Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Manankarena Amin’Andriamanitra” ve Ianao?

“Manankarena Amin’Andriamanitra” ve Ianao?

“Manankarena Amin’Andriamanitra” ve Ianao?

MARO ireo tantara andraisana fianarana mampisaintsaina nataon’i Jesosy Kristy, ka anisan’izany ny momba ilay lehilahy mpanankarena. Nieritreritra hanangana trano fitahirizana lehibe kokoa io lehilahy io, mba hananany hoavy azo antoka. Nolazaina hoe “tsy misaina” anefa izy tao amin’ilay fanoharan’i Jesosy. (Lioka 12:16-21) Fandikan-tenin’ny Baiboly maromaro aza no mampiasa ny teny hoe “adala.” Nahoana no henjana toy izany ny didim-pitsarana azony?

Angamba tsy nanisy fiheverana an’Andriamanitra mihitsy ilay mpanankarena tao amin’ny zavatra nokasainy hatao. Andriamanitra koa no nampahavokatra ny taniny, nefa tsy mba nomeny voninahitra akory. (Matio 5:45) Izy indray aza no nirehareha ka niteny hoe: “Ralehilahy ô, manana zava-tsoa maro voatahiry ho amin’ny taona maro ianao. Mialà sasatra, mihinàna, misotroa, mifalia.” Tena ‘manda avo’ no niheverany ny zava-bitany.—Ohabolana 18:11.

Nampitandrina ny amin’ny toe-tsaina mieboebo toy izany i Jakoba mpianatra. Hoy izy: “Ianareo manao hoe: ‘Hankany an-tanàna hafa izahay anio na rahampitso, ka hitoetra any herintaona, ary hanao raharaham-barotra ka hahazo tombony.’ Tsy fantatrareo akory anefa izay hitranga aminareo rahampitso. Zavona miserana vetivety ianareo, ary levona rehefa avy eo.”—Jakoba 4:13, 14.

Marina tokoa izany, satria izao no nolazaina tamin’ilay lehilahy mpanankarena, tao amin’ny fanoharan’i Jesosy: “Ry tsy misaina, anio alina dia hisy haka aminao ny ainao, koa ho an’iza ireto zavatra nangoninao?” Ho levona toy ny zavona ilay mpanankarena satria ho faty, raha mbola tsy tanteraka akory ny nofinofiny. Hitantsika ve ny lesona raketin’izany? Hoy i Jesosy: “Izany koa no hanjo ny olona mihary harena ho an’ny tenany, nefa tsy mba manankarena amin’Andriamanitra.” Moa ve ianao “manankarena amin’Andriamanitra”?