Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zava-dehibe ve Izay Heverin’ny Olona Momba Antsika?

Zava-dehibe ve Izay Heverin’ny Olona Momba Antsika?

Zava-dehibe ve Izay Heverin’ny Olona Momba Antsika?

IZA tokoa moa no tsy te hahazo teny fiderana? Mahatsapa ho nahavita zavatra sy faly erỳ isika rehefa misy mankasitraka. Mety handrisika antsika hanao zavatra tsara kokoa mihitsy aza izany. Ny mifanohitra amin’izany anefa no mitranga, rehefa misy tsy faly amintsika. Kivy isika rehefa tsy miraika na manakiana antsika ny hafa. Mety hisy fiantraikany lalina eo amin’izay eritreretintsika momba antsika, izay heverin’ny olona momba antsika.

Tsy mety ny tsy miraharaha izay heverin’ny olona momba antsika. Mety handray soa mantsy isika, rehefa mandinika ny fitondran-tenantsika ny hafa. Mety hahasoa sy handrisika antsika hanao ny tsara, izay heverin’ny olona momba antsika, raha miorina amin’ny fitsipi-pitondran-tena ambony. (1 Korintianina 10:31-33) Tena tsy ara-drariny anefa matetika ny fanamarihan’ny olona. Eritrereto ny hevi-dison’ny lohan’ny mpisorona sy ny hafa, momba an’i Jesosy Kristy. “Niantsoantso ireo hoe: ‘Fantsiho! Fantsiho amin’ny hazo fijaliana izy!’ ” (Lioka 23:13, 21-25) Tsy tokony hiraharaha ny fomba fijerin’ny olona isika raha diso ilay izy, na ahitana fitsiriritana sy fitsarana an-tendrony. Mila mandinika tsara àry isika, ary tsy ho mora tohina amin’izay heverin’ny olona momba antsika.

Ny fomba fihevitr’iza no zava-dehibe?

Tiantsika ny hahazo sitraka amin’ireo mpivavaka marina mifanerasera akaiky amintsika. Anisan’izany ny fianakaviana Vavolombelona ary ireo rahalahy sy anabavy kristianina. (Romanina 15:2; Kolosianina 3:18-21) Tena zava-dehibe amintsika ny fifankatiavana sy ny fifanajana ary ny “fifampaherezana” eo amin’ny mpiray finoana. (Romanina 1:11, 12) Manetry tena isika, ka ‘manao ny hafa ho ambony noho’ isika. (Filipianina 2:2-4) Irintsika ny hahazo sitraka amin’ny anti-panahin’ny fiangonana izay “mitarika” eo amintsika, ary tena sarobidy izany.—Hebreo 13:17.

Te ho “tsara laza amin’ny olona eny ivelany” koa isika. (1 Timoty 3:7) Finaritra erỳ isika rehefa hajain’ny havana tsy Vavolombelona sy ny mpiara-miasa ary ny mpiara-monina! Tsy miezaka manao ny tsara tokoa ve isika, mba handray tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana ny olona itoriantsika? Hahazo voninahitra Andriamanitra, raha malaza ho tsara fitondran-tena sy manao ny marina isika. (1 Petera 2:12) Tsy tokony hampandefitra ny toro lalan’ny Baiboly mihitsy anefa isika, mba hahazoana sitraka amin’olona. Tsy tokony hihatsaravelatsihy koa isika mba hampiaiky volana azy ireo. Tsy maintsy manaiky isika, fa tsy afaka hampifaly ny rehetra. Hoy i Jesosy: “Raha anisan’izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao. Fa satria tsy anisan’izao tontolo izao ianareo, fa izaho efa nifidy anareo avy tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao ianareo.” (Jaona 15:19) Misy zavatra azontsika atao ve mba hohajain’ny mpanohitra isika?

Hajain’ny mpanohitra

Nampitandrina i Jesosy hoe: “Ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako. Fa izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.” (Matio 10:22) Lasa manendrikendrika antsika indraindray ireo mankahala antsika. Mety hihevitra antsika ho “mpikomy” na “mpanongam-panjakana”, ny mpitondra miangatra. Mety tsy hihambahamba ny mpanohitra hilaza hoe sekta mpanakorontana isika, ka tsy maintsy foanana. (Asan’ny Apostoly 28:22) Azontsika atao indraindray ny miaro tena rehefa misy miampanga lainga toy izany. Amin’ny fomba ahoana? Mila manaraka ity torohevitry ny apostoly Petera ity isika: ‘Aoka ianareo ho vonona hilaza ny fiarovan-tenanareo eo anatrehan’izay manontany ny anton’ny fanantenana ao anatinareo. Ataovy amim-pahalemem-panahy sy amim-panajana lalina anefa izany.’ (1 Petera 3:15) Tokony “hampiasa teny mahasoa izay tsy azo kianina” koa isika. “Amin’izay dia ho menatra ny mpanohitra, fa tsy hahita zavatra hanaratsiana antsika.”—Titosy 2:8.

Miezaka hiaro tena isika, nefa tsy tokony ho kivy na ho tezitra be rehefa misy manaratsy. I Jesosy aza Zanak’Andriamanitra lavorary, nefa nisy nanendrikendrika. Nolazaina fa nanevateva an’Andriamanitra izy, nampirisika ny olona hikomy tamin’ny fanjakana, ary nifandray tamin’ny fanahy ratsy. (Matio 9:3; Marka 3:22; Jaona 19:12) Nalam-baraka koa ny apostoly Paoly. (1 Korintianina 4:13) Samy tsy niraharaha fanakianana toy ireny anefa na i Jesosy na i Paoly, ary niasa be foana. (Matio 15:14) Fantany fa tsy hahazo sitraka amin’ny mpanohitra mihitsy izy ireo, satria ‘izao tontolo izao manontolo dia eo ambany fahefan’ilay ratsy.’ (1 Jaona 5:19) Toy izany ny zava-tsarotra atrehintsika ankehitriny. Tsy tokony hatahotra isika, raha manely lainga momba antsika ny mpanohitra feno fankahalana.—Matio 5:11.

Fomba fihevitra tena misy vidiny

Samy hafa ny fiheveran’ny olona antsika, arakaraka izay ao am-pony sy izay reny momba antsika. Midera sy manaja antsika ny sasany, fa ny hafa kosa mankahala. Tokony ho sambatra sy hilamin-tsaina hatrany anefa isika, raha mbola manaraka ny toro lalan’ny Baiboly.

Hoy ny apostoly Paoly: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana, mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (2 Timoty 3:16, 17) Mahazo sitraka amin’i Jehovah sy Jesosy Kristy Zanany isika, raha mankasitraka sy manaiky ny Tenin’Andriamanitra ho mpitari-dalana antsika amin’ny zava-drehetra. Ny fomba fihevitr’izy ireo no tena zava-dehibe amintsika. Mihevitra antsika araka ny tena maha isika antsika mantsy izy ireo. Miankina amin’ny fahazoantsika sitraka aminy ny fiainantsika.—Jaona 5:27; Jakoba 1:12.

[Teny notsongaina, pejy 30]

“Menatra aho rehefa misy midera, satria mangetaheta an’izany erỳ aho.” RABINDRANATH TAGORE, POETY KARÀNA

[Sary, pejy 31]

Zava-dehibe izay heverin’ny mpiray finoana amintsika momba antsika

[Sary nahazoan-dalana, pejy 30]

Culver Pictures