Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza moa i Pontio Pilato?

Iza moa i Pontio Pilato?

Iza moa i Pontio Pilato?

“MANITIKITIKA ny saintsika ny momba an’i Pilato, ilay lehilahy mpanesoeso sy be fisalasalana resahin’ny tantara. Misy milaza fa olo-masina izy. Ny hafa indray mihevitra azy ho kanosa sy karazan’ireo mpanao politika vonona hamono olona iray, mba hitandrovana ny filaminana.”—Pontio Pilato (anglisy), nosoratan’i Ann Wroe.

Miombon-kevitra amin’izany angamba ianao. Na izany na tsy izany, dia nampahalaza an’i Pontio Pilato ny fomba nitondrany an’i Jesosy Kristy. Iza moa i Pilato? Inona no fantatra momba azy? Mila mahafantatra tsara ny toerana notanany isika, mba hahatakarantsika bebe kokoa an’ilay fisehoan-javatra lehibe indrindra teto an-tany.

Toerana notanany, adidiny, ary fahefany

Notendren’i Tiberio, Mpanjaka Romanina, ho governoran’i Jodia i Pilato, tamin’ny taona 26. Ireo tao anatin’ny vondron’ny mpitaingin-tsoavaly no nomena fahefana toy izany. Ambany saranga kokoa izy ireo raha mitaha amin’ny andriana, izay nanan-jo ho mpikambana tao amin’ny antenimieran-doholona. Toa mpitari-tafika i Pilato tamin’ny voalohany, fa nisondrotra grady tsikelikely nandritra ny fotoana nijanonany tao amin’ny tafika. Voatendry ho governora izy, raha mbola latsaka ny 30 taona.

Akanjo hoditra sy fiarovan-tratra vy no fanamiana fanaon’i Pilato. Akanjo rebareba fotsy nisy sisiny volomparasy kosa no nanaovany, rehefa niseho vahoaka. Azo inoana fa fohy volo izy, ary tsy nisy volombava. Misy mihevitra fa avy any Espaina izy. Toa avy amin’ny fokon’ny Pontii, andriana samnite any amin’ny faritra atsimon’i Italia, anefa izy raha ny anarany no jerena.

Nalefa tany amin’ny faritany baribarianina ny mpitondra nitovy saranga tamin’i Pilato. Nihevitra an’i Jodia ho toy izany ny Romanina. Nanara-maso ny fanangonana hetra isan-dahy sy ny hetra tsy mivantana (toy ny hetra alaina amin’ny mpivarotra) i Pilato, ankoatra ny fitandroana ny filaminana. Ny fitsarana jiosy no niandraikitra ny olana fahita andavanandro. Nentina tany amin’ny governora kosa ny raharaha, raha mendrika ny ho faty ilay voampanga. Izy mantsy no nanana ny fahefana fara tampony teo amin’ny raharaha ara-pitsarana.

Nipetraka tany Kaisaria, tanàna nisy seranan-tsambo, ry Pilato mivady. Nisy olona vitsivitsy, toy ny mpanora-dalàna sy namana ary iraka, niara-nipetraka taminy. Nitarika andia-miaramila dimy i Pilato. Nisy miaramila 500 ka hatramin’ny 1 000 avy izy ireo. Nitarika miaramila mpitaingin-tsoavaly 500 teo ho eo koa izy. Efa fanaon’ny miaramilany ny namono mpandika lalàna. Notsaraina maimaika ireo voaheloka talohan’ny namonoana azy, raha nilamina ny tany. Novonoina teo no ho eo sy tambabe kosa ny mpikomy, rehefa nisy korontana. Andevo 6 000, ohatra, no novonoin’ny Romanina, mba hampitsaharana ny fikomiana notarihin’i Spartacus. Raha nanangasanga ny korontana tany Jodia, dia azon’ny governora natao ny nangataka ny fanampian’ilay governora notendren’ny mpanjaka romanina tany Syria. Nitarika andian-tafika maromaro mantsy izy io. Saika tsy tao foana anefa io governora io nandritra ny fitondran’i Pilato. Tsy maintsy nanao izay hampitsaharana haingana ny korontana àry i Pilato.

Nifandray tsy tapaka tamin’ny mpanjaka ny governora. Tsy maintsy notaterina tany aminy ny raharaha nety ho nanohintohina ny voninahitry ny mpanjaka, na ny fitondrana romanina. Namoaka didy ny mpanjaka avy eo. Tsy sahy nitatitra tany amin’ny mpanjaka ny zava-nitranga tao amin’ny faritra niadidiany ny governora iray, raha mbola tsy nisy fitarainana. Azo antoka fa izany no nitranga tamin’i Pilato, rehefa nanomboka ny korontana tany Jodia.

I Flavius Josèphe sy Philon, mpahay tantara, no tena niresaka momba an’i Pilato, ankoatra ny Filazantsara. Nilaza koa i Tacite, mpahay tantara romanina, fa nomelohin’i Pilato ho faty i Kristy, izay niavian’ilay anarana hoe Kristianina.

Nampikomy ny Jiosy izy

Tsy nankasitraka ny fanaovana sary ny Jiosy. Nanaja izany ny governora romanina, ka tsy navelany hoentina tany Jerosalema ny faneva niaraka tamin’ny sarin’ny mpanjaka, araka ny voalazan’i Josèphe. Tsy mba nanao toy izany anefa i Pilato. Tezitra ny Jiosy ka nandeha nitaraina tany Kaisaria. Tsy nanao na inona na inona i Pilato nandritra ny dimy andro. Nomeny baiko ny miaramilany tamin’ny andro fahenina mba hanodidina an’ireo mpikomy sy handrahona azy ireo ho faty, raha tsy niala teo izy ireo. Nilaza anefa ny Jiosy fa naleony maty toy izay ny Lalàny no ho voadika. Nilefitra ihany i Pilato, ka nasainy nesorina ireo sary.

Nampiasa hery koa i Pilato. Nilaza i Josèphe fa nanao lakan-drano izy mba hitarihana rano hankany Jerosalema. Ny vola tao amin’ny tempoly no nampiasainy mba hanatontosana izany. Tsy naka an-keriny an’io vola io anefa i Pilato. Fantany mantsy fa nanimbazimba zava-masina izy raha nandroba tempoly, sady mety ho nasain’ny Jiosy romotra hesorin’i Tiberio teo amin’ny toerany. Toa nifampiraharaha tamin’ny tompon’andraikitry ny tempoly àry i Pilato. Voalaza avy eo fa azo nampiasaina hanaovana asa ho an’ny vahoaka ny vola natokana ho an’Andriamanitra, nantsoina hoe “korbana.” Jiosy an’arivony anefa no tezitra ka nidina an-dalam-be.

Nasain’i Pilato niharoharo tamin’ireo mpanohitra ny miaramilany. Tsy navelany hampiasa sabatra anefa izy ireo, fa nasainy nikapoka tamin’ny kibay. Tsy tiany hisy ra mandriaka angamba, na dia te hanaparitaka an’ilay vahoaka aza izy. Toa nahomby izany, nefa nisy maty ihany. Niresaka an’io toe-javatra io angamba ireo nitatitra tamin’i Jesosy, rehefa nilaza fa nampifangaroin’i Pilato tamin’ny sorona nataon’ireo Galilianina ny ran’izy ireo.—Lioka 13:1.

“Inona ny marina?”

Niampanga an’i Jesosy ny lohan’ny mpisorona sy ny anti-panahy jiosy, noho izy nilaza ny tenany ho Mpanjaka. Nampahalaza ratsy an’i Pilato ny famotorana nataony momba izany. Hitan’i Pilato fa tsy hanakorontana ny fitondrana romanina mihitsy ilay voafonja, rehefa reny fa nirahina hanambara ny marina izy. Hoy i Pilato: “Inona ny marina?” Nihevitra angamba izy fa saro-takarina ny marina, ka tsy tokony handaniana ron-doha. Inona no fanatsoahan-keviny? “Tsy hitako izay helok’ity lehilahy ity.”—Jaona 18:37, 38; Lioka 23:4.

Tokony ho nifarana teo ny fitsarana an’i Jesosy. Nanantitrantitra anefa ny Jiosy fa nitady hampikomy ny firenena izy. Ny fialonana no nanoloran’ny lohan’ny mpisorona an’i Jesosy teo an-tanan’ny fitondrana romanina, ary fantatr’i Pilato tsara izany. Fantany koa fa hiteraka korontana ny famotsorana an’i Jesosy. Tsy tiany hitranga anefa izany. Efa be izay nataon’i Barabasy sy ny olon-kafa izay, satria nitaona vahoaka hikomy izy ireo sady namono olona. (Marka 15:7, 10; Lioka 23:2) Efa nanamatroka ny lazan’i Pilato tany amin’i Tiberio koa ny fifandirany tamin’ny Jiosy talohan’io, nefa i Tiberio nalaza ho nanasazy an’izay governora tsy nahay ny asany. Hakanosana anefa ny fileferana tamin’ny Jiosy. Sahiran-tsaina àry i Pilato.

Nalefan’i Pilato tany amin’i Heroda Antipasy, lehibem-paritr’i Galilia, i Jesosy, rehefa reny fa avy any izy. Tsy nahomby anefa izany. Fanao tamin’izany ny namotsotra voafonja iray isaky ny Paska, ka nasain’i Pilato nangataka ny hamotsorana an’i Jesosy ireo vahoaka teo ivelan’ny lapany. I Barabasy anefa no nangatahin’izy ireo.—Lioka 23:5-19.

Te hampihatra ny rariny ihany angamba i Pilato. Te hampifaly ny vahoaka koa anefa izy mba hitanany ny toerany. Ny asany àry no noheveriny ho zava-dehibe kokoa noho ny feon’ny fieritreretany sy ny rariny. Nangataka rano izy, nanasa tanana ary nilaza fa afa-tsiny tamin’ny fahafatesan’i Jesosy, na dia izy ihany aza no nandidy ny hamonoana azy. * Fantatr’i Pilato fa tsy nanan-tsiny i Jesosy. Nasainy nokaravasina anefa izy, sady navelany hesoin’ny miaramila sy hokapohiny ary hororany.—Matio 27:24-31.

Nitady fomba farany hanafahana an’i Jesosy i Pilato. Nitabataba anefa ny vahoaka hoe tsy naman’i Kaisara izy raha nanao izany. (Jaona 19:12) Nilavo lefona i Pilato nahare izany. Hoy ny manam-pahaizana iray, momba ny fanapahan-kevitr’i Pilato: “Tsotra ny vahaolana: melohina ho faty ilay lehilahy. Aleo mamoy Jiosy iray toa tsy misy vidiny, toy izay hamela azy hiteraka korontana, satria ho hadalana izany.”

Inona no niafaran’i Pilato?

Fifandonana iray hafa no niresahana farany momba an’i Pilato. Nilaza i Josèphe fa nivory teo amin’ny Tendrombohitra Gerizima ny Samaritanina maro be nirongo fiadiana. Nanantena hahita zava-tsarobidy nolazaina fa nalevin’i Mosesy tao, izy ireo. Niditra an-tsehatra i Pilato. Nahafaty olona maro be tamin’ireo vahoaka ireo ny miaramilany. Nitaraina tany amin’i Lucius Vitellius, governoran’i Syria sady lehiben’i Pilato, ny Samaritanina. Tsy hay raha nihevitra ny zavatra nataon’i Pilato ho tafahoatra loatra i Vitellius na tsia. Na ahoana na ahoana, dia nasainy nankany Roma i Pilato, mba hanome fanazavana ny mpanjaka. Maty talohan’ny nahatongavany tany anefa i Tiberio.

“Tsy voaresaka tao amin’ny tantara intsony i Pilato nanomboka teo, fa tany amin’ny angano indray”, hoy ny gazetiboky iray. Maro anefa no nanandrana nameno ny banga. Tao ny nilaza fa lasa Kristianina i Pilato. Ny “Kristianina” etiopianina indray nanao azy ho “olo-masina.” I Eusèbe, mpanoratra tamin’ny faramparan’ireo taona 200 sy ny voalohandohan’ireo taona 300, no nilaza voalohany fa namono tena toa an’i Jodasy Iskariota izy. Tsy fantatra marina anefa izay niafaran’i Pilato.

Olona kirina, mpanao tsirambina, na mpampahory, angamba, i Pilato. Naharitra folo taona anefa ny fitondrany, ary fohy lavitra noho izany ny an’ny mpitondra maro tany Jodia. Olona nahay nitondra àry izy, raha ny fahitan’ny Romanina azy. Misy kosa milaza fa kanosa izy ary meloka, satria nasainy nampijalina sy novonoina i Jesosy mba hiarovany ny tenany. Ny hafa indray milaza fa tsy dia ny hampihatra ny rariny loatra no adidin’i Pilato, fa ny hampanjaka ny filaminana sy hitady ny tombontsoan’i Roma.

Niaina tamin’ny vanim-potoana hafa tanteraka noho ny antsika i Pilato. Tsy hisy mihitsy anefa mpitsara hanana ny rariny, raha manameloka olona heveriny ho tsy manan-tsiny. Mety ho anarana iray fanampiny ao amin’ny boky ara-tantara fotsiny ny anaran’i Pilato, raha tsy nihaona tamin’i Jesosy izy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 19 Fomban’ny Jiosy, fa tsy an’ny Romanina, ny nanasa tanana, mba hampisehoana fa tsy niray tsikombakomba tamin’ny fandatsahan-dra izy ireo.—Deoteronomia 21:6, 7.

[Sary, pejy 11]

Lazain’ity soratra hita tany Kaisaria ity, fa mpitondra tany Jodia i Pontio Pilato