOSY?

Maro ny mpivavaka milaza fa Andriamanitra i Jesosy. Misy mihevitra fa telo izay iray Andriamanitra. Araka io fampianarana io, dia “Andriamanitra ny Ray, Andriamanitra ny Zanaka, ary Andriamanitra ny Fanahy Masina, nefa tsy telo Andriamanitra fa iray ihany.” Lazaina fa “samy maharitra mandrakizay sy mitovy” izy telo ireo. (Ny Rakipahalalana Katolika, anglisy) Marina ve izany?

I Jehovah Andriamanitra no Mpamorona. (Apokalypsy 4:11) Tsy manam-piandohana na fiafarana izy, ary mahery indrindra. (Salamo 90:2) I Jesosy kosa nanam-piandohana. (Kolosianina 1:15, 16) Niantso an’Andriamanitra ho Rainy izy, ary nilaza hoe: “Ny Ray dia lehibe noho izaho.” (Jaona 14:28) Nohazavainy koa fa nisy zavatra tsy fantany sady tsy fantatry ny anjely, fa ny Rainy ihany no nahalala azy.—Marka 13:32.

Nivavaka toy izao tamin-dRainy koa i Jesosy: “Aoka tsy ny sitrapoko no atao, fa ny anao.” (Lioka 22:42) Iza moa no hivavahany raha tsy izay lehibe noho izy? Andriamanitra koa no nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty, fa tsy ny tenany ihany. (Asan’ny Apostoly 2:32) Mazava àry fa tsy nitovy ny Zanaka sy ny Ray talohan’ny nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany, na nandritra ny fiainany tetỳ. Nanjary nitovy anefa ve izy ireo rehefa natsangana tamin’ny maty i Jesosy, ka nankany an-danitra? Hoy ny 1 Korintianina 11:3: ‘Andriamanitra no lohan’i Kristy.’ Raha ny marina, dia ho eo ambany fahefan’Andriamanitra foana ny Zanaka. (1 Korintianina 15:28) Asehon’ny Soratra Masina àry fa tsy Andriamanitra Mahery Indrindra i Jesosy. Zanak’Andriamanitra kosa izy.

Tsy andriamanitra koa ny fanahy masina, na dia izany aza no lazain’ny olona mino ny Andriamanitra telo izay iray. Nivavaka tamin’Andriamanitra ny mpanao salamo hoe: “Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy.” (Salamo 104:30) Tsy ilay Andriamanitra Mahery Indrindra akory io fanahy io, fa ny hery ampiasainy mba hanatanterahany ny sitrapony. Tamin’ny alalan’izy io no namoronan’Andriamanitra ny lanitra sy ny tany ary ny zavamananaina rehetra. (Genesisy 1:2; Salamo 33:6) Ny fanahiny masina koa no nahafahan’ny olona nanoratra ny Baiboly. (2 Petera 1:20, 21) Tsy hita ao amin’ny Soratra Masina ny fampianarana momba ny Andriamanitra telo izay iray. * “Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany”, hoy ny Baiboly.—Deoteronomia 6:4.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 28 Misy fanazavana bebe kokoa ao amin’ny bokikely Tokony Hino ny Trinite ve Ianao?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 5]

Lasa Voahosotr’Andriamanitra i Jesosy rehefa natao batisa

[Sary, pejy 7]

Ny asa nanirahan’Andriamanitra azy no nandanian’i Jesosy ny heriny

[Sary, pejy 7]

Mpanjaka mahery i Jesosy izao