Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Miambena Hatrany” fa Tonga ny Ora Fitsarana!

“Miambena Hatrany” fa Tonga ny Ora Fitsarana!

“Miambena Hatrany” fa Tonga ny Ora Fitsarana!

Ny fanazavana ato amin’ity fianarana ity dia miorina amin’ilay bokikely Miambena Hatrany!, navoaka tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2004.

Miambena hatrany ... satria tsy fantatrareo ny andro hiavian’ny Tomponareo.”—MATIO 24:42.

1, 2. Noharin’i Jesosy tamin’ny inona ny fiaviany, ary nahoana?

INONA no hataonao raha fantatrao fa misy mpangalatra mihaodihaody eny akaikinareo, ary mitady hamaky trano? Azo inoana fa ho mailo sy hiambina hatrany ianao, mba hiarovana ny fianakavianao sy ny fanananao. Tsy mampilaza mantsy ny mpangalatra rehefa ho avy. Tonga tampoka kosa izy sady miditra an-tsokosoko.

2 Imbetsaka i Jesosy no nanao fanoharana mahakasika ny fomba fiasan’ny mpangalatra. (Lioka 10:30; Jaona 10:10) Noresahiny ny zavatra hitranga mandritra ny andro farany, sy mialoha ny fotoana hiaviany hampihatra didim-pitsarana. Nampitandrina izy hoe: “Koa miambena hatrany àry ianareo, satria tsy fantatrareo ny andro hiavian’ny Tomponareo. Fantaro anefa izao: Raha fantatry ny tompon-trano hoe amin’ny fotoam-piambenana fahafiry no hahatongavan’ny mpangalatra, dia ho niari-tory izy ka tsy ho namela ny tranony hovakina.” (Matio 24:42, 43) Noharin’i Jesosy tamin’ny fiavian’ny mpangalatra àry ny fiaviany, satria tsy hampoizina izy io.

3, 4. a) Inona no hataon’ireo mihaino ny fampitandreman’i Jesosy momba ny fiaviany? b) Inona avy no fanontaniana mipoitra?

3 Mety tsara io fanoharana io, satria tsy fantatra ny daty hiavian’i Jesosy. Hoy izy talohan’izay tao amin’io faminaniana io ihany: “Fa tsy misy mahalala ny amin’izany andro sy ora izany, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany.” (Matio 24:36) Nampirisika ny mpihaino azy toy izao àry i Jesosy: ‘Miomàna ianareo.’ (Matio 24:44) Ho vonona na ho tsara fitondran-tena foana ireo mihaino ny fampitandreman’i Jesosy, na rahoviana na rahoviana izy no ho avy hampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah.

4 Izao anefa no fanontaniana lehibe mipoitra: Natao ho an’ny olona eto amin’ity tontolo ity ihany ve io fampitandreman’i Jesosy io, sa mila ‘miambina hatrany’ koa ny tena Kristianina? Nahoana no ilaina maika ny ‘miambina’, ary ahoana no hanaovana izany?

Iza no ampitandremana?

5. Hazavao fa mihatra amin’ny tena Kristianina ilay fampitandremana hoe “miambena hatrany.”

5 Azo antoka fa tsy hampoizin’ny olona eto amin’ity tontolo ity ny fiavian’ny Tompo, noho izy ireo tsy miraharaha ny fampitandremana momba ilay loza mananontanona. (2 Petera 3:3-7) Ary ahoana ny amin’ny tena Kristianina? Nanoratra tamin’ny mpiray finoana taminy ny apostoly Paoly hoe: “Fantatrareo tsara fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’i Jehovah.” (1 Tesalonianina 5:2) Azontsika antoka fa ‘ho avy ny andron’i Jehovah.’ Midika anefa ve izany fa tsy dia ilaina intsony ny miambina? Mariho fa ny mpianany no nilazan’i Jesosy hoe: “Amin’ny ora tsy eritreretinareo no hiavian’ny Zanak’olona.” (Matio 24:44) Nampirisika ny mpianany tsy hitsahatra hikatsaka an’ilay Fanjakana izy talohan’izay, sady nampitandrina hoe: ‘Aoka ianareo ho vonona lalandava, satria amin’ny ora tsy ampoizinareo no ho avy ny Zanak’olona.’ (Lioka 12:31, 40) Mazava, araka izany, fa nieritreritra ny mpanara-dia azy i Jesosy rehefa nampitandrina hoe: “Miambena hatrany.”

6. Nahoana isika no mila ‘miambina hatrany’?

6 Nahoana isika no mila ‘miambina hatrany’ sady ‘miomana’? Nanazava i Jesosy hoe: “Hisy roa lahy any an-tsaha: Ny iray hoentina ary ny iray havela. Hisy roa vavy hanodina vato fikosoham-bary: Ny iray hoentina ary ny iray havela.” (Matio 24:40, 41) Ireo miomana no “hoentina” na hovonjena, rehefa horinganina ity tontolo ratsy ity. Ny hafa kosa “havela” ho ringana, satria nitady izay hahasoa ny tenany fotsiny. Mety ho anisan’izany ireo nahalala ny fahamarinana, nefa tsy nanohy niambina.

7. Inona no azontsika porofoina noho isika tsy mahafantatra ny fotoana hamaranana ity tontolo ity?

7 Azontsika porofoina fa manompo an’Andriamanitra amin’ny fo madio isika, rehefa tsy fantatsika ny andro hifaranan’ity tontolo tranainy ity. Nahoana? Tsy mazoto manompo an’i Jehovah intsony ny Kristianina sasany, satria toa ela loatra vao tonga ny farany. Tsy nanisy fepetra anefa isika, rehefa nanolo-tena hanompo an’i Jehovah. Fantatr’ireo mahalala an’i Jehovah, fa tsy hekeny mihitsy raha aloha kelin’ny fotoana hamaranany ity tontolo ity isika vao miseho ho be zotom-po. Mahita ny ao am-po mantsy izy.—1 Samoela 16:7.

8. Hazavao fa manampy antsika hiambina hatrany ny fitiavana an’i Jehovah.

8 Tena tia an’i Jehovah isika, ka faly tokoa manao ny sitrapony. (Salamo 40:8; Matio 26:39) Irintsika ny hanompo azy mandrakizay. Tsy mihen-danja izany faniriana izany, na dia tsy maintsy miandry ela kokoa noho ny noeritreretintsika aza isika. Miambina hatrany koa isika, satria tsy andrintsika ny hahitana ny fomba hanatanterahan’i Jehovah ny fikasany amin’io andro lehibe io. Tena maniry hampifaly an’Andriamanitra isika, ka mampihatra ny torohevitra ao amin’ny Teniny, ary manao ny Fanjakany ho loha laharana eo amin’ny fiainantsika. (Matio 6:33; 1 Jaona 5:3) Tokony hisy heriny eo amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika, sy ny fomba fiainantsika isan’andro ny hoe miambina hatrany isika. Andeha hojerentsika ny amin’izany.

Inona no hiafaran’ny fiainanao?

9. Nahoana ny olona eto amin’ity tontolo ity no mila mahatakatra haingana ny dikan’ny zava-mitranga ankehitriny?

9 Fahita ankehitriny ny olana lehibe sy ny fisehoan-javatra mahatsiravina. Olona maro no mahatsapa izany, ary mety tsy hahafaly azy ny fiainany. Fantany anefa ve ny tena dikan’ny zava-mitranga maneran-tany? Fantany ve fa eo ‘am-pifaranany ny rafitr’ity tontolo ity’? (Matio 24:3) Hainy ve fa “andro farany” izao, satria manjaka ny fitiavan-tena sy ny herisetra ary ny toetra ratsy? (2 Timoty 3:1-5) Mila mahatakatra izany haingana izy ireo, ka handinika izay hiafarany.

10. Inona no tsy maintsy ataontsika mba ho azo antoka fa miambina hatrany isika?

10 Ahoana ny amintsika? Mila mandray fanapahan-kevitra mifandray amin’ny asa, fahasalamana, fianakaviana, ary fanompoana, isika, isan’andro. Mahafantatra izay voalazan’ny Baiboly isika, ary miezaka mampihatra izany. Tokony hanontany tena àry isika hoe: ‘Ny fanahiana eo amin’ny fiainana ve no tsy ahafahako manatratra tanjona eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah? Ny filozofian’ity tontolo ity sy ny fomba fisainany ve no avelako hibaiko ny safidy ataoko?’ (Lioka 21:34-36; Kolosianina 2:8) Mila mampiseho foana isika fa matoky an’i Jehovah amin’ny fontsika manontolo, fa tsy miankina amin’ny fahalalantsika. (Ohabolana 3:5) “Hihazona mafy ny tena fiainana” isika amin’izay, dia ilay fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra.—1 Timoty 6:12, 19.

11-13. Inona no ianarantsika avy amin’izay nitranga a) tamin’ny andron’i Noa? b) tamin’ny andron’i Lota?

11 Maro ny ohatra fampitandremana ao amin’ny Baiboly manampy antsika hiambina hatrany. Diniho izay nitranga tamin’ny andron’i Noa. Nandefa fampitandremana ela be mialoha Andriamanitra. Tsy niraharaha anefa ny olona, afa-tsy i Noa sy ny ankohonany ihany. (2 Petera 2:5) Hoy i Jesosy momba izany: “Fa toy ny tamin’ny andron’i Noa, dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona. Fa tamin’izany andro izany, fony mbola tsy tonga ny safodrano, dia nihinana sy nisotro, nampaka-bady sy navoaka hampakarina ny olona, mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Noa tao amin’ny sambo fiara. Ary tsy niraharaha izy ireo mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra. Dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona.” (Matio 24:37-39) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Mila mandini-tena isika, sao mandany fotoana be loatra amin’ny zavatra mahazatra eo amin’ny fiainana, eny fa na dia ny asa fanaontsika andavanandro aza. Raha izany mantsy, dia ho lasa an-tsirambina ny asa asain’Andriamanitra ataontsika eo amin’ny toerana voalohany.—Romanina 14:17.

12 Eritrereto koa ny tamin’ny andron’i Lota. Nanan-karena i Sodoma, tanàna nipetrahan’i Lota sy ny fianakaviany. Ratsy fitondran-tena anefa ny mponina tao. Naniraka ny anjeliny àry i Jehovah mba handrava ilay tanàna. Nasain’ireo anjely niala tao Sodoma i Lota sy ny ankohonany, ary tsy navelany hiherika. Niala tao tokoa izy ireo rehefa nampaherezin’ireo anjely. Toa tsy nahafoy ny tranony tao Sodoma anefa ny vadin’i Lota. Tsy nankatò àry izy fa niherika, ka namoy ny ainy. (Genesisy 19:15-26) Nampitandrina antsika ny amin’ny hoavy i Jesosy, ka nilaza hoe: “Tsarovy ny vadin’i Lota.” Mihaino izany fampitandremana izany ve isika?—Lioka 17:32.

13 Voavonjy ireo nihaino ny fampitandreman’Andriamanitra. Anisan’izany i Noa sy ny fianakaviany ary Lota sy ny zanany vavy. (2 Petera 2:9) Mampisaintsaina ny fampitandremana raketin’ireo fitantarana ireo, nefa koa mampahery satria aseho ao fa hovonjena ireo tia ny fahamarinana. Manampy antsika hatoky izany, fa ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra “lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana.”—2 Petera 3:13.

‘Tonga ny ora fitsarana’!

14, 15. a) Inona avy no hitranga amin’ilay “ora” fitsarana? b) Inona no dikan’ny hoe ‘matahotra an’Andriamanitra sy manome voninahitra azy’?

14 Inona no ampoizintsika fa hitranga rehefa miambina hatrany isika? Miresaka ny fomba hahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra miandalana, ny bokin’ny Apokalypsy. Zava-dehibe ny hanarahana izay voalaza ao raha tiantsika ny ho vonona. Resahin’ilay faminaniana mazava tsara ny zavatra hiseho amin’ny “andron’ny Tompo”, izay nanomboka tamin’ny 1914, rehefa lasa mpanjaka tany an-danitra i Kristy. (Apokalypsy 1:10) Misarika ny saintsika ho amin’ny anjely iray ny Apokalypsy. Nasaina nitory ny “vaovao tsara mandrakizay” izy io. Nilaza tamin’ny feo mafy izy io hoe: “Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra izy, satria tonga ny ora fitsarany.” (Apokalypsy 14:6, 7) Fotoana fohy ihany io “ora” fitsarana io. Amin’io fotoana io no hanambarana sy hampiharana ny didim-pitsarana resahina ao amin’ilay faminaniana. Efa miaina amin’io fotoana io isika ankehitriny.

15 Ampirisihina ‘hatahotra an’Andriamanitra sy hanome voninahitra azy’ isika ankehitriny, dieny mbola tsy mifarana ilay ora fitsarana. Inona no dikan’izany? Hanalavitra ny ratsy isika raha tena matahotra an’Andriamanitra. (Ohabolana 8:13) Hihaino sy hanaja lalina azy koa isika raha manome voninahitra azy. Hamaky tsy tapaka ny Teniny isika fa tsy hieritreritra hoe sahirana loatra. Tsy hanamaivana ny fampirisihany antsika hanatrika fivoriana kristianina isika. (Hebreo 10:24, 25) Raisintsika ho voninahitra ny mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’ny Mesia, ary hazoto hanao izany isika. Hatoky an’i Jehovah amin’ny fontsika manontolo foana isika. (Salamo 62:8) Ekentsika fa i Jehovah no Mpanjakan’izao Rehetra Izao. Manome voninahitra azy isika noho izany, ka izy no avelantsika hibaiko ny fiainantsika. Matahotra an’Andriamanitra tokoa ve ianao, ka manome voninahitra azy amin’ireo fomba ireo?

16. Nahoana no lazaina fa efa nihatra ny didim-pitsarana momba an’i Babylona Lehibe ao amin’ny Apokalypsy 14:8?

16 Miresaka lafin-javatra hafa hitranga amin’ny ora fitsarana ny Apokalypsy toko faha-14. I Babylona Lehibe, na ny fivavahan-diso rehetra, no resahiny voalohany toy izao: “Nisy anjely hafa faharoa avy eo, nanao hoe: ‘Nianjera, nianjera i Babylona Lehibe’ ”! (Apokalypsy 14:8) Efa nianjera tokoa i Babylona Lehibe, araka ny fomba fijerin’Andriamanitra. Nangeja olona sy firenena nandritra ny an’arivony taona ny foto-pinoany sy ny fombafombany. Afaka tamin’izany anefa ireo voahosotra mpanompon’i Jehovah, tamin’ny 1919. (Apokalypsy 17:1, 15) Afaka nanokan-tena hampandroso ny fivavahana marina àry izy ireo. Tamin’izay no nanomboka notorina eran-tany ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.—Matio 24:14.

17. Inona no ilaintsika hatao, mba hivoahana ao amin’i Babylona Lehibe?

17 Tsy izay ihany anefa no didim-pitsaran’Andriamanitra momba an’i Babylona Lehibe. Ho ringana tsy ho ela izy io. (Apokalypsy 18:21) Izany no antony ampirisihan’ny Baiboly ny olona rehetra hoe: “Mivoaha ao amin[’i Babylona Lehibe], ... raha tsy tianareo ny hiombona ota aminy.” (Apokalypsy 18:4, 5) Ahoana no hivoahantsika amin’i Babylona Lehibe? Tsy ampy ny manapaka ny fifandraisana amin’ny fivavahan-diso. Manan-kery amin’ny lafin-javatra maro mantsy izy io. Anisan’izany ny fety sy fombafomba be mpitia, fileferana amin’ny fitondran-tena maloto, fampirisihana hanao fialam-boly misy ifandraisany amin’ny fanahy ratsy, ary ny maro hafa. Raha tiantsika àry ny hiambina hatrany, dia zava-dehibe ny hampisehoantsika amin’izay ataontsika sy irintsika, fa misaraka tanteraka amin’i Babylona Lehibe isika.

18. Inona no tsy hataon’ny Kristianina mailo rehefa dinihina ny Apokalypsy 14:9, 10?

18 Miresaka zavatra hafa momba ‘ny ora fitsarana’ ny Apokalypsy 14:9, 10. Nisy anjely hafa nilaza hoe: “Raha misy mivavaka amin’ny bibidia sy ny sariny ka mandray marika eo amin’ny handriny na eo amin’ny tanany, dia hisotro koa ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra.” Nahoana? Satria ny fitondran’olombelona tsy manaiky ny zon’i Jehovah hitondra no tondroina amin’ny hoe “bibidia sy ny sariny.” Tsy manaiky hasiana marika ny Kristianina mailo. Asehony amin’ny fomba fisainany sy ny zavatra ataony, fa tsy mpanompon’ireo tsy manaiky an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, ho Mpanjakan’izao rehetra izao, izy. Fantatry ny Kristianina fa efa miorina any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra. Hamarana ny fitondran’olombelona rehetra izy io, ary haharitra mandrakizay.—Daniela 2:44.

Aza hadinoina fa efa akaiky ny farany!

19, 20. a) Inona no azontsika antoka fa hataon’i Satana, arakaraka ny hanatonan’ny farany? b) Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?

19 Hitombo ny olana sy ny fakam-panahy, arakaraka ny hanatonan’ny farany. Hisy hatrany ny zava-mampahory raha mbola tsy lavorary sy miaina eto amin’ity tontolo ity isika. Anisan’izany ny aretina, fahanterana, fahafatesan’ny havana, ary ratram-po. Diso fanantenana koa isika indraindray, rehefa miezaka mafy mitory ny Tenin’Andriamanitra nefa ny olona tsy liana. Aza hadinoina mihitsy fa hararaotin’i Satana ny olana mahazo antsika, mba hahatonga antsika hilavo lefona, izany hoe tsy hitory ny vaovao tsara intsony, na tsy hiaina mifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra intsony. (Efesianina 6:11-13) Tsy izao mihitsy no fotoana tokony hanadinoantsika fa efa akaiky ny farany!

20 Fantatr’i Jesosy tsara fa hiaritra zava-tsarotra maro isika, ka mety hilavo lefona. Nanoro hevitra antsika àry izy hoe: “Miambena hatrany ... satria tsy fantatrareo ny andro hiavian’ny Tomponareo.” (Matio 24:42) Aoka àry isika hitadidy fa efa tena akaiky ny farany. Aoka isika ho mailo amin’ny fandrik’i Satana, izay mety hahatonga antsika tsy harisika intsony na hiala amin’ny fahamarinana mihitsy aza. Aoka isika ho tapa-kevitra kokoa hazoto hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Eny, aoka isika hitadidy fa efa akaiky ny farany, ka hihaino ny fampitandreman’i Jesosy hoe: “Miambena hatrany.” Hanome voninahitra an’i Jehovah isika raha manao izany, sady ho anisan’ireo hahazo fitahiana mandrakizay. 

Ahoana no Havalinao?

• Hazavao fa mihatra amin’ny tena Kristianina ilay fampitandreman’i Jesosy hoe “miambena hatrany.”

• Inona no ohatra fampitandremana ao amin’ny Baiboly manampy antsika ‘hiambina hatrany’?

• Inona ilay ora fitsarana, ary ampirisihina hanao inona isika alohan’ny hifaranan’izy io?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Nampitovin’i Jesosy tamin’ny fiavian’ny mpangalatra ny fiaviany

[Sary, pejy 24]

Haringana tsy ho ela i Babylona Lehibe

[Sary, pejy 25]

Aoka isika ho tapa-kevitra kokoa hazoto hitory ny vaovao tsara