Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsara Ofana ve ny Feon’ny Fieritreretanao?

Tsara Ofana ve ny Feon’ny Fieritreretanao?

Tsara Ofana ve ny Feon’ny Fieritreretanao?

“TSAPAKO fa tsy mety izany.” “Tsy ho afaka hanao izay asainao ataoko aho, satria tsy mandry ny eritreritro.” Efa nisy fotoana nitenenanao toy izany ve? Izany ilay antsoina hoe “feon’ny” fieritreretana. Izy io dia ny fahatsapan’ny olona iray na fahafantarany ny atao hoe tsara sy ratsy, ka manala tsiny na manameloka azy. Efa raiki-tampisaka ao amintsika olombelona izy io.

Mbola afaka manavaka ny tsara sy ny ratsy ihany ny olona, na dia tafasaraka amin’Andriamanitra aza. Noforonina tahaka ny endrik’Andriamanitra mantsy izy ireo, ka afaka manome taratry ny toetrany, toy ny fahendrena sy ny fahitsiana. (Genesisy 1:26, 27) Nahazo herin’ny fanahy masina ny apostoly Paoly, ka izao no nosoratany momba izany: “Manao izay takin’ny lalàna ny olona hafa firenena tsy manana lalàna, satria voajanahary aminy izany. Koa isaky ny manao izany ireny olona ireny, dia efa lalàna ho an’ny tenany izy, na tsy manana lalàna aza. Ny tenany mihitsy no mampiseho fa voasoratra ao am-pony ny votoatin’ny lalàna, sady ny feon’ny fieritreretany koa no vavolombelona miaraka aminy, ka ny eritreriny ihany no miampanga azy na manala tsiny azy mihitsy aza.” *Romanina 2:14, 15.

“Lalàna” na fitsipika mifehy ny fitondran-tena io toetra nolovana avy tamin’i Adama olombelona voalohany io, ary ao anatin’ny olona avy amin’ny foko sy firenena rehetra. Tsy inona izy io fa ny fahaizantsika mandinika sy mamoaka didim-pitsarana momba ny tenantsika. (Romanina 9:1) Naneho izany i Adama sy Eva rehefa niafina, taorian’ny nandikany ny lalàn’Andriamanitra. (Genesisy 3:7, 8) Ohatra hafa mampiseho ny fomba fiasan’io feon’ny fieritreretana io koa, ny fihetsik’i Davida Mpanjaka, rehefa tsapany fa nanota izy tamin’izy nampanao fanisam-bahoaka. Milaza ny Baiboly fa ‘namely an’i Davida ny eritreriny.’—2 Samoela 24:1-10.

Voatosika hanao dingana tena lehibe isika, noho isika afaka mitodika ny lasa sy mitsara ny fitondran-tenantsika. Tsy inona izany fa ny fibebahana eken’Andriamanitra. Hoy ny nosoratan’i Davida: “Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra noho ny fitarainako mandrakariva. Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: Hiaiky ny fahadisoako amin’i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.” (Salamo 32:3, 5) Hamerina ny mpanota ho amin’Andriamanitra àry ny feon’ny fieritreretany, raha miasa tsara. Izy io no hanampy azy hahatakatra fa tokony hitady ny famelan’Andriamanitra izy, ary hanaraka ny lalany.—Salamo 51:1-4, 9, 13-15.

Manome fampitandremana na tari-dalana antsika koa ny feon’ny fieritreretana, rehefa mila manapa-kevitra momba izay tokony hatao isika. Io feon’ny fieritreretana io angamba no nanampy an’i Josefa hahatakatra mialoha, fa ratsy sy tsy azo ekena ary fahotana amin’Andriamanitra ny fijangajangana. Tatỳ aoriana mantsy vao nisy lalàna mazava nandrara ny fijangajangana, nomena ny Israely tamin’ny alalan’ny Didy Folo. (Genesisy 39:1-9; Eksodosy 20:14) Miharihary fa vao mainka handray soa isika, raha tsy natao hitsara fotsiny ny feon’ny fieritreretantsika, fa nampiofanina mba hitari-dalana antsika koa. Mitari-dalana anao ve ny feon’ny fieritreretanao?

Ampiofano handray fanapahan-kevitra tsara ny feon’ny fieritreretanao

Na fanomezana tsara aza ny feon’ny fieritreretana nolovantsika, dia mampalahelo fa misy tsininy izy io. Na dia nomena fiandohana tonga lafatra aza mantsy ny olona, dia “samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.” (Romanina 3:23) Mety ho simba ny feon’ny fieritreretantsika noho ny fahotana sy ny tsy fahalavorariana, ary mety tsy hiasa tsara intsony araka izay nikasana azy tany am-boalohany. (Romanina 7:18-23) Mety hisy vokany eo amin’ny fieritreretantsika koa ny zava-miseho etỳ ivelany. Mety hanan-kery eo amin’izy io ny fitaizana azontsika, na ny fomba amam-panao sy ny zavatra inoana ary ny tontolo manodidina. Azo antoka fa tsy ny fitsipi-pitondran-tena ratsy eto amin’ity tontolo ity no hamaritana ny atao hoe feon’ny fieritreretana madio.

Tena mila ny fanampian’ireo fitsipika marina sy tsy miovaova hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra àry ny Kristianina. Ireny fitsipika ireny no afaka mibaiko ny feon’ny fieritreretantsika, mba hahafahantsika hamantatra sy hanitsy izay diso. (2 Timoty 3:16) Afaka misakana antsika tsy hanao zavatra mety hanimba ny fitondran-tenantsika ny feon’ny fieritreretantsika, rehefa ampiofanina mifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra. Ho haintsika amin’izay ny “hanavaka ny tsara sy ny ratsy.” (Hebreo 5:14) Raha tsy eo ny fitsipik’Andriamanitra, dia mety tsy hampitandrina antsika akory ny feon’ny fieritreretantsika, na dia efa manaraka lalan-dratsy aza isika. Hoy ny Baiboly: “Misy làlana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo làlana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany.”—Ohabolana 16:25; 17:20.

Manome toro lalana mazava tsara eo amin’ny lafim-piainana sasany ny Tenin’Andriamanitra, ary handray soa isika raha manaraka azy ireny. Misy toe-javatra maro anefa tsy anomezany toromarika mazava toy izany. Mety ho anisan’izany ny safidy ataontsika eo amin’ny asa fivelomana, ny fahasalamana, ny fialam-boly, ny fitafiana sy taovolo, ary ny lafin-javatra hafa. Tsy mora ny mamantatra izay tokony hatao sy mandray fanapahan-kevitra tsara amin’ny tsirairay amin’ireo. Izany no antony tokony hananantsika ilay toe-tsain’i Davida, izay nivavaka hoe: “Ampahafantaro ny làlanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy.” (Salamo 25:4, 5) Ho afaka handinika tsara ny toe-javatra, sy handray fanapahan-kevitra tsara amim-pieritreretana madio isika, raha fantatsika tsara kokoa ny hevitr’Andriamanitra sy ny lalany.

Tokony hosaintsainintsika àry aloha izay toro lalana azo ampiharina, rehefa hanapa-kevitra isika. Ireto angamba ny sasany amin’izany: fanajana ny fahefan’izay lohany (Kolosianina 3:18, 20); fanaovana ny marina amin’ny zava-drehetra (Hebreo 13:18); fankahalana ny ratsy (Salamo 97:10); fiezahana hihavana hatrany (Romanina 14:19); fanekena ny fahefana ara-dalàna (Matio 22:21; Romanina 13:1-7); fitiavana an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo (Matio 4:10); tsy anisan’izao tontolo izao (Jaona 17:14); tsy miaraka amin’ny naman-dratsy (1 Korintianina 15:33); fitafiana sy taovolo maotina (1 Timoty 2:9, 10); ary tsy hampihemotra ny sasany (Filipianina 1:10). Sady hatanjaka àry ny feon’ny fieritreretantsika no ho afaka handray fanapahan-kevitra tsara isika, raha fantarintsika izay toro lalan’ny Baiboly mifandray amin’ilay toe-javatra.

Henoy ny feon’ny fieritreretanao

Tsy maintsy mihaino ny feon’ny fieritreretana isika raha tiantsika hanampy izy io. Aoka àry isika hihaino foana rehefa manindrona antsika ny feon’ny fieritreretantsika voaofan’ny Baiboly. Rehefa manao izany ihany isika vao handray soa avy amin’izy io. Azo ampitahaina amin’ny soritr’aretina eo amin’ny vatan’ny olona iray ny feon’ny fieritreretana tsara ofana. Inona no mety hitranga raha tsy miraharaha ireny soritr’aretina ireny ny olona iray, ka tsy manatona mpitsabo? Mety harary mafy mandritra ny fotoana maharitra izy, na hiditra hopitaly mihitsy. Toy izany koa ny feon’ny fieritreretana. Ampitahainy amin’ireo fitsipika sy fitondran-tena ao amin’ny Soratra Masina ilay fomba fiaina arahintsika na kasaintsika harahina. Mampitandrina antsika izy avy eo, raha tsy mety ny ataontsika. Raha manaraka ny fampitandremany isika, dia tsy hiharan’ny voka-dratsin’ny fomba fiaina tsy mety, ary ho voaro ny feon’ny fieritreretantsika ka hiasa tsara foana.

Inona kosa no hitranga raha minia tsy miraharaha ilay fampitandremana isika? Mety ho donto ny feon’ny fieritreretantsika amin’ny farany. Ny tsy fetezana hiraharaha na ny fampanginana azy io, dia toy ny fandorana nofo amin’ny vy mahamay. Haniry holatra eo amin’ilay nofo, ka tsy hahatsapa na inona na inona, satria tsy misy tendron-kozatra intsony. (1 Timoty 4:2) Izany koa no hanjo ny feon’ny fieritreretana, rehefa tsy henoina foana. Tsy hihontsina intsony izy io rehefa manota isika, ary tsy hampitandrina antsika intsony koa rehefa mamerina ilay fahotana isika. Tsy miraharaha ny fitsipiky ny Baiboly momba izay tsara sy ratsy ny feon’ny fieritreretana lasa donto, toy ny hoe nanolatra, satria efa simba. Tsy madio koa ilay feon’ny fieritreretana, ka “tsy mahalala menatra intsony” ilay manana azy, sady tafasaraka amin’Andriamanitra. (Efesianina 4:17-19; Titosy 1:15) Loza tokoa ny vokany rehefa tsy miraharaha ny feon’ny fieritreretany ny olona!

“Manàna feon’ny fieritreretana madio”

Mila miezaka hatrany isika mba hananana feon’ny fieritreretana madio foana. Hoy ny apostoly Paoly: ‘Miezaka mandrakariva aho mba ho ato amiko ilay fahatsapana fa tsy nanao ratsy teo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona aho.’ (Asan’ny Apostoly 24:16) Kristianina i Paoly, ka nandinika sy nanitsy hatrany ny fitondran-tenany, mba hahazoana antoka fa tsy nanao ratsy teo anatrehan’Andriamanitra izy. Fantany anefa fa Andriamanitra ihany no hamaritra raha tsara na ratsy ny ataontsika. (Romanina 14:10-12; 1 Korintianina 4:4) Hoy i Paoly: “Ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imason’ilay manao ampamoaka antsika.”—Hebreo 4:13.

Noresahin’i Paoly koa ny tsy hanaovana zavatra heverin’ny hafa fa ratsy. Anisan’izany, ohatra, ny momba ny “fihinanana sakafo atolotra ho an’ny sampy”, araka ny toroheviny ho an’ny Kristianina tany Korinto. Nohazavainy fa tena ilaina ny manisy fiheverana ny feon’ny fieritreretan’ny hafa, na dia mety tsy hifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra aza ilay zavatra atao. Mety hanimba ny finoan’ny ‘rahalahintsika izay namoizan’i Kristy ny ainy’ ny tsy fanaovana izany. Mety ho simba amin’izany koa ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra.—1 Korintianina 8:4, 11-13; 10:23, 24.

Ampiofany hatrany àry ny feon’ny fieritreretanao, ary manàna foana feon’ny fieritreretana madio. Tadiavo ny tari-dalan’Andriamanitra rehefa handray fanapahan-kevitra. (Jakoba 1:5) Ianaro ny Teniny, ary zaro hanaraka ny toro lalana ao amin’izy io ny sainao sy ny fonao. (Ohabolana 2:3-5) Miresaha amin’ny Kristianina matotra, rehefa misy raharaha lehibe mipoitra, mba ho azonao antoka fa fantatrao tsara ireo toro lalan’ny Baiboly tafiditra amin’izany. (Ohabolana 12:15; Romanina 14:1; Galatianina 6:5) Eritrereto ny ho vokatry ny fanapahan-kevitrao, eo amin’ny feon’ny fieritreretanao sy eo amin’ny olon-kafa, ary indrindra eo amin’ny fifandraisanao amin’i Jehovah.—1 Timoty 1:5, 18, 19.

Fanomezana tsy manam-paharoa avy amin’i Jehovah Andriamanitra, Raintsika be fitiavana any an-danitra, ny feon’ny fieritreretantsika. Ho akaiky kokoa ny Mpamorona isika, raha mampiasa io feon’ny fieritreretana io mifanaraka amin’ny sitrapony. Raha miezaka ‘hanana feon’ny fieritreretana madio’ isika amin’ny zava-drehetra ataontsika, dia vao mainka hasehontsika bebe kokoa fa noforonina tahaka ny endrik’Andriamanitra isika.—1 Petera 3:16; Kolosianina 3:10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Ilay teny grika nadika eto hoe feon’ny fieritreretana, dia midika hoe “fahatsapana anaty momba ny fitsipi-pitondran-tena” (Diksionera Nohavaozina Hamakafakana Teny Grika, anglisy, nataon’i Harold Moulton) sy “fahaiza-manavaka ny atao hoe tsara sy ratsy.”—Diksionera Grika-Anglisy, nataon’i Joseph Thayer.

[Sary, pejy 13]

Natao hitsara fotsiny ve ny feon’ny fieritreretanao, sa nampiofanina mba hitari-dalana anao koa?

[Sary, pejy 14]

Manana feon’ny fieritreretana tsara ofana isika rehefa mianatra sy mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly

[Sary, pejy 15]

Aza odiana tsy re ny fampitandreman’ny feon’ny fieritreretanao