Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha Hanana ny Tena Fanetren-tena

Miezaha Hanana ny Tena Fanetren-tena

Miezaha Hanana ny Tena Fanetren-tena

“Ny olona [manetry tena, “TV” ] dia vonjenao.”—2 SAMOELA 22:28.

1, 2. Inona no mampitovy ny ankamaroan’ny mpitondra eto amin’ity tontolo ity?

VAVOLOMBELON’NY nanjakan’ireo mpitondra tany Ejipta fahiny, ireo piramida. Namela soritra teo amin’ny tantara koa i Sankeriba mpanjakan’i Asyria, i Aleksandra Lehibe mpitondra tany Gresy, ary Jules César emperoran’i Roma. Nisy zavatra iray nampitovy an’ireo mpitondra ireo: Samy tsy nisy fahatsiarovana nipetraka nahitana hoe tena nanetry tena izy ireo.—Matio 20:25, 26.

2 Heverinao ve, ohatra, fa fanaon’izy ireo ny nikaroka eran’ny fanjakany, mba hahitana ireo olo-mahantra nila fampiononana? Mazava ho azy fa tsia! Tsy azo inoana koa ny hoe nandeha nitsidika trano bongo izy ireo, mba hampaherezana ny olona kivy nipetraka tao. Tena samy hafa tanteraka amin’ny fiheveran’i Jehovah Andriamanitra, ilay Tompo Fara Tampony, ny fiheveran’izy ireo ny mahantra!

Ny modelim-panetren-tena tsara indrindra

3. Ahoana no fomba itondran’ilay Tompo Fara Tampony ny olom-peheziny?

3 Tsy takatry ny saina ny fahalehibeazan’i Jehovah sy ny fahamboniany. Kanefa ‘ny masony mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy.’ (2 Tantara 16:9) Inona no ataony rehefa hitany fa misy kivy ny mpanompony manetry tena, satria iharam-pitsapana isan-karazany? Toy ny hoe “monina” miaraka amin’izy ireny izy satria manome ny fanahiny masina, mba ‘hamelombelomana ny fanahin’ny manetry tena sy ny fon’ny torotoro fo.’ (Isaia 57:15) Vonona kokoa hanohy hanompo an’i Jehovah amim-pifaliana ny mpanompony, rehefa mahazo hery toy izany. Tena manetry tena tokoa Andriamanitra!

4, 5. a) Inona no tsapan’ny mpanao salamo avy amin’ny fitondran’Andriamanitra ny vahoakany? b) Inona no dikan’ny hoe “miondrika” hanampy ny “malahelo” Andriamanitra?

4 Tsy misy na iza na iza mahavita manetry tena toy ilay Tompo Fara Tampony, mba hanampiana ny olombelona mpanota. Izany no antony nanoratan’ilay mpanao salamo hoe: “Avo ambonin’ny jentilisa Jehovah; ambonin’ny lanitra ny voninahiny. Iza no tahaka an’i Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin’ny avo, nefa miondrika mijery ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany? Manangana ny malahelo hiala amin’ny vovoka Izy ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin’ny zezika.”—Salamo 113:4-7.

5 Voalaza eo fa “miondrika” i Jehovah Andriamanitra. Tsy manambony tena mihitsy izy, satria madio sy masina, ka tsy misy “avonavona” ao aminy. (Marka 7:22, 23) Ilay teny nadika hoe “miondrika”, dia mety hidika hoe manao izay hitoviana amin’ny olona ambany saranga, na midina avy amin’ny toerana ambony ananana, rehefa mifandray amin’ny olona ambany. Izany no antony nandikana an’io teny io hoe manetry tena, ao amin’ny Baiboly sasany. Mety tsara izany, satria manetry tena Andriamanitra, ka miahy amim-pitiavana ny mpanompony, na dia tsy lavorary aza izy ireo!—Salamo 103:13, 14.

Nahoana no azo lazaina fa nanetry tena i Jesosy?

6. Inona no porofo lehibe indrindra fa manetry tena i Jehovah?

6 Inona no porofo lehibe indrindra fa manetry tena sy be fitiavana Andriamanitra? Ny nanirahany an’ilay Zanany lahimatoa tena tiany, mba ho teraka tetỳ an-tany ka hamonjy ny olombelona. (Jaona 3:16) Nampianatra antsika ny marina momba ilay Rainy any an-danitra i Jesosy, ary nanome ny ainy lavorary mba hanaisotra “ny fahotan’izao tontolo izao.” (Jaona 1:29; 18:37) Nanahaka tanteraka ny Rainy izy, ary nanetry tena toa azy, ka vonona hanao izay nangatahiny taminy. Izy no zavaboarin’Andriamanitra nanome modely tsara indrindra tamin’ny fanehoana fanetren-tena sy fitiavana. Tsy ny rehetra anefa no nankasitraka ny fanetren-tenany. Nihevitra azy ho “olona ambany toetra” mihitsy aza ny fahavalony. (Daniela 4:14) Na izany aza, dia niaiky ny apostoly Paoly fa tokony hanahaka an’i Jesosy ny Kristianina, ka hanetry tena rehefa mifandray amin’izy samy izy.—1 Korintianina 11:1; Filipianina 2:3, 4.

7, 8. a) Ahoana no nianaran’i Jesosy nanetry tena? b) Inona no ampirisihan’i Jesosy hataon’izay te ho mpianany?

7 Nanasongadina ny modely faran’izay tsara nomen’i Jesosy i Paoly, rehefa nanoratra hoe: “Aoka ho ao aminareo foana izao toe-tsaina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa: Na dia fanahy tahaka an’Andriamanitra aza izy, dia tsy nieritreritra mihitsy ny handrombaka fahefana, izany hoe ny hitovy amin’Andriamanitra. Tsia, fa nofoanany kosa ny tenany ary naka ny endriky ny mpanompo izy, ka nanjary nitovy tamin’ny olombelona. Ary tsy izany ihany, fa rehefa hitany fa nitovy tamin’ny olombelona izy, dia nanetry tena ka nankatò ary tonga hatramin’ny fahafatesana ny fankatoavany, eny, fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana.”—Filipianina 2:5-8.

8 Mety hisy hanontany tena hoe: ‘Ahoana no nianaran’i Jesosy nanetry tena?’ Niana-javatra faran’izay tsara izy rehefa niaraka akaiky tamin’ilay Rainy tany an-danitra, nandritra ny taona maro tsy hita isa. “Mpità-marika” na Mpiasa Kinga nanampy an’Andriamanitra tamin’ny famoronana ny zava-drehetra izy, nandritra izany fotoana izany. (Ohabolana 8:30) Taorian’ilay fikomiana tany Edena, dia hitan’io zanak’Andriamanitra Lahimatoa io fa nanetry tena ny Rainy, teo amin’ny fifandraisany tamin’ireo olombelona mpanota. Nanetry tena toy ny Rainy àry i Jesosy tamin’izy teto an-tany, ary nampirisika ny olona hoe: “Ento ny ziogako ka mianara amiko, fa malemy fanahy aho sady manetry tena am-po, dia ho velombelona ianareo.”—Matio 11:29; Jaona 14:9.

9. a) Inona no nahasarika an’i Jesosy tamin’ny ankizy? b) Inona no lesona nampianarin’i Jesosy tamin’ny alalan’ny zaza iray?

9 Naneho ny tena fanetren-tena i Jesosy, ka tsy natahotra azy ny ankizy, fa vao mainka nanatona azy. Naneho fitiavana sy fiahiana azy ireo izy. (Marka 10:13-16) Inona no tena nahasarika an’i Jesosy tamin’ny ankizy? Nanana toetra tsara tsy fahita loatra teo amin’ny mpianany sasany, ireny ankizy ireny. Fantatsika fa mihevitra ny olon-dehibe ho ambony noho izy ny ankizy. Manaporofo izany ny fanontaniana maro apetrany. Mora ampianarina tokoa ny ankizy sady tsy dia mirehareha loatra, raha oharina amin’ny ankamaroan’ny olon-dehibe. Niantso zaza iray i Jesosy indray mandeha, ary nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo, raha tsy miova ho toy ny zaza.” Hoy koa izy: “Izay hanetry tena tahaka ity zaza ity no ho lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 18:3, 4) Izao no fitsipika nomeny: “Izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.”—Lioka 14:11; 18:14; Matio 23:12.

10. Inona avy no fanontaniana hodinihintsika?

10 Marina ny teniny, ary mahatonga fanontaniana lehibe maromaro. Fantatsika fa mila maneho ny tena fanetren-tena isika, raha te hiaina mandrakizay. Nahoana anefa no sarotra amin’ny Kristianina indraindray ny manetry tena? Nahoana no sarotra amintsika ny mandresy ny hambom-po, sy manetry tena rehefa misy fitsapana? Ary inona no hanampy antsika haneho ny tena fanetren-tena?—Jakoba 4:6, 10.

Nahoana no sarotra ny manetry tena?

11. Nahoana no tsy mahagaga raha sarotra amintsika ny manetry tena?

11 Sarotra aminao ve ny manetry tena? Tsy ianao irery no mahatsapa izany. Niresaka mahakasika ny torohevitry ny Baiboly momba ny fanehoana fanetren-tena ity gazety ity, tamin’ny 1920. Izao no voalazany: “Hitantsika fa zava-dehibe amin’ny Tompo ny fanetren-tena, ka tokony handrisika ny tena mpianany rehetra izany, mba hiezaka haneho io toetra io isan’andro.” Nilaza koa ilay lahatsoratra hoe: “Tsy lavorary anefa ny olombelona, na eo aza ireny fampirisihan’ny Soratra Masina ireny. Noho izany, dia tsapan’ireo lasa olon’ny Tompo sy tapa-kevitra hanara-dia azy, fa sarotra sy mitaky ezaka mafy kokoa ny fanehoana an’io toetra io, noho ny fanehoana ny toetra hafa.” Hitantsika eo fa voatery miady mafy ny Kristianina mba hanetry tena, satria efa raiki-tampisaka amintsika olombelona mpanota ny faniriana homem-boninahitra tsy amin’antony. Mpanota mantsy i Adama sy Eva razambentsika, izay resin’ny fitiavan-tena.—Romanina 5:12.

12, 13. a) Ahoana no ataon’ity tontolo ity mba hahatonga ny Kristianina tsy hanetry tena? b) Iza no mahatonga ny fanehoana fanetren-tena ho sarotra kokoa amintsika?

12 Mety ho sarotra amintsika koa ny manetry tena, satria mampirisika ny olona hihoatra ny namany foana ny tontolo manodidina antsika. Anisan’ny tanjon’ny ankamaroan’ny olona eto amin’ity tontolo ity, ny hanome fahafaham-po “ny fanirian’ny nofo [mpanota] sy ny fanirian’ny maso ary ny fampideraderana fananana.” (1 Jaona 2:16) Tsy manaiky hobaikoin’ny fanirian-dratsy toy izany anefa ny mpanara-dia an’i Jesosy, fa tokony hanana maso tsotra hatrany sy hifantoka amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra.—Matio 6:22-24, 31-33; 1 Jaona 2:17.

13 Ny antony fahatelo mahasarotra ny fanehoana fanetren-tena, dia satria i Satana Devoly, ilay niandohan’ny avonavona, no mpitondra an’ity tontolo ity. (2 Korintianina 4:4; 1 Timoty 3:6) Mampirisika ny olona hanahaka ny toetra ratsiny izy. Nangatahiny hanompo azy, ohatra, i Jesosy, ka homeny azy ho takalon’izany “ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao sy ny voninahitr’ireny fanjakana ireny.” Nanetry tena foana anefa i Jesosy ka nanda izany an-kitsirano. (Matio 4:8, 10) Maka fanahy ny Kristianina koa i Satana mba hahatonga azy ireo hikatsaka voninahitra. Miezaka manahaka an’i Jesosy anefa ny Kristianina manetry tena, ka manome ny dera sy voninahitra ho an’Andriamanitra.—Marka 10:17, 18.

Inona no hanampy antsika hanetry tena?

14. Inona no atao hoe “fanetren-tena sarintsariny”?

14 Rehefa nanoratra ho an’ny Kolosianina ny apostoly Paoly, dia nampitandrina azy ireo mba tsy ho mody hiseho ho manetry tena, mba hampiaiky volana ny olona fotsiny. Nilaza izy fa “fanetren-tena sarintsariny” fotsiny izany. Tsy olona araka ny fanahy izay mody miseho ho manetry tena. Vao mainka aza hita amin’izany fa “mirehareha” izy ireo. (Kolosianina 2:18, 23) Nanondro olona naneho izany fanetren-tena sandoka izany i Jesosy. Nanameloka an’ireo Fariseo izy, satria nanao vavaka ho fisehosehoana fotsiny izy ireo, sady mody nampiseho tarehy malahelo sy tsy voakarakara, mba ho hitan’ny olona hoe mifady hanina. Tokony hanetry tena kosa anefa isika rehefa mivavaka, mba hisy vidiny eo anatrehan’Andriamanitra ilay vavaka ataontsika.—Matio 6:5, 6, 16.

15. a) Inona no hanampy antsika hanetry tena hatrany? b) Iza avy no ohatra tsara raha ny amin’ny fanetren-tena?

15 Hahay haneho ny tena fanetren-tena foana ny Kristianina, raha mandinika akaiky ny modelim-panetren-tena tsara indrindra nomen’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy. Midika izany fa ilaina ny mianatra tsy tapaka ny Baiboly sy ireo boky fianarana Baiboly avoakan’ny “mpanompo mahatoky sy malina.” (Matio 24:45) Tena ilain’ny mpiandraikitra kristianina izany, “mba tsy hiavonavonan’ny fony amin’ny rahalahiny.” (Deoteronomia 17:19, 20; 1 Petera 5:1-3) Eritrereto ireo olona maro nahazo fitahiana noho ny fanetren-tenany. Anisan’izany i Rota, Hana, Elizabeta, ary ny maro hafa. (Rota 1:16, 17; 1 Samoela 1:11, 20; Lioka 1:41-43) Saintsaino koa ireo lehilahy maro nitana toerana ambony, nefa nanetry tena foana teo anatrehan’Andriamanitra. Anisan’izany, ohatra, i Davida, Josia, Jaona Mpanao Batisa, ary ny apostoly Paoly. (2 Tantara 34:1, 2, 19, 26-28; Salamo 131:1; Jaona 1:26, 27; 3:26-30; Asan’ny Apostoly 21:20-26; 1 Korintianina 15:9) Ary ahoana ny amin’ireo Kristianina maro manetry tena eo anivon’ny fiangonana ankehitriny? Hanampy ny tena Kristianina ‘hifampitondra amim-panetren-tena’ ny fisaintsainana ireny ohatra ireny.—1 Petera 5:5.

16. Nahoana no azo lazaina fa manampy antsika hanetry tena ny fanompoana?

16 Manampy antsika hanetry tena koa ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana. Ny fanetren-tena, ohatra, dia mahatonga antsika hahay hiresaka amin’ny olona tsy fantatsika, rehefa mitory isan-trano na any amin’ny toeran-kafa. Marina izany, indrindra raha tsy miraika amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana ilay olona amin’ny voalohany, na tsy mahalala fomba. Manohitra ny zavatra inoantsika ny olona matetika, ka raha manetry tena isika, dia ho afaka hamaly ny fanontaniany “amim-pahalemem-panahy sy amim-panajana lalina.” (1 Petera 3:15) Manetry tena koa ireo mpanompon’Andriamanitra izay mifindra monina any amin’ny faritany vaovao, mba hanampy olona tsy mitovy kolontsaina sy fari-piainana aminy. Manetry tena izy ireo mianatra fiteny hafa, na dia sarotra aza izany, mba hahafahany hanampy tsara kokoa ny olona tiany hitoriana ny vaovao tsara. Mendri-piderana tokoa izy ireo!—Matio 28:19, 20.

17. Inona avy no andraikitra kristianina mitaky fanetren-tena?

17 Manampy olona maro hanatontosa ny andraikiny amin’ny maha Kristianina azy ny fanetren-tena, sady manampy azy hikarakara izay mahasoa ny hafa alohan’ny an’ny tenany. Ny fanetren-tena, ohatra, no mahatonga ny raim-pianakaviana kristianina haka fotoana avy amin’ny zavatra hafa ataony, mba hanomanana sy hitarihana fampianarana Baiboly mandaitra amin’ny zanany. Manampy ny ankizy hanome voninahitra sy hankatò ny ray aman-dreniny tsy lavorary koa ny fanetren-tena. (Efesianina 6:1-4) Matetika no miatrika toe-javatra mitaky fanetren-tena ireo anabavy manambady tsy Vavolombelona, rehefa miezaka hisarika azy ho amin’ny fahamarinana, amin’ny alalan’ny ‘fitondran-tena madio sy ny fanajana lalina.’ (1 Petera 3:1, 2) Tena ilaina koa ny fanetren-tena sy ny fitiavana feno fahafoizan-tena, mba hikarakarana amim-pitiavana ny ray aman-dreny marary sy be taona.—1 Timoty 5:4.

Mahavaha olana ny fanetren-tena

18. Nahoana isika no mahavita mamaha olana rehefa manetry tena?

18 Tsy lavorary avokoa ny mpanompon’Andriamanitra eto an-tany. (Jakoba 3:2) Mety hisy olana na tsy fifankahazoana eo amin’ny Kristianina indraindray. Mety hisy hanana antony marim-pototra hitarainana momba ny sasany. Matetika no ho voavaha ireny olana ireny, raha ampiharina ity torohevitra ity: “Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany. Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah, koa aoka ianareo mba hifamela heloka koa.” (Kolosianina 3:13) Marina fa tsy mora izany, nefa ho afaka hampihatra io torohevitra io isika, raha manetry tena.

19. Inona no tsy maintsy tadidintsika, rehefa miresaka amin’ny olona nampahatezitra antsika isika?

19 Mety hieritreritra ny Kristianina iray fa lehibe loatra ilay antony itarainany, ka tsy azony avela amin’izao. Raha manetry tena izy amin’izay, dia hiresaka amin’ilay Kristianina ananany alahelo, mba hamitranam-pihavanana. (Matio 18:15) Tsy mety voavaha ny olana eo amin’ny samy Kristianina indraindray, satria misy anankiray be hambom-po ka tsy mety miaiky ho diso, na izy roa tonta mihitsy no toy izany. Mety hihevi-tena ho marina na ho be fanakianana koa ilay olona manao ny dingana voalohany. Azo inoana anefa fa tena hanampy antsika hamaha olana maro ny fanehoana ny tena fanetren-tena.

20, 21. Inona no tena hanampy antsika hanetry tena?

20 Tena ilaina ny mivavaka amin’Andriamanitra mba hahazoana ny fanampiany sy ny fanahiny, raha maniry hanetry tena isika. Tadidio anefa fa ‘ny manetry tena no anehoan’Andriamanitra hatsaram-panahy tsy manam-paharoa’, ka omeny ny fanahiny masina. (Jakoba 4:6) Raha manana olana amin’ny mpiara-manompo àry ianao, dia mivavaha amin’i Jehovah mba hampiany hanetry tena sy hiaiky ny fahadisoanao, na kely ilay izy na lehibe. Raha nalahelo ianao, nefa miala tsiny aminao ilay olona diso, dia manetre tena ary mamelà azy. Raha sarotra aminao izany, dia mivavaha amin’i Jehovah mba hanampiany anao hanaisotra ny avonavona mety ho mbola tavela ao am-ponao.

21 Mitondra soa maro tokoa ny fanetren-tena, ka tokony hiezaka isika hanana sy hihazona foana an’io toetra sarobidy io. Tena manampy antsika amin’izany ny modely faran’izay tsara nomen’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy! Aza hadinoina mihitsy fa manome toky antsika Andriamanitra hoe: “Ny valin’ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’i Jehovah dia harena sy voninahitra ary fiainana.”—Ohabolana 22:4.

Hevitra Hosaintsainina

• Iza avy no modelim-panetren-tena tsara indrindra?

• Nahoana no sarotra ny manetry tena?

• Inona no afaka manampy antsika hanetry tena?

• Nahoana isika no mila manetry tena hatrany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

Naneho ny tena fanetren-tena i Jesosy

[Sary, pejy 28]

Mampirisika ny olona hihoatra ny namany ity tontolo ity

[Sary nahazoan-dalana]

WHO photo by L. Almasi/K. Hemzǒ

[Sary, pejy 29]

Manampy antsika hahay hiresaka amin’ny olona itoriantsika ny fanetren-tena

[Sary, pejy 30]

Matetika no voavaha ny olana rehefa manetry tena isika, ka mamela amim-pitiavana ny fahadisoan’ny hafa

[Sary, pejy 31]

Misy fomba maro anehoan’ny Kristianina fanetren-tena