Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miely Haingana ny Tenin’i Jehovah eto Amin’ny “Tanin’ny Voromahery”

Miely Haingana ny Tenin’i Jehovah eto Amin’ny “Tanin’ny Voromahery”

Miely Haingana ny Tenin’i Jehovah eto Amin’ny “Tanin’ny Voromahery”

“TANIN’NY Voromahery” no iantsoan’ny Albaney ny taniny. Eo amoron’ny Ranomasina Adriatika no misy an’io firenena anisan’ny Saikinosy balkanika io, eo anelanelan’i Gresy sy Iogoslavia teo aloha. Be ny tombantombana momba ny fiavian’ny Albaney, nefa eken’ny ankamaroan’ny mpahay tantara fa avy amin’ny Ilyrianina fahiny ny Albaney sy ny fiteniny. Milaza ny Rakipahalalana Britannica (anglisy) fa tamin’ny 2000 T.K. no nisian’ny kolontsaina ilirianina.

Anisan’ny mahatonga an’i Albania ho kanto ireo tandavan-tendrombohitra any amin’ny farany avaratra, sy ny torapasika fotsy any atsimo, any amin’ny morontsiraky ny Ranomasina Adriatika. Ny mponina ao anefa no tena mahatonga an’ilay firenena ho kanto. Sariaka sy tia mandray vahiny mantsy izy ireo, sady mavitrika sy mora miana-javatra, ary mafana fo rehefa miresaka.

Notsidihin’ny misionera malaza iray

Azo antoka fa voasariky ny toetra tsaran’ireo mponina sy ny hakanton’ilay toerana, ny mpanao dia lavitra iray, taonjato maro lasa izay. Tsy iza izany fa ny apostoly Paoly, izay efa nitety tany maro. Hoy izy tamin’ny taona 56 tany ho any: ‘Vitako tanteraka ny fitoriana ny vaovao tsara momba an’i Kristy, hatrany Ilyrikiona.’ (Romanina 15:19) Ny faritra afovoany sy avaratr’i Albania ankehitriny no tapany atsimon’i Ilyrikiona. Tany atsimon’izy io, tany Korinto any Gresy i Paoly no nanoratra. Tonga hatrany Ilyrikiona mihitsy angamba izy, na hatreo amin’ny sisin-taniny, matoa nilaza fa vitany tanteraka ny nitory “hatrany Ilyrikiona.” Na ahoana na ahoana, dia nitory tany amin’ny faritra atsimon’i Albania izy. I Paoly àry no voalohany nitory ilay Fanjakana tatỳ.

Taonjato maro no lasa, ary fanjakana maro no nifandimby teo amin’ny tantara. Nisy firenena samihafa nifandimby nifehy an’ity faritra kely atỳ Eoropa ity, mandra-pahazony fahaleovan-tena tamin’ny 1912. Folo taona teo ho eo taorian’izay, dia notorina teto Albania indray ny hafatra momba ny Fanjakan’i Jehovah.

Fiandohana mahafinaritra amin’ny androntsika

Nifanerasera tamin’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena (Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny) ny Albaney vitsivitsy, nifindra monina tany Etazonia. Nody ny sasany taminy, tamin’ireo taona 1920, mba hilaza amin’ny hafa ny zavatra nianarany. Anisan’ireny i Nasho Idrizi. Nandray tsara ny olona sasany, ary nihabetsaka ny liana. Nasaina niandraikitra ny asa fitoriana teto àry ny biraon’ny sampana tany Romania, tamin’ny 1924, mba hikarakara azy ireo.

Iray amin’ireo nianatra momba an’i Jehovah teto Albania, i Thanas Duli (na Athan Doulis), nandritra ireny taona ireny. Hoy izy: ‘Telo ny fiangonana teto Albania tamin’ny 1925. Nisy antokona Mpianatra Baiboly sy olona hafa liana koa nanerana ilay firenena. Tsy nitovy tamin’ny mpiara-monina taminy mihitsy izy ireo, fa nifankatia erỳ!’ *

Tsy voasakana tsy hitory ireo mpitory be zotom-po na dia ratsy be aza ny lalana. Natao batisa, ohatra, i Areti Pina, tamin’ny 1928, fony izy 18 taona. Tany amoron-tsiraka atsimo tany Vlorë izy no nipetraka, ary nitety havoana nikitoantoana sy nivimbina Baiboly, rehefa nitory. Anisan’ilay fiangonana be zotom-po tao Vlorë izy, tany am-piandohan’ireo taona 1930.

Efa ny biraon’ny sampana tany Atena, any Gresy, no niandraikitra ny asa fitoriana teto Albania tamin’ny 1930. Tonga teto ny mpiandraikitra mpitety faritany iray avy any Gresy, tamin’ny 1932, mba handrisika sy hampahery ireo rahalahy. Nanana ny fanantenana ho any an-danitra ny ankamaroan’ireo nianatra ny fahamarinana ara-baiboly tamin’izany. Nalaza ho madio fitondran-tena sy manao ny marina izy ireo, ka olona maro no nanaja lalina azy. Tena nahita vokatra ireny rahalahy nahatoky ireny. Boky sy gazety 6 500 teo ho eo no voapetraka tamin’ny 1935, torak’izany koa tamin’ny 1936.

Nitondra grafofaonina teo afovoan-tanànan’i Vlorë i Nasho Idrizi, indray andro, ary nandefa lahateny nataon’i J. Rutherford. Nadikany tamin’ny fiteny albaney ilay izy. Nanajanona ny asa aman-draharahany ny olona, ary tonga mba hihaino an’i Nasho Idrizi. Nazoto sy be fikirizana erỳ ireny mpampianatra Baiboly tany am-boalohany ireny, ka nahita vokatra. Efa nisy 50 àry ny Vavolombelona teto Albania, tamin’ny 1940.

Firenena tsy mino an’Andriamanitra

Nibodo ilay firenena ny Fasista italianina, tamin’ny1939. Tsy nekena ho ara-dalàna intsony ny Vavolombelon’i Jehovah, ary voarara ny asa fitoriany. Tsy ela taorian’izay dia notafihin’ny tafika alemà ilay firenena. Nanomboka nalaza i Enver Hoxha, mpitari-tafika nahay nambabo olona, rehefa nifarana ny Ady Lehibe II. Lasa praiminisitra izy rehefa nandresy tamin’ny fifidianana ny Antoko Kominista nisy azy, tamin’ny 1946. Nantsoina hoe taom-pahafahana ireo taona nanaraka, nefa tsy izany no izy ho an’ny vahoakan’i Jehovah.

Nihatsy tia fivavahana ny fitondrana. Tsy nety nanao politika na raharaha miaramila ireo Vavolombelon’i Jehovah albaney, satria Kristianina. (Isaia 2:2-4; Jaona 15:17-19) Maro àry no nogadraina. Tsy nanana na inona na inona izy ireo tany, na dia sakafo hohanina aza. Ireo anabavy kristianina tany ivelan’ny fonja matetika no nanasa ny fitafian’izy ireo sy nahandro ny sakafony.

Tsy natahotra na dia nenjehina aza

Nipetraka tany akaikin’i Përmet ny zatovovavy iray atao hoe Frosina Xheka. Nandre ny zavatra nianaran’ny zokiny lahy tamin’ilay Vavolombelona atao hoe Nasho Dori, mpanao kiraro, izy, tany am-piandohan’ireo taona 1940. * Nandrara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny manam-pahefana. Nihanatanjaka anefa ny finoan’i Frosina, na dia tsy faly taminy koa aza ny ray aman-dreniny. “Nafeniny ny kiraroko, ary nokapohiny aho rehefa nandeha nanatrika fivoriana kristianina. Notereny hanambady lehilahy tsy Vavolombelona koa aho. Nandroaka ahy izy ireo satria tsy nanaiky aho. Nirotsaka be anefa ny lanezy tamin’izay. Nasain’i Nasho Dori nanampy ahy ny Anadahy Gole Flloko, tany Gjirokastër. Niara-nipetraka tamin’ny fianakaviany àry aho. Nigadra roa taona ireo anadahiko noho izy ireo nijoro tamin’ny naha Kristianina azy foana. Nifindra niara-nipetraka tamin’izy ireo tany Vlorë aho, rehefa nafahana izy ireo.”

“Nanery ahy hanao politika ny polisy, nefa tsy nety aho. Nosamboriny àry aho, ary nentiny tao amin’ny efitra iray. Nohodidininy aho tao, ary nandrahona ahy ny iray taminy hoe: ‘Mba fantatrao moa fa afaka manao aminao izay tianay hatao izahay?’ Hoy aho: ‘Izay avelan’i Jehovah hataonareo ihany no azonareo atao.’ Tezitra izy ary nilaza hoe: ‘Adala mihitsy ity! Ndeha mivoaka any!’ ”

Niavaka noho ny tsy fivadihany ireo rahalahy albaney nandritra ireny taona ireny. Nahatratra 75 ny tampon’isan’ny mpitory ilay Fanjakana tamin’ny 1957. Nalefan’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah ho any Tirana i John Marks, tany am-piandohan’ireo taona 1960. * Albaney nifindra monina tany Etazonia izy, ary nirahina hanampy ireo rahalahy teto handamina ny asa kristianina. Nalefa tany amin’ny toby fiasana an-terivozona anefa i Luçi Xheka, Mihal Sveci, Leonidha Pope, ary ireo rahalahy hafa nitana andraikitra, tsy ela taorian’izay.

Nisy mangirana ihany tamin’ny farany

Nankahalaina daholo ny fivavahana teto, talohan’ny 1967, ary voarara taorian’izay. Tsy nisy navela hitarika fotoam-pivavahana, na Katolika, na Ortodoksa, na Silamo. Nakatona ireo fiangonana sy mosquées, na novana ho toerana fanaovana fanatanjahan-tena, na tranombakoka, na tsena. Tsy nisy navela hanana Baiboly, na nahazo nampiseho mihitsy hoe nino an’Andriamanitra.

Sarotra be ny nitory sy nivory. Niparitaka ireo Vavolombelona, nefa niezaka nanompo an’i Jehovah araka izay fara heriny ny tsirairay. Lasa vitsy kely izy ireo nanomboka tamin’ireo taona 1960 ka hatramin’ireo taona 1980. Tena natanjaka anefa ny finoany.

Niova tsikelikely ny toe-draharaha politika teto Albania, tamin’ny faramparan’ireo taona 1980. Zara raha nisy sakafo sy fitafiana, ary nijaly ny olona. Toy ny efa nitranga nanerana an’i Eoropa Atsinanana, dia nisy fanavaozana natao koa teto, teo am-piandohan’ireo taona 1990. Nanome fahalalahana ara-pivavahana indray ny governemanta vaovao, taorian’ny fitondrana tsy refesi-mandidy naharitra 45 taona.

Nanomboka nifandray tamin’ireo rahalahy teto avy hatrany ny biraon’ny sampan’i Aotrisy sy Gresy, rehefa nahazo toromarika avy tamin’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nankany Tirana sy Berat ireo rahalahy grika nahay niteny albaney, ary nitondra boky sy gazety ara-baiboly vao avy nadika. Faly be ireo rahalahy albaney raha vao nahita azy ireo. Niparitaka mantsy izy ireo teo aloha, ary efa an-taonany maro no tsy nihaonany tamin’ny Vavolombelona avy any ivelany.

Loha laharana amin’ny fitoriana ireo mpisava lalana vahiny be zotom-po

Nandefa mpivady misionera teto Albania ny Filan-kevi-pitantanana, tany am-piandohan’ny 1992. I Michael sy Linda DiGregorio izany, ary Albaney ihany izy ireo. Nifandray tamin’ireo be taona nahatoky izy mivady, ary nanampy azy ireo ho tafaray indray amin’ilay fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany. Nisy Italianina 16, mpisava lalana manokana na mpitory ny vaovao tsara manontolo andro, tonga tamin’ny Novambra. Niaraka tamin’izy ireo koa ny mpisava lalana grika efatra. Nampianarina teny albaney izy ireo.

Sarotra ny fiainana ho an’ireny mpisava lalana vahiny ireny. Tapatapaka mantsy ny jiro, ary namirifiry sy nanerika ny ririnina. Nilahatra ela be ny olona vao nahazo ny sakafo sy ny zavatra hafa nilainy. Ny tena olana ho an’ireo rahalahy anefa, dia hoe aiza no hahitana trano lehibe hivorian’ireo olona maro liana amin’ny fahamarinana?

Sarotra tamin’ireo mpisava lalana ny nianatra teny albaney. Takatr’izy ireo anefa, fa tsy ny fahaizana ilay fiteny ihany no fomba ahafahany mifandray amin’ny olona. Hoy ny mpampianatra Baiboly iray za-draharaha, tamin’izy ireo: “Tsy hoe tsy maintsy mahay fitsipi-pitenenana tsara akory vao ho afaka hitsiky na hamihina ireo rahalahy. Ny fitiavana asehonareo no hahatonga ny Albaney handray tsara, fa tsy ny fitsipi-pitenenana tsy misy diso. Aza manahy fa ho takatr’izy ireo izany!”

Nanomboka nandeha nitory tany Berat, Durres, Gjirokastër, Shkodër, Tirana, ary Vlorë, ireo mpisava lalana, rehefa avy nianatra teny albaney kelikely. Tsy ela dia nisy fiangonana niforona tao amin’ireo tanàna ireo. Mbola tany Vlorë ny anabavy Areti Pina no nipetraka, tamin’izy 80 taona sady efa osa. Nandefasana mpisava lalana manokana roa tany hiara-mitory taminy. Niteny albaney ireo vahiny ka gaga ny olona: “Asain’ny misioneran’ny fivavahana hafa mianatra teny anglisy na teny italianina izahay, rehefa misy zavatra tianay hianarana. Ianareo anefa mianatra ny fiteninay. Tena tia anay tokoa ianareo ary sarobidy ny hafatra entinareo!” Tsy nivadika i Areti mandra-pahavitany ny fanompoany teto an-tany, tamin’ny Janoary 1994. Nitory foana izy hatramin’ny volana farany nahafatesany. Notahina ny zotom-pony sy ny an’ireo mpisava lalana, ka nisy fiangonana indray tany Vlorë tamin’ny 1995. Mazoto mitory any amin’io seranana io izao, ireo fiangonana telo mandroso tsara any.

Maro no naniry mafy hahalala an’Andriamanitra, nanerana ilay firenena, ary tsy dia nanavakavaka fivavahana loatra ny olona. Noraisiny ary tiany hovakina avokoa ireo boky aman-gazety nentin’ny Vavolombelona. Tanora maro no nanomboka nianatra ary nandroso haingana.

‘Mihamatanjaka ny finoan’ireo fiangonana’ sy antoko-mpitory, maherin’ny 90, manerana an’i Albania, ‘ary mihamaro isan’andro ireo olona eo anivony.’ (Asan’ny Apostoly 16:5) Mbola betsaka ny asa tokony hataon’ireo Vavolombelona 3 513 eto Albania. Olona 10 144 no tonga nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, tamin’ny Martsa 2005. Nisy 6 000 mahery tamin’ireo Albaney tia mandray vahiny, nanjary nianatra Baiboly noho ny fitorian’ny Vavolombelona. An’arivony no handray soa tokoa amin’ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, vao navoaka tamin’ny fiteny albaney. Miely haingana atỳ amin’ny “Tanin’ny Voromahery” tokoa ny tenin’i Jehovah, ho fiderana azy!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Jereo ao amin’ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) 15 Oktobra 1969, ny tantaram-piainan’i Athan Doulis.

^ feh. 17 Jereo ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1996, ny tantaram-piainan’i Nasho Dori.

^ feh. 19 Jereo ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 2002, ny tantaram-piainan’i Helen, vadin’i John Marks.

[Efajoro, pejy 20]

TSY MISY ADIM-POKO INTSONY ANY KOSOVO!

Re foana ny hoe Kosovo, nandritra ny faramparan’ireo taona 1990. Nisy ady mantsy tany, sady lalim-paka ny fifankahalan’ireo foko, ka firenena maro no niditra an-tsehatra.

Vavolombelona maro no tsy maintsy nitsoaka tany amin’ireo firenena manodidina, nandritra ny ady tany Balkans. Niverina tany Kosovo ny Vavolombelona vitsivitsy, rehefa nihanilamina ny tany, ary vonona hitory izy ireo. Nisy mpisava lalana manokana albaney sy italianina nanolo-tena hifindra tany, mba hanampy tany amin’io firenena misy mponina 2 350 000 io. Mpitory 130 no mazoto manompo an’i Jehovah any amin’ireo fiangonana efatra, sy antoko-mpitory enina any.

Nisy 252 no nanatrika ny fivoriambe manokana iray andro tany Priština, tamin’ny lohataona 2003. Tao ny Albaney, Alemà, Italianina, Serba, ary Tziganes. Nametraka fanontaniana roa ny mpandahateny rehefa nifarana ny lahatenin’ny batisa. Nisy olona telo nitsangana ary namaly hoe eny. Albaney sy Tziganes ary Serba izy ireo.

Nitehaka nirefodrefotra ny mpanatrika rehefa niara-niteny mafy izy ireo hoe: “Va!”, “Da!” ary “Po!” Nifamihina izy telo. Hitan’izy ireo tokoa ny vahaolana tamin’ny fifankahalana lalim-paka nisy teo amin’ireo foko, tao amin’ny taniny.

[Sarintany, pejy 17]

(Jereo ny gazety)

Ranomasina Mediterane

ITALIA

ALBANIA

GRESY

[Sary, pejy 18]

Manahaka ny zotom-pon’ny olon-dehibe ny tanora Vavolombelona

[Sary, pejy 18]

Tsy nivadika mihitsy i Areti Pina, nanomboka tamin’ny 1928 mandra-pahafatiny tamin’ny 1994

[Sary, pejy 19]

Mpisava lalana vahiny tonga voalohany, mianatra fiteny albaney

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

Voromahery: © Brian K. Wheeler/VIREO