Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Raisina ho Vazivazy ny Famantarana!

Aza Raisina ho Vazivazy ny Famantarana!

Aza Raisina ho Vazivazy ny Famantarana!

“Nihevitra aho tamin’ny voalohany fa narary andoha fotsiny i Andreas, zanakay lahy. Nanjary tsy nahinan-kanina anefa izy ary nahamay be. Nanahy aho, satria nihombo ilay aretin’andohany. Rehefa nody ny vadiko, dia nentinay tany amin’ny dokotera i Andreas. Nojeren’ilay dokotera izay nahazo azy, ary nampidirina hopitaly avy hatrany izy. Hay menenzita ilay izy, fa tsy aretin’andoha fotsiny. Notsaboina izy ary sitrana, tsy ela taorian’izay.”—Gertrud, renim-pianakaviana any Alemaina.

AZO inoana fa tsy zava-baovao amin’ny ray aman-dreny maro izany marary zanaka izany. Jereny tsara izay mety ho famantarana aretina eo amin’ny zanany. Marina fa tsy voatery ho aretim-be daholo ny aretina rehetra, nefa mety ho ratsy ny vokany raha tsy raharahain’ny ray aman-dreny ny soritr’aretina hitany amin’ny zanany. Ahafahana misoroka loza ny fijerena tsara ny famantarana, sy ny fanaovan-javatra mifanaraka amin’izany. Tsy azo atao vazivazy ilay izy.

Toy izany koa amin’ny raharaha hafa ankoatra ny fahasalamana. Jereo, ohatra, ilay tsunami (onjan-dranomasina nahatonga safodrano) nitranga tany amin’ny faritra nanodidina ny Oseana Indianina, tamin’ny Desambra 2004. Tsikaritry ny sampan-draharaha sasany tany Aostralia sy Hawaii, fa nisy horohoron-tany lehibe tany avaratr’i Sumatra. Efa nahatsinjo ny loza mety haterak’izany izy ireo, nefa tsy nisy fomba nahafahany nampandre an’ireo mponina tany amin’ny faritra nahina ho tratran’ny loza. Maherin’ny 220 000 ny aina nafoy vokatr’izany.

Famantarana misy heviny lehibe kokoa

Nampianatra ny olona hijery tsara ny famantarana sy hanao zavatra mifanaraka amin’izany i Jesosy Kristy, tamin’izy tetỳ an-tany. Niresaka famantarana tena nisy fiantraikany lehibe izy. Hoy ny Baiboly: “Ary nanatona azy ny Fariseo sy ny Sadoseo ka nangataka azy hampiseho taminy famantarana avy tany an-danitra, mba hamandrihana azy. Hoy ny navaliny azy ireo: ‘Rehefa hariva ny andro, dia mahazatra anareo ny miteny hoe: “Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra.” Ary rehefa maraina, dia hoy ianareo: “Hangatsiaka sy hanorana anio, fa mena ny lanitra saingy manjombona.” Hainareo fantarina avy amin’ny endriky ny lanitra ny toetr’andro, nefa tsy hainareo fantarina ny dikan’ny famantarana ny fotoana voatondro.’ ”—Matio 16:1-3.

Niresaka tamin’ireo Jiosy ireo momba ny “famantarana ny fotoana voatondro” i Jesosy, mba hilazana fa tokony ho efa fantatr’izy ireo hoe misy zavatra maika tsy maintsy atao. Hisy loza amin’antambo nadiva hitranga tamin’ny tontolo jiosy mantsy tamin’izay, ary hisy fiantraikany eo amin’ny fiainan’izy rehetra izany. Niresaka famantarana hafa tamin’ny mpianany koa i Jesosy, andro vitsivitsy talohan’ny nahafatesany. Tsy inona izany fa ny famantarana ny fanatrehany. Tena mahakasika ny olona rehetra ankehitriny, ny zavatra nolazainy tamin’io fotoana io.