Milaza Vaovao Tsara Amin’ny Marenina Izy Ireo
Milaza Vaovao Tsara Amin’ny Marenina Izy Ireo
VAO haingana dia nilaza ny mpiandraikitra ny trano fitaizana ny be antitra any Navalcarnero, any Espaina hoe: “Miresaka momba an’Andriamanitra izy ireo!” Niresaka momba ny fitsidihan’ny Vavolombelon’i Jehovah an’ilay toerana izy. Inona no nahatonga azy hiteny an’izany?
Misy marenina maro ao amin’io trano antsoina hoe Rosas del Camino io. Afaka miresaka amin’izy ireo anefa ny Vavolombelona, satria nianatra Baiko Moana Espaniola. Nidera azy ireo àry ilay mpiandraikitra, noho izy ireo nahafoy fotoana hampianarana Baiboly an’ireo mila izany. Hitany fa nisy vokany tsara teo amin’ireo zokiolona ny fianarana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Ary tena mankasitraka ny fitsidihan’ny Vavolombelona ireo zokiolona, indrindra fa ireo tsy mandre sy tsy mahita tsara.
Miara-mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Eulogio, lehilahy jamba sady marenina, ao amin’ilay foibe. Rehefa nianatra izy ireo, indray andro, dia nanatona ny lehilahy zokiolona iray, ary nanolotra tononkalo ho an’ilay Vavolombelona. Noforonin’ireo zokiolona izy io mba ho fankasitrahana azy, ary mitondra ny lohateny hoe “Ny Atao hoe Vavolombelona.” Toy izao ny ampahany aminy: “Mahafa-po sy milamina ny fiainan’izy ireo, ary mahasambatra azy ny fahendrena omen’i Jehovah. Mitsidika anay tsy tapaka izy ireo, satria mitoky amin’i Jehovah.”
Io fitokisany amin’i Jehovah io indrindra, no mahatonga ny Vavolombelona maro eran-tany hianatra ny baikon’ny moana ao amin’ny taniny. Afaka mitory amin’ny marenina àry izy ireo, ka milaza aminy ny fampanantenana mampahery avy ao amin’ny Baiboly.