Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Afaka ny hanana feon’ny fieritreretana madio foana ve ny Kristianina, raha manaiky asa mitaky fampiasana fitaovam-piadiana?

Zava-dehibe amin’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra ny famelomana ny fianakaviany. Andraikitra nomen’Andriamanitra mantsy izany. (1 Timoty 5:8) Tena mifanohitra amin’ny toro lalan’ny Baiboly anefa ny asa sasany, ka tsy tokony hatao. Anisan’izany ny asa mifandray amin’ny filokana, fampiasana ratsy ny ra, ary fampiasana sigara sy paraky. (Isaia 65:11; Asan’ny Apostoly 15:29; 2 Korintianina 7:1; Kolosianina 3:5) Tsy raran’ny Baiboly mivantana kosa ny asa sasany, nefa mety handoto ny feon’ny fieritreretan’ny Kristianina, na ny an’ny hafa.

Anjaran’ny tsirairay ny manapa-kevitra, raha hanaiky asa mitaky fampiasana basy na fitaovam-piadiana hafa izy na tsia. Mety hahatonga ny olona iray hivesatra trosan-dra anefa ny asa toy izany, raha voatery hampiasa ilay fitaovam-piadiana izy. Tokony hivavaka sy handinika tsara àry ny Kristianina, raha vonona hizaka ny vokatry ny fanapahan-kevitra maika noraisiny, nefa misy ain’olona tafiditra. Atahorana haratra na ho faty koa ny olona mampiasa fitaovam-piadiana, raha misy manafika na mamaly faty.

Mety hisy fiantraikany eo amin’ny hafa koa ny fanapahan-kevitry ny olona iray. Ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, ohatra, no andraikitry ny Kristianina, voalohany indrindra. (Matio 24:14) Hety ve raha mampianatra ny hafa ‘hihavana amin’ny olona rehetra’ izy, nefa ny asany mitaky ny hampiasany fitaovam-piadiana? (Romanina 12:18) Inona no ho vokatr’izany eo amin’ny zanany na ny fianakaviany? Mety hampidi-doza azy ireo ve raha misy basy ao an-tranony? Mety hampihemotra ny hafa koa ve ny fanapahan-keviny?—Filipianina 1:10.

Mihamaro ny olona ‘masiaka be [sy] tsy tia ny tsara’, amin’izao “andro farany” izao. (2 Timoty 3:1, 3) Mbola ‘tsy hisy hokianina’ ihany àry ve ny olona iray, raha mifidy asa mitaky fampiasana fitaovam-piadiana, nefa mety hifanehatra amin’ny olona manana toetra toy ireny? (1 Timoty 3:10) Tsy izany mihitsy. Tsy hihevitra ny olona toy izany ho “tsy misy hokianina” àry ny fiangonana, raha mbola mampiasa fitaovam-piadiana foana izy, nefa efa notoroana hevitra tamin-katsaram-panahy avy ao amin’ny Baiboly. (1 Timoty 3:2; Titosy 1:5, 6) Tsy mendrika ny hahazo tombontsoam-panompoana eo anivon’ny fiangonana àry ny olona toy izany, na lahy izy na vavy.

Nanome toky ny mpianany i Jesosy, fa tsy mila manahy be loatra ny amin’izay ilainy izy ireo, raha ataony loha laharana ilay Fanjakana. (Matio 6:25, 33) Raha tena matoky an’i Jehovah isika, dia “Izy no hanohana [antsika]; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.”—Salamo 55:22.