Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandraisa Soa avy Amin’ny Fampianarana Tsara Indrindra!

Mandraisa Soa avy Amin’ny Fampianarana Tsara Indrindra!

Mandraisa Soa avy Amin’ny Fampianarana Tsara Indrindra!

MILAZA ny Baiboly fa i Jehovah Andriamanitra no namorona ny zava-drehetra, anisan’izany ny olona. (Genesisy 1:27; Apokalypsy 4:11) Mpampianatra Lehibe koa izy, ka nampianatra an’i Adama sy Eva, mpivady voalohany. Nomeny toromarika izy ireo, mba hahafahany hiaina tao amin’ny zaridaina tsara tarehin’i Edena. Nikasa ny hampianatra sy hikarakara azy ireo mandrakizay izy. (Genesisy 1:28, 29; 2:15-17; Isaia 30:20, 21) Eritrereto ange izany e!

Indrisy anefa fa nafoin’izy mivady izany rehetra izany. Tsy nankatò izy ireo, ka lasa nihaosa ny olombelona ary niharatsy ny fitondran-tenany. (Genesisy 3:17-19; Romanina 5:12) Vao taranaka vitsivitsy monja no nifandimby taorian’ny namoronana azy ireo, dia efa nilaza ny Baiboly hoe: “Hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.”—Genesisy 6:5.

Efa ho 4 500 taona izao no nilazan’i Jehovah fa mora voasarika ho amin’ny ratsy ny olona, ary vao mainka mikororosy ny fiainany ankehitriny. Maro no tsy menatra ny mandainga, mangalatra, na manisy ratsy ny hafa. Tsy mitsaha-mitombo ny olana isan’andro, fa ny fitiava-namana kosa tsy mitsaha-mihena. Tsy tsapanao ve hoe miharatsy ny fifandraisan’ny ankamaroan’ny olona ankehitriny, eny fa na dia eo amin’ny mpianakavy aza? Tsy Andriamanitra anefa no mahatonga ny fiainana ho toy izao, ary tsy hoe tsy miraharaha intsony izay manjo ny olona izy. Miahy izay hahasoa azy ireo foana izy, ary vonona hampianatra an’ireo mitady ny tari-dalany mba ho sambatra. Naniraka an’i Jesosy Kristy Zanany ho etỳ an-tany izy, 2 000 taona teo ho eo izay. Nasehony tamin’izany fa maniry hampianatra an’ireo te hahomby eo amin’ny fiainana izy. Lavorary ny modelim-pampianarana nomen’i Jesosy, satria ilay Mpampianatra Lehibe no nampianatra azy hatry ny fahagola.

Fampianarana eo anivon’ny Kristianisma marina

I Jesosy Kristy no nanorina ny Kristianisma marina, izay fomba fiaina miorina amin’ny fitiavana. Tokony hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra izay rehetra eritreretin’ny tena Kristianina sy ataony, mba hanomezam-boninahitra sy haja ny anaran’i Jehovah. (Matio 22:37-39; Hebreo 10:7) Io Rainy io no nanoro an’i Jesosy ilay fomba fiaina tokony hampianariny ny olona. Nampian’Andriamanitra izy araka ny voalazan’ny Jaona 8:29 hoe: “Miaraka amiko ilay naniraka ahy, fa tsy nandao ahy ho irery izy, satria manao izay sitrany foana aho.” Nampian’ny Rainy sy notarihiny lalana foana tokoa i Jesosy nandritra ny fanompoany. Nahazo tari-dalana hiatrehana ny fiainana foana àry ny mpanara-dia an’i Jesosy voalohany. Nampianatra azy ireo tamin’ny alalan’ny Zanany mantsy i Jehovah. Nahatonga azy ireo ho tsara kokoa ny fanekeny ny fampianaran’i Jesosy sy ny fanahafany azy. Izany koa no hita eo amin’ireo tena mpianany ankehitriny.—Jereo ilay efajoro hoe “Nanan-kery teo Amin’ny Olona i Jesosy sy ny Fampianarany”, eo amin’ny pejy 6.

Inona no mampiavaka ny Kristianisma marina? Manan-kery eo amin’ny saina sy ny fon’ny olona ny fampianarany, ka mahatonga azy ireo hiova toetra. (Efesianina 4:23, 24) Haka ohatra iray monja isika. Diniho izay nampianarin’i Jesosy momba ny fanajana vady: “Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Aza manitsakitsa-bady.’ Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady.” (Matio 5:27, 28) Nampianatra i Jesosy teo fa tokony hadio hatrany ny fon’ny mpianany, ary mety hampidi-doza ny eritreritra sy fanirian-dratsy, na dia mbola tsy notanterahina aza. Tsy marina tokoa ve fa mety hanao izay hampahatezitra an’Andriamanitra, sy hampalahelo ny hafa ny olona manana eritreri-dratsy?

Manoro hevitra àry ny Baiboly hoe: “Aza manaiky hovolavolain’ity tontolo ity intsony, fa miovà ka havaozy ny sainareo, mba handinihanareo tsara ka hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.” (Romanina 12:2) Mety hanontany ianao hoe: ‘Tena afaka manavao ny saina tokoa ve ny fianarana?’ Mihavao ny sain’ny olona iray rehefa miova ny fomba fisainany. Hahavita izany izy raha manaiky ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra, ka mameno ny sainy amin’ny toro lalana sy ny toromarika raketin’izy io.

Voatosika hiova

“Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra.” (Hebreo 4:12) Mbola tena manan-kery amin’ny olona foana izy io. Izany no porofo fa tsy lany andro ny Baiboly. Mety hahatonga ny olona hiova sy hanaraka ny Kristianisma marina, ary ho lasa olona tsara kokoa izy io. Mampiseho ny hasarobidin’ny fampianaran’ny Baiboly ny ohatra manaraka eto.

Hoy i Emilia, voaresaka tao amin’ny lahatsoratra teo aloha: “Niezaka samirery hanatsara ny tokantranonay aho, fa tsy nahomby. Nanjary velom-panantenana sy nanomboka niova anefa aho, rehefa niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nianatra ny hanam-paharetana kokoa aho, ary niezaka nifehy ny fahatezerako. Lasa niara-nianatra tamiko ny vadiko tatỳ aoriana. Afaka niala tamin’ny toaka izy, na dia tsy mora taminy aza izany. Nanjary nahafinaritra indray ny tokantranonay nanomboka teo. Kristianina sambatra izahay izao, ary mampianatra ny zanakay ny toro lalana tsara ao amin’ny Baiboly.”—Deoteronomia 6:7.

Afaka manafaka ny olona amin’ny fahazarana sy ny fomba fiaina ratsy koa ny fampianaran’ny Kristianisma marina. Niaiky izany i Manuel. * Nandositra avy tao an-tranony izy tamin’izy 13 taona, ary nanomboka nifoka rongony. Nidoroka zava-mahadomelina mahery kokoa izy tatỳ aoriana. Nanao firaisana tamin’ny lehilahy sy vehivavy izy, mba hahazoana vola sy trano hisitrihana. Nanendaka koa izy indraindray mba hivelomany, ary saika mamon-drongony foana. Efa nigadra matetika izy satria nahery setra. Nigadra efa-taona izy indray mandeha, ary lasa mpivarotra fitaovam-piadiana an-tsokosoko izy tany. Nanambady izy tatỳ aoriana, nefa mbola nizaka ny vokatry ny ditrany ihany. Hoy izy: “Tao an-tranon’akoho izahay no nipetraka tamin’ny farany. Mbola tadidiko fa biriky no nataon’ny vadiko toko, rehefa nahandro sakafo. Tsy azo antoka mihitsy ny fiainanay, ka na ny havako aza nampirisika azy handao ahy.”

Inona no nampiova ny fiainany? Mamaly i Manuel hoe: “Tonga niresaka momba ny Baiboly tao an-tranonay ny olom-pantatro iray. Nanaiky hotsidihiny aho, mba hanaporofoako aminy fotsiny fa tsy misy izany Andriamanitra miahy ny olona izany. Ny tenako izao mihitsy no porofo noeritreretiko horesahina taminy. Gaga anefa aho fa nanam-paharetana sy nahalala fomba ireo Vavolombelona, ka nanaiky hivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana aho. Nisy olona nahafantatra ny tantarako tany, nefa niarahaba ahy sy nisariaka tamiko. Noraisin’izy ireo ho toy ny efa mpivavaka tao aho. Tena nampahery ahy izany. Nanapa-kevitra àry aho fa tsy hidoroka zava-mahadomelina intsony, mba hahitana asa mendrika. Nahafeno fepetra ho mpitory aho, efa-bolana taorian’ny nianarako Baiboly, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa, efa-bolana tatỳ aoriana.”

Inona no vokatry ny fanarahana ny Kristianisma marina teo amin-dry Manuel mianakavy? “Azoko antoka fa efa ela aho no maty raha tsy nianatra Baiboly. Tafaray indray izahay mianakavy, noho ny fomba fiaina nampianarin’i Jesosy. Tsy voatery handalo ny zavatra niainako tamin’ny fahatanorako ny zanako mianadahy. Faly aho ary tena velom-pankasitrahana an’i Jehovah, satria mifandray tsara izahay mivady izao. Nidera ahy ireo olom-pantatro taloha, ary nilaza fa ny fomba fiainako izao no fomba fiaina tsara indrindra.”

Tsy fitondran-tena madio fotsiny no takina eo anivon’ny Kristianisma marina, fa vatana madio koa. Nanjary nahatakatra izany i John, mipetraka amin’ny faritra mahantra atsy Afrika Atsimo. Hoy izy: “Tsy nampaninona anay na dia tsy nisasa nandritra ny herinandro aza ny zanakay vavy.” Niaiky koa ny vadiny fa naloto be ny tranon’izy ireo. Niova anefa izany noho ny fampianarana kristianina azony. Tsy nifanerasera tamin’ny jiolahy mpangalatra fiara intsony i John, ary nanomboka niahy bebe kokoa ny fianakaviany. “Nianaranay fa tokony hadio foana ny vatan’ny Kristianina sy ny akanjony. Mahafinaritra ahy ilay andininy ao amin’ny 1 Petera 1:16, izay mampirisika antsika ho masina satria masina i Jehovah Andriamanitra. Iezahanay mba hadio sy hilamina foana izao ny tranonay, na dia tsotra aza.”

Afaka mahita ny fampianarana tsara indrindra ianao

Tsy maningana akory ireo fitantarana ireo. Nianatra ny hanana fiainana tsara kokoa ny olona an’arivony, noho ny fianarana Baiboly. Mankasitraka azy ireo ny mpampiasa azy, satria manao ny marina sy mazoto miasa izy ireo. Lasa mpiara-monina sy namana tsara koa izy ireo, satria miahy izay hahasoa ny mpiara-belona aminy. Tapa-kevitra ny hanalavitra fahazaran-dratsy sy hifehy ny fanirian-dratsiny izy ireo, mba hisorohana ireo olana ara-pihetseham-po, ary mba ho salama kokoa ny vatany sy ny sainy. Tsy mandanilany ny volany amin’ny fahazaran-dratsy izy ireo, fa mampiasa izany kosa mba hahasoa ny tenany sy ny fianakaviany. (1 Korintianina 6:9-11; Kolosianina 3:18-23) Rehefa ampiharina izay lazain’i Jehovah ao amin’ny Baiboly, dia hita fa ny fanarahana ny Kristianisma marina no fomba fiaina tsara indrindra. Eo anivony koa no ahitana ny fampianarana tsara indrindra. Hoy ny Baiboly momba ireo mankatò ny lalàn’Andriamanitra: “Ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.”—Salamo 1:3.

Mampahery ny mahalala fa vonona hampianatra antsika i Jehovah, ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Izy mihitsy no milaza hoe: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao.” (Isaia 48:17) Nasehony antsika tokoa ny lalana tokony haleha rehefa naniraka an’i Jesosy Kristy Zanany izy, mba hanome modely sy hampianatra antsika. Maro ny olona nahafantatra an’i Jesosy, fony izy tetỳ an-tany. Tena nanova ny fiainan’izy ireny ny zavatra nampianariny. Mbola manova fiainan’olona maro koa izany fampianarana izany ankehitriny. Nahoana raha manokana fotoana hianarana momba izany? Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah eny akaikinareo, hanampy anao hahazo izany fampianarana sarobidy izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Novana ny anarana sasany.

[Efajoro/Sary, pejy 6]

Nanan-kery teo Amin’ny Olona i Jesosy sy ny Fampianarany

Lehiben’ny mpamory hetra i Zakaiosy, ka nanararaotra ny toerany mba hangoronan-karena. Nangalatra sy naka tsy ara-drariny ny volam-bahoaka izy. Niova anefa izy rehefa nampihatra ny fampianaran’i Jesosy.—Lioka 19:1-10.

Tsy nanenjika ny Kristianina intsony i Saoly avy any Tarsosy. Niova ho Kristianina izy ka nanjary ny apostoly Paoly.—Asan’ny Apostoly 22:6-21; Filipianina 3:4-9.

‘Mpijangajanga, mpanompo sampy, mpanitsakitsa-bady, lehilahy miray amin’ny lehilahy, mpangalatra, olona manana faniriana tsy mety afa-po, mpimamo, mpanevateva, ary mpanao an-keriny’ ny Kristianina sasany tany Korinto. Rehefa nianatra ny Kristianisma marina anefa izy ireo, dia ‘voasasa madio tsara, nohamasinina, ary nambara fa marina tamin’ny anaran’i Jesosy

[Sary, pejy 7]

Manoro anao ny fomba hahombiazana ny Baiboly