Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maro Be no Lasa Mpivavaka Amin’i Jehovah

Maro Be no Lasa Mpivavaka Amin’i Jehovah

“Ny Famonjena Ahy dia avy Amin’i Jehovah”

Maro Be no Lasa Mpivavaka Amin’i Jehovah

LAZAIN’NY faminanian’ny Baiboly momba ny androntsika, fa hisy olona maro avy amin’ny firenena rehetra, hanaraka fivavahana marina amin’i Jehovah. Nilaza tamin’ny alalan’i Hagay mpaminany, ohatra, i Jehovah Andriamanitra hoe: “Hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin’ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity.” (Hagay 2:7) Naminany i Isaia sy Mika fa hivavaka araka izay sitrak’i Jehovah ireo firenena atỳ “am-parany”, izany hoe mandritra ny androntsika.—Isaia 2:2-4; Mika 4:1-4.

Tena tanteraka ve izany faminaniana izany ankehitriny? Andeha hojerentsika ny zava-misy. Tao anatin’ny folo taona monja, dia nihoatra ny 3 110 000 ny olona nanolo-tena ho an’i Jehovah, tany amin’ny tany maherin’ny 230. Ny 60 isan-jaton’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany mihitsy aza no natao batisa tao anatin’io fotoana io. Olona iray isaky ny roa minitra eo ho eo no nanolo-tena hanompo an’Andriamanitra tamin’ny 2004, ka nanampy isa ny fiangonana kristianina! *

Toy ny tamin’ny taonjato voalohany, dia ‘olona maro be no tonga mpino ary miova sy manaiky ny Tompo’ ankehitriny. Tsy voatery ho porofon’ny fitahian’Andriamanitra akory ny fitomboan’ny isan’ny mpivavaka. Hita anefa fa momba ny vahoakany “ny tanan’i Jehovah” matoa misy izany. (Asan’ny Apostoly 11:21) Inona no mahatonga ny olona an-tapitrisany hivavaka amin’i Jehovah? Ary nahoana no mahakasika anao izany fitomboana izany?

Voasarika ireo manana fo tsara

Nilaza mivantana i Jesosy hoe: “Tsy misy mahay manatona ahy raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka ahy.” (Jaona 6:44) I Jehovah àry no tena mitaona ireo ‘manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay.’ (Asan’ny Apostoly 13:48) Ny fanahin’Andriamanitra dia mety hahatonga ny olona hahatsapa fa mila an’Andriamanitra izy. (Matio 5:3) Mety ho voatosika hitady an’Andriamanitra sy hianatra ny fikasany ho an’ny olombelona ny olona iray, raha enjehin’ny eritreriny, na mitady fanantenana mafy, na manana olana manahiran-tsaina.—Marka 7:26-30; Lioka 19:2-10.

Maro no voasarika hivavaka amin’i Jehovah, satria mahavaly ny fanontaniana mahavery hevitra azy, ny fandaharam-pampianarana Baiboly ataon’ny fiangonana kristianina.

“Raha misy Andriamanitra, nahoana no mbola misy ny tsy rariny?” Izany no fanontaniana nanahiran-tsaina an’i Davide, mpivarotra zava-mahadomelina any Italia. Nametraka io fanontaniana sarotra io mba hiadian-kevitra fotsiny izy, fa tsy tena liana tamin’ny fivavahana. Hoy izy: “Tsy nanampo hahazo valiny nitombina sy nampiaiky aho. Tena nanam-paharetana anefa ilay Vavolombelona niresaka tamiko, ary noporofoiny tamin’ny andinin-teny tao amin’ny Baiboly izay nolazainy. Nisy vokany lalina teo amiko iny resaka iny.” Nanova ny fiainany i Davide ary manompo an’i Jehovah izy ankehitriny.

Misy indray manatona ny fandaminan’i Jehovah, satria maniry hahafantatra ny antony namoronana antsika olombelona. Nanana olana ara-pihetseham-po, ohatra, ny mpitsabo aretin-tsaina iray tany Zagreb, any Kroasia. Nitady fanampiana tamin’ny dokotera malaza iray, mpiara-miasa taminy, izy. Gaga izy rehefa nanome azy ny nomeraon-telefaonin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Zagreb, ilay dokotera. Nomeny azy koa ny anaran’ny Vavolombelona iray fantany. Hoy ilay dokotera: “Mino aho fa ho afaka hanampy anao ireo olona ireo. Raha any amin’ny eglizy mantsy ianao no irahiko, dia tsy hahita afa-tsy sarivongana tsy mananaina sy olona tsy miresaka. Maizimaizina koa ny zava-drehetra any. Tsy inoako hoe ho afaka hanampy anao ny eglizy. Nisy marary efa nirahiko tany amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary mino aho fa izany koa no tena mety aminao.” Nitsidika azy tokoa ny Vavolombelona, ary tsy ela dia nanomboka nampianatra azy Baiboly. Faly be io mpitsabo aretin-tsaina io, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, rehefa nilaza fa nampisy heviny ny fiainany ny fahalalana ny fikasan’Andriamanitra.—Mpitoriteny 12:13.

Maro no mahita fa ny fahamarinana ara-baiboly ihany no tena mampionona, rehefa mamely ny loza. Maty nianjera avy teny amin’ny tafon’ny sekoliny, ohatra, ny ankizilahy iray fito taona, tany Gresy. Nihaona tamin’ny Vavolombelona roa ny reniny, volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Niezaka nampahery sy niresaka taminy momba ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty izy ireo. (Jaona 5:28, 29) Nitomany ilay ramatoa tamin’izay, ary hoy ilay mpitory: “Afaka mitsidika anao izahay, raha te hahalala bebe kokoa ny Baiboly ianao. Rahoviana no mety aminao?” “Izao dia izao”, hoy izy. Nentiny tany an-tranony izy ireo ary natomboka ny fianarana Baiboly. Manompo an’i Jehovah daholo izao izy mianakavy.

Mandray anjara ve ianao?

Mampiseho izay mitranga eran-tany ireo fitantarana ireo. Manangona sy mampiofana vahoaka be avy amin’ny firenena maro i Jehovah, mba hanarahan’izy ireo ny fivavahana marina. Manana fanantenana tena tsara izy ireo, dia ny ho tafavoaka velona rehefa horinganina tsy ho ela ity tontolo ratsy ity. Manantena hiaina ao amin’ny tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana izy ireo.—2 Petera 3:13.

Kely sisa dia hifarana tanteraka io asa fanangonana io, noho ny fitahian’i Jehovah. Tsy hisy hahasakana io asa goavana io tsy ho vita. (Isaia 55:10, 11; Matio 24:3, 14) Mazoto mandray anjara amin’io asa fitoriana ilay Fanjakana io ve ianao? Raha eny, dia matokia fa manohana anao Andriamanitra, ary afaka milaza toy ny mpanao salamo ianao hoe: “Ny famonjena ahy dia avy amin’i Jehovah.”—Salamo 121:2.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Jereo ny Kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah 2005, Septambra/Oktobra.

[Teny notsongaina, pejy 9]

“Tsy misy mahay manatona ahy raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka ahy.”​—JAONA 6:44

[Efajoro, pejy 8]

AVY AMIN’IZA ILAY FITOMBOANA?

“Raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy.”—Salamo 127:1.

“Andriamanitra no tsy nitsahatra nampitombo. Koa tsy ilay mamboly na ilay manondraka no inona, fa Andriamanitra izay mampitombo.”—1 Korintianina 3:6, 7.