Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fahatahorana An’i Jehovah no Fahendrena

Ny Fahatahorana An’i Jehovah no Fahendrena

Ny Fahatahorana An’i Jehovah no Fahendrena

“ARY rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran’ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.” (Mpitoriteny 12:13) Nanatsoaka hevi-dalina tokoa i Solomona mpanjakan’ny Israely fahiny, rehefa nilatsahan’ny fanahy masina! Niaiky koa i Joba fa mahasoa ny fahatahorana an’Andriamanitra. Hoy izy: “Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena, ary ny fialana amin’ny ratsy no fahalalana.”—Joba 28:28.

Hita ao amin’ny Baiboly fa tena zava-dehibe ny fahatahorana an’i Jehovah. Nahoana no lazaina fa hendry isika, raha miezaka ny hatahotra sy hanaja lalina an’Andriamanitra? Inona no soa azon’ny tena mpivavaka rehetra sy isika isam-batan’olona, avy amin’izany? Mamaly ireo fanontaniana ireo ny Ohabolana toko faha-14, andininy faha-26 ka hatramin’ny faha-35. *

“Fiarovana mahatoky”

Hoy i Solomona: “Ny fahatahorana an’i Jehovah dia fiarovana mahatoky, ary ny zanany hahazo fialofana.” (Ohabolana 14:26) Miantehitra amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra tsy mivadika sy mahery indrindra, ny olona matahotra azy. Tsy mahagaga àry raha feno toky izy rehefa mibanjina ny hoavy! Hahafinaritra sy haharitra mandrakizay mantsy ny hoaviny.

Hanao ahoana kosa anefa ny hoavin’ireo mitoky amin’ity tontolo ity, ka miantehitra amin’ny tetika ataony, ny fikambanana eo aminy, ny firehan-keviny, ary ny harenany? Na manao ahoana na manao ahoana hoavy antenainy, dia tsy haharitra izany, satria hoy ny Baiboly: “Mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (1 Jaona 2:17) Raha izany no izy, inona moa no ‘itiavantsika an’izao tontolo izao na ny zavatra eo amin’izao tontolo izao’?—1 Jaona 2:15.

Ahoana ny amin’ny ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra? Inona no azony atao, mba ho azo antoka fa “hahazo fialofana” ny zanany? Nihira ny mpanao salamo hoe: “Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an’i Jehovah no hampianariko anareo.” (Salamo 34:11) Azo inoana kokoa ho lasa lehilahy sy vehivavy matoky tanteraka an’i Jehovah ny ankizy, raha hitany fa matahotra an’Andriamanitra ny ray aman-dreniny, sady mampianatra azy hanao izany.—Ohabolana 22:6.

Hoy i Solomona avy eo: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no loharanon’aina, hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana.” (Ohabolana 14:27) “Loharanon’aina” ny fahatahorana an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, satria izy no “loharanon’aina.” (Jeremia 2:13) Afaka hahazo fiainana mandrakizay isika, raha mianatra hahalala an’i Jehovah sy Jesosy Kristy. (Jaona 17:3) Manampy antsika hanalavitra ny fandriky ny fahafatesana koa ny fahatahorana an’Andriamanitra. Nahoana? Hoy ny Ohabolana 13:14: “Ny fampianaran’ny hendry dia loharanon’aina ka mampivily tsy ho ao amin’ny fandriky ny fahafatesana.” Inona no vokany rehefa matahotra an’i Jehovah isika, manaraka ny fampianarany sy ny lalàny, ary mamela ny Teniny hitarika antsika? Moa ve isika tsy voaro amin’ny fihetseham-po sy ny fanaovan-javatra manimba izay mety hahafaty aloha be?

“Voninahitry ny mpanjaka”

Natahotra an’Andriamanitra sy nankatò azy i Solomona, nandritra ny ankabeazan’ny fotoana nanjakany. Izany no nahitany fahombiazana teo amin’ny fitondrana. Ahoana anefa no ahafahana milaza fa mahomby ny fitondran’ny mpanjaka iray? Mamaly ny Ohabolana 14:28 hoe: “Ny fahabetsahan’ny vahoaka no voninahitry ny mpanjaka; fa ny havitsiany kosa no fietreny.” Mahomby ny mpanjaka iray, raha mandeha tsara ny fiainan’ny vahoakany. Azo lazaina ho mpitondra mahay izy, raha toa ka maniry hoentiny foana ny ankamaroan’izy ireo, fa tsy mitady mpitondra hafa. I Solomona dia ‘nanjaka hatramin’ny ranomasina [Mena] ka hatramin’ny ranomasina [Mediterane], ary hatramin’ny Ony [Eofrata] ka hatramin’ny faran’ny tany.’ (Salamo 72:6-8) Tena nilamina ny firenena teo ambany fitondrany, ary niroborobo tsy mbola nisy toy izany ny toe-karena. (1 Mpanjaka 5:4, 5) Nahomby ny fitondran’i Solomona. Azo inoana kosa anefa fa hietry ny mpitondra iray, raha tsy tiam-bahoaka.

Inona àry no azo lazaina momba an’ilay Solomona Lehibe, izany hoe i Jesosy Kristy, ilay Mesia Mpanjaka? Efa manana ny olom-peheziny izy amin’izao andro izao. Misy lehilahy sy vehivavy matahotra an’Andriamanitra miisa enina tapitrisa mahery mantsy eran-tany, efa nifidy ny hanaiky ny fitondran’i Kristy. Mino an’i Jesosy izy ireo, ary tafaray noho ny fanarahany ny fivavahana marina amin’ilay Andriamanitra velona. (Jaona 14:1) Rehefa mifarana ny Fanjakana Arivo Taona, dia efa ho tafatsangana amin’ny maty ny olona rehetra ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra. Ho paradisa ny tany amin’izay, ka ho feno olona marina sy sambatra ary mankasitraka ny Mpanjakany. Hiharihary tokoa fa mahomby ny fitondran’i Kristy! Aoka àry isika hanao an-tsaina foana an’ilay fanantenana faran’izay tsara momba ilay Fanjakana.

Mitondra soa be dia be

Mampitony ny fo sy mampilamina ny saina, ny fahatahorana an’Andriamanitra sy ny fanajana lalina azy. Marina izany satria anisan’ny toetra tafiditra amin’ny fahendrena, ny fahaizana mieritreritra tsara sy ny fahaiza-mandinika. Hoy ny Ohabolana 14:29: “Be saina [na mahay mandinika] izay mahatsindry fo; fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.” Raha mahay mandinika isika, dia hiaiky fa ho ratsy ny fihavanantsika amin’Andriamanitra raha tsy mahatsindry fo isika. Anisan’ny antony mety tsy hahafahantsika “handova ny fanjakan’Andriamanitra” mantsy, ny “fifandrafiana, fifamaliana, fialonana, fipoahan’ny fahatezerana, fifandirana.” (Galatianina 5:19-21) Ampitandremana isika mba tsy hitana fahatezerana, na dia tena misy antony mampahatezitra aza. (Efesianina 4:26, 27) Mety hanao hadalana na hilaza teny tsy voahevitra koa ny olona malaky tezitra, ka hanenina.

Misy vokany ratsy eo amin’ny vatana ny fahatezerana, araka ny tenin’ny mpanjakan’ny Israely hoe: “Ny fo mionona no fiainan’ny nofo; fa ny fahamaimaizan-tsaina dia mahalo ny taolana.” (Ohabolana 14:30) Miteraka aretina ny fahatezerana sy ny fisafoahana, anisan’izany ny aretin’ny taova fisefoana, fiakaran’ny tosidra, aretin’ny aty sy ny sarakaty. Milaza koa ny dokotera fa ny fahatezerana sy ny fisafoahana, dia miteraka na vao mainka manampy trotraka aretim-bavony, tandomerina na aretin-koditra hafa, asma, ary tsy fahalevonan-kanina. Etsy an-danin’izany anefa, “ny fo mionona no fiainan’ny nofo.” (Ohabolana 14:30) Hendry àry isika, raha ‘miezaka mitady izay mampisy fihavanana sy izay ifampaherezana.’—Romanina 14:19.

Manampy antsika tsy hanavakavaka ny fahatahorana an’Andriamanitra

Hoy i Solomona: “Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy.” (Ohabolana 14:31) Miaiky ny olona matahotra an’Andriamanitra fa Mpamorona iray ihany, dia i Jehovah Andriamanitra, no nanao ny olombelona rehetra. Olombelona toa antsika ny mahantra, ary misy akony amin’Andriamanitra ny fomba itondrantsika azy ireny. Tsy maintsy manao ny rariny sy tsy manavakavaka isika, raha te hanome voninahitra an’Andriamanitra. Tokony homena fanampiana ara-panahy koa ny Kristianina mahantra, fa tsy mety ny miangatra. Tsy maintsy itoriantsika ny vaovao tsaran’ilay Fanjakan’Andriamanitra daholo, na ny mahantra na ny manankarena.

Mbola misy soa hafa entin’ny fahatahorana an’Andriamanitra. Hoy ilay mpanjaka hendry: “Ny ratsy fanahy azera noho ny haratsiany; fa ny marina matoky, na dia mby ao amin’ny fahafatesana aza.” (Ohabolana 14:32) Inona no hevitry ny hoe azera ny ratsy fanahy? Misy milaza fa ny dikan’izany, dia hoe tsy ho tafarina mihitsy izy amin’izay loza mahazo azy. Voaro kosa anefa ny olona matahotra an’Andriamanitra, rehefa misy loza mitranga. Matoky tanteraka an’i Jehovah izy na dia mety ho faty aza, ka vonona ny tsy hivadika mihitsy, toa an’i Joba izay nilaza hoe: “Mandra-pialan’ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho.”—Joba 27:5.

Mila matahotra an’Andriamanitra sy manana fahendrena isika, raha tsy te hivadika. Aiza no misy fahendrena? Hoy ny Ohabolana 14:33: “Mandry tsara ao am-pon’ny manan-tsaina ny fahendrena; fa ny an’ny adala kosa dia miharihary.” Hita ao am-pon’ny olona manan-tsaina tokoa ny fahendrena. Nahoana anefa no lazaina fa miharihary eo amin’ny adala izy io? Milaza ny boky iray fa “maniry mafy hiseho ho hendry ny adala, ka milaza zavatra heveriny ho feno fahendrena, nefa hadalana ihany ilay izy, raha ny marina.”

“Manandratra ny firenena”

Rehefa avy niresaka momba ny vokatry ny fahatahorana an’Andriamanitra eo amin’ny isam-batan’olona ilay mpanjakan’ny Israely, dia namelabelatra indray ny vokatr’izany eo amin’ny firenena iray manontolo. Hoy izy: “Ny fahamarinana manandratra ny firenena; fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin’ny olona.” (Ohabolana 14:34) Hita niharihary izany teo amin’ny firenen’ny Israely! Nisandratra ho ambony noho ny firenena nanodidina azy izy ireo, rehefa nanaraka ny fitsipika faran’izay tsara napetrak’Andriamanitra. Afa-baraka sy nolavin’i Jehovah kosa anefa izy ireo, rehefa tsy nankatò foana. Mihatra amin’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny koa izany. Miavaka amin’izao tontolo izao ny fiangonana kristianina, satria manaraka ireo toro lalana marin’Andriamanitra. Tsy maintsy madio fitondran-tena anefa isika tsirairay, mba hihazonana an’io toerana miavaka io foana. Manala baraka ny tenantsika isika raha zatra manota, sady manala baraka ny fiangonana sy Andriamanitra.

Niresaka ny zavatra mahafinaritra ny mpanjaka indray i Solomona avy eo. Hoy izy: “Ny fankasitrahan’ny mpanjaka dia amin’ny mpanompo hendry; fa ny fahatezerany kosa amin’ny manao izay mahamenatra.” (Ohabolana 14:35) Hoy koa ny Ohabolana 16:13: “Sitraky ny mpanjaka ny molotra marina, ary izay miteny mahitsy no tiany.” Faly tokoa i Jesosy Kristy, Mpitarika sy Mpanjakantsika, rehefa manao zavatra amim-pahamarinana sy amim-pahendrena isika, sady mampiasa ny molotsika mba hitoriana ilay Fanjakana sy hanaovana mpianatra. Enga anie àry isika ho be atao foana amin’io asa io, dia hahazo fitahiana satria matahotra an’ilay Andriamanitra marina.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Raha mila fanazavana ny Ohabolana 14:1-25 ianao, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 2004, pejy 26-29, sy ny 15 Jolay 2005, pejy 17-20.

[Sary, pejy 15]

Azo ampianarina hatahotra an’Andriamanitra ny olona