Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandehana Amin’ny Finoana, fa Tsy Amin’ny Hitan’ny Maso!

Mandehana Amin’ny Finoana, fa Tsy Amin’ny Hitan’ny Maso!

Mandehana Amin’ny Finoana, fa Tsy Amin’ny Hitan’ny Maso!

“Finoana no andehanantsika, fa tsy ny hitan’ny maso.”—2 KORINTIANINA 5:7.

1. Inona no manaporofo fa nandeha tamin’ny finoana ny apostoly Paoly, fa tsy tamin’ny hitan’ny maso?

NY TAONA 55 tamin’izay. Efa 20 taona teo ho eo no naha lasa Kristianina an’i Saoly, ilay lehilahy nanenjika ny mpianatr’i Kristy. Tsy navelany hampihena ny finoany an’Andriamanitra ny fandehan’ny fotoana. Natanjaka tsara ny finoany, na dia tsy hitany maso aza ny zavatra any an-danitra. Izany no nahatonga ny apostoly Paoly hanoratra toy izao, ho an’ny Kristianina voahosotra nanantena ny ho any an-danitra: “Finoana no andehanantsika, fa tsy ny hitan’ny maso.”—2 Korintianina 5:7.

2, 3. a) Ahoana no anaporofoantsika fa mandeha amin’ny finoana isika? b) Inona no atao hoe mandeha amin’ny hitan’ny maso?

2 Mba handehanana amin’ny finoana, dia mila matoky tanteraka isika fa mahay mitarika ny fiainantsika Andriamanitra. Tsy maintsy resy lahatra tanteraka koa isika, fa tena fantany izay hitondra soa lehibe indrindra ho antsika. (Salamo 119:66) Rehefa mandray fanapahan-kevitra sy manatanteraka izany isika, dia mihevitra ireo “zavatra tena misy izay tsy hita maso.” (Hebreo 11:1) Anisan’izany ny “lanitra vaovao sy tany vaovao” nampanantenaina. (2 Petera 3:13) Ny hoe mandeha amin’ny hitan’ny maso kosa, dia midika fa izay hitantsika sy rentsika amin’ny vavahadin-tsaintsika fotsiny, no mibaiko ny fomba itondrantsika ny fiainantsika. Mampidi-doza izany, satria mety hahatonga antsika tsy hiraharaha mihitsy ny sitrapon’Andriamanitra.—Salamo 81:12; Mpitoriteny 11:9.

3 Tokony horaisintsika tsirairay am-po ilay fampirisihana mba handeha amin’ny finoana fa tsy amin’ny hitan’ny maso, na anisan’ny “ondry vitsy” nahazo ny fiantsoana ho any an-danitra isika, na anisan’ny “ondry hafa” manantena hiaina eto an-tany. (Lioka 12:32; Jaona 10:16) Hiaro antsika tsy ho voatarika “hanana fifaliana vetivety amin’ny fahotana” io torohevitra avy amin’Andriamanitra io. Hisakana antsika tsy ho matimatin-karena koa izy io, ary hanampy antsika tsy hanadino fa efa akaiky ny faran’ity tontolo ity. Hovelabelarina ato amin’ity lahatsoratra ity ireo hevitra telo ireo. Hodinihintsika koa hoe inona avy ireo loza mety hitranga, raha mandeha amin’ny hitan’ny maso isika.—Hebreo 11:25.

Aza manaiky “hanana fifaliana vetivety amin’ny fahotana”

4. Inona no safidy nataon’i Mosesy, ary nahoana?

4 Alao sary an-tsaina ny tombontsoa mety ho azon’i Mosesy, zanak’i Amrama, noho izy nobeazina niaraka tamin’ny tarana-mpanjaka tany Ejipta fahiny. Afaka nahazo fahefana sy harena ary toerana ambony izy. Afaka nieritreritra izy hoe: ‘Nampianarina tsara ahy ny fahendrena nohindrahindrain’ny Ejipsianina, ary mahery aho amin’ny teny sy ny atao. Raha mijanona miaraka amin’ny fianakavian’ny mpanjaka aho, dia ho afaka hampiasa ny toerana tanako mba hanasoavana ireo Hebreo rahalahiko izay ampahorina!’ (Asan’ny Apostoly 7:22) Naleon’i Mosesy anefa “nampijalina niaraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra.” Nahoana? Inona no nahatonga azy handa ny zava-tsoa maro natolotr’i Ejipta? Mamaly ny Baiboly hoe: “Finoana, fa tsy tahotra ny fahatezeran’ny mpanjaka, no nandaozany an’i Ejipta, satria tsy azo nohozongozonina mihitsy izy, toy ny mahita an’Ilay tsy hita.” (Hebreo 11:24-27) Nahatohitra ny fahotana, sy nahafehy tena tsy hanaram-po tamin’ny fiainana sy ny fahafinaretana mihelina azo avy amin’izany i Mosesy, satria nino fa azo antoka ilay valisoa omen’i Jehovah ny olona manao ny marina.

5. Mampirisika antsika hanao inona ny modely nomen’i Mosesy?

5 Matetika koa isika no tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra sarotra, toy ny hoe: ‘Tokony hajanoko ve ny fanao mahazatra ahy, izay tsy tena mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly? Tokony hanaiky asa mety hahazoana tombony be ve aho, na dia hisakana ahy tsy handroso ara-panahy aza izany?’ Ny modely nomen’i Mosesy dia mampirisika antsika tsy hanao safidy mampiseho ny toe-tsain’ity tontolo ity, izay tsy mijery afa-tsy ny soa azo eo no ho eo. Tokony hasehontsika kosa fa atokisantsika ny fahendren’i Jehovah Andriamanitra, “Ilay tsy hita”, izay mitsinjo ny hoavintsika. Enga anie isika hanahaka an’i Mosesy, ka hankamamy ny fisakaizan’i Jehovah, mihoatra noho izay mety hatolotr’ity tontolo ity.

6, 7. a) Inona no mampiseho fa naleon’i Esao nandeha tamin’ny hitan’ny maso? b) Inona no tokony hotandremantsika, araka ny hita tamin’i Esao?

6 Jereo indray kosa izao ny fahasamihafan’i Mosesy sy Esao zanak’i Isaka. Nitady izay hahafa-po ny tenany teo no ho eo i Esao. (Genesisy 25:30-34) ‘Tsy nanaja zava-masina’ izy, ka nahafoy ny zon’ny lahimatoa “ho takalon’ny hanina indray mihinana.” (Hebreo 12:16) Tsy noeritreretiny hoe inona no ho vokatry ny fanapahan-keviny eo amin’ny fifandraisany amin’i Jehovah sy ny fiainan’ny taranany. Nifantoka tamin’ny hitan’ny maso fotsiny izy. Tsy nisy dikany firy taminy ireo fampanantenana sarobidy nomen’Andriamanitra, ka toy ny hoe ninia nanakimpy ny masony izy tsy hahita izany. Nandeha tamin’ny hitan’ny maso izy, fa tsy tamin’ny finoana.

7 Ohatra fampitandremana ho antsika i Esao. (1 Korintianina 10:11) Tian’ny tontolon’i Satana hihevitra isika hoe tsy maintsy azontsika eo no ho eo izay tadiavintsika. Tsy tokony ho voasarik’izany hevitra aeliny izany isika, rehefa mandray fanapahan-kevitra, na kely izany na lehibe. Tsara ny manontany tena hoe: ‘Hita taratra amin’ny fanapahan-kevitra raisiko ve fa mitovy toe-tsaina amin’i Esao aho? Ho lasa ambanin-javatra ve ny fanompoako an’Andriamanitra, raha manao izay hahazoana avy hatrany izay tadiaviko aho? Mety hanimba ny fifandraisako amin’Andriamanitra ve ny safidy ataoko, sady mety tsy hahazoako ilay valisoa amin’ny hoavy? Inona no modely omeko ny hafa?’ Hitahy antsika i Jehovah, raha asehontsika amin’ny safidintsika fa manaja zava-masina isika.—Ohabolana 10:22.

Mitandrema mba tsy ho matimatin-karena

8. Inona no fampitandremana azon’ny Kristianina tao Laodikia, ary nahoana izany no mahakasika antsika?

8 Tao amin’ny fahitana iray azon’ny apostoly Jaona, tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany, dia nampita hafatra taminy ho an’ny fiangonan’i Laodikia any Azia Minora, i Jesosy Kristy nomem-boninahitra. Nampitandrina azy ireo mba tsy ho matimatin-karena izy. Nanan-karena teo amin’ny lafiny ara-nofo tokoa ireo Kristianina tao Laodikia, nefa nahantra fadiranovana teo amin’ny lafiny ara-panahy. Tsy nandeha tamin’ny finoana intsony izy ireo, fa variana tamin’ny vola aman-karena, ka toy ny jamba tsy nahatsiaro ireo valisoa nampanantenain’Andriamanitra. (Apokalypsy 3:14-18) Izany koa no vokatry ny fitiavan-karena ankehitriny. Mampihena ny finoantsika izy io, ary mahatonga antsika hitsahatra tsy “hihazakazaka amim-paharetana amin’ilay hazakazaka” hahazoana ny fiainana. (Hebreo 12:1) “Ny fahafinaretan’ity fiainana ity” indray no ho lasa loha laharana, fa tsy ny fanompoana an’Andriamanitra, raha tsy mitandrina isika. Mety ho toy ny voa iray “voageja tanteraka” mihitsy ny fanompoana amin’ny farany.—Lioka 8:14.

9. Nahoana isika no voaro rehefa afa-po amin’ny sakafo ara-panahy raisintsika, sady mankasitraka izany?

9 Ny fahaiza-mianina no tena hanampy antsika hiaro ny finoantsika. Tsy tokony ho revo tanteraka amin’ity tontolo ity isika, ka hitady izay hampanan-karena antsika. (1 Korintianina 7:31; 1 Timoty 6:6-8) Faly noho ilay paradisa ara-panahy misy antsika ankehitriny isika, raha mandeha amin’ny finoana fa tsy amin’ny hitan’ny maso. Moa ve isika tsy te “hihoby noho ny faharavoam-po”, rehefa mandray sakafo ara-panahy mahasoa? (Isaia 65:13, 14) Faly be koa isika rehefa miaraka amin’ireo olona maneho ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra. (Galatianina 5:22, 23) Tena tokony ho afa-po amin’ny fanampiana omen’i Jehovah mba hanatanjahana ny finoantsika isika, sady hanovo hery avy amin’izany!

10. Inona avy no fanontaniana tsara hosaintsainintsika?

10 Tsara ny manontany tena hoe: ‘Mibahan-toerana eo amin’ny fiainako ve ny vola aman-karena? Ampiasaiko mba hanaranam-po amin’ny fiainana ve ny fananako, sa ampiasaiko mba hampandrosoana ny fivavahana marina? Inona no tena mitondra fahafaham-po ho ahy? Ny fianarana Baiboly sy ny fiarahana amin’ny Kristianina hafa any am-pivoriana ve? Sa ny mandeha miala sasatra amin’ny faran’ny herinandro, ka miala amin’ny andraikitra kristianina tokony hataoko? Manokana faran’ny herinandro be dia be mba hialana voly ve aho, fa tsy manararaotra azy ireny mba hanaovana fanompoana sy zavatra hafa mifandray amin’ny fivavahana madio?’ Ny mandeha amin’ny finoana, dia midika hoe be atao foana amin’ny asa mifandray amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, sady matoky tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah.—1 Korintianina 15:58.

Tadidio fa efa akaiky ny farany

11. Nahoana ny fandehanana amin’ny finoana no manampy antsika hitadidy fa efa akaiky ny farany?

11 Ny fandehanana amin’ny finoana, dia hisakana antsika tsy hieritreritra fa mbola ho ela vao ho avy ny farany, na tsy ho tonga mihitsy. Tsy toy ny olona tsy mino ny Baiboly, ka manamaivana ny faminaniana voasoratra ao anatiny, isika. Hitantsika kosa fa mifanaraka amin’izay voalazan’ny Tenin’Andriamanitra mialoha ny zava-mitranga eran-tany. (2 Petera 3:3, 4) Tsy hita amin’ny toe-tsaina sy ny toetran’ny ankamaroan’ny olona ve, ohatra, fa “andro farany” izao iainantsika izao? (2 Timoty 3:1-5) Hitantsika amin’ny mason’ny finoana, fa tsy fiverimberenan’ny zavatra efa nisy taloha fotsiny ireo zava-mitranga eran-tany. “Famantarana ny fanatrehan[’i Kristy] sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” kosa izy ireny.—Matio 24:1-14.

12. Ahoana no nahatanterahan’ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Lioka 21:20, 21, tamin’ny taonjato voalohany?

12 Diniho ny fisehoan-javatra iray tamin’ny taonjato voalohany, izay mitovy amin’ny zava-misy ankehitriny. Nampitandrina ny mpanara-dia azy toy izao i Jesosy Kristy, tamin’izy teto an-tany: “Rehefa hitanareo fa misy miaramila mitoby manodidina an’i Jerosalema, dia fantaro fa manakaiky ny fandravana azy. Koa izay any Jodia, aoka handositra ho any an-tendrombohitra, ary izay ao Jerosalema aoka hiala ao.” (Lioka 21:20, 21) Tanteraka io faminaniana io tamin’ny taona 66, rehefa nanao fahirano an’i Jerosalema ny tafika romanina notarihin’i Cestius Gallus. Nisinda tampoka anefa ny Romanina, ary izany no famantarana ho an’ny Kristianina, ka afaka ‘nandositra tany an-tendrombohitra’ izy ireo. Niverina ny tafika romanina tamin’ny taona 70, ary nanafika ny tanànan’i Jerosalema sy nandrava ny tempoly. Nilaza ilay mpahay tantara atao hoe Josèphe, fa Jiosy iray tapitrisa mahery no maty, ary 97 000 no lasa babo. Nihatra tamin’ny tontolo jiosy ny didim-pitsaran’Andriamanitra tamin’izay. Afa-doza kosa izay nandeha tamin’ny finoana sy nanaraka ny fampitandreman’i Jesosy.

13, 14. a) Inona no hitranga tsy ho ela? b) Nahoana isika no tokony handinika tsara foana ny fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly?

13 Misy fisehoan-javatra toy izany madiva hitranga ankehitriny. Handray anjara amin’ny fampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra ny firenena sasany ao amin’ny Firenena Mikambana. Naorina mba hampisy fandriampahalemana ny Firenena Mikambana, toy ny tafika romanina tamin’ny taonjato voalohany, izay natao hampanan-kery ny Pax Romana (Fandriampahalemana Romanina). Marina fa niezaka nampisy filaminana teo amin’ny firenena nisy tamin’izany ny tafika romanina, nefa izy ireo ihany no nandrava an’i Jerosalema. Toy izany koa no hitranga amin’ny androntsika. Asehon’ny faminanian’ny Baiboly fa hihevitra ny fivavahana ho toy ny mpanelingelina, ireo tafika ao amin’ny Firenena Mikambana, ka handringana ny Kristianisma Anarana, izay oharina amin’i Jerosalema fahiny. Horinganin’izy ireo koa ny ampahany hafa amin’i Babylona Lehibe. (Apokalypsy 17:12-17) Ho ringana tsy ho ela tokoa ny fivavahan-diso rehetra.

14 Hanomboka ny fahoriana lehibe rehefa horavana ny fivavahan-diso. Ary any amin’ny faramparan’io fahoriana lehibe io no horinganina ny ampahany sisa amin’ity tontolo ratsy ity. (Matio 24:29, 30; Apokalypsy 16:14, 16) Mandinika tsara foana ny fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly isika, satria mandeha amin’ny finoana. Tsy voafitaka isika, ka hieritreritra hoe ampiasain’Andriamanitra mba hitondra ny tena fandriampahalemana sy filaminana ny fikambanana naorin’olombelona, toy ny Firenena Mikambana. Koa moa ve tsy tokony ho hita amin’ny fomba fiainantsika, fa miaiky isika hoe “efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah”?—Zefania 1:14.

Mampidi-doza ny mandeha amin’ny hitan’ny maso

15. Inona no fandrika nahazo ny firenen’ny Israely, na dia efa nahazo fitahiana tamin’Andriamanitra aza izy ireo?

15 Hita tamin’ny nanjo ny Israelita fahiny, fa loza no vokany, rehefa avelan’ny olona hihena ny finoany, ka mandeha amin’ny hitan’ny maso izy. Nahita ny loza folo nampietry ireo andriamani-dison’i Ejipta ny Israelita, ary nafahana tamin’ny fomba mahagaga teo amin’ny Ranomasina Mena. Na izany aza anefa, dia tsy nankatò izy ireo, fa nanao ombilahikely volamena ary nivavaka tamin’io. Tsy nahandry an’i Mosesy intsony koa izy ireo, rehefa hitany fa naharitra ‘ela izy, ary tsy mbola nidina avy tao an-tendrombohitra ihany.’ (Eksodosy 32:1-4) Lasa nivavaka tamina sampy hita maso izy ireo rehefa tsy nahandry. Nahatonga azy ireo haniratsira an’i Jehovah ny fandehanany tamin’ny hitan’ny maso, hany ka “tokony ho telo arivo lahy” tamin’izy ireo no novonoina ho faty. (Eksodosy 32:25-29) Mampalahelo tokoa ankehitriny, rehefa hita taratra amin’ny fanapahan-kevitra raisin’ny mpanompon’i Jehovah sasany, fa tsy matoky azy izy ireo, sady tsy mino hoe mahavita manatanteraka ny fampanantenany izy!

16. Inona no vokany rehefa nifantoka tamin’ny zavatra hita maso ny Israelita?

16 Nisy voka-dratsiny hafa teo amin’ny Israelita koa ny fifantohany tamin’ny zavatra hita maso. Nahatonga azy ireo hatahotra ny fahavalony izany. (Nomery 13:28, 32; Deoteronomia 1:28) Nahatonga azy ireo hanohitra ny fahefana nomen’Andriamanitra an’i Mosesy koa izany, ka lasa be taraina izy ireo. Noho izany tsy fahampiam-pinoana izany, dia naleon’izy ireo i Ejipta nofehezin’ny demonia, toy izay ny Tany Nampanantenaina. (Nomery 14:1-4; Salamo 106:24) Tsy maintsy ho nalahelo mafy i Jehovah, rehefa nahita fa nanazimbazimba azy ny vahoakany, nefa izy no Mpanjakan’izy ireo tsy hita maso!

17. Inona no nahatonga ny Israelita tsy hanaraka ny tari-dalan’i Jehovah tamin’ny andron’i Samoela?

17 Mbola voafandrika ihany ny Israelita ka nandeha tamin’ny hitan’ny maso, tamin’ny andron’i Samoela mpaminany. Naniry hanana mpanjaka hitan’ny masony izy ireo. Efa nasehon’i Jehovah azy ireo fa izy no Mpanjakany, nefa tsy nahatonga azy ireo handeha tamin’ny finoana izany. (1 Samoela 8:4-9) Tsy nanaiky ny tari-dalana tsy nisy tsininy avy tamin’i Jehovah izy ireo, fa naleony naka tahaka ny firenena nanodidina. Hadalana izany ka niharam-pahavoazana izy ireo.—1 Samoela 8:19, 20.

18. Inona no loza mety hitranga, raha mandeha amin’ny hitan’ny maso isika?

18 Mankamamy ny fihavanantsika amin’Andriamanitra isika mpanompony ankehitriny. Mazoto mianatra sy mampihatra ireo lesona sarobidy raisintsika avy amin’ny zava-nitranga taloha isika. (Romanina 15:4) Rehefa nandeha tamin’ny hitan’ny maso ny Israelita, dia nanadino fa Andriamanitra no nitarika azy ireo tamin’ny alalan’i Mosesy. Raha tsy mitandrina isika, dia mety hanadino koa fa i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy, ilay Mosesy Lehibe, no mitarika ny fiangonana kristianina ankehitriny. (Apokalypsy 1:12-16) Tsy maintsy mitandrina isika, mba tsy hihevitra fa fikambanana tarihin’olombelona ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany. Mety hahatonga antsika ho be taraina sy tsy hankasitraka ny solontenan’i Jehovah, mbamin’ny sakafo ara-panahy omen’ny “mpanompo mahatoky sy malina” izany.—Matio 24:45.

Aoka ianao ho tapa-kevitra handeha amin’ny finoana

19, 20. Tapa-kevitra hanao inona ianao, ary nahoana?

19 Milaza ny Baiboly fa “isika ... tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ireo fanjakana sy fahefana sy mpanjakan’izao tontolo anaty haizina izao, ary amin’ireo fanahy ratsy any amin’ny faritry ny lanitra.” (Efesianina 6:12) I Satana Devoly no tena fahavalontsika. Ny handrava ny finoantsika an’i Jehovah no tanjony. Hampiasa izay fomba rehetra mety handresena lahatra antsika hiala amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izy. (1 Petera 5:8) Inona no hiaro antsika tsy ho sodokan’ny endrika ivelan’ny tontolon’i Satana? Mandehana amin’ny finoana fa tsy amin’ny hitan’ny maso! Hiaro antsika tsy ‘ho vaky sambo ny amin’ny finoana’ ny fatokisana ny fampanantenan’i Jehovah. (1 Timoty 1:19) Koa aoka àry isika ho tapa-kevitra handeha amin’ny finoana hatrany, ka hatoky tanteraka fa hotahin’i Jehovah. Enga anie isika hivavaka foana, mba ho afa-mandositra ny zava-drehetra tsy maintsy ho tonga amin’ny hoavy tsy ho ela.—Lioka 21:36.

20 Manana modely tena tsara isika, mba hanampiana antsika handeha amin’ny finoana, fa tsy amin’ny hitan’ny maso. Hoy ny Baiboly: ‘Nijaly ho anareo i Kristy, ka nanome modely ho anareo mba hanarahanareo tsara ny diany.’ (1 Petera 2:21) Hovelabelarina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fomba hanarahantsika hatrany ny diany.

Tadidinao Ve?

• Ahoana no handehanana amin’ny finoana toa an’i Mosesy, fa tsy amin’ny hitan’ny maso toa an’i Esao?

• Inona no tena hanampy antsika tsy ho lasa matimatin-karena?

• Nahoana ny fandehanana amin’ny finoana no misakana antsika tsy hieritreritra fa mbola ho ela vao ho tonga ny farany?

• Nahoana no mampidi-doza ny mandeha amin’ny hitan’ny maso?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 17]

Nandeha tamin’ny finoana i Mosesy

[Sary, pejy 18]

Misakana anao tsy hanao ny fanompoana an’Andriamanitra ve matetika ny fialam-boly?

[Sary, pejy 20]

Miaro anao amin’ny inona ny fandinihana ny Tenin’Andriamanitra?