Ry Ray Aman-dreny, Hoavy Manao Ahoana no Irinareo ho An’ny Zanakareo?
Ry Ray Aman-dreny, Hoavy Manao Ahoana no Irinareo ho An’ny Zanakareo?
“Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy ... samia midera ny anaran’i Jehovah avokoa.”—SALAMO 148:12, 13.
1. Inona no mampanahy ny ray aman-dreny?
IZA moa no ray aman-dreny tsy hanahy ny amin’ny hoavin-janany? Vao teraka ilay zaza, na alohan’izany mihitsy aza, dia efa mieritreritra izay hahasoa azy izy ireo. Ho salama tsara ve izy? Hitombo tsara ve? Miampy ny fanahian’izy ireo, rehefa mihalehibe ilay zaza. Ny tsara indrindra no irin’ny ray aman-dreny ho an-janany amin’ny ankapobeny.—1 Samoela 1:11, 27, 28; Salamo 127:3-5.
2. Nahoana ny ray aman-dreny maro no maniry mafy ny hananan’ny zanany fiainana tsara rehefa lehibe?
2 Sarotra ho an’ny ray aman-dreny anefa ankehitriny ny manome ny tsara indrindra ho an-janany. Maro amin’izy ireo mantsy no nandia fotoan-tsarotra, toy ny ady, korontana politika, fahasahiranana ara-bola, fijaliana, sy ny sisa. Mazava ho azy fa tsy iriny handalo amin’izany ny zanany. Mety hahamarika koa ny ray aman-dreny any amin’ny tany manankarena, fa toa tafita sy tsara asa ny zanaky ny namany sy ny havany. Mihevitra koa àry izy ireo fa tsy maintsy manao izay ho vitany, mba hananan’ny zanany fiainana miadana sy milamina na fiainana tsara, rehefa lehibe.—Mpitoriteny 3:13.
Mifidy ny hanana fiainana tsara
3. Inona no safidy ataon’ny Kristianina?
3 Mifidy ny hanolo-tena ho an’i Jehovah ny Kristianina mpanara-dia an’i Jesosy Kristy. Mandray am-po ireto tenin’i Jesosy ireto izy: “Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handa ny tenany ka hitondra ny hazo fijaliany isan’andro ary hanaraka ahy mandrakariva.” (Lioka 9:23; 14:27) Mila mahafoy tena tokoa ny Kristianina. Tsy midika anefa izany fa tsy maintsy mahantra sy ory izy. Sambatra sy afa-po kosa izy, izany hoe tsara ny fiainany, satria manome ho an’ny hafa, araka ny tenin’i Jesosy hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35.
4. Inona no nampirisihan’i Jesosy ny mpanara-dia azy?
Matio 23:2-4) Tsy nikatsaka izay hahasoa ny tenany intsony anefa ny maro, rehefa nahare momba an’i Jesosy, fa lasa nanaraka azy. Nisy mihitsy aza nahafoy ny asany. (Matio 4:18-22; 9:9; Kolosianina 4:14) Nanaonao foana sy tsy nitsinjo ny hoaviny ve ireo mpianatra ireo? Mariho ny tenin’i Jesosy hoe: “Izay rehetra efa nahafoy trano na rahalahy na anabavy na ray na reny na zanaka na tany noho ny anarako, dia hahazo be lavitra raha oharina amin’izay nafoiny, ary handova fiainana mandrakizay.” (Matio 19:29) Nanome toky ny mpanara-dia azy i Jesosy fa fantatry ny Ray any an-danitra izay ilain’izy ireo. Nampirisika àry izy hoe: “Katsaho hatrany àry aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany.”—Matio 6:31-33.
4 Sarotra be ny fiainana tamin’ny andron’i Jesosy. Tsy maintsy nitady fivelomana ny olona sady niaritra ny fitondrana henjana nataon’ny Romanina. Nizaka ny tsy eran’ny aina koa izy ireo, noho ny nataon’ny mpivavaka mpanaraka fombafomba. (5. Ahoana no fiheveran’ny ray aman-dreny sasany ny toky nomen’i Jesosy fa hikarakara ny mpanompony Andriamanitra?
5 Mitovitovy amin’izany koa ankehitriny. Fantatr’i Jehovah izay ilaintsika, ary matoky ireo mikatsaka voalohany ilay Fanjakana, indrindra ny mpanompo manontolo andro, fa hikarakara azy ireo izy. (Malakia 3:6, 16; 1 Petera 5:7) Tsy tena mino an’izany anefa ny ray aman-dreny sasany. Marina fa irin’izy ireo hanompo bebe kokoa an’i Jehovah ny zanany, angamba aza hanompo azy manontolo andro mihitsy. Kanefa rehefa mandinika ny toe-karena izy ireo ary mahita fa sarotra ny mitady asa, dia izay hahatafita ny zanany amin’ny fianarana aloha no imasoany. Mihevitra izy ireo fa hanana asa tsara ny zanany amin’izay, na fara faharatsiny, hisy zavatra azony ianteherana rehefa misy ilana izany. Mieritreritra ireo ray aman-dreny ireo fa mila manao fianarana ambony ny zanany.
Manomana ny hoavy
6. Inona no hevitry ny hoe “fianarana ambony” ato amin’ity lahatsoratra ity?
6 Samy manana ny rafi-pampianarany ny firenena tsirairay. Maharitra 12 taona, ohatra, ny fianarana any amin’ny sekolim-panjakana eto Madagasikara. Aorian’izay, dia mety hisy mpianatra hifidy ny hanohy ny fianarany any amin’ny oniversite mandritra ny efa-taona na mahery. Mahazo diplaoma izy ireo, toy ny diplaomana dokotera, mpahay lalàna, enjeniera, sy ny sisa. Ny fianarana any amin’ny oniversite toy izany no atao hoe “fianarana ambony” ato amin’ity lahatsoratra ity. Misy koa ny sekoly teknika na fampiofanana arak’asa. Fohy kokoa ny fotoam-pianarana any amin’izy ireny, ary ahazoana taratasy fanamarinana na diplaoma momba ny asa tanana na asa madinika.
7. Ampirisihin’ny mpampianatra sy ny hafa hanao inona ny mpianatry ny lise?
7 Omanina hanao fianarana ambony mazàna ny mpianatra, dieny any amin’ny lise. Izay taranja hahazoan’izy ireo naoty ambony rehefa hifaninana hiditra any amin’ny oniversite àry no ifantohan’ny ankamaroan’ny lise, fa tsy izay hanampiana azy ireo hahita asa. Mampirisika mafy ny mpianatra handeha any amin’ny oniversite tsara indrindra, ireo mpampianatra, mpanolo-tsaina, ary mpiara-mianatra. Manantena izy ireo fa hahita asa tsara sy be karama ireo mpianatra, rehefa mahazo diplaoma.
8. Inona no safidy manoloana ny ray aman-dreny kristianina?
8 Inona àry no tokony hataon’ny ray aman-dreny kristianina? Mazava ho azy fa tiany hianatra tsara sy hahay ny zanany, mba ho afaka hamelon-tena rahatrizay. (Ohabolana 22:29) Tokony havelany hifindra amin’ny zanany anefa ve ny toe-tsain’ity tontolo ity, izay mifaninana mba ho tafita sy hanan-karena? Inona no tanjona ampirisihany hotratrarin’ireo zanany, amin’ny alalan’ny teny lazainy sy ny ohatra omeny? Misy ray aman-dreny miasa mafy sy manangom-bola, mba handefasana ny zanany any amin’ny oniversite. Misy aza vonona hidi-trosa mihitsy. Tsy ny lafiny ara-bola fotsiny anefa no tokony hodinihina akaiky, rehefa hanapa-kevitra ny hanao fianarana ambony na tsia. Inona koa no tokony hodinihina?—Lioka 14:28-33.
Vidina lafo ve ny manao fianarana ambony?
9. Inona no azo lazaina momba ny saran’ny fianarana ambony?
9 Vola no tonga ao an-tsaina matetika rehefa mieritreritra ny hoe vidiny. Ny fanjakana no miantoka ny lany amin’ny fianarana ambony any amin’ny tany sasany, ary tsy voatery mandoa saram-pianarana ny ankizy mahay. Tsy mitsahatra ny mihalafo anefa izany saram-pianarana izany any amin’ny tany maro. Hoy ny lahatsoratra tao amin’ny Gazetin’i New York (anglisy): “Ny fanaovana fianarana ambony no heverin’ny olona fa lalana mitondra ho amin’ny fahombiazana. Vao mainka mampiharihary ny tsy fitovian’ny manankarena sy ny mahantra anefa izy io izao.” Midika izany fa lasa ny manankarena sy ny manam-pahefana ihany no afaka mampianatra ny zanany any amin’ny oniversite tsara. Alefany any ny zanany mba hahazoana antoka fa ho lasa mpanankarena sy manam-pahefana koa. Tanjona toy izany ve no tokony hofidin’ny ray aman-dreny kristianina ho an-janany?—Filipianina 3:7, 8; Jakoba 4:4.
10. Hazavao fa mifandray akaiky ny fianarana ambony sy ny fampandrosoana an’ity tontolo ity.
10 Mety hisy tsininy ihany ny fanaovana fianarana ambony, na dia maimaim-poana aza. Milaza, ohatra, Ny Gazetin’i Wall Street (anglisy) fa “toy ny piramida ny rafi-pampianarana” any amin’ny tany iray any Atsimoatsinanan’i Azia. “Tsy menatra akory ny fanjakana manampy tosika an’ireo mpianatra mahay indrindra, mba hisondrotany hatrany amin’ny tampony.” Inona ilay “tampony”? Ny fidirana any amin’ireo oniversite malaza indrindra eran-tany, toy ny any Oxford sy Cambridge any Angletera, Harvard any Etazonia, ary ny hafa. Nahoana ny fanjakana any amin’io tany io no manao izany fandaharana lavitra ezaka izany? “Mba hampandrosoana ny toe-karem-pirenena”, hoy ilay gazety. Marina fa maimaim-poana tokoa ny fianaran’ireo mpianatra ireo, nefa voatery manokana ny fiainany hampandrosoana an’ity tontolo ity izy. Izay no takalony! Izany no katsahin’ny maro eto amin’ity tontolo ity, nefa izany ve no irin’ny ray aman-dreny kristianina ho an-janany?—Jaona 15:19; 1 Jaona 2:15-17.
11. Inona no lazain’ny tatitra momba ny fibobohana toaka sy ny fitondran-tena maloto any amin’ny oniversite?
11 Tsara hodinihina koa ny fitondran-tena fahita any amin’ny oniversite sy ny fonenan’ny mpianatra. Malaza amin’ny fitondran-tena ratsy ireny toerana ireny. Ao ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fibobohana toaka, fitondran-tena maloto, hosoka, fisedrana an’ireo mpianatra vao miditra, ary ny maro hafa. Diniho, ohatra, ny fibobohana toaka. Fanaon’ny tanora ny misotro mba ho mamo fotsiny. Hoy ny gazety Mpahay Siansa Vaovao (anglisy) momba izany: “Efa ho ny antsasak’[ireo mpianatry ny oniversiten’i Etazonia] no mimamo indray mandeha isaky ny tapa-bolana, fara fahakeliny.” Fahita koa izany eo amin’ireo tanora any Aostralia, Grande-Bretagne, Rosia, ary tany hafa. Raha ny fitondran-tena maloto indray no resahina, dia ny “fiarahana indray alina” no ambentin-dresaky ny mpianatra. Manazava izany toy izao ny Herinandrom-baovao (anglisy): ‘Entina ilazana olon-droa mifanoroka na manao firaisana indray mandeha izy io, nefa tsy manam-pikasana ny hiaraka na hifampiresaka akory avy 1 Korintianina 5:11; 6:9, 10.
eo.’ Asehon’ny fanadihadiana fa 60 ka hatramin’ny 80 isan-jaton’ny mpianatra no manao izany. “Hafahafa ianao raha mpianatry ny oniversite nefa tsy manao izany”, hoy ny mpikaroka iray.—12. Inona avy no fanahian’ny mpianatry ny oniversite?
12 Eo koa ny fanahiana noho ireo entimody sy fanadinana. Mazava ho azy fa mila mianatra sy manao ny entimodiny ny mpianatra, raha te ho afa-panadinana. Misy koa voatery miasa tapa-potoana sady mianatra. Mitaky fotoana sy hery be izany. Mbola hanam-potoana sy hery hanaovana asa kristianina ihany ve ireo mpianatra? Inona no hajanony rehefa mahatsiaro ho tototra izy? Mbola ho loha laharana eo amin’ny fiainany ve ilay Fanjakana, sa ho lasa ambanin-javatra? (Matio 6:33) Mampirisika ny Kristianina ny Baiboly hoe: “Mitandrema tsara hatrany mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty tsara ny fotoana, fa ratsy izao andro izao.” (Efesianina 5:15, 16) Mampalahelo fa nisy niala tamin’ny finoana, satria tsy nanam-potoana sy hery hanompoana an’i Jehovah intsony, na voafandriky ny fitondran-tena ratsy fahita any amin’ny oniversite!
13. Inona avy no fanontaniana tsy maintsy dinihin’ny ray aman-dreny kristianina?
13 Marina aloha fa tsy any amin’ny oniversite Ohabolana 22:3; 2 Timoty 2:22) Na dia andraisan-tsoa aza ilay fianarana, tokony hisangiana loza toy izany ve? Ary ny tena zava-dehibe dia ny hoe: Inona no ampianarina an’ireo mpianatry ny oniversite fa tokony ho loha laharana eo amin’ny fiainany? * (Filipianina 1:10; 1 Tesalonianina 5:21) Tsy maintsy mandinika tsara amim-bavaka an’ireo fanontaniana ireo ny ray aman-dreny, ary mieritreritra ny loza mety hateraky ny fandefasana ny zanany hianatra any amin’ny tanàna na tany hafa.
na ny fonenan’ny mpianatra ihany no ahitana fitondran-tena ratsy sy fanahiana toy izany. Mahazatra ny tanora maro eto amin’ity tontolo ity anefa izany, ary heveriny ho fiainana ara-dalàna eny amin’ny oniversite. Tokony hinia hamela ny zanany hisetra izany mandritra ny efa-taona na mihoatra ve ny ray aman-dreny kristianina? (Inona no safidy hafa azo atao?
14, 15. a) Inona no torohevitra omen’ny Baiboly na dia eo aza ny hevitry ny maro? b) Inona avy no fanontaniana azon’ny tanora eritreretina?
14 Maro no mihevitra fa ny fianarana any amin’ny oniversite ihany no hahatafita ny tanora. Tsy manaraka ambokony ny hevitry ny maro anefa ny Kristianina, fa mankatò ny fampitandreman’ny Baiboly hoe: “Aza manaiky hovolavolain’ity tontolo ity intsony, fa miovà ka havaozy ny sainareo, mba handinihanareo tsara ka hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.” (Romanina 12:2) Inona no sitrapon’Andriamanitra ho an’ny vahoakany, na antitra izy na tanora, amin’izao tapany farany amin’ny andro farany izao? Nampirisika an’i Timoty i Paoly hoe: “Aoka ianao ho mailo foana amin’ny zava-drehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ny mpitory ny vaovao tsara, ary tanteraho tsara ny fanompoanao.” Azo antoka fa mahakasika antsika rehetra ireo teny ireo.—2 Timoty 4:5.
15 Tokony ho “mailo foana” isika rehetra, mba tsy hifindran’ny toe-tsaina tia vola loatra fahita eto amin’ity tontolo ity. Midika izany fa tokony hifantoka amin’ny fanompoana an’i Jehovah isika. Raha tanora ianao, dia manontania tena hoe: ‘Miezaka mafy “hanatanteraka ny fanompoako” ve aho, izany hoe hahafeno fepetra ho mpitory ny Tenin’Andriamanitra? Inona no kasaiko hatao mba hanatontosako “tsara” ny fanompoako? Efa nieritreritra ny hanao ny fanompoana manontolo andro ho anton’asa ve aho?’ Tsy mora ny mandini-tena toy izany, indrindra rehefa hitanao hoe mikatsaka izay hahasoa ny tenany, na “mitady zavatra lehibe” heveriny fa hahatafita azy, ny tanora hafa. (Jeremia 45:5) Hendry àry ny ray aman-dreny kristianina, ka zariny dieny mbola kely ny zanany hianatra momba an’Andriamanitra sy hifanerasera amin’ireo mpanompony.—Ohabolana 22:6; Mpitoriteny 12:1; 2 Timoty 3:14, 15.
16. Inona no azon’ny ray aman-dreny kristianina atao, mba hanazarana ny zanany hifanerasera amin’ny mpanompon’Andriamanitra?
16 Nanompo manontolo andro nandritra ny taona maro ny vehivavy iray. Manan-janaka telo lahy izy, ary hoy ny lahimatoany: “Nanara-maso akaiky ny olona nifaneraseranay i Neny. Tsy nifanerasera tamin’ny mpiara-mianatra taminay izahay, fa tamin’ny Kristianina fakan-tahaka teo anivon’ny fiangonana ihany. Nanasa tsy tapaka an’ireo mpanompo manontolo andro koa izy, toy ny misionera, mpiandraikitra mpitety faritany, Betelita, ary mpisava lalana. Lasa te hanompo manontolo andro izahay, rehefa nahare ny zavatra niainan’izy ireo sy nahita ny fifaliany.” Mahafaly tokoa ny mahita azy telo mirahalahy manompo manontolo andro ankehitriny! Betelita ny iray, nanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana ny iray, ary ny iray mpisava lalana!
17. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana ny zanany hifidy izay taranja sy asa hatao? (Jereo ny efajoro pejy 29.)
17 Ankoatra ny fifaneraserana tsara, dia tsy maintsy manome tari-dalana tsara ho an-janany, momba izay taranja sy asa fidina hatao, ny ray aman-dreny. Tsara atomboka dieny izy ireo mbola kely izany. Hoy ny tanora iray manompo *
any amin’ny Betela: “Mpisava lalana i Dada sy Neny taloha sy taorian’ny nivadian’izy ireo. Nataon’izy ireo izay hitiavanay rehetra ny asan’ny mpisava lalana. Nila nifidy izay taranja hatao any am-pianarana, ohatra, izahay indraindray, na nila nandray fanapahan-kevitra nisy fiantraikany teo amin’ny hoavinay. Nampirisihin’izy ireo foana izahay mba hanao safidy hahafahanay hahita asa tapa-potoana ary hanao ny asan’ny mpisava lalana.” Tokony hifidy izay taranja hahafahana hanompo an’Andriamanitra manontolo andro àry ny ray aman-dreny sy ny zanany, fa tsy izay taranja hahafahana hiditra any amin’ny oniversite.18. Inona no asa azon’ny tanora eritreretina hatao?
18 Araka ny fandinihana natao, dia olona hanao asa tanana sy asa madinika no tena ilaina any amin’ny tany maro, fa tsy olona nahazo diplaoman’ny oniversite. Hoy ny gazetiboky Etazonia Ankehitriny (anglisy): ‘Tsy hila diplaoman’ny oniversite ny telo ampahefatry ny mpiasa, amin’ireo folo taona ho avy, fa diplaoma avy amin’ireo ivon-toerana na taratasy fanamarinana avy amin’ny sekoly teknika kosa.’ Fohy ny fotoam-pianarana any amin’ny ankamaroan’ireny sekoly ireny, sady mampianatra hanao asa birao, hanamboatra fiara na ordinatera, hikarakara fantson-drano, hanao volo, sy ny sisa. Tsara ve ny asa toy izany? Eny! Tsy manintona araka ny ieritreretan’ny sasany azy angamba izy ireny, nefa ahafahana mamelon-tena. Azo ampifanarahina amin’izay ilain’ireo manao ny fanompoana an’i Jehovah ho asa lehibe indrindra eo amin’ny fiainany koa izy ireny.—2 Tesalonianina 3:8.
19. Inona no azo antoka fa tena mahasambatra sy mahafa-po?
19 Mampirisika ny Baiboly hoe: “Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy ... samia midera ny anaran’i Jehovah avokoa, fa ny anarany ihany no misandratra; ambonin’ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.” (Salamo 148:12, 13) Tsy isalasalana mihitsy fa tena mahasambatra sy mahafa-po kokoa ny fanaovana ny fanompoana an’i Jehovah ho anton’asa, raha mitaha amin’ny toerana ambony sy ny valisoa atolotr’ity tontolo ity. Tadidio ny toky omen’ny Baiboly hoe: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany.”—Ohabolana 10:22.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 13 Hitan’ny olona ao amin’ireto fitantarana ireto, fa sarobidy kokoa noho ny fianarana any amin’ny oniversite ny fampianaran’Andriamanitra: Jereo ny Mifohaza! 8 Febroary 2004, pejy 21-25; sy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 2000, pejy 24-28.
^ feh. 17 Jereo ny Mifohaza! 8 Oktobra 1998, “Fitadiavana Fiainana Feno Filaminan-tsaina” pejy 4-8, sy “Asa Inona no Tokony Hofidiko Hatao eo Amin’ny Fiainako?” ao amin’ny boky Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra, pejy 174-179.
Hainao Hazavaina Ve?
• Inona no atokisan’ny Kristianina fa hiantoka hoavy tsara ho azy?
• Inona no zava-tsarotra atrehin’ny ray aman-dreny kristianina mahakasika ny hoavin-janany?
• Inona no tsy maintsy dinihina rehefa mieritreritra izay ho vokatry ny fanaovana fianarana ambony?
• Ahoana no anampian’ny ray aman-dreny ny zanany hanao ny fanompoana an’i Jehovah ho anton’asa?
[Fanontaniana]
[Efajoro, pejy 29]
Mahasoa ve ny Fianarana Ambony?
Manantena hahazo diplaoma hahitana asa maharitra sy be karama ny ankamaroan’ny olona mankany amin’ny oniversite. Asehon’ny tatitry ny governemanta amerikanina anefa, fa ny ampahefatr’izy ireo monja no mahazo diplaoma ao anatin’ny enin-taona. Mampahonena tokoa izany! Azo antoka anefa ve fa hahazo asa tsara ireo nahazo diplaoma ireo? Mariho ny vokatr’ireto fikarohana sy fanadihadiana ireto:
“Tsy voatery hahita asa tsara sy be karama kokoa ireo mankany amin’ny [oniversiten’i] Harvard sy Duke. ... Tsy fantatry ny orinasa loatra ny mombamomba an’ireo tanora mitady asa ao aminy. Mety hampiaiky volana ny diplaoma azo tany amin’ny oniversite amerikanina malaza, nefa izay ho vitan’ilay olona na tsy ho vitany no tena zava-dehibe amin’ny mpampiasa.”—Herinandrom-baovao, 1 Novambra 1999.
‘Mitaky fahaizana kokoa noho ny taloha ny asa fahita ankehitriny. Tsy ny fahaizana rantovina any amin’ny oniversite anefa no tena ilaina, fa izay nianarana tany amin’ny lise, toy ny matematika sy ny fahaizana mamaky teny sy manoratra tsara. Tsy voatery mankany amin’ny oniversite ny mpianatra vao hahazo asa tsara. Tsy maintsy mahafehy tsara izay ianarany any amin’ny lise kosa izy ireo.’—Mpanabe Amerikanina (anglisy), Lohataona 2004.
“Tsy mijery izay tena ilaina eo amin’ny fiainana ny ankamaroan’ny oniversite, rehefa manomana ny ankizy ho amin’ny sehatry ny asa. Lasa be mpitia ny sekoly fampiofanana arak’asa. ... Nitombo 48 isan-jato ny isan’ny mpianatra any amin’izy ireny teo anelanelan’ny 1996 sy 2000. ... Lasa tsy dia misy vidiny loatra kosa ireo diplaoman’ny oniversite, izay tena lafo sy mandany fotoana.”—Fotoana (anglisy), 24 Janoary 2005.
“Mampanahy ny tombantombana nataon’ny Sampan-draharaha Amerikanina Momba ny Asa ho an’ny taona 2005. Voalaza fa ny ampahatelon’ireo nianatra efa-taona tany amin’ny oniversite, fara fahakeliny, no tsy hahita asa mifanentana amin’ny diplaomany.”—Ny Mpilaza ny Hoavy (anglisy), Jolay/Aogositra 2000.
Mihamaro àry ny mpanabe misalasala raha tena mahasoa ny manao fianarana ambony ankehitriny. “Tsy mifanentana amin’ny tanjona tiana hotratrarina ny zavatra ampianarintsika ny olona”, hoy ilay gazetiboky Ny Mpilaza ny Hoavy. Mariho kosa izay lazain’ny Baiboly momba an’Andriamanitra: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao. Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao.”—Isaia 48:17, 18.
[Sary, pejy 26]
Tsy nikatsaka izay hahasoa ny tenany intsony izy ireo, fa nanaraka an’i Jesosy
[Sary, pejy 31]
Zarin’ny ray aman-dreny kristianina hifanerasera amin’ny mpanompon’i Jehovah ny zanany, dieny mbola kely