Tandremo sao Miavonavona ny Fonao
Tandremo sao Miavonavona ny Fonao
“Manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra.”—JAKOBA 4:6.
1. Manomeza ohatra mampiseho fa tsy voatery ho ratsy ny mirehareha amin-javatra sasany.
EFA nisy zavatra nampirehareha anao fatratra ve teo amin’ny fiainanao? Efa nahatsapa izany fihetseham-po mahafinaritra izany ny ankamaroantsika. Tsy voatery ho ratsy ny mirehareha. Tena miramirana sy nahatsiaro ho afa-po erỳ, ohatra, ny mpivady kristianina iray, rehefa naharay tatitra hoe hendry sy mazoto mianatra ny zanany vavy. Nirehareha noho ny fiangonana vaovao iray naoriny koa ny apostoly Paoly sy ny namany, satria tsy nivadika ireo rahalahy tao, rehefa niaritra fanenjehana.—1 Tesalonianina 1:1, 6; 2:19, 20; 2 Tesalonianina 1:1, 4.
2. Nahoana matetika no ratsy ny fireharehana?
2 Hitantsika amin’izany fa ny hoe mirehareha, dia mety hidika hoe faly noho ny zava-bita na ny zavatra ananana. Matetika kosa anefa ny olona mirehareha no mihevi-tena ho zavatra loatra, sady manambony tena noho ny fahaizany, ny bika aman’endriny, ny harenany, na ny sarangany. Miseho amin’ny fihetsika mianjona sy miavona izany mazàna. Tena tokony hitandrina isika Kristianina mba tsy hirehareha toy izany. Nahoana? Satria efa ao anatintsika ao ny fitiavan-tena, izay nolovantsika tamin’i Adama razambentsika. (Genesisy 8:21) Noho izany dia mety hamitaka antsika mora foana ny fontsika, ka hahatonga antsika hirehareha noho ny zavatra tsy tokony hireharehana. Tsy maintsy mitandrina mafy, ohatra, ny Kristianina mba tsy hirehareha noho ny firazanany, ny harenany, ny fianarana vitany, ny talentany, na ny asa vitany oharina amin’ny an’ny hafa. Diso toerana izany fireharehana izany, sady tsy mampifaly an’i Jehovah.—Jeremia 9:23; Asan’ny Apostoly 10:34, 35; 1 Korintianina 4:7; Galatianina 5:26; 6:3, 4.
3. Inona no atao hoe avonavona, ary inona no nolazain’i Jesosy momba izany?
3 Misy antony hafa tokony hahatonga antsika hitandrina amin’ny fireharehana diso toerana. Raha avelantsika hitombo ao am-pontsika ny fireharehana toy izany, dia mety hivadika ho avonavona, izay tena maharikoriko tokoa. Inona no atao hoe avonavona? Sady manambony tena ny olona miavona, no manao tsinontsinona ny olon-kafa izay heveriny ho ambany. (Lioka 18:9; Jaona 7:47-49) Notanisain’i Jesosy niaraka tamin’ny toetra ratsy hafa ‘avy ao am-po’ izay ‘mandoto ny olona’, ny “avonavona.” (Marka 7:20-23) Noho izany, dia miaiky ny Kristianina fa tena ilaina ny mitandrina mba tsy hanana fo miavonavona.
4. Inona no soa raisintsika avy amin’ny fandinihana ny tantaran’ireo mpiavonavona ao amin’ny Baiboly?
4 Hanampy anao tsy hiavonavona ny fandinihana ny tantaran’ny mpiavonavona sasany ao amin’ny Baiboly. Ho hainao kokoa amin’izay ny hamantatra raha toa ao aminao ka misy ilay fireharehana diso toerana, na mitady hampiseho izany toetra izany ianao. Hanampy Zefania 3:11.
anao io fandinihan-tena io mba hanalavitra ny eritreritra sy ny fihetseham-po, izay mety hahatonga ny fonao hiavonavona. Tsy ho ringana ianao amin’izay, rehefa hanatanteraka izao teniny izao Andriamanitra: “Hesoriko aminao ireo mibitaka amim-pireharehana, ary tsy hiavonavona eo an-tendrombohitro masina intsony hianao.”—Faizin’Andriamanitra ny mpiavonavona
5, 6. Inona no mampiseho fa niavonavona i Farao, ary inona no vokany?
5 Mahita ny fiheveran’Andriamanitra ny mpiavonavona koa ianao, rehefa mandinika izay nataony tamin’ireo mpitondra mahery toa an’i Farao. Niavonavona tokoa ny fon’i Farao. Nihevi-tena ho andriamanitra mendrika ny hotompoina izy, ka nataony tsinontsinona ireo Israelita andevony. Nanao ahoana ny fihetsiny, rehefa nangatahina izy mba hamela ny Israelita handeha ho any an-tany efitra, “hanao andro firavoravoana” ho an’i Jehovah? Niavonavona be izy namaly hoe: “Iza moa Jehovah, no hekeko teny handefasako ny Isiraely?”—Eksodosy 5:1, 2.
6 Nasain’i Jehovah niteny tamin’i Farao toy izao i Mosesy, rehefa avy namely azy io ny loza enina: “Mbola mirehareha amin’ny oloko ihany va hianao ka tsy handefa azy?” (Eksodosy 9:17) Nilaza ny loza fahafito i Mosesy avy eo, dia ilay havandra nandrava tanàna. Namela ny Israelita handeha ihany i Farao taorian’ny loza fahafolo, nefa niova hevitra indray izy avy eo ka nanenjika azy ireo. Voafandrika tao amin’ny Ranomasina Mena izy sy ny tafiny tamin’ny farany. Ahoana re no mba eritreritr’izy ireo rehefa nanarona azy ny rano e? Inona no vokatry ny avonavon’i Farao? Niteny toy izao ireo miaramila kalazalahiny: “Aoka handositra ny tavan’ny Isiraely isika, fa Jehovah no miady amin’ny Egyptiana ho an’ireo.”—Eksodosy 14:25.
7. Inona no manaporofo fa niavonavona ireo mpitondra tao Babylona?
7 Nampietren’i Jehovah koa ny mpitondra hafa niavonavona. Anisan’izany i Sankeriba, mpanjakan’i Asyria. (Isaia 36:1-4, 20; 37:36-38) Resin’ny Babylonianina i Asyria tatỳ aoriana. Naetry koa anefa ny mpanjaka babylonianina roa niavonavona. Tadidio ilay fety nataon’i Belsazara Mpanjaka. Nisotro divay tamin’ny kaopy nalainy tao amin’ny tempolin’i Jehovah izy sy ny vahiny nasainy tamin’izay, ary nidera ny andriamanitry ny Babylonianina. Nisy tanan’olona nipoitra tampoka anefa, ary nanoratra teny tsy hay vakina teo amin’ny rindrina. Rehefa nasaina nanazava ny dikan’ilay izy i Daniela mpaminany, dia nampahatsiahy an’i Belsazara hoe: “Andriamanitra Avo Indrindra efa nanome fanjakana ... an’i Nebokadnezara rainao; Fa nony niavonavona kosa ny fony, ... dia naetry niala tamin’ny seza fiandrianan’ny fanjakany izy, ary ny voninahiny nesorina taminy; Ary hianao, ry Belsazara zanany, dia tsy mba nampietry ny fonao, na dia fantatrao aza izany rehetra izany.” (Daniela 5:3, 18, 20, 22) Resin’ny tafika medianina sy persanina i Babylona tamin’io alina io, ary nisy namono ho faty i Belsazara.—Daniela 5:30; 6:1.
8. Ahoana no nataon’i Jehovah tamin’ny lehilahy hafa niavonavona?
8 Eritrereto koa ny lehilahy hafa niavonavona sy nanao tsinontsinona ny vahoakan’i Jehovah: i Goliata ilay Filistinina goavam-be, Hamana ilay praiminisitra persanina, ary Heroda Agripa mpanjakan’ny Jodia. Niavonavona izy ireo, ka nataon’Andriamanitra izay hahafaty azy tamin’ny fomba nahafa-baraka. (1 Samoela 17:42-51; Estera 3:5, 6; 7:10; Asan’ny Apostoly 12:1-3, 21-23) Hita amin’izany fa marina tokoa ireto teny ireto: “Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.” (Ohabolana 16:18) Tsy isalasalana mihitsy fa “manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra.”—Jakoba 4:6.
9. Inona no mampiseho fa mpamadika ireo mpanjakan’i Tyro?
9 Tsy toy ireo mpitondra niavonavona tany Ejipta sy Asyria ary Babylona kosa ny mpanjakan’i Tyro, satria nisy fotoana nanampiany ny vahoakan’Andriamanitra. Nandefa mpahay asa tanana izy, sady nanome fitaovana hanorenana ny lapan’ny mpanjaka sy ny tempolin’Andriamanitra, tamin’ny andro nanjakan’i Davida sy 2 Samoela 5:11; 2 Tantara 2:10-15) Nampalahelo anefa fa nivadika tamin’ny vahoakan’i Jehovah ireo mpanjakan’i Tyro tatỳ aoriana. Inona no nahatonga izany?—Salamo 83:3-7; Joela 4:4-6; Amosa 1:9, 10.
Solomona. (“Niavonavona ny fonao”
10, 11. a) Iza no mitovy amin’ireo mpanjakan’i Tyro? b) Nahoana no niova ny fomba nitondran’ny mpanjakan’i Tyro an’ireo Israelita?
10 Nampiasa an’i Ezekiela mpaminany i Jehovah, mba hampibaribary ny faharatsian’ireo mpanjaka nifandimby tao Tyro sy hanameloka azy ireo. Ny teny ao amin’izany hafatra ho an’ny “mpanjakan’i Tyro” izany, dia mihatra amin’ireo mpanjaka nifandimby tao Tyro, sady mihatra amin’i Satana, ilay mpamadika voalohany, izay “tsy nifikitra tamin’ny marina.” (Ezekiela 28:12; Jaona 8:44) Anjely nahatoky niaraka tamin’ireo zanak’i Jehovah tany an-danitra i Satana taloha. Nolazain’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny alalan’i Ezekiela, ny tena antony nivadihan’ireo mpanjakan’i Tyro sy Satana:
11 “Tany Edena, sahan’Andriamanitra, hianao; ny vato soa rehetra no eloelo teo amboninao ... Hianao dia kerobima voahosotra izay manaloka ... Tsy nanan-tsiny hianao tamin’ny nalehanao hatramin’ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao. Noho ny habetsahan’ny varotra nataonao dia nofenoina loza tao aminao, ka nanota hianao; ary ... nosimbako hianao, ry kerobima manaloka ... Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; efa nahasimba ny fahendrenao mbamin’ny famirapiratanao hianao.” (Ezekiela 28:13-17) Ny avonavona tokoa no nahatonga ireo mpanjakan’i Tyro hampidi-doza tamin’ny vahoakan’Andriamanitra. Foibem-barotra i Tyro, ary lasa nanan-karem-be sy nalaza noho ny zavatra tsara tarehy novokariny. (Isaia 23:8, 9) Lasa nihevi-tena ho zavatra loatra àry ireo mpanjakany, ary nanomboka nampahory ny vahoakan’Andriamanitra.
12. Inona no nahatonga an’i Satana hivadika, ary inona no mbola ataony hatramin’izao?
12 Nanana ny fahendrena nilaina mba hanatanterahana ny asa nampanaovin’Andriamanitra azy koa i Satana taloha. Tsy nankasitraka izany anefa izy, fa lasa ‘nirehareha’ sy nankahala ny fomba fitondran’Andriamanitra. (1 Timoty 3:6) Nihevi-tena ho zavatra loatra izy, ka nanomboka naniry mafy ny hotompoin’i Adama sy Eva. Nokolokoloiny izany fanirian-dratsy izany, ka niteraka fahotana. (Jakoba 1:14, 15) Nofitahin’i Satana i Eva, ka nihinana ny voan’ilay hazo tokana nandraran’Andriamanitra. Izy ihany avy eo no nampiasain’i Satana mba hitarika an’i Adama, hihinana tamin’ilay voankazo voarara. (Genesisy 3:1-6) Nanda ny zon’Andriamanitra hanjaka teo aminy izy mivady tamin’izay, ka azo lazaina hoe lasa mpanompon’i Satana. Mihoa-pampana mihitsy ny avonavon’i Satana. Nandramany nofitahina daholo ny zavaboary manan-tsaina any an-danitra sy eto an-tany, anisan’izany i Jesosy Kristy, mba hahatonga azy ireo hanompo azy, ka handa ny zon’i Jehovah hitondra.—Matio 4:8-10; Apokalypsy 12:3, 4, 9.
13. Inona no vokatry ny avonavona?
13 Hitantsika avy amin’izany fa i Satana no 2 Korintianina 4:4) Fantany fa fohy ny fotoana ananany, ka miady amin’ny tena Kristianina izy. Ny hahatonga ny olona hiala amin’Andriamanitra, ho lasa tia tena sy matin-kambo ary hiavonavona, no tanjony. Efa voalazan’ny Baiboly fa ho hita hatraiza hatraiza ireo toetra ratsy ireo, mandritra ny “andro farany.”—2 Timoty 3:1, 2; Apokalypsy 12:12, 17.
niandohan’ny avonavona. Io toetra io no fototry ny fahotana sy ny fijaliana ary ny faharatsiana misy ankehitriny. “Andriamanitr’ity tontolo ity” i Satana, ka mampirisika ny olona hatrany izy hiavonavona sy hirehareha ny amin’izay tsy tokony hireharehana. (14. Inona no fitsipika arahin’i Jehovah eo amin’ny fomba itondrany ireo zavaboariny manan-tsaina?
14 Sahy nampibaribary ny loza nateraky ny avonavon’i Satana i Jesosy Kristy. Intelo, fara fahakeliny, no nilazan’i Jesosy ny fitsipika itondran’i Jehovah ny olona, ary teo anoloan’ny fahavalony niseho ho marina no nanaovany izany. Hoy izy: “Izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.”—Lioka 14:11; 18:14; Matio 23:12.
Tandremo ny fonao tsy hiavonavona
15, 16. Inona no nahatonga an’i Hagara hiavonavona?
15 Voamarikao angamba fa nitana toerana ambony ireo lehilahy niavonavona noresahintsika teo aloha. Midika ve izany fa tsy mety ho lasa miavonavona mihitsy ny olon-tsotra? Tsy izany mihitsy. Eritrereto ny zava-nitranga tao an-tokantranon’i Abrahama. Tsy nanan-janaka lahy handova azy izy, ary efa antitra i Saraha vadiny ka tsy afaka niteraka intsony. Tamin’izany andro izany, dia fanaon’ny lehilahy tsy nanana mpandova ny naka vady hafa mba hananany zanaka. Navelan’Andriamanitra hisy izany, satria mbola tsy tonga ny fotoana hamerenany ilay fitsipika voalohany napetrany momba ny fanambadiana.—Matio 19:3-9.
16 Nanaiky i Abrahama, rehefa nampirisihin’i Saraha hiteraka mpandova tamin’i Hagara, andevovaviny ejipsianina. Lasa vady faharoan’i Abrahama àry i Hagara, ary nanana anaka taminy. Voninahitra ho azy tokoa izany, ka tena tokony ho velom-pankasitrahana izy. Namela ny fony hiavonavona anefa izy. Hoy ny Baiboly: “Rehefa hitany fa efa manan-anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona ny tompovaviny.” Niteraka olana lehibe tao an-tokantranon’i Abrahama izany toe-tsain’i Hagara izany, ka nandroaka azy i Saraha. Nisy vahaolana anefa. Nanoro hevitra an’i Hagara ny anjelin’Andriamanitra hoe: “Miverena any amin’ny tompovavinao ka miareta izay ataony aminao”, na “manetre tena eo ambanin’ny tanany”, araka ny teny hebreo tany am-boalohany. (Genesisy 16:4, 9) Azo inoana fa nanaraka izany torohevitra izany i Hagara, ary nanitsy ny fomba niheverany an’i Saraha, ka lasa razamben’ny olona maro.
17, 18. Nahoana isika rehetra no mila mitandrina mba tsy hiavonavona?
17 Hitantsika avy amin’ny tantaran’i Hagara, fa mety ho lasa miavonavona ny olona rehefa mihatsara ny fiainany. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Na dia manompo an’Andriamanitra amin’ny fo madio aza ny Kristianina, dia mety ho lasa miavonavona rehefa mihamanan-karena na mahazo fahefana. Mety hitranga koa izany, raha derain’ny olona izy noho ny fahombiazany, ny fahendreny, na ny fahaizany. Tena tokony hitandrina àry ny Kristianina mba tsy ho lasa miavonavona ny fony, indrindra fa raha mahomby amin’izay ataony izy, na mahazo andraikitra bebe kokoa.
18 Ny fiheveran’Andriamanitra an’io toetra io anefa no antony lehibe indrindra tsy tokony hampiavonavona antsika. Hoy ny Teniny: ‘Ny fiandranandran’ny maso sy ny fiavonavon’ny fo, izay jiron’ny ratsy fanahy, dia ota.’ (Ohabolana 21:4) Tsara homarihina fa omen’ny Baiboly fampitandremana manokana ny Kristianina “manankarena eto amin’ity tontolo ity”, mba “tsy hiavonavona.” (1 Timoty 6:17; Deoteronomia 8:11-17) Ny Kristianina tsy manana indray dia tsy tokony hanana “maso mialona”, fa hitadidy hoe mety ho lasa miavonavona daholo na ny manankarena na ny mahantra.—Marka 7:21-23; Jakoba 4:5.
19. Ahoana no nanimban’i Ozia ny laza tsarany?
19 Manimba ny fihavanana amin’i Jehovah ny avonavona sy ny toetra ratsy hafa. Eritrereto, ohatra, ny ampahany voalohany tamin’ny fotoana nanjakan’i Ozia: “Nanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah izy ... Ary nitady an’Andriamanitra ... ary tamin’ny andro nitadiavany an’i Jehovah dia nambinin’Andriamanitra izy.” (2 Tantara 26:4, 5) Nampalahelo anefa fa nanimba ny laza tsarany i Ozia Mpanjaka, satria lasa “niavonavona ny fony, ka nanao izay ratsy izy.” Nihevi-tena ho zavatra loatra izy, ka niditra tao amin’ny tempoly mba hanolotra emboka manitra. Nampitandrina azy mba tsy hiana-kendry toy izany ireo mpisorona, nefa “nisafoaka Ozia.” Noho izany, dia nataon’i Jehovah boka izy, ary maty sady tsy nahazo sitraka taminy.—2 Tantara 26:16-21.
20. a) Nahoana no saika simba ny laza tsaran’i Hezekia Mpanjaka? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
20 Diniho kosa ny nataon’i Hezekia Mpanjaka. Efa saika simba koa ny laza tsarany, satria lasa “niavonavona ny fony.” Soa ihany anefa fa “nanetry tena noho ilay efa niavonavonan’ny fony” i Hezekia, ka nahazo sitraka tamin’Andriamanitra indray. (2 Tantara 32:25, 26) Mariho fa ny fanetren-tena no fomba nandresen’i Hezekia ny avonavona. Mifanohitra amin’ny avonavona tokoa ny fanetren-tena. Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka àry ny fomba hananana fanetren-tena, sy ny fomba hanehoana hatrany an’io toetra io.
21. Afaka manantena inona ireo Kristianina manetry tena?
21 Enga anie isika tsy hanadino mihitsy ny voka-dratsin’ny avonavona. “Manohitra ny Isaia 2:17.
mpiavonavona Andriamanitra”, ka aoka isika ho tapa-kevitra hanalavitra ny fireharehana diso toerana. Aoka kosa isika hiezaka hanetry tena, dia ho afaka hanantena ny ho tafavoaka velona amin’ny andro lehiben’Andriamanitra, rehefa hesorina tsy ho eto an-tany intsony ny mpiavonavona sy ny asa ratsiny. ‘Hatao mitanondrika ny fireharehan’ny zanak’olombelona’ amin’izay, “ary ny fiavonavonan’ny olona haetry; fa Jehovah ihany no hisandratra amin’izany andro izany.”—Hevitra Hosaintsainina
• Olona manao ahoana no atao hoe miavonavona?
• Ahoana no niandohan’ny avonavona?
• Inona no mety hahatonga ny olona hiavonavona?
• Nahoana isika no tsy maintsy mitandrina mba tsy hiavonavona?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 23]
Naetry i Farao noho izy niavonavona
[Sary, pejy 24]
Lasa niavonavona i Hagara rehefa nihatsara ny fiainany
[Sary, pejy 25]
Nanetry tena i Hezekia ka nahazo sitraka tamin’Andriamanitra indray