Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Handao Anao Mihitsy i Jehovah

Tsy Handao Anao Mihitsy i Jehovah

Tsy Handao Anao Mihitsy i Jehovah

NAHERY vaika ny fanoherana ny Kristianina tany Jodia, ary tsy maintsy niady mafy izy ireo mba tsy ho fatra-pitia harena toy ny olona nanodidina azy. Te hampahery azy ireo ny apostoly Paoly, ka namerina taminy ny tenin’i Jehovah tamin’ny Israelita fony izy ireo niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina. “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao mihitsy”, hoy i Jehovah tamin’izay. (Hebreo 13:5; Deoteronomia 31:6) Azo antoka fa nanatanjaka an’ireo Kristianina hebreo tamin’ny taonjato voalohany io fampanantenana io.

Tokony hampahery antsika koa izy io, mba hiatrehantsika ny fanahiana entin’izao “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao. (2 Timoty 3:1) Hanohana antsika tokoa i Jehovah na dia ao anatin’ny toe-javatra faran’izay sarotra aza, raha matoky azy isika sady manaporofo izany amin’ny ataontsika. Andeha àry isika handinika ny fomba anatanterahan’i Jehovah an’io fampanantenana io, ohatra, rehefa misy olona mamoy asa tampoka.

Fiatrehana fiovan-javatra tsy ampoizina

Mihamaro ny olona tsy an’asa eran-tany. Araka ny gazety poloney iray, dia “anisan’ny olana ara-tsosialy sy ara-toe-karena saro-bahana indrindra” ny tsy fananana asa. Voakasik’izany koa ny firenena mandroso. Na any amin’ireo tany anisan’ny Fikambanana Misahana ny Fiaraha-miasa sy ny Fampandrosoana Ara-toe-karena aza, ohatra, dia ‘lasa 32 tapitrisa mahery ny olona tsy an’asa tamin’ny 2004. Mihoatra noho ny tamin’ny Krizy Ara-toe-karena Lehibe tamin’ireo taona 1930 io isa io.’ Nilaza ny Birao Foibe Momba ny Antontan’isa, fa telo tapitrisa ny olona tsy an’asa tany Polonina tamin’ny Desambra 2003, izany hoe ‘efa ho ny ampahadimin’ny olona tokony hiasa.’ Nanambara ny boky iray fa efa ho ny antsasaky ny mainty hoditra tatsy Afrika Atsimo, no tsy an’asa tamin’ny 2002!

Tena loza mandrahona olona maro, anisan’izany ny mpanompon’i Jehovah, ny famoizana asa tampoka. Manjo ny rehetra mantsy “ny fotoana sy ny sampona.” (Mpitoriteny 9:11) Hilaza toa an’i Davida mpanao salamo koa angamba isika amin’izay hoe: “Ny fahorian’ny foko efa mihalehibe.” (Salamo 25:17) Ho hainao ve ny hiatrika zava-tsarotra toy izany? Mety hampikorontan-tsaina anao mantsy izany, ka tsy hazoto handray sakafo ara-panahy intsony ianao. Ary mety tsy ho vitanao ny hamelona araka ny tokony ho izy ny ankohonanao. Ho afaka hamerina amin’ny laoniny ny fiainanao ve ianao, raha tsy an’asa?

Fiatrehana ny adin-tsaina

“Mafy kokoa amin’ny lehilahy ny mamoy ny asany”, satria izy mazàna no antenaina hamelona ny fianakaviany, hoy i Janusz Wietrzyński, manam-pahaizana momba ny saina. Nilaza koa izy fa mety ‘hampiovaova be ny fihetseham-pon’ny’ lehilahy izany, ka mbetika izy ho tezitra, mbetika hahay hionona. Mety hihevi-tena ho tsy misy vidiny izy, ka hanomboka “hila vaniny amin’ny fianakaviany.”

Kristianina manan-janaka roa i Adam. Toy izao no nanazavany ny fihetseham-pony tamin’izy very asa: “Mora nitebiteby aho. Nahasorena ahy daholo ny zava-drehetra. Na tamin’ny alina aza, dia zavatra mifandray amin’ny asa daholo no nalaiko nofy. Anisan’izany ny hoe ahoana no hamelomako ny vady aman-janako, satria very asa tampoka koa ny vadiko.” Ry Ryszard sy Mariola indray dia mpivady manan-janaka iray, ary mbola nananan’ny banky vola be, rehefa namoy ny asany. Hoy i Mariola: “Nitaintaina foana aho. Nanameloka ahy ny eritreritro hoe diso izahay nidi-trosa. Tsy afaka tao an-tsaiko ny hoe fahadisoako izany rehetra izany.” Mety ho tezitra na hitebiteby mora foana isika, na hasiaka tampoka, rehefa miatrika toe-javatra toy izany, ka tsy hahita intsony izay tokony hatao. Ahoana àry no azontsika ifehezana ny fihetseham-po ratsy mety hipoitra?

Manome torohevitra mahasoa ny Baiboly mba hananantsika fanantenana foana. Nananatra toy izao ny apostoly Paoly: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.” (Filipianina 4:6, 7) Ho azontsika io “fiadanan’Andriamanitra” io, izany hoe filaminan-tsaina miorina amin’ny finoantsika an’i Jehovah, raha mivavaka isika. Hoy i Irena, vadin’i Adam: “Rehefa nivavaka izahay, dia noresahinay tamin’i Jehovah ny toe-javatra nisy anay, sy izay nokasainay hatao mba hanatsorana kokoa ny fiainanay. Ny vadiko matetika no be fanahiana, nefa lasa natoky izy fa hahita vahaolana izahay.”

Azonao atao tsara ny mampihatra ilay fananaran’i Jesosy Kristy ao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra, raha very asa tampoka ianao. Izao ilay izy: “Aza manahy ny amin’ny ainareo intsony, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny vatanareo, dia izay hotafinareo. ... Katsaho hatrany àry aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany.” (Matio 6:25, 33) Nampihatra an’io torohevitra io i Ryszard sy Mariola, mba hiatrehana ny adin-tsainy. Hoy i Mariola: “Nampahery ahy foana ny vadiko, ary nanantitrantitra fa tsy handao anay i Jehovah.” Hoy koa ny vadiny: “Niara-nivavaka tsy tapaka izahay, ka nahatsiaro ho akaiky kokoa an’i Jehovah, ary lasa nifandray kokoa. Izany no nahazoanay ny fampiononana nilainay.”

Hanampy antsika koa ny fanahy masin’Andriamanitra, satria hahatonga antsika hahay hifehy tena, ka ho tony. (Galatianina 5:22, 23) Mety tsy ho mora izany nefa azo atao, satria nampanantena i Jesosy fa “ilay Ray any an-danitra, no hanome ny fanahy masina an’izay mangataka aminy.”—Lioka 11:13; 1 Jaona 5:14, 15.

Aza atao tsirambina ny sakafo ara-panahy

Na ny Kristianina faran’izay matotra aza, dia mety ho kivy rehefa very asa tampoka. Tsy tokony hatao tsirambina anefa ny sakafo ara-panahy. Niova tanteraka, ohatra, ny fiainan’i Mosesy tamin’izy 40 taona, satria tsy anisan’ny ankohonan’ny mpanjaka intsony izy. Lasa mpiandry ondry izy, nefa asa naharikoriko ny Ejipsianina izany. (Genesisy 46:34) Tsy maintsy nizatra tamin’izany rehetra izany àry i Mosesy. Nanaiky hovolavolain’i Jehovah sy hampiofaniny hanao asa vaovao izy, nandritra ireo 40 taona nanaraka. (Eksodosy 2:11-22; Asan’ny Apostoly 7:29, 30; Hebreo 11:24-26) Niatrika zava-tsarotra i Mosesy, nefa nifantoka tamin’ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah, ka nanaiky hampiofaniny. Enga anie isika tsy hamela mihitsy ny zava-tsarotra hampihen-danja ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, izay sarobidy tokoa!

Mety halahelo be isika rehefa very asa tampoka. Azo hararaotina anefa izany, mba hanatsarana ny fifandraisantsika amin’i Jehovah Andriamanitra sy ny vahoakany. Izany no tsapan’i Adam voaresaka tetsy aloha. Hoy izy: “Rehefa samy very asa izahay mivady, dia tsy mba tonga tao an-tsainay mihitsy ny hoe tsy hamonjy fivoriana kristianina na hampihena ny fitorianay ny vaovao tsara. Nahatonga anay tsy hanahy be loatra ny amin’ny ampitso izany.” Toy izany koa i Ryszard, izay niteny hoe: “Tsy ho tafavoaka mihitsy izahay, raha tsy teo ny fivoriana sy ny fanompoana, satria ho resin’ny fanahiana. Mampahery ny miresaka momba ny Baiboly amin’ny olon-kafa, satria lasa mihevitra izay ilain’izy ireo ianao, fa tsy mifantoka intsony amin’izay ilainao.”—Filipianina 2:4.

Aza manahy momba ny asa àry. Miezaha kosa mampiasa ny fotoana mbola tsy iasanao, mba hanaovana fianarana samirery, na handraisana anjara amin’ny asa ataon’ny fiangonana, na hanitarana ny fanompoana. Tsy hipetra-potsiny ianao amin’izay, fa ho ‘be atao amin’ny asan’ny Tompo.’ Samy ho faly àry, na ianao na ireo olona tso-po mandray tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana torinao.—1 Korintianina 15:58.

Miezaha mamelona ny fianakavianao

Tsy hahavoky ny kibo noana anefa ny sakafo ara-panahy. Tsara ny hitadidiantsika foana ity toro lalana ity: “Ary raha misy tsy manome izay ilain’ny havany, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nanda ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino.” (1 Timoty 5:8) Hoy i Adam: “Marina fa vonona hanome izay ilaintsika ny rahalahy eo anivon’ny fiangonana, nefa adidintsika Kristianina ny miezaka mitady asa.” Afaka matoky ny fanohanan’i Jehovah sy ny vahoakany isika, nefa tsy tokony hanadino mihitsy fa isika aloha no tsy maintsy miezaka mitady asa.

Inona no azo atao? Hoy i Adam: “Aza mipetra-potsiny ka manantena fahagagana avy amin’Andriamanitra. Aza misalasala milaza fa Vavolombelon’i Jehovah ianao, rehefa mitady asa. Matetika mantsy no tian’ny mpampiasa ny Vavolombelona.” Izao no torohevitr’i Ryszard: “Anontanio ny olom-pantatrao sao mba mahita asa. Manontania matetitetika any amin’ny sampan-draharaha mpanao tolotr’asa, mamakia filazana, toy ny hoe: ‘Mitady vehivavy hikarakara kilemaina’, na ‘Asa an-tselika: Fiotazana frezy.’ Mitadiava foana! Aza mifidifidy loatra, fa ataovy na asa mety hoheverinao ho ambany aza, na asa tsy mifanojo amin’izay irinao.”

Eny, “Jehovah no mpanampy [anao].” “Tsy handao anao mihitsy [izy], ary tsy hahafoy anao mihitsy.” (Hebreo 13:5, 6) Aza mitebiteby loatra. Hoy i Davida mpanao salamo: “Ankino amin’i Jehovah ny làlanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.” (Salamo 37:5) ‘Ankinintsika amin’i Jehovah ny lalantsika’ rehefa miantehitra aminy isika sy manao zavatra mifanaraka amin’ny sitrapony, na dia mety ho sarotra aza ny fahitantsika ny toe-javatra.

Afaka namelon-tena i Adam sy Irena, rehefa nanao asana mpanadio fitaratra sy tohatra, ary nahay nitsitsy. Nandeha matetitetika tany amin’ny sampan-draharaha mpanao tolotr’asa koa ry zareo. Hoy i Irena: “Nahazo fanampiana foana izahay tamin’ny fotoana nilanay an’izany indrindra.” Hoy koa ny vadiny: “Hitanay rehefa nandeha ny fotoana, fa tsy nifanaraka tamin’ny sitrapon’Andriamanitra indraindray ny zavatra nangatahinay tao amin’ny vavaka. Nampianatra anay hiantehitra amin’ny fahendreny izany, fa tsy hanao izay heverinay fa tsara fotsiny. Aleo miandry amim-pahatoniana ny vahaolana avy amin’Andriamanitra.”—Jakoba 1:4.

Sady nanao asa an-tselika isan-karazany i Ryszard sy Mariola, no nanompo tany amin’ny faritany nilana mpitory maro kokoa. Hoy i Ryszard: “Isaky ny tsy nanan-kohanina intsony izahay, dia nahita asa nety taminay. Nolavinay izay asa tsara karama nefa hanakantsakana ny fanompoanay. Naleonay niandry an’i Jehovah.” Mino ry zareo fa i Jehovah no nanao zavatra ka nahafahan’izy ireo nanofa trano mora be, ary nahatonga an’i Ryszard hahita asa.

Mety ho tena hahakivy ny famoizana asa fivelomana. Nahoana anefa raha mihevitra izany ho toy ny fahafahana hahita fa tsy hahafoy anao mihitsy i Jehovah? Mikarakara anao izy. (1 Petera 5:6, 7) Nampanantena toy izao izy tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: “Aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao.” (Isaia 41:10) Aza avela hampiraviravy tanana anao mihitsy ny zava-mitranga tsy ampoizina, toy ny famoizana asa. Ataovy izay rehetra azonao atao, ary ankino amin’i Jehovah ny sisa. Miandrasa azy “amin’ny fanginana.” (Fitomaniana 3:26) Handray fitahiana be dia be ianao amin’izay.—Jeremia 17:7.

[Sary, pejy 9]

Ampiasao hanaovana asa kristianina ny fotoana

[Sary, pejy 10]

Mianara mitsitsy, ary aza mifidifidy loatra rehefa mitady asa