Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hiara-mandeha Amin’Andriamanitra ve Ianao?

Hiara-mandeha Amin’Andriamanitra ve Ianao?

Hiara-mandeha Amin’Andriamanitra ve Ianao?

‘Manetre tena, eo am-piarahanao mandeha amin’Andriamanitrao.’ —MIKA 6:8, Tv.

1, 2. Nahoana ny fiahian’i Jehovah antsika no azo oharina amin’ny fiahian’ny ray mampianatra ny zanany handeha?

MIBAKABAKA ilay zaza sady maninjitra ny tanany hisambotra ny tanan’ny rainy na ny reniny, ary manomboka mamindra. Mety hisy hieritreritra fa tsy misy dikany loatra izany. Fiovana lehibe anefa izany ho an’ny ray aman-drenin’ilay zaza, ary mahavelom-panantenana azy ireo. Tsy andrin’izy ireo erỳ ny hitantana ilay zanany sy hiaraka aminy, mandritra ireo volana sy taona ho avy. Irin’izy ireo ny hitari-dalana sy hanampy azy eo amin’ny lafiny samihafa amin’ny fiainana, hatrany aoriana any.

2 Tsy misy hafa amin’izany ny fiahian’i Jehovah Andriamanitra ny zanany eto an-tany. Hoy izy momba ny Israely olony, na Efraima: “Izaho no nampianatra an’i Efraima handeha—eny, notrotroiko tamin’ny sandriko aza izy ... Tamin’ny kofehy fitarihana olona no nitarihako azy, dia tamin’ny mahazakan’ny fitiavana.” (Hosea 11:3, 4) Eo i Jehovah dia mampitovy ny tenany amin’ny ray be fitiavana, izay maharitra mampianatra ny zanany hamindra, ka angamba mitrotro azy rehefa mianjera izy io. Izy no Ray tsara indrindra, ary azo lazaina hoe maniry mafy hampianatra antsika hamindra koa izy. Faly foana izy mitantana ny diantsika, eo am-piezahantsika hiara-mandeha aminy. Tena afaka miara-mandeha aminy isika, araka ny voalazan’ilay andinin-teny fototra! (Mika 6:8, TV ) Inona anefa no dikan’ny hoe miara-mandeha amin’Andriamanitra? Nahoana isika no mila manao izany? Ahoana no iarahantsika mandeha aminy? Ary inona no fitahiana entin’izany? Hodinihintsika tsirairay ireo fanontaniana ireo.

Ny dikan’ny hoe miara-mandeha amin’Andriamanitra

3, 4. a) Inona no mampiavaka an’ilay sarin-teny hoe miara-mandeha amin’Andriamanitra? b) Inona no dikan’ny hoe miara-mandeha amin’Andriamanitra?

3 Fanahy i Jehovah, ka mazava ho azy fa tsy afaka miara-mandeha aminy ara-bakiteny ny olombelona nofo aman-dra. (Eksodosy 33:20; Jaona 4:24) Tokony horaisina amin’ny heviny an’ohatra àry, ilay teny ao amin’ny Baiboly hoe miara-mandeha amin’Andriamanitra. Sarin-teny miavaka ilay izy, satria afaka mahazo azy io ny olona samy hafa firenena sy kolontsaina, na ny olona taloha na ny ankehitriny. Iza tokoa moa no tsy hahalala ny dikan’izany miara-mandeha izany, na avy aiza izy na avy aiza, ary na oviana na oviana vanim-potoana niainany? Tsy ahitana taratra hatsaram-panahy sy fisakaizana ve io sarin-teny io? Azontsika an-tsaina avy amin’izany sahady, ny atao hoe miara-mandeha amin’Andriamanitra. Andeha hohazavaintsika bebe kokoa anefa ilay izy.

4 Tadidio i Enoka sy Noa, lehilahy nahatoky. Nahoana izy ireo no lazaina fa niara-nandeha tamin’Andriamanitra? (Genesisy 5:24; 6:9) Ao amin’ny Baiboly, ny hoe “mandeha” dia matetika midika hoe manaraka fomba fiaina iray voafaritra tsara. Nifidy fomba fiaina nifanaraka tamin’ny sitrapon’i Jehovah i Enoka sy Noa. Tsy toy ny olona nanodidina azy izy ireo, fa nitady ny tari-dalan’i Jehovah ary nankatò ny didiny. Natoky azy izy ireo. Midika ve izany fa i Jehovah no nanapa-kevitra ho azy ireo? Tsia. Manome safidy malalaka ho an’ny olona i Jehovah, ary tiany ny hampiasantsika ny ‘saintsika’ rehefa misy safidy ataontsika. (Romanina 12:1) Manetry tena anefa isika rehefa hanapa-kevitra, ka avelantsika hamolavola ny fisainantsika ny fomba fisainan’i Jehovah, izay ambony lavitra noho ny antsika. (Ohabolana 3:5, 6; Isaia 55:8, 9) Toy ny hoe miara-dia amin’i Jehovah mihitsy isika amin’izay, rehefa mamakivaky ny fiainana.

5. Nahoana i Jesosy no nampiasa ilay teny hoe “hakiho” ao amin’ny Matio 6:27?

5 Matetika no ampitovin’ny Baiboly amin’ny dia lavitra ny fiainana. Voalaza mazava tsara ilay fampitahana indraindray, nefa mety ho an-kolaka koa. Nilaza, ohatra, i Jesosy hoe: “Iza aminareo no mahay manalava ny androm-piainany, na kely monja aza, rehefa manahy?” (Matio 6:27) Raha adika ara-bakiteny ny teny grika nanoratana ireo teny ireo, dia toy izao: “Iza aminareo no mahay manalava ny androm-piainany, na dia hakiho iray monja aza, rehefa manahy?” Hafahafa angamba ny fahitanao an’izany, satria refy ny “hakiho”, nefa milaza fotoana ny hoe “androm-piainana.” Nahoana no nampiarahin’i Jesosy ireo teny ireo? * Toa nampitahainy tamin’ny dia lavitra ny fiainana. Te hilaza izy fa tsy hahavita hanalava io dianao io ianao, na dia indray mandingana monja aza, rehefa manahy. Midika ve izany fa tsy misy azo atao mba hanalavana an’io diantsika na androm-piainantsika io? Tsy izany mihitsy! Mipetraka àry ilay fanontaniana faharoa hoe: Nahoana isika no mila miara-mandeha amin’Andriamanitra?

Nahoana isika no mila miara-mandeha amin’Andriamanitra?

6, 7. Inona no tena ilain’ny olona tsy lavorary, ary nahoana isika no tokony hitady izany any amin’i Jehovah?

6 Hazavaina ao amin’ny Jeremia 10:23 ny antony iray tokony hiarahantsika mandeha amin’Andriamanitra. Izao no voalaza ao: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” Tsy mahay mitondra samirery ny fiainantsika àry isika, sady tsy manana zo hanao izany. Tena mila tari-dalana isika. Mamerina ny fahadisoan’i Adama sy Eva ny olona mikiry manao izay tiany fa tsy miraharaha an’Andriamanitra. Izy mivady ihany mantsy no nanapa-kevitra ny amin’izay tsara sy ratsy, na dia tsy nanana izany zo izany aza. (Genesisy 3:1-6) ‘Tsy antsika’ mihitsy ny manapa-kevitra ny amin’izany.

7 Tsy tsapanao ve fa mila tari-dalana ianao, mba hamakivakiana ny fiainana? Misy fanapahan-kevitra kely sy lehibe tsy maintsy raisintsika isan’andro. Sarotra ny sasany, ary mety hisy fiantraikany eo amin’ny hoavintsika sy ny an’ny mpianakavintsika. Eritrereto anefa hoe misy olona iray faran’izay hendry sady efa ela niainana noho isika, vonona hanome tari-dalana amim-pitiavana momba ireo fanapahan-kevitra horaisintsika ireo! Mampalahelo fa aleon’ny ankamaroan’ny olona manao izay saim-pantany sy mitondra samirery ny fiainany. Tsy raharahain’izy ireo ilay teny marina voalazan’ny Ohabolana 28:26, manao hoe: “Izay matoky ny fony dia adala; fa izay mandeha amin’ny fahendrena no ho afa-miala.” Tian’i Jehovah ho afa-miala, na hisoroka ny loza vokatry ny fitokisana amin’ny fo mamitaka isika. (Jeremia 17:9) Tiany handeha amim-pahendrena isika, ka hatoky fa izy no Mpitari-dalana sy Mpampianatra hendry. Hizotra tsara tsy misy ahiahy ny fiainantsika amin’izay, ary ho sambatra sy ho afa-po isika.

8. Mitondra ny olona mankaiza ny fahotana sy ny tsy fahalavorariana, nefa inona no irin’i Jehovah ho antsika?

8 Ankoatra izany, dia mila miara-mandeha amin’Andriamanitra isika, satria tiantsika haharitra ny androm-piainantsika. Mampalahelo anefa fa toa mizotra mankany amin’ny toerana iray ihany ny olona tsy lavorary rehetra, araka ny ambaran’ny Baiboly. Toy izao no ilazan’ny Mpitoriteny 12:5, ny olana mitranga eo amin’ny fahanterana: “Mandroso ho any amin’ny tranony mandrakizay ny olona, ary ny mpisaona mandehandeha eny an-dàlambe.” Inona io ‘trano mandrakizay’ io? Ny fasana, izay toerana alehantsika vokatry ny fahotana sy ny tsy fahalavorariana. (Romanina 6:23) Tsy irin’i Jehovah anefa ny hiainantsika vetivety ao anatin’ny fahoriana, ary avy eo ho any am-pasana. (Joba 14:1) Nataony hiaina mandrakizay isika, ary raha miara-mandeha aminy ihany isika, vao haharitra toy izany ny androm-piainantsika. Tsy izany ve no irinao? Tena mila miara-mandeha amin’ilay Rainao àry ianao.

Ahoana no iarahantsika mandeha amin’Andriamanitra?

9. Nahoana i Jehovah no niafina tamin’ny vahoakany indraindray, nefa inona no toky nomeny ao amin’ny Isaia 30:20?

9 Tena ilaintsika hodinihina tsara ilay fanontaniana fahatelo hoe: Ahoana no iarahantsika mandeha amin’Andriamanitra? Mamaly izany ny Isaia 30:20, 21: “Tsy hiery intsony ny mpampianatra anao; ny masonao hahita ny mpampianatra anao; fa na mivily ho amin’ny ankavanana hianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no làlana, ka andehano.” Mampahery tokoa izany. Ny tenin’i Jehovah eo amin’ny andininy faha-20, dia mety ho nampahatsiahy ny vahoakany fa toy ny hoe niery na niafina izy, rehefa nikomy taminy izy ireo. (Isaia 1:15; 59:2) Voalaza eo anefa fa tsy miafina i Jehovah, fa miseho miharihary amin’ny olony mahatoky. Azo oharina amin’ny mpampianatra iray mijoro eo anoloan’ny mpianany sy manazava lesona izy eo.

10. Amin’ny fomba ahoana no ‘andrenesanao’ ny tenin’ilay Mpampianatra Lehibe ‘avy ao ivohonao’?

10 Sarin-teny hafa indray no hita eo amin’ny andininy faha-21. Voalaza eo fa toy ny hoe mandeha ao ivoho na ao aorian’ny vahoakany i Jehovah, ka manoro azy ireo ny lalana tokony haleha. Misy manam-pahaizana momba ny Baiboly nilaza, fa mety ho avy amin’ny fomba anarahan’ny mpiandry ondry ny ondriny, io fomba fiteny io. Avy ao aoriana mantsy indraindray ilay mpiandry no mibaiko ny ondriny, sy misakana azy ireo tsy ho diso lalana. Inona no ifandraisan’izany amintsika? Teny voasoratra efa an’arivony taona lasa no vakintsika, rehefa mitady tari-dalana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika. Toy ny hoe avy ao ivohontsika na ao aoriantsika ilay izy, satria efa ela no nanoratana azy. Mahasoa toy ny tamin’ny fotoana nanoratana azy ihany anefa ireo teny ireo. Afaka manampy antsika amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika isan’andro ny torohevitry ny Baiboly. Manoro antsika ny fomba tsara hitondrantsika ny fiainantsika mandritra ireo taona ho avy koa izy io. (Salamo 119:105) Lasa Mpitari-dalana antsika i Jehovah, rehefa mazoto mikaroka sy mampihatra ireny torohevitra ireny isika. Miara-mandeha amin’Andriamanitra isika amin’izay.

11. Araka ny Jeremia 6:16, inona no sarin-teny nolazain’i Jehovah mba hampaherezana ny vahoakany, nefa ahoana no nataon’izy ireo?

11 Tena arahintsika akaiky ve ny Tenin’Andriamanitra? Tsara ny miato kely tsindraindray, ka mandini-tena amin’ny saina tsy miangatra. Hanampy antsika hanao izany ity andinin-teny ity: “Izao no lazain’i Jehovah: Mijanòna eo an-dàlana hianareo, ka izahao, ary anontanio izay làlana masaka hatry ny ela, dia izay làlana mankany amin’ny tsara, ka iny no izory, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.” (Jeremia 6:16) Angamba izany mampahatsiahy antsika ny mpanao dia lavitra, izay miato kely eo amin’ny sampanan-dalana iray mba hanontany lalana. Nila nanao zavatra toy izany ny vahoakan’i Jehovah nikomy, teo amin’ny Israely. Nila nitady lalana hiverenana tany amin’ilay “làlana masaka hatry ny ela” izy ireo. Io “làlana mankany amin’ny tsara” io no nandehanan’ny razamben’izy ireo, nefa nialan’ilay firenena noho ny hadalany. Mampalahelo fa mafy loha ny Israelita, ka tsy nanaraka an’io fampahatsiahivana feno fitiavana nomen’i Jehovah io. Hoy izy ireo, araka ny tohin’ilay andinin-teny: “Tsy hizotra izahay.” Tsy toy izany anefa no andraisan’ny vahoakan’Andriamanitra an’io torohevitra io ankehitriny.

12, 13. a) Ahoana no nandraisan’ny Kristianina voahosotra ny torohevitra ao amin’ny Jeremia 6:16? b) Ahoana no azontsika andinihana ny fomba fiainantsika?

12 Nanomboka tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19, dia nino ny sisa voahosotra mpanara-dia an’i Kristy, fa mihatra amin’izy ireo ny torohevitra ao amin’ny Jeremia 6:16. Niverina tamin’ny fony manontolo ho amin’ilay “làlana masaka hatry ny ela” izy ireo, sady nitarika ny hafa hanao toy izany. Tsy toy ny Kristianisma Anarana nivadi-pinoana izy ireo, fa manaraka hatrany “ny modelin’ny teny mahasoa”, izay nomen’i Jesosy Kristy sy narahin’ireo mpianany nahatoky tamin’ny taonjato voalohany. (2 Timoty 1:13) Hatramin’izao dia mifanampy ny voahosotra sady manampy ny “ondry hafa”, mba hanaraka ilay fomba fiaina tsara sy mahasambatra nialan’ny Kristianisma Anarana.—Jaona 10:16.

13 Manome sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety ny mpanompo mahatoky, ka nanampy olona an-tapitrisany mba hahita ilay “làlana masaka hatry ny ela” sy hiara-mandeha amin’Andriamanitra. (Matio 24:45-47) Anisan’ireo olona ireo ve ianao? Raha eny, inona no azonao atao mba tsy ho voatarika hiala amin’io lalana io ianao, ka hanjary hanao izay tianao fotsiny? Tsara ny miato kely tsindraindray, ka mandinika ny fomba fiainanao. Ho voaofana mba hiara-mandeha amin’Andriamanitra ianao, raha mamaky tsy tapaka ny Baiboly sy ny boky ara-baiboly, ary manatrika ny fandaharam-pampianarana alamin’ireo voahosotra. Rehefa manetry tena ianao ka mampihatra ny torohevitra noraisinao, dia amin’izay ianao vao tena miara-mandeha amin’Andriamanitra sy manaraka ilay “làlana masaka hatry ny ela.”

Mandehana “toy ny mahita an’Ilay tsy hita”

14. Raha mino isika fa tena misy i Jehovah, inona no ho vokatr’izany eo amin’ny fanapahan-kevitra horaisintsika?

14 Tsy maintsy mino isika hoe tena misy i Jehovah, raha te hiara-mandeha aminy isika. Tadidio fa nomeny toky ireo olony nahatoky teo amin’ny Israely fahiny, hoe tsy niafina tamin’izy ireo izy. Asehony amin’ny olony koa ankehitriny fa izy no Mpampianatra Lehibe. Mino ve ianao fa tena misy i Jehovah, toy ny hoe eo anoloanao mba hampianatra anao izy? Mila mino izany isika, raha te hiara-mandeha amin’Andriamanitra. Nino izany i Mosesy, “satria tsy azo nohozongozonina mihitsy izy, toy ny mahita an’Ilay tsy hita.” (Hebreo 11:27) Raha mino isika fa tena misy i Jehovah, dia hihevitra ny fihetseham-pony isika rehefa hanapa-kevitra. Tsy hieritreritra hanao fahotana mihitsy isika, ohatra, ka avy eo hanandrana hanafina an’izany amin’ny anti-panahy kristianina na ny mpianakavintsika. Miezaka kosa isika hiara-mandeha amin’Andriamanitra, na dia tsy misy olona mahita aza. Tapa-kevitra toa an’i Davida Mpanjaka isika hoe: “Handeha amin’ny fahitsian’ny foko ao anatin’ny tranoko aho.”—Salamo 101:2.

15. Nahoana ny fiarahana amin’ireo rahalahy sy anabavy kristianina, no manampy antsika hiaiky fa tena misy i Jehovah?

15 Fantatr’i Jehovah fa tsy lavorary isika olombelona nofo aman-dra, ka mety ho sarotra amintsika indraindray ny hino zavatra tsy hitan’ny masontsika. (Salamo 103:14) Manome fanampiana be dia be izy, mba handresentsika izany fahalemena izany. Nanangona vahoaka be avy amin’ny firenena rehetra eto an-tany izy, ohatra, mba ho ‘olona ho an’ny anarany.’ (Asan’ny Apostoly 15:14) Mifampahery isika, rehefa miara-manompo azy amim-piraisan-tsaina. Vao mainka isika miaiky ny fisian’Andriamanitra, rehefa mahare rahalahy na anabavy kristianina mitantara ny fomba nanampian’i Jehovah azy, handresy fahalemena na hiatrika zava-tsarotra.—1 Petera 5:9.

16. Nahoana no hanampy antsika hiara-mandeha amin’Andriamanitra, ny fianarana momba an’i Jesosy?

16 Ny modely nomen’ny Zanany no fomba lehibe indrindra anampian’i Jehovah antsika. Hoy i Jesosy: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” (Jaona 14:6) Anisan’ny fomba tsara indrindra hahatonga antsika hiaiky kokoa ny fisian’i Jehovah, ny fandinihana ny fiainan’i Jesosy teto an-tany. Nanome taratra tanteraka ny toetran’ny Rainy sy ny fomba fisainany, ny zava-drehetra nolazain’i Jesosy sy nataony. (Jaona 14:9) Rehefa hanapa-kevitra isika, dia mila mieritreritra tsara hoe inona no mety ho nataon’i Jesosy, raha izy no teo amin’ny toerantsika. Manara-dia an’i Kristy tokoa isika, rehefa hita amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika fa nivavaka sy nieritreritra tsara toy izany isika. (1 Petera 2:21) Miara-mandeha amin’Andriamanitra isika amin’izay.

Inona no fitahiana horaisintsika?

17. Inona ilay “fitsaharana” ho hitantsika, raha miara-mandeha amin’i Jehovah isika?

17 Hahafa-po ny fiainantsika, raha miara-mandeha amin’Andriamanitra isika. Tadidio izay nampanantenainy ny vahoakany, raha mitady ilay “làlana mankany amin’ny tsara” izy ireo. Hoy izy: “Iny no izory, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.” (Jeremia 6:16) Inona io “fitsaharana” io? Fiainana miadana sy feno haitraitra ary fahafinaretana ve? Tsia. Manome zavatra tsara lavitra noho izany i Jehovah, ary mahalana izy io vao hitan’ny olona faran’izay mpanefohefo. Ny hoe mahita fitsaharana ho an’ny fanahy, dia midika hoe mahatsapa fiadanan-tsaina sy fifaliana ary fahafaham-po eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Io fitsaharana io dia midika fa matoky ianao hoe nifidy ny fomba fiaina tsara indrindra. Fitahiana lehibe sy tsy fahita firy io fiadanan-tsaina io, eto amin’ity tontolo feno zava-manahirana ity!

18. Inona no fitahiana tian’i Jehovah homena anao, ary tapa-kevitra hanao inona ianao?

18 Ekena aloha fa efa fitahiana lehibe ny fiainana. Aleo miaina na dia vetivety ihany aza, toy izay tsy miaina mihitsy. Tsy noforonin’i Jehovah mba hatanjaka vetivety mandritra ny fahatanorana ianao, ary avy eo hiaritra ny fahorian’ny fahanterana. Iriny kosa ny hahazoanao ny fitahiana tsara indrindra, dia ny hiara-mandeha aminy mandrakizay! Izany indrindra no voalazan’ny Mika 4:5, manao hoe: “Ny firenena rehetra samy mandeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy; fa isika kosa handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.” Izany koa ve no irinao? Tianao ve ny hahazo ilay fitahiana tena manintona, izay antsoin’i Jehovah hoe “ny tena fiainana”? (1 Timoty 6:19) Aoka àry ianao ho tapa-kevitra ny hiara-mandeha amin’i Jehovah foana, anio, rahampitso, eny isan’andro, ary ho mandrakizay mihitsy aza!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Marina fa tsy hita ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao sy ny Fandikan-teny Protestanta ny teny hoe “hakiho”, satria ny hevitra no nadikany. Io mihitsy anefa no teny nampiasaina tany am-boalohany. Mirefy 45 santimetatra eo ho eo ny iray hakiho.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no dikan’ny hoe miara-mandeha amin’Andriamanitra?

• Nahoana ianao no mino fa ilaina ny miara-mandeha amin’Andriamanitra?

• Inona no hanampy anao hiara-mandeha amin’Andriamanitra?

• Inona no fitahiana miandry an’izay miara-mandeha amin’Andriamanitra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Amin’ny alalan’ny Baiboly, dia mahare ny feon’i Jehovah ao ivohontsika isika, manao hoe: “Ity no làlana”

[Sary, pejy 25]

Mahazo sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety isika any am-pivoriana