Misy Afaka Manova Tanteraka An’ity Tontolo Ity ve?
Misy Afaka Manova Tanteraka An’ity Tontolo ity Ve?
“Milaza ny mahantra fa fiadanana sy filaminana aloha no tadiavin’izy ireo, vao ny fomba hanatsarany ny fiainany. Iriny ny hisian’ny fitondrana ara-drariny eo amin’ny fireneny sy eran-tany, mba tsy ho voasakantsakan’ny tany manankarena sy ny orinasa lehibe, ny ezaka ataony.”
IZANY no fanantenana sy vetsovetsom-pon’ny mahantra, araka ny filohan’ny fikambanana iraisam-pirenena mikarakara ny tra-boina. Mahalaza tsara ny hetahetan’ireo rehetra iharan’ny loza sy ny tsy rariny eran-tany, ireo teniny ireo. Samy maniry tontolo hanjakan’ny tena fiadanana sy filaminana izy rehetra. Hisy tontolo toy izany ve indray andro any? Misy manana hery sy fahaizana hanovana an’ity tontolo anjakan’ny tsy rariny ity ve?
Nisy ezaka natao
Maro no niezaka nitondra fiovana. Anisan’izany i Florence Nightingale, Anglisy niaina tamin’ny taonjato faha-19. Niezaka mafy izy nandritra ny androm-piainany, mba hahatonga ny mpitsabo mpanampy hitandro ny fahadiovana sy hahay hangoraka ny marary. Mbola tsy nisy fanafody famonoana otrikaretina sy antibiotika tamin’ny androny, ary tsy toy ny ankehitriny ny fitsaboana. Milaza ny boky iray fa “tsy nahita fianarana, naloto, mamo lava, ary ratsy fitondran-tena ny mpitsabo mpanampy” tamin’izany. Nahavita nanova ny fomba fiasan’ny mpitsabo mpanampy ve i Florence Nightingale? Eny tokoa. Tsy tambo isaina koa ny olona be fiahiana sy be fandavan-tena nahita fahombiazana niavaka teo amin’ny sehatra maro. Anisan’izany ny fampianarana mamaky teny sy manoratra, fanabeazana, fitsaboana, fikarakarana trano fonenana, fandaharam-pamatsiana sakafo, sy ny sisa. Mahantra an-tapitrisany no afaka nanatsara ny fiainany, noho izany.
Tsy azo odian-tsy hita anefa ny zava-misy: Olona an-jatony tapitrisa no mbola mijaly noho ny ady, heloka bevava, aretina, mosary, ary loza hafa. “Olona 30 000 no matin’ny fahantrana, isan’andro”, araka ny fikambanana irlandey iray. Mbola misy ny fanandevozana, na dia io foana aza no ambentin-dresaky ny mpitondra fanovana tamin’ireo taonjato lasa. “Betsaka kokoa ny andevo ankehitriny raha ampitahaina amin’ny isan’ny olona rehetra nalaina an-keriny tany Afrika, mba hamidy ho andevo tany Amerika”, araka ny boky iray momba ny fanandevozana maoderina.
Nahoana ny ezaka nataon’ny olona no tsy nitondra fiovana tanteraka sy maharitra? Noho ny sakana ataon’ny manana sy ny matanjaka ihany ve, sa misy antony hafa?
Vato misakana
Milaza ny Tenin’Andriamanitra fa i Satana Devoly no sakana lehibe indrindra, tsy ahafahan’ny olona mitondra tontolo anjakan’ny rariny. ‘Eo ambany fahefan’ilay ratsy izao tontolo izao manontolo’, hoy ny apostoly Jaona. (1 Jaona 5:19) “Mamitaka ny tany rehetra misy mponina” mihitsy i Satana, ankehitriny. (Apokalypsy 12:9) Hisy foana ny olona hijaly sy hiharan’ny tsy rariny, raha mbola eo izy. Ahoana no niandohan’izany?
Nomena an’i Adama sy Eva, ray aman-drenintsika voalohany, ny tany. “Tsara indrindra” izy io tamin’izany, ary nokasaina hatao paradisa tonga lafatra honenan’ny taranak’olombelona rehetra. (Genesisy 1:31) Nahoana izany no tsy tanteraka? Noho i Satana. Notoheriny ny zon’Andriamanitra hanome fitsipika ho an’ny olombelona. Nilaza an-kolaka izy fa tsy ara-drariny ny fitondran’Andriamanitra. Nampirisihiny hifidy samirery ny atao hoe tsara sy ratsy, i Adama sy Eva. (Genesisy 3:1-6) Izany no nahatonga ny ota sy ny tsy fahalavorariana, izay sakana faharoa tsy ahafahan’ny olona mitondra tontolo anjakan’ny rariny.—Romanina 5:12.
Nahoana izany no navela hitranga?
Hoy angamba ny olona sasany: ‘Nahoana anefa no navelan’Andriamanitra hiely patrana ny ota sy ny tsy fahalavorariana? Nahoana izy no tsy nampiasa ny heriny tsy
manam-petra mba handringanana ireo mpikomy, ary namorona olon-kafa indray?’ Toa tsotra ilay vahaolana. Miteraka olana lehibe anefa ny fampiasan-kery. Angaha moa tsy ny fanamparam-pahefana no anisan’ny tena mahatonga ny mahantra sy ny ory hijaly? Inona tokoa moa no mahatonga ny olona tso-po tsy hatoky ny mpitondra? Tsy noho izy ireo tsy refesi-mandidy sy manampatra fahefana ve, ka mamongotra izay rehetra manohitra ny fitondrany?Tian’Andriamanitra homena toky ny olona tso-po, fa tsy mpitondra tsy refesi-mandidy sy mpanampatra fahefana izy. Tsy notereny hanaraka ny lalàny sy ny toro lalany i Satana sy ireo olombelona mpikomy, fa navelany hanao izay tiany mandritra ny fotoana voafetra. Ny fotoana no hanaporofo fa ny fitondran’Andriamanitra ihany no tsara. Hiharihary koa fa natao hahasoa antsika ny fepetra takiny. Efa manamarina izany sahady ny fijaliana vokatry ny fikomiana tamin’ny fitondran’Andriamanitra. Rariny àry raha hampiasa ny heriny lehibe izy, mba handringanana ny ratsy rehetra, amin’ny fotoana nofidiny. Hitranga tsy ho ela izany.—Genesisy 18:23-32; Deoteronomia 32:4; Salamo 37:9, 10, 38.
“Miara-mitoloko sy miara-mijaly” eto amin’ity tontolo anjakan’ny tsy rariny ity aloha isika, mandra-pahatongan’izany. (Romanina 8:22) Tsy hahavita handringana an’i Satana isika, na inona na inona ezaka ataontsika mba hitondrana fiovana. Tsy ho vitantsika koa ny hanafoana ny tsy fahalavorariana, izay fototry ny fijaliantsika rehetra. Tsy misy amintsika afaka manaisotra ny vokatry ny ota nolovantsika tamin’i Adama.—Salamo 49:7-9.
Hitondra fiovana maharitra i Jesosy Kristy
Tsy misy azo antenaina mihitsy ve izany? Tsy izany velively. Efa nisy nomena fahefana hitondra fiovana maharitra, ary mahery lavitra noho ny olombelona izy. Iza izy io? I Jesosy Kristy. Resahin’ny Baiboly fa Solontenan’Andriamanitra Lehibe Indrindra izy, ary hanavotra ny olombelona.—Asan’ny Apostoly 5:31.
Miandry ny “fotoana” voatondron’Andriamanitra izy izao. (Apokalypsy 11:18) Inona marina no hataony? ‘Hamerina ny zava-drehetra amin’ny laoniny [izy amin’ny] fotoana nampilazain’Andriamanitra ny mpaminaniny masina fahiny.’ (Asan’ny Apostoly 3:21) ‘Hamonjy ny mahantra mitaraina sy ny ory tsy manan-kamonjy’, ohatra, i Jesosy ary ‘hanavotra ny fanahin’izy ireo amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny.’ (Salamo 72:12-16) Nampanantena Andriamanitra fa hampiasa an’i Jesosy Kristy, mba ‘hampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany.’ (Salamo 46:9) Nampanantena koa izy fa “tsy hisy amin’ny mponina ao [amin’ilay tany voadio] hilaza hoe: Marary aho.” Hanana fahasalamana tonga lafatra ny jamba, marenina, mandringa, ary ny marary rehetra. (Isaia 33:24; 35:5, 6; Apokalypsy 21:3, 4) Handray soa na dia ireo efa maty aza. Nampanantena mantsy izy, fa hovelominy indray ireo maty noho ny tsy rariny sy ny fampahoriana.—Jaona 5:28, 29.
Tsy fiovana mihelina sy voafetra ihany no hoentin’i Jesosy Kristy. Hofoanany tanteraka ny sakana rehetra tsy ahafahana mitondra tontolo anjakan’ny rariny. Hesoriny ny ota sy ny tsy fahalavorariana, ary horinganiny i Satana Devoly sy ireo rehetra niara-nikomy taminy. (Apokalypsy 19:19, 20; 20:1-3, 10) “Tsy hiverina fanindroany” ny fahoriana sy ny fijaliana, izay navelan’Andriamanitra hisy nandritra ny fotoana kelikely. (Nahoma 1:9) Izany no tao an-tsain’i Jesosy, rehefa nampianatra antsika hivavaka izy, mba hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy hanaovana ny sitrapony ‘etỳ an-tany, tahaka ny any an-danitra.’—Matio 6:10.
Mety hiteny anefa ianao hoe: ‘Angaha moa i Jesosy tsy nilaza fa “ho eo amintsika foana ny mahantra”? Tsy midika ve izany fa hisy foana ny tsy rariny sy ny fahantrana?’ (Matio 26:11) Nilaza tokoa i Jesosy fa hisy foana ny mahantra. Azo ihany anefa ny tiany holazaina, rehefa jerena ny teny manodidina sy ny fampanantenan’ny Tenin’Andriamanitra. Hisy foana ny mahantra, raha mbola maharitra ity tontolo ity. Fantany fa tsy misy olona mahavita manafoana ny fahantrana sy ny tsy rariny. Fantany koa fa hanova izany rehetra izany izy. Hitondra tontolo vaovao tanteraka izy amin’ny hoavy tsy ho ela, dia “lanitra vaovao sy tany vaovao” tsy hisy fanaintainana, aretina, fahantrana, ary fahafatesana.—2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:1.
“Aza manadino hanao soa”
Tsy ilaina àry ve ny manao izay azo atao mba hanampiana ny hafa? Tsy izany mihitsy. Mampirisika antsika hanampy ny hafa ny Baiboly, raha tojo fitsapana sy tra-pahoriana izy ireo. “Aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy, raha azon’ny tananao atao ihany”, hoy i Solomona Mpanjaka fahiny. (Ohabolana 3:27) Nampirisika koa ny apostoly Paoly hoe: “Aza manadino hanao soa sy hizara zavatra amin’ny hafa.”—Hebreo 13:16.
I Jesosy Kristy mihitsy no nandrisika antsika hanao izay azo atao, mba hanampiana ny hafa. Nilaza fanoharana momba ny Samaritanina iray nahita lehilahy nisy nanendaka sy nikapoka izy. Nilaza i Jesosy fa “nangoraka” ilay Samaritanina, ka nampiasa izay nananany mba hamehezana ny ratran’ilay lehilahy sy hikarakarana azy. (Lioka 10:29-37) Tsy afaka nanova an’ity tontolo ity io Samaritanina be fangoraham-po io, nefa tena nanova ny fiainan’ny lehilahy iray izy. Afaka manao toy izany koa isika.
Tsy hoe afaka manampy ny olona fotsiny anefa i Jesosy Kristy, fa tena afaka mitondra fiovana koa, ary hanao izany tsy ho ela izy. Amin’izay dia ho afaka hanatsara ny fiainany ireo iharan’ny tsy rariny ankehitriny, ary hahita ny tena fiadanana sy filaminana.—Salamo 4:8; 37:10, 11.
Eo am-piandrasana an’izany anefa, dia aoka isika tsy hiahotra hanao izay azontsika atao, eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-panahy, ka “hanao soa” amin’izay rehetra iharan’ny tsy rariny eto amin’ity tontolo ity.—Galatianina 6:10.
[Sary, pejy 5]
Tena nanova ny fomba fiasan’ny mpitsabo mpanampy i Florence Nightingale
[Sary nahazoan-dalana]
Courtesy National Library of Medicine
[Sary, pejy 7]
Manao soa ho an’ny hafa ny mpanara-dia an’i Kristy
[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]
The Star, Johannesburg, S.A.