Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahare ny Vaovao Tsara ny Jiosy Tamin’ny Taonjato Voalohany

Nahare ny Vaovao Tsara ny Jiosy Tamin’ny Taonjato Voalohany

Nahare ny Vaovao Tsara ny Jiosy Tamin’ny Taonjato Voalohany

NISY fivoriana lehibe tany Jerosalema, tamin’ny taona 49 tany ho any. Tao ry Jaona sy Petera ary Jakoba, rahalahin’i Jesosy, ‘izay nekena ho andrin’ny’ fiangonana kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Nanatrika an’io fivoriana io koa ny apostoly Paoly sy Barnabasy namany. Anisan’ny zavatra nodinihina ny fizarana an’ilay faritany midadasika natao hitoriana. Hoy i Paoly: “Notoloran’izy ireo ny tanany ankavanana izahay sy Barnabasy ho mariky ny fiaraha-miasa, mba handehananay any amin’ny hafa firenena, fa izy ireo kosa any amin’ny voafora.”—Galatianina 2:1, 9. *

Inona no hevitr’io andinin-teny io? Ahoana no tokony hizarana ilay faritany hitoriana ny vaovao tsara? Nozaraina arakaraka ny olona ve, izany hoe ny hafa firenena etsy andaniny, ary ny Jiosy sy ireo olona niova ho amin’ny fivavahana jiosy etsy ankilany? Sa fizarana ara-jeografia ilay izy? Mila mahafantatra ny tantaran’ireo Jiosy nipetraka tany ivelan’i Palestina isika, mba hahitantsika ny mety ho valin’izany.

Toerana nielezan’ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany

Firy ny Jiosy nipetraka tany ivelan’i Palestina, tamin’ny taonjato voalohany? Manam-pahaizana maro no toa manaiky ny voalazan’ny Bokin-tsarintanin’ny Tontolo Jiosy (anglisy), manao hoe: “Sarotra ny manome isa voafaritra tsara, nefa azo inoana fa nisy Jiosy roa tapitrisa sy sasany tany Jodia taloha kelin’ny taona 70, ary maherin’ny efatra tapitrisa no niely nanerana ny Fanjakana Romanina. ... Toa Jiosy ny ampahafolon’ny mponina rehetra tao amin’ilay fanjakana. Nahafaoka ny ampahefatry ny mponina na maherin’izany aza, izy ireo, tany amin’ny faritra atsinanana, toerana nonenan’ny ankamaroan’ny Jiosy.”

Ireto avy no toerana be Jiosy tany amin’ny faritra atsinanana: Syria, Azia Minora, Babylona, Ejipta. Vitsy kokoa ny Jiosy tany Eoropa. Nisy Kristianina jiosy fanta-daza vitsivitsy nipetraka tany ivelan’i Israely. Avy any Sipra, ohatra, i Barnabasy, ary i Prisila sy Akoila avy any Ponto fa nifindra tany Roma, i Apolosy avy any Aleksandria, ary i Paoly avy any Tarsosy.—Asan’ny Apostoly 4:36; 18:2, 24; 22:3.

Nifandray tsy tapaka tamin’ny tanindrazany ireo Jiosy tany am-pielezana. Nandefa hetra isan-taona tany amin’ny tempolin’i Jerosalema izy ireo, mba hisahanana ny zava-drehetra natao tao, sady hampisehoana fa mbola mpivavaka tao izy ireo. Hoy i John Barclay, manam-pahaizana, momba izany: “Voaporofo fa ireo Jiosy tany am-pielezana ihany, no nanangona an’io vola io sy ny fanomezana fanampiny nomen’ireo nanan-karena.”

Jiosy an’aliny koa isan-taona no namonjy fety tany Jerosalema. Izany, ohatra, no nitranga tamin’ny Pentekosta taona 33, araka ny Asan’ny Apostoly 2:9-11. Tonga tany ireo Jiosy avy any Partia, Media, Elama, Mezopotamia, Kapadokia, Ponto, Azia, Frijia, Pamfylia, Ejipta, Libya, Roma, Kreta, ary Arabia.

Nifanoratra tamin’ireo Jiosy tany am-pielezana koa ny tompon’andraikitry ny tempoly tany Jerosalema. Voalaza fa nandefa taratasy tany Babylona sy ny faritra hafa i Gamaliela, ilay mpampiana-dalàna resahin’ny Asan’ny Apostoly 5:34. Manamarina izany koa izay nitranga tamin’ny apostoly Paoly, fony izy voafonja ka nentina tany Roma tamin’ny taona 59. Nilaza taminy ny ‘lohandohan’ny Jiosy fa sady tsy naharay taratasy avy tany Jodia momba [azy, izy ireo] no tsy nisy rahalahy tonga nitantara na nilaza zava-dratsy momba [azy].’ Asehon’izany fa nahazo taratasy na tatitra avy tany an-tanindrazany matetika, ireo Jiosy tany Roma.—Asan’ny Apostoly 28:17, 21.

Ny Soratra Hebreo amin’ny teny grika, na Fandikan-tenin’ny Fitopolo, no Baiboly nampiasain’ny Jiosy tany am-pielezana. Hoy ny boky iray: “Azo inoana fa novakina nanerana ny faritra nielezan’ny Jiosy ny LXX [Fandikan-tenin’ny Fitopolo], ary nekena ho Baibolin’ny Jiosy na ‘soratra masina.’ ” Io fandikan-teny io koa no tena nampiasain’ny Kristianina voalohany rehefa nampianatra.

Nahafantatra tsara izany rehetra izany ny Kristianina anisan’ny filan-kevi-pitantanana tany Jerosalema. Efa nitoriana ny vaovao tsara ny Jiosy tany Syria, sy tany an-toeran-kafa toa an’i Damaskosy sy Antiokia. (Asan’ny Apostoly 9:19, 20; 11:19; 15:23, 41; Galatianina 1:21) Toa nandamina ny asa hatao amin’ny hoavy ireo nanatrika ny fivoriana tamin’ny taona 49. Andeha hodinihintsika ny fitaran’ilay asa teo amin’ny Jiosy sy ireo niova ho amin’ny fivavahana jiosy.

Ny dian’i Paoly tany amin’ireo Jiosy tany am-pielezana

Ny “hitondra ny [anaran’i Jesosy Kristy] any amin’ny hafa firenena sy ny mpanjaka ary ny zanak’Israely” no asa voalohany nanendrena ny apostoly Paoly. * (Asan’ny Apostoly 9:15) Mbola nitory tamin’ireo Jiosy tany amin’ny toerana rehetra nalehany ihany i Paoly, taorian’ilay fivoriana tany Jerosalema. (Jereo ny efajoro, pejy 14.) Midika izany fa nozaraina ara-jeografia ilay faritany, fa tsy arakaraka ny olona. Nitarin’i Paoly sy Barnabasy tany amin’ny faritra andrefan’ny Fanjakana Romanina ny asa misionera nataony. Ny hafa kosa nitory teo an-tanindrazana sy tamin’ireo Jiosy maro be tany amin’ny faritra Atsinanana.

Nasaina nandeha niankandrefana i Paoly sy ny namany tamin’ny dia misionerany faharoa. Niainga tany Antiokia any Syria izy ireo, ary namakivaky an’i Azia Minora hatrany Troasy. Nankany Makedonia indray izy ireo avy eo, satria nihevitra fa “Andriamanitra no nampiantso [azy] mba hitory ny vaovao tsara tamin’[ny Makedonianina.]” Nisy fiangonana kristianina niforona tany amin’ny tanàna eoropeanina hafa tatỳ aoriana, anisan’izany i Atena sy Korinto.—Asan’ny Apostoly 15:40, 41; 16:6-10; 17:1–18:18.

Mbola nikasa hanohy ny diany hiankandrefana i Paoly, rehefa vita ny dia misionerany fahatelo tamin’ny taona 56 tany ho any, ka hanitatra ny faritany nanendrena azy tamin’ilay fivoriana tany Jerosalema. Hoy izy: “Marisika hitory ny vaovao tsara aminareo izay any Roma koa aho” ary “hiainga ho any Espaina aho ka handalo any aminareo.” (Romanina 1:15; 15:24, 28) Ary ahoana ny amin’ireo Jiosy niely tany Atsinanana?

Jiosy niely tany atsinanana

I Ejipta no toerana tena be Jiosy tamin’ny taonjato voalohany, indrindra fa i Aleksandria renivohiny. Ana hetsiny ny Jiosy nonina tao amin’io foibe ara-barotra sy ara-kolontsaina io, ary nisy synagoga nanerana an’ilay tanàna. Nilaza i Philon, Jiosy avy any Aleksandria, fa Jiosy iray tapitrisa, fara fahakeliny, no nonina nanerana an’i Ejipta, tamin’izany fotoana izany. Maro koa ny Jiosy nipetraka tany Libya, tanàna tsy lavitra teo, sy Kyrena ary ny tanàna manodidina.

Avy any amin’ireo faritra ireo ny sasany tamin’ireo Jiosy lasa Kristianina. Anisan’izany i “Apolosy, teratany avy any Aleksandria” sy “ireo [Jiosy] avy tany Sipra sy Kyrena” ary “Losio avy any Kyrena” izay niandraikitra ny fiangonana tany Antiokia any Syria. (Asan’ny Apostoly 2:10; 11:19, 20; 13:1; 18:24) Tsy miresaka momba ny fitoriana tany Ejipta sy ny manodidina azy intsony ny Baiboly ankoatra an’ireo, afa-tsy ilay fitorian’i Filipo tamin’ilay tandapa etiopianina.—Asan’ny Apostoly 8:26-39.

Anisan’ny toerana be Jiosy koa i Babylona, Partia, Media ary Elama. Nisy mpahay tantara nilaza fa “nisy Jiosy avokoa ny toerana rehetra tany amin’ny lemak’i Tigra sy Eofrata, nanomboka tany Armenia ka hatrany amin’ny Hoala Persika, nitohy nianavaratratsinanana hatrany amin’ny Ranomasina Caspienne, ary niantsinanana hatrany Media.” Milaza ny Rakipahalalana Judaica (anglisy), fa niisa 800 000 izy ireo, na maherin’izany aza. Resahin’i Josèphe, Jiosy mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany, fa Jiosy avy tany Babylona an’aliny no nankany Jerosalema, mba hamonjy ny fety fanao isan-taona.

Nisy Jiosy avy tany Babylona ve natao batisa tamin’ny Pentekosta taona 33? Tsy fantatsika ny amin’izany. Avy tany Mezopotamia anefa ny sasany tamin’ireo nandre ny apostoly Petera tamin’io andro io. (Asan’ny Apostoly 2:9) Fantatsika koa fa tany Babylona ny apostoly Petera tamin’ny taona 62-64 tany ho any. Tany izy no nanoratra ny taratasiny voalohany, ary ny faharoa koa angamba. (1 Petera 5:13) Anisan’ny faritany nomena an’i Petera sy Jaona ary Jakoba i Babylona sy ireo Jiosy maro be nonina tany. Noresahina izany tamin’ilay fivoriana voalaza ao amin’ny taratasy ho an’ny Galatianina.

Ny fiangonana tany Jerosalema sy ireo Jiosy tany am-pielezana

Mpiandraikitra teo anivon’ny fiangonan’i Jerosalema i Jakoba, ary nanatrika ilay fivoriana nandinihana ny faritany koa izy. (Asan’ny Apostoly 12:12, 17; 15:13; Galatianina 1:18, 19) Izy mihitsy no nahita ireo Jiosy an’arivony nivahiny tao Jerosalema, izay nandray ny vaovao tsara sy natao batisa, tamin’ny Pentekosta taona 33.—Asan’ny Apostoly 1:14; 2:1, 41.

Jiosy an’aliny no tonga nankalaza ny fety fanao isan-taona, taorian’izay. Feno hipoka ny tanàna, ka voatery nipetraka tany amin’ny tanàna manodidina ny vahiny, na nipetraka tao anaty lay. Manazava ny Rakipahalalana Judaica fa nivavaka tao amin’ny tempoly izy ireo, nanolotra fanatitra, ary nianatra ny Bokin’ny Lalàna, ankoatra ny fihaonana tamin’ny namana.

Azo antoka fa nanararaotra an’ireo fotoana ireo i Jakoba sy ny olon-kafa anisan’ny fiangonan’i Jerosalema, mba hitoriana tamin’ireo Jiosy mpiavy. Malina tsara angamba ny apostoly, rehefa nitory nandritra ny “fanenjehana mafy nihatra tamin’ny fiangonana tany Jerosalema”, taorian’ny nahafatesan’i Stefana. (Asan’ny Apostoly 8:1) Tsy nitsaha-nitombo ny fiangonana noho ny zotom-pon’ireo Kristianina ireo, taloha sy taorian’io zava-nitranga io.—Asan’ny Apostoly 5:42; 8:4; 9:31.

Inona no ianarantsika avy amin’izany?

Niezaka nitory tamin’ny Jiosy ny Kristianina voalohany, na taiza na taiza nahitany azy ireo. Nitory tamin’ny hafa firenena tany Eoropa koa i Paoly sy ny olon-kafa. Nankatoavin’izy ireo ny baiko nomen’i Jesosy talohan’ny nandehanany, dia ny hampianatra “ny olona any amin’ny firenena rehetra.”—Matio 28:19, 20.

Hitantsika avy amin’ny ohatr’izy ireo, fa zava-dehibe ny mitory amin’ny fomba voalamina, mba hahazoana ny fanampian’ny fanahin’i Jehovah. Misy vokany tsara koa ny fitoriana amin’ireo manaja ny Tenin’Andriamanitra, indrindra any amin’ny faritany zara raha misy Vavolombelon’i Jehovah. Misy toerana mamokatra kokoa noho ny hafa ve ao amin’ny faritanin’ny fiangonanareo? Ireny angamba no tsara hitoriana matetika kokoa. Misy fotoan-dehibe azo hararaotina hitoriana tsy ara-potoana na hitoriana eny an-dalana ve?

Mandray soa isika rehefa mamaky ny tantaran’ny Kristianina voalohany, ao amin’ny Baiboly. Tena ilaina koa anefa ny mahafantatra tsipirian-javatra ara-tantara sy ara-jeografia. Anisan’ny manampy antsika hanitatra ny fahalalantsika ny bokikely ‘Jereo Ilay Tany Soa’, miaraka amin’ireo sarintany sy sary be dia be ao anatiny.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Angamba io fivoriana io natao tamin’ny fotoana nandinihan’ny filan-kevi-pitantanana ny raharaha momba ny famorana, tamin’ny taonjato voalohany.—Asan’ny Apostoly 15:6-29.

^ feh. 13 Miresaka ny fitoriana nataon’i Paoly tamin’ny Jiosy ity lahatsoratra ity, fa tsy ny asa nataony tamin’ny naha “apostoly ho an’ny hafa firenena” azy.—Romanina 11:13.

[Tabilao, pejy 14]

NIAHY AN’IREO JIOSY TANY AM-PIELEZANA NY APOSTOLY PAOLY

TALOHAN’ILAY FIVORIANA TANY JEROSALEMA TAMIN’NY TAONA 49

Asan’ny Apostoly 9:19, 20 Damaskosy — “nitory tany amin’ny synagoga”

Asan’ny Apostoly 9:29 Jerosalema — “niresaka ... tamin’ny Jiosy miteny grika”

Asan’ny Apostoly 13:5 Salamisy, Sipra — “nitory ny tenin’Andriamanitra tao amin’ny synagogan’ny Jiosy”

Asan’ny Apostoly 13:14 Antiokia any Pisidia — “niditra tao amin’ny synagoga”

Asan’ny Apostoly 14:1 Ikonioma — “niditra tao amin’ny synagogan’ny Jiosy”

TAORIAN’ILAY FIVORIANA TANY JEROSALEMA TAMIN’NY TAONA 49

Asan’ny Apostoly 16:14 Filipy — “Lydia ... mpivavaka tamin’Andriamanitra”

Asan’ny Apostoly 17:1 Tesalonika — “synagogan’ny Jiosy”

Asan’ny Apostoly 17:10 Beria — “synagogan’ny Jiosy”

Asan’ny Apostoly 17:17 Atena — “nandresy lahatra ny Jiosy ... tany amin’ny synagoga”

Asan’ny Apostoly 18:4 Korinto — “nandaha-teny tao amin’ny synagoga”

Asan’ny Apostoly 18:19 Efesosy — “niditra tao amin’ny synagoga ary niezaka nandresy lahatra ny Jiosy”

Asan’ny Apostoly 19:8 Efesosy — “niditra tao amin’ny synagoga i Paoly ka nitory tamim-pahasahiana nandritra ny telo volana”

Asan’ny Apostoly 28:17 Roma — “nampiantso an’ireo lohandohan’ny Jiosy”

[Sarintany, pejy 15]

(Jereo ny gazety)

Toerana niavian’ireo olona nandre ny vaovao tsara tamin’ny Pentekosta taona 33

ILYRIKIONA

ITALIA

Roma

MAKEDONIA

GRESY

Atena

KRETA

Kyrena

LIBYA

BITYNIA

GALATIA

AZIA

FRIJIA

PAMFYLIA

SIPRA

EJIPTA

ETIOPIA

PONTO

KAPADOKIA

KILIKIA

MEZOPOTAMIA

SYRIA

SAMARIA

Jerosalema

JODIA

MEDIA

Babylona

ELAMA

ARABIA

PARTIA

[Ranomasina/Farihy]

Ranomasina Mediterane

Ranomasina Mainty

Ranomasina Mena

Hoala Persika