Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Tantara Voalohany

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Tantara Voalohany

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Tantara Voalohany

EFA 77 taona teo ho eo izay no niverenan’ireo Jiosy tany amin’ny taniny, rehefa avy babo tany Babylona. Efa 55 taona koa izay no nahavitan’i Zerobabela Governora ny fanorenana indray ny tempoly. Ny hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana marina tao Jerosalema no tena antony namerenana an’ireo Jiosy tany amin’ny taniny. Tsy narisika nanompo an’i Jehovah anefa izy ireo, ka nila fampirisihana maika. Izany indrindra no resahina ao amin’ny Tantara Voalohany.

Ankoatra ny tantaram-pirazanana dia mitantara zava-nitranga nandritra ny 40 taona teo ho eo ny Tantara Voalohany. Nanomboka tamin’ny fotoana nahafatesan’i Saoly Mpanjaka izany, ka hatramin’ny nahafatesan’i Davida Mpanjaka. Heverina fa i Ezra mpisorona no nanoratra azy io, tamin’ny taona 460 T.K. Mahaliana izy io, satria manjary fantatsika tsara ny fanompoana natao tao amin’ny tempoly, sy ny tsipirian’ny tantaram-pirazanan’ny Mesia. Anisan’ny boky nampanoratin’Andriamanitra izy io, ka manatanjaka ny finoantsika sy mahatonga antsika hahatakatra misimisy kokoa ny Baiboly.—Hebreo 4:12.

FITANISANA ANARANA TENA ILAINA

(1 Tantara 1:1–9:44)

Antony telo, fara fahakeliny, no nahatonga an’i Ezra hanao lisitra ny tantaram-pirazanana tamin’ny an-tsipiriany. Voalohany, mba ho azo antoka fa lehilahy nanan-jo ho mpisorona ihany no nanao io fanompoana io. Faharoa, mba ho fantatra ny lovan’ny foko tsirairay. Ary fahatelo, mba ho voatahiry ny tantaram-pirazanan’ny Mesia. Ahitana ny tantaran’ny Jiosy hatramin’ilay lehilahy voalohany izy io. Tanisaina ao ny taranaka folo nanomboka tamin’i Adama ka hatramin’i Noa, ary folo hafa hatramin’i Abrahama. Voatanisa ao koa ny taranak’i Isimaela, zanakalahin’i Abrahama tamin’i Ketora vaditsindranony, sy ny taranak’i Esao. Mifantoka amin’ny taranak’ireo zanakalahin’i Israely 12 izy io avy eo.—1 Tantara 2:1.

Miresaka betsaka momba ny taranak’i Joda i Ezra, satria avy amin’izy io no hiavian’i Davida Mpanjaka. Misy taranaka 14 hatreo amin’i Abrahama ka hatramin’i Davida, ary 14 hafa hatramin’ny sesitany tany Babylona. (1 Tantara 1:27, 34; 2:1-15; 3:1-17; Matio 1:17) Mitanisa ny taranak’ireo foko tany atsinanan’i Jordana i Ezra avy eo, sy ny tantaram-pirazanan’ireo zanakalahin’i Levy. (1 Tantara 5:1-24; 5:27) Fintininy koa ny momba ireo foko sasany tany andrefan’ny Reniranon’i Jordana, ary tanisainy ny taranak’i Benjamina. (1 Tantara 8:1) Tanisainy koa ny anaran’ireo nonina voalohany tany Jerosalema taorian’ny fahababoana tany Babylona.—1 Tantara 9:1-16.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

1:18—I Kenana sa i Arpaksada no rain’i Sela? (Lioka 3:35, 36) I Arpaksada no rain’i Sela. (Genesisy 10:24; 11:12) Mety ho avy amin’ny teny hoe “Kaldeanina” ny hoe “Kenana” ao amin’ny Lioka 3:36, saingy diso fanoratra. Raha marina izany, dia mety ho toy izao izy io tamin’ny voalohany: “Zanak’i Arpaksada kaldeanina.” Na koa mety ho olona iray ihany i Kenana sy Arpaksada. Tsara ho fantatra koa fa tsy hita ao amin’ny sora-tanana sasany ilay hoe “zanak’i Kenana.”

2:15—Zanakalahin’i Jese fahafito ve i Davida? Tsia. Valo lahy ny zanak’i Jese, ary i Davida no faralahy. (1 Samoela 16:10, 11; 17:12) Miharihary fa maty tsy niteraka ny zanakalahin’i Jese iray. Tsy notononin’i Ezra àry ny anarany, satria tsy hisy fiantraikany eo amin’ny tantaram-pirazanana izany.

3:17—Nahoana no lazain’ny Lioka 3:27 fa zanak’i Nery i Sealtiela? I Jekonia no rain’i Sealtiela. Toa nanambady ny zanakavavin’i Nery anefa i Sealtiela, ka lasa vinantolahiny. Izany no nahatonga an’i Lioka hilaza fa zanak’i Nery i Sealtiela, toy ny ilazany an’i Josefa hoe zanak’i Hely, rain’i Maria.—Lioka 3:23.

3:17-19—Inona no rohim-pihavanana teo amin’i Zerobabela sy Pedaia ary Sealtiela? Mpirahalahy i Sealtiela sy Pedaia, ary zanak’i Pedaia i Zerobabela. Antsoin’ny Baiboly hoe zanak’i Sealtiela anefa i Zerobabela indraindray. (Matio 1:12; Lioka 3:27) Natsangan’i Sealtiela ho zanany angamba i Zerobabela rehefa maty i Pedaia. Na mety hoe maty tsy niteraka i Sealtiela, ka nalain’i Pedaia ho vady ny vadin’i Sealtiela, ary i Zerobabela no lahimatoany.—Deoteronomia 25:5-10.

5:1, 2—Inona no dikan’ny hoe lasan’i Josefa ny fizokiana? Midika izany fa anjaran-droa ny lovany. (Deoteronomia 21:17) Lasa rain’ny foko roa àry izy, dia i Efraima sy Manase. Foko iray ihany anefa no avy amin’ireo zanakalahin’i Israely sisa.

Lesona ho antsika:

1:1–9:44. Olona tena nisy no tanisain’ireo tantaram-pirazanana. Midika izany fa tsy miorina amin’ny angano ny zavatra mifandray amin’ny fivavahana marina, fa tantara tena nisy.

4:9, 10. Novalian’i Jehovah ny fitalahoan’i Jabeza. Nangataka ny hanalalahana ny faritaniny mantsy izy, mba hisian’ny olona matahotra an’Andriamanitra betsaka kokoa honina ao. Tsy amin’ny alalan’ny ady anefa. Tokony hivavaka avy amin’ny fo koa isika mba hihabetsaka ny mpanompon’i Jehovah, sady tokony hazoto hanao mpianatra isika.

5:10, 18-22. Resin’ireo foko nipetraka tany atsinanan’i Jordana ny Hagarita, tamin’ny andron’i Saoly Mpanjaka. Mihoatra ny avo roa henin’izy ireo anefa ny Hagarita. Natoky an’i Jehovah sy nitady ny fanampiany mantsy ireo lehilahy israelita be herim-po ireo. Enga anie isika koa hatoky tanteraka an’i Jehovah, amin’ny ady ara-panahy ataontsika, na dia maro noho isika aza ny fahavalontsika.—Efesianina 6:10-17.

9:26, 27. Nitana andraikitra lehibe ireo Levita mpiandry varavarana. Nomena azy ireo ny lakile nahafahana niditra tao amin’ireo fitoerana masina tao amin’ny tempoly. Azo nitokisana izy ireo satria novohany isan’andro ny varavarana. Nankinina tamintsika koa ny andraikitra hitady ny olona ao amin’ny faritanintsika, sy hanampy azy ireo ho lasa mpanompon’i Jehovah. Tsy tokony hasehontsika koa ve fa azo ianteherana sy mendri-pitokisana isika, tahaka ireo Levita mpiandry varavarana?

NANJAKA I DAVIDA

(1 Tantara 10:1–29:30)

Maty i Saoly Mpanjaka sy ny zanany telo lahy rehefa niady teo amin’ny Tendrombohitra Gilboa ny Israelita sy ny Filistinina. Manomboka amin’izany ilay fitantarana. Natao mpanjakan’ny fokon’ny Joda i Davida, zanak’i Jese. Nankany Hebrona ny lehilahy avy tamin’ny foko rehetra avy eo, mba hanao azy ho mpanjakan’ny Israely. (1 Tantara 1:1-3) Tsy ela dia azon’i Davida i Jerosalema. Nitondra ny fiaran’ny fifanekena tany Jerosalema ny Israelita, tatỳ aoriana. Nataon’izy ireo ‘tamin’ny fihobiana sy ny feon’ny anjomara sy tamin’ny fitendrena ny valiha sy ny lokanga’ izany.—1 Tantara 15:28.

Naniry hanao trano ho an’ilay Andriamanitra marina i Davida. I Solomona anefa no nomen’i Jehovah io tombontsoa io. Na izany aza dia nanao fifanekena momba ny fanjakana tamin’i Davida i Jehovah. Nomeny fandresena maro i Davida, rehefa niady tamin’ireo fahavalon’ny Israely. Nisy fanisam-bahoaka tsy ara-dalàna niteraka fahafatesan’olona 70 000. Nividy tany tamin’i Araona Jebosita i Davida, rehefa nomen’ny anjely toromarika mba hanangana alitara ho an’i Jehovah. Nanomboka nanomana zavatra “betsaka” izy, mba hanorenana trano “lehibe indrindra” ho an’i Jehovah teo amin’ilay toerana. (1 Tantara 22:5) Nandamina ny raharahan’ny Levita i Davida, ary miresaka izany amin’ny an-tsipiriany kokoa ny Tantara Voalohany raha oharina amin’ny boky hafa ao amin’ny Soratra Masina. Nanao fanomezana betsaka ny mpanjaka sy ny vahoaka mba hanaovana ilay tempoly. Nanjaka 40 taona i Davida, ary maty rehefa “tratrantitra tsara sady lava andro ary be harena sy voninahitra; ary Solomona zanany no nanjaka nandimby azy.”—1 Tantara 29:28.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

11:11—Nahoana no lazaina fa 300 no maty, nefa 800 no lazain’ny 2 Samoela 23:8? I Jasobeama na Joseba-basebeta no lehiben’ireo telo lahy mahery indrindra tamin’ny miaramilan’i Davida. I Eleazara sy Sama ireo roa hafa. (2 Samoela 23:8-11) Tsy mitovy ireo andininy ireo, satria mety ho zavatra samy hafa nataon’olona iray ihany no tantarainy.

11:20, 21—Inona no toerana notanan’i Abisay, raha oharina amin’izy telo lahy mahery indrindra tamin’ny miaramilan’i Davida? Tsy iray tamin’ireo telo lahy mahery indrindra nanompo an’i Davida akory i Abisay. Lehiben’ireo mpiady 30 kosa izy sady niavaka kokoa tamin’izy ireo, araka ny dikan-teny tany am-boalohany ao amin’ny 2 Samoela 23:18, 19. Nahavita zavatra niavaka toa an’i Jasobeama izy, ka nalaza toa an’izy telo lahy mahery indrindra tamin’ny miaramilan’i Davida.

12:8—Nahoana no lazaina fa toy ny “tarehin’ny liona” ny tarehin’ireo miaramila gadita? Niady teo anilan’i Davida tany an’efitra ireo lehilahy be herim-po ireo, ka nihalava ny volony. Masiaka sy toy ny liona àry no fijery azy noho izy ireo lava volo.

13:5—Inona ilay “Sihora any Egypta”? Misy mihevitra azy io ho sampan’ny Reniranon’i Neily, satria “renirano” no dikan’ny hoe “Sihora” amin’ny teny hebreo. “Lohasahan-driak’i Egypta” anefa no ahafantarana an’ilay “Sihora any Egypta”, dia ilay tevana lava eo amin’ny sisin-tany atsimoandrefan’ny Tany Nampanantenaina.—Nomery 34:2, 5; Genesisy 15:18.

16:30—Inona no dikan’ny hoe ‘mangovitra’ eo anatrehan’i Jehovah? Matahotra sy manaja lalina an’i Jehovah no dikan’ny hoe ‘mangovitra’, eto.

16:1, 37- 40; 21:29, 30; 22:19—Ahoana no nataon’ny Israely tamin’ny fanompoany an’i Jehovah, nanomboka tamin’ny nitondrana ny fiaran’ny fifanekena tany Jerosalema ka hatramin’ny nahavitan’ny tempoly? Efa an-taonany maro no tsy tao amin’ny tabernakely intsony ny fiaran’ny fifanekena, tamin’ny fotoana nitondran’i Davida azy io nankany Jerosalema, sy nametrahany azy io tao amin’ny tranolay naoriny. Mbola tany Gibeona kosa ilay tabernakely, ary tao no nanaovan’i Zadoka Mpisoronabe sy ireo rahalahiny ny fanatitra notakin’ny Lalàna. Izany foana no natao mandra-pahavitan’ilay tempoly tany Jerosalema. Nalaina tany Gibeona amin’izay ny tabernakely, rehefa vita ilay tempoly, ary napetraka tao amin’ny Masina Indrindra ilay fiaran’ny fifanekena.—1 Mpanjaka 8:4, 6.

Lesona ho antsika:

13:11. Tsy tokony ho tezitra na hanome tsiny an’i Jehovah isika, rehefa tsy mahomby ny ataontsika. Tsy maintsy mamakafaka ilay toe-javatra kosa isika, ary mamantatra izay nahatonga ilay izy tsy hahomby. Azo antoka fa nanao an’izany i Davida. Nandray lesona tamin’ny fahadisoany izy, ary nampiasa fomba mety tsara tatỳ aoriana, ka tongany soa aman-tsara tany Jerosalema ilay fiaran’ny fifanekena. *

14:10, 13-16; 22:17-19. Tokony hivavaka amin’i Jehovah foana isika, ary hitady ny tari-dalany, alohan’ny hanaovana zavatra mety hisy fiantraikany eo amin’ny fifandraisantsika aminy.

16:23-29. Ny fanompoana an’i Jehovah no tokony ho zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika.

18:3. Mpanatanteraka ny fampanantenany i Jehovah. Nampanantena izy fa homeny ny taranak’i Abrahama ny tany Kanana rehetra. Notanterahiny izany tamin’ny alalan’i Davida, ka azon’ny Israelita ny tany nanomboka hatreo “amin’ny onin’i Egypta ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata.”—Genesisy 15:18; 1 Tantara 13:5.

21:13-15. Nasain’i Jehovah natsahatry ny anjely ilay areti-mandringana, satria tsy mahatanty mahita ny mpanompony mijaly izy. “Lehibe [tokoa] ny famindrampony.” *

22:5, 9; 29:3-5, 14-16. Nalala-tanana i Davida na dia tsy nasaina nanao ny tempolin’i Jehovah aza. Nahoana? Satria takany fa noho ny hatsaram-panahin’i Jehovah no nahazoany izay rehetra nananany. Halala-tanana koa isika raha mahay mankasitraka toy izany.

24:7-18. Nozarain’i Davida ho 24 ny mpisorona. Mbola nanan-kery io fandaharana io rehefa niseho tamin’i Zakaria, rain’i Jaona Mpanao Batisa, ny anjelin’i Jehovah. Nilaza ny amin’ny hahaterahan’i Jaona ilay anjely tamin’izay. Tao amin’ny “fizarana nisy an’i Abia” no nisy an’i Zakaria, ary anjarany ny nanompo tao amin’ny tempoly. (Lioka 1:5, 8, 9) Olona tena nisy teo amin’ny tantara àry ireo nanaraka ny fivavahana marina, fa tsy olona resahin’ny angano. Mandray soa maro koa isika, rehefa miara-miasa foana amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina”, mba hanompoana an’i Jehovah amin’ny fomba voalamina tsara ankehitriny.—Matio 24:45.

Manompoa an’i Jehovah amin’ny “fanahy mazoto”

Tsy tantaram-pirazanana ihany no hita ao amin’ny Tantara Voalohany. Tantarainy koa ny nitondran’i Davida ny fiaran’ny fifanekena tany Jerosalema, ireo fandresena lehibe azony, ny nanomanana ny fanamboarana ny tempoly, ary ny nizarana ny anjara fisoronan’ny Levita. Azo antoka fa nandray soa avy amin’izay nosoratan’i Ezra tao amin’ny Tantara Voalohany ny Israelita. Nanjary nazoto nanompo an’i Jehovah tao amin’ny tempoly indray izy ireo.

Fakan-tahaka tokoa i Davida, satria ny fanompoany an’i Jehovah foana no zava-dehibe indrindra teo amin’ny fiainany! Niezaka nanao ny sitrapon’Andriamanitra izy, fa tsy nitady ny tombontsoany manokana. Ampirisihina isika hanaraka ilay toroheviny hoe manompoa an’i Jehovah “amin’ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto.”—1 Tantara 28:9.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 32 Misy lesona hafa momba ny ezaka nataon’i Davida hitondrana ny fiaran’ny fifanekena tany Jerosalema, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 2005, pejy 16-19.

^ feh. 36 Misy lesona hafa momba ny fanisam-bahoaka tsy ara-dalàna nataon’i Davida, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 2005, pejy 16-19.

[Tabilao/Sary, pejy 8-11]

(Jereo ny gazety)

4026 T.K. Adama Taranaka hatreo amin’i Adama ka

hatramin’i Noa (1 056 taona)

130 taona ⇩

 

Seta

 

105 ⇩

 

Enosy

 

90 ⇩

 

Kenana

 

70 ⇩

 

Mahalalila

 

65 ⇩

 

Jareda

 

162 ⇩

 

Enoka

 

65 ⇩

 

Metosela

 

187 ⇩

 

Lameka

 

182 ⇩

 

2970 T.K. Noa 2970 T.K. Teraka i NOA

Taranaka hatreo amin’i Noa ka

502 years ⇩ hatramin’ i Abraham (952 taona)

 

Sema

SAFODRANO 2370 T.K.

100 ⇩

 

Arpaksada

 

35 ⇩

 

Sela

 

30 ⇩

 

Ebera

 

34 ⇩

 

Pelega

 

30 ⇩

 

Reo

 

32 ⇩

 

Seroga

 

30 ⇩

 

Nahora

 

29 ⇩

 

Tera

 

130 ⇩

 

2018 T.K. Abrahama 2018 T.K. teraka i ABRAHAMA

Hatreo amin’i Abraham ka hatramin’i Davida:

100 taona taranaka 14 (911 taona)

 

Isaka

 

60 ⇩

Jakoba

 

88 tany ho any ⇩

 

Joda

 

 

 

Fareza

 

 

Hezrona

 

 

Rama

 

 

Aminadaba

 

 

Nasona

 

 

Salmona

 

 

Boaza

 

 

Obeda

 

 

Jese

 

 

1107 T.K. teraka i DAVIDA