Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampahery Ahy ny Ohatr’ireo Ray Aman-dreniko

Mampahery Ahy ny Ohatr’ireo Ray Aman-dreniko

Tantaram-piainana

Nampahery Ahy ny Ohatr’ireo Ray Aman-dreniko

NOTANTARAIN’I JANEZ REKELJ

Ny taona 1958 tamin’izay. Handeha handositra any Aotrisy izahay sy Stanka vadiko, ary tonga teo an-tampon’i Alpes, any Karawanken, teo amin’ny sisin-tany mampisaraka an’i Aotrisy sy Iogoslavia. Nampidi-doza izany, satria nisy mpiambina iogoslavianina nitam-piadiana, tsy namela na iza na iza hiampita teo. Nandroso ihany anefa izahay, ka tonga teo amin’ny hantsana iray lehibe. Teo izahay mivady no nahita voalohany an’i Aotrisy. Nanohy niantsinanana izahay mandra-pahatonganay teo amin’ny fidinana iray feno vatovato. Notafinay ilay labasy nentinay, ary nikodiadia teo izahay, tsy nahafantatra izay mety hiafaranay.

MAMELÀ ahy hitantara ny antony nandosiranay, sy hiresaka momba ny tsy fivadihan’ny ray aman-dreniko, izay nandrisika ahy tsy hivadika amin’i Jehovah, na dia tao anatin’ny zava-tsarotra aza.

Nihalehibe tany Slovenia aho. Firenena kely any Eoropa Afovoany any amin’i Alpes izy io. I Aotrisy no ao avarany, Italia no ao andrefany, Kroasia no ao atsimony, ary Hongria no ao atsinanany. Anisan’ny Fanjakan’i Aotrisy-Hongria i Slovenia, tamin’ny fotoana nahaterahan’i Franc sy Rozalija Rekelj, ray aman-dreniko. Lasa anisan’ny firenena vaovao natao hoe Fanjakan’ny Serba sy Kroaty ary Slovenianina anefa izy, taorian’ny Ady Lehibe I. Novana hoe Iogoslavia midika hoe “Slavia Atsimo” ny anarany, tamin’ny 1929. Teraka ny 9 Janoary tamin’io taona io aho, tany ambanivohitr’i Podhom, tanàna akaikin’ny Farihy Bled, izay tena tsara tarehy.

Katolika nafana fo ny fianakavian’i Neny. Pretra ny dadatoany iray, ary masera ny telo tamin’ny nenitoany. Naniry mafy hanana Baiboly sy hamaky izany ary hahazo ny heviny i Neny. I Dada kosa tsy dia tia fivavahana. Naharikoriko azy ny nataon’ny fivavahana nandritra ny Ady Lehibe tamin’ny 1914-1918.

Nianatra ny fahamarinana

Lasa Mpianatra ny Baiboly na Vavolombelon’i Jehovah i Janez sy Ančka Brajec, havan’i Neny, taorian’ny ady. Nipetraka tany Aotrisy izy mivady ireo tamin’izany. Nitsidika an’i Neny matetika i Ančka, nanomboka tamin’ny 1936. Nomeny Baiboly i Neny ary namaky izany avy hatrany. Nomeny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy boky ara-baiboly hafa tamin’ny teny slovenianina koa izy. Nody tany Slovenia anefa ry Janez sy Ančka, satria lasa teo ambany fahefan’i Hitler i Aotrisy tamin’ny 1938. Tadidiko fa mpivady nahita fianarana sy nahay nandinika ary tena tia an’i Jehovah ry zareo. Niresaka ny fahamarinana ara-baiboly tamin’i Neny izy ireo matetika. Nanolo-tena ho an’i Jehovah àry i Neny, ka natao batisa tamin’ny 1938.

Nampisy adihevitra teo amin’ny manodidina i Neny, rehefa tsy nanaraka intsony ireo fanao tsy araka ny Soratra Masina toy ny Krismasy, rehefa tsy nihinana saosisy voasesika ra intsony, ary indrindra rehefa nanangona ny sary masina rehetra tao aminay ka nandoro izany. Tsy ela dia nisy nanohitra azy. Nanoratra ho an’i Neny mihitsy ireo nenitoany masera, mba handresen-dahatra azy hiverina amin’i Maria Virjiny sy ny eglizy. Tsy namaly anefa izy ireo, rehefa nanoratan’i Neny ka nametrahany fanontaniana ara-baiboly. Nanohitra be koa ny dadabeko. Tsy ratsy fanahy akory izy, fa ny havanay sy ny mpiara-monina taminay no tena nampirisika azy. Imbetsaka àry izy no namotika ny boky ara-baibolin’i Neny, fa ny Baiboliny kosa tsy sahiny nokitihina. Nandohalika izy, niangavy an’i Neny hiverina tany amin’ny eglizy. Nahavita nanambana an’i Neny tamin’ny antsy mihitsy aza izy. Hentitra anefa i Dada rehefa nilaza taminy, fa tsy nekeny izany fihetsiny izany.

Nanaja foana ny zon’i Neny hamaky Baiboly sy hifidy izay tiany hinoana i Dada. Natao batisa koa izy, tamin’ny 1946. Nampahery an’i Neny i Jehovah, ka nijoro tamin’ny fahamarinana izy fa tsy natahotra, na dia nisy nanohitra aza. Namaly soa ny finoany koa i Jehovah. Nanosika ahy hiezaka hifandray tamin’Andriamanitra ny fahitako an’izany. Nandray soa betsaka koa aho, satria zatra namaky Baiboly sy boky ara-baiboly tamiko i Neny.

Matetika no tafaresaka naharitraritra momba ny Baiboly i Neny sy Marija Repe rahavaviny. Niara-natao batisa àry izahay sy Nenitoa Marija, teo antenatenan’ny Jolay 1942. Nisy rahalahy tonga nanao lahateny fohy tao an-trano, ary natao batisa tao anaty vata hazo lehibe izahay avy eo.

Asa an-terivozona nandritra ny Ady Lehibe II

Nanafika an’i Slovenia i Alemaina sy Italia tamin’ny 1942, teo antenatenan’ny Ady Lehibe II. Nifampizaran’izy ireo tamin’i Hongria i Slovenia. Tsy nanaiky ho anisan’ny Volksbund na fikambanan’ny Nazia ny ray aman-dreniko, ary tsy nety niteny hoe “Heil Hitler” aho tany am-pianarana. Toa nitatitra izany tamin’ny manam-pahefana ny mpampianatra anay.

Nampidirina tao amin’ny lamasinina iray àry izahay, ary nalefa tany amin’ny lapa iray natao toby fiasana an-terivozona, tany akaikin’i Hüttenbach, any Bavière. Nataon’i Dada izay hiasako sy hipetrahako tany amin’ny mpanao mofo iray sy ny fianakaviany. Nianatra nanao mofo aho tao, ary tena nahasoa ahy izany tatỳ aoriana. Nafindra tany amin’ny tobin’i Gunzenhausen ny fianakaviako rehetra tamin’ny farany (anisan’izany ry Nenitoa Marija mianakavy).

Saika hiaraka tamin’ny antokon’olona iray ho any amin’ny toerana nisy ny ray aman-dreniko aho, rehefa nifarana ny ady. Tonga tampoka anefa i Dada ny alina talohan’ny hiainganay. Hay olona tsy azo itokisana mihitsy ireo saika niarahako ireo, ka asa izay ho niafarako raha nanaraka azy ireo aho. Tsapako indray fa niahy ahy tamim-pitiavana i Jehovah. Nampiasa ny ray aman-dreniko izy mba hiaro sy hampiofana ahy. Nandeha an-tongotra telo andro izahay sy Dada vao nihaona tamin’ny fianakavianay. Tafody tany an-trano izahay rehetra, tamin’ny Jona 1945.

Lasa teo ambany fahefan’ny Kominista indray i Iogoslavia taorian’ny ady, ary i Josip Broz Tito no Prezidà. Mbola nijaly ihany àry ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nisy rahalahy iray avy any Aotrisy niara-nisakafo taminay, tamin’ny 1948. Nanaraka azy tany amin’izay rehetra nalehany ny polisy, ary nisambotra izay rahalahy notsidihiny. Nosamborina koa i Dada satria nampiantrano azy, sady tsy nitory azy tany amin’ny polisy. Nigadra roa taona i Dada noho izany. Tena mafy tamin’i Neny izany, satria tsy teo i Dada, nefa fantany koa fa hiatrika fitsapana tsy ho ela izaho sy ny zandriko lahy, noho izahay tsy manao miaramila.

Nigadra tany Macédoine

Voantso ho miaramila aho tamin’ny Novambra 1949. Nankany amin’ny manam-pahefana aho mba hanazava fa tsy namela ahy hanao izany ny eritreritro. Tsy nihaino anefa izy ireo, fa nandefa ahy niaraka tamin’ny zazavao, nandeha lamasinina nankany Macédoine, tany atsimon’i Iogoslavia.

Tsy afaka nifandray tamin’ny fianakaviako sy ny mpiara-manompo aho nandritra ny telo taona, ary tsy nanana zavatra hovakina na dia Baiboly aza. Tena mafy izany. Nampahery ahy ny fisaintsainako momba an’i Jehovah sy ny ohatr’i Jesosy Kristy Zanany. Nanatanjaka ahy koa ny ohatr’ireo ray aman-dreniko, ary nanampy ahy tsy hamoy fo ny fivavahana tsy tapaka mba hahazoana hery.

Nogadraina tany Idrizovo, tany akaikin’i Skopje indray aho. Nanao asa isan-karazany ny voafonja tany. Mpanadio sy irakiraka tany amin’ireo birao no asako tamin’ny voalohany. Nampijaly ahy matetika ny voafonja iray, anisan’ny polisy miafina taloha. Nifankahazo tamiko kosa anefa ny mpiambina sy ny voafonja rehetra, eny fa na dia ny lehiben’ny orinasa tao amin’ny fonja aza.

Reko tatỳ aoriana fa nila mpanao mofo ny fonja. Nanao fiantsoana anarana ny tompon’andraikitra, andro vitsivitsy taorian’izay. Namakivaky ny laharana izy, nijanona teo alohako, ary nanontany hoe: “Mpanao mofo ve ianao?” “Eny tompoko”, hoy aho. “Tongava any amin’ny fanaova-mofo rahampitso maraina”, hoy izy. Nandalo matetika teo amin’ny fanaova-mofo ilay mpigadra nampijaly ahy, nefa tsy afaka nanao na inona na inona. Niasa tao aho tamin’ny Febroary ka hatramin’ny Jolay 1950.

Avy eo aho dia nafindra tany amin’ny tobin’i Volkoderi, any atsimon’i Macédoine, any akaikin’ny Farihy Prespa. Afaka nifandray an-taratasy tamin’ny tany an-trano aho avy teo Otešovo, tanàna teo akaiky teo. Anisan’ny mpigadra mpanao lalana aho, nefa niasa tao amin’ny fanaova-mofo tamin’ny ankamaroan’ny fotoana. Mora kokoa ho ahy ny asa tao. Nafahana aho tamin’ny Novambra 1952.

Nisy fiangonana iray niforona tany Podhom, nandritra ny fotoana tsy naha teo ahy. Nivory tao amin’ny hotely iray tany Spodnje Gorje ny fiangonana, tamin’ny voalohany. Natokan’i Dada hanaovana fivoriana ny efitra iray tao an-tranonay, tatỳ aoriana. Faly aho niara-nivory tamin’izy ireo, rehefa niverina avy tany Macédoine. Nihaona indray izahay sy Stanka, izay efa nifankahalala tamiko talohan’ny nigadrako. Nivady izahay tamin’ny 24 Aprily 1954. Tsy naharitra anefa izany fotoana nilamina izany.

Nigadra tany Maribor

Voantso ho miaramila indray aho tamin’ny Septambra 1954. Voaheloka higadra telo taona sy tapany mahery tany amin’ny fonjan’i Maribor, any amin’ny farany atsinanan’i Slovenia, aho tamin’izay. Nividy taratasy sy pensilihazo aho, raha vao afaka nanao izany. Nosoratako daholo izay tadidiko, na andinin-teny, na teny avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana, na hevitra avy amin’ny bokintsika. Novakiko izay efa voasoratro tao amin’ilay boky namboariko, ary nampiako an’izay vao tadidiko. Feno ilay izy tamin’ny farany ka afaka nifantoka tamin’ny fahamarinana aho, ary natanjaka foana ny finoako. Tena nanatanjaka ny finoako koa ny vavaka sy fisaintsainana, ary nanome ahy herim-po bebe kokoa hiresahana ny fahamarinana.

Nahazo nandray taratasy iray isam-bolana, sy notsidihina nandritra ny fahefatr’adiny isam-bolana aho tamin’izany. Nandeha lamasinina nandritra ny alina i Stanka mba hitsidika ahy vao maraina, ary niverina ny androtr’iny ihany izy. Tena nampahery ahy ireny fitsidihana ireny. Nanao tetika hahazoana Baiboly aho indray mandeha. Nipetraka nifanatrika teo amin’ny latabatra iray izahay sy Stanka, ary nisy mpiambina nasaina niandry anay teo. Natsofoko haingana tao anaty poketran’i Stanka ny taratasy iray, raha vao tsy nijery ilay mpiambina. Nosoratako tao hoe: “Mba itondray Baiboly aho amin’ny manaraka.”

Nihevitra i Stanka sy ny ray aman-dreniko fa nampidi-doza loatra izany. Nendahiny tamin’ny Baiboly àry ny Soratra Grika Kristianina, nosaratsarahiny ireo pejy, ary natsofony tao anaty mofo. Izany no fomba nahazoako Baiboly. Toy izany koa no nahazoako Ny Tilikambo Fiambenana nadikan’i Stanka tanana. Nadikako avy hatrany ilay izy ary nopotehiko ilay taratasy, mba tsy hisy hahafantatra izay nahazoako azy.

Nilaza ireo mpiara-migadra tamiko fa hahita olana aho noho ny fikirizako mitory. Niara-nidinika Baiboly tamin’ny mpigadra iray aho indray mandeha, ary nafana ny resakay. Renay nisy namoha tamin’ny lakile ny varavarana, ary nisy mpiambina niditra. Nihevitra avy hatrany aho hoe hatoka-monina. Tsy izany anefa no tiany hatao. Nandre ny resakay izy ka te handray anjara. Rehefa afa-po tamin’ny valim-panontaniana azony izy dia lasa, ary nohidiany ny varavarana.

Nidera ahy ilay mpiandraikitra ny fanarenana ny voafonja, nandritra ny volana farany nigadrako, noho izaho tapa-kevitra hijoro tamin’ny fahamarinana. Tsapako fa izany no valisoa lehibe azoko, noho ny fiezahako hampahafantatra ny anaran’i Jehovah. Nafahana indray aho tamin’ny Mey 1958.

Nandositra tany Aotrisy sy Aostralia

Maty i Neny tamin’ny Aogositra 1958, rehefa avy narary elaela. Voantso ho miaramila fanintelony aho tamin’ny Septambra 1958. Ny harivan’io izahay sy Stanka no nanapa-kevitra handositra, ka namakivaky ny sisin-tany araka ilay notantaraiko terỳ aloha. Tsy niteny tamin’iza na iza izahay, fa naka labasy sy kitapo babena roa nofenoina entana, nivoaka teo am-baravarankely, ary nankany amin’ny sisin-tanin’i Aotrisy, teo andrefan’ny Tendrombohitra Stol. Toy ny hoe notoroan’i Jehovah lalan-kivoahana izahay, rehefa fantany fa nila fanamaivanana.

Nalefan’ny manam-pahefana aotrisianina nankany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana tany akaikin’i Salzbourg izahay. Enim-bolana izahay no tany. Tsy nijanona firy tao amin’ilay toby izahay, satria niaraka foana tamin’ny Vavolombelona teo an-toerana. Gaga ny olona tao satria vetivety izahay dia nana-namana. Tamin’izay izahay vao nanatrika fivoriambe, sy nitory isan-trano an-kalalahana. Mafy taminay ny nandao ireo namana malalanay ireo, rehefa tonga ny fotoana hiaingana.

Nilazan’ny manam-pahefana aotrisianina izahay, fa afaka mifindra atỳ Aostralia. Tsy nanampo handeha lavitra toy izany mihitsy izahay. Nandray lamasinina nankany Gênes, any Italia, izahay, ary nandray sambo nankatỳ Aostralia avy eo. Nanorim-ponenana teto Wollongong, eto Nouvelle-Galles du Sud, izahay tamin’ny farany. Teraka teto i Philip zanakay lahy tamin’ny 30 Martsa 1965.

Endri-panompoana maro no azo atao eto Aostralia. Anisan’izany ny fitoriana amin’ireo mpifindra monina avy any Iogoslavia teo aloha. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah izahay noho ny fitahiany. Iray amin’izany ny fiarahanay mianakavy manompo azy. Manana tombontsoa manompo ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Aostralia, i Philip sy Susie vadiny. Efa nanompo roa taona tany amin’ny biraon’ny sampan’i Slovenia koa izy ireo.

Mbola mankafy ny fanompoana an’i Jehovah foana izahay mivady, na dia eo aza ny olana entin’ny fandrosoan’ny taona sy ny aretina. Tena mankasitraka ny ohatra tsara navelan’ireo ray aman-dreniko aho! Mbola manatanjaka ahy hatrany izany, ary manampy ahy hankatò ilay tenin’ny apostoly Paoly hoe: “Mifalia amin’ny fanantenana. Miareta fahoriana. Mahareta amin’ny vavaka.”—Romanina 12:12.

[Sary, pejy 16, 17]

Ny ray aman-dreniko, faramparan’ny 1920

[Sary, pejy 17]

I Neny, eo an-kavanana, miaraka amin’i Ančka, ilay nampianatra azy ny fahamarinana

[Sary, pejy 18]

Izahay sy Stanka, taoriana kelin’ny nivadianay

[Sary, pejy 19]

Ilay fiangonana nivory tao an-tranonay, 1955

[Sary, pejy 20]

Izahay mivady, ary i Philip zanakay lahy sy Susie vadiny