Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahazo ‘Izay Nirin’ny Foko’ Aho

Nahazo ‘Izay Nirin’ny Foko’ Aho

Tantaram-piainana

Nahazo ‘Izay Nirin’ny Foko’ Aho

NOTANTARAIN’I DOMINIQUE MORGOU

Ela ny ela ka tonga tany Afrika aho, tamin’ny Desambra 1998! Tanteraka ilay nofinofiko hatramin’ny mbola kely. Nientam-po foana aho nieritreritra ireo faritra midadasika sy ireo bibidia mahavariana any Afrika. Tonga tany mihitsy anefa aho! Tanteraka koa ny nofinofiko iray hafa, satria lasa mpitory manontolo andro tany an-tany hafa aho. Maro angamba no nihevitra hoe tsy ho vitako izany. Zara raha nahita mantsy ny masoko, sady alika nozarina handeha tamin’ny arabe eoropeanina no nitari-dalana ahy teny amin’ny lalam-pasiky ny tanàna afrikanina. Aleo hotantaraiko ny fomba nahafahako nanompo tany Afrika, sy ny nanomezan’i Jehovah ahy ‘izay nirin’ny foko.’—Salamo 37:4.

TERAKA tany amin’ny faritra atsimon’i Frantsa aho, tamin’ny 9 Jona 1966. Roa lahy sy dimy vavy izahay, ary izaho no farany. Nikarakara anay tamim-pitiavana ny ray aman-dreninay. Semban-drahona kely anefa ny fiainako, tamin’izaho mbola kely. Voan’ny aretina manaranaka sy mahajamba tanteraka aho, toy ny renibeko sy ny reniko ary ny rahavaviko iray.

Niharan’ny fanavakavaham-bolon-koditra sy fitsarana an-tendrony ary fihatsarambelatsihy aho tamin’izaho mbola zatovo, ka lasa nikomy tamin’ny fiaraha-monina. Nandritra izany fotoan-tsarotra izany no nifindranay tany Hérault. Nisy zava-nitranga nahafinaritra be tany.

Nandondòna teo am-baravaranay ny vehivavy roa Vavolombelon’i Jehovah, indray alahady maraina. Fantatr’i Neny izy ireo ka nampandrosoiny. Nanontanian’ilay vehivavy iray i Neny raha tadidiny fa efa nampanantena izy hoe hianatra Baiboly. Tadidin’i Neny izany, ka hoy izy: “Rahoviana isika no hanomboka?” Nifanao fotoana isaky ny alahady maraina izy ireo, ary nanomboka nianatra “ny fahamarinan’ny vaovao tsara” i Neny.—Galatianina 2:14.

Nahazo fahalalana marina

Niezaka mafy i Neny hahazo sy hitadidy izay rehetra nianarany. Tsy maintsy nanao izany izy satria jamba. Tena naharitra taminy ireo Vavolombelona. Izaho kosa niafina tao an’efitranoko isaky ny tonga izy ireo, ary tsy nivoaka raha tsy lasa izy ireo. Indray tolakandro anefa, dia nahita ahy i Eugénie, iray tamin’izy ireo. Nilazany aho fa hamarana ny fihatsarambelatsihy sy ny fankahalana ary ny fitsarana an-tendrony rehetra eto an-tany, ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy izy: “Andriamanitra ihany no manana ny vahaolana.” Nanontaniany koa aho raha te hahafantatra bebe kokoa momba izany. Nanomboka nianatra Baiboly aho ny ampitson’iny.

Vaovao tamiko izay rehetra nianarako. Nanjary fantatro fa misy antony tsara matoa avelan’Andriamanitra hisy mandritra ny fotoana voafetra, ny faharatsiana eto an-tany. (Genesisy 3:15; Jaona 3:16; Romanina 9:17) Nianarako koa fa nanome fampanantenana tena tsara ho antsika i Jehovah, dia ny fiainana mandrakizay eto an-tany paradisa. (Salamo 37:29; 96:11, 12; Isaia 35:1, 2; 45:18) Efa nihajamba aho tamin’izay, nefa hahita tsara indray ao amin’io Paradisa io.—Isaia 35:5.

Nanomboka nanompo manontolo andro

Natao batisa tao anaty rano aho tamin’ny 12 Desambra 1985, mba hampisehoana fa nanolo-tena ho an’i Jehovah. Efa natao batisa talohako i Marie-Claire rahavaviko. Tsy ela dia natao batisa koa i Jean-Pierre anadahiko sy Neny malala.

Maromaro ny mpisava lalana, na mpitory manontolo andro, teo anivon’ny fiangonanay. Nampahazoto ahy tamin’ny fanompoana ny nahita ny fifalian’izy ireo sy ny hafanam-pony. Na i Marie-Claire aza lasa mpisava lalana, nefa narary maso, sady nisy fitaovam-panitsiana taolana ny tongony iray. Mbola mandrisika ahy hanompo foana izy hatramin’izao. Lasa naniry mafy hanompo manontolo andro koa aho, rehefa nifanerasera tamin’ny mpisava lalana teo anivon’ny fiangonana sy tao amin’ny fianakaviako. Nanomboka ny asan’ny mpisava lalana tany Béziers àry aho, tamin’ny Novambra 1990.—Salamo 94:17-19.

Niezaka handresy ny fahakiviana

Nanampy ahy teny amin’ny fanompoana ireo mpisava lalana be fiahiana. Kivy ihany anefa aho indraindray satria tsy nahavita zavatra firy, nefa mba te hanao bebe kokoa. Nanohana ahy i Jehovah tamin’ireny fotoana ireny. Nokarohiko tao amin’ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny tantaran’ny mpisava lalana tsy nahita tsara toa ahy ka nijaly. Gaga aho nahita fa maro be izy ireo! Nampiana-javatra sy nampahery ahy ireny tantara ireny, ary nahatonga ahy ho faly amin’izay vitako sy hiaiky fa voafetra ny zavatra azoko atao.

Nanadio tranombarotra niaraka tamin’ny Vavolombelona hafa aho, mba hivelomako. Voamariko, indray andro, fa niverina nanadio ny faritra vao avy nodioviko ny mpiara-miasa tamiko. Nisy loto be dia be tsy hitako mantsy. Nankany amin’i Valérie, ilay mpisava lalana niandraikitra ny ekipanay àry aho, ka nilaza taminy mba hitsotra tamiko raha nanasarotra ny asan-dry zareo aho. Tsara fanahy izy ka izaho no navelany hilaza raha tsy vitako intsony ilay asa. Niala tamin’io asa io aho tamin’ny Martsa 1994.

Vao mainka aho nahatsiaro ho tsy nisy vidiny indray. Nivavaka mafy tamin’i Jehovah aho, ary fantatro fa nihaino ny fitarainako izy. Tsapako indray fa tena nanampy ahy ny fianarana Baiboly sy boky ara-baiboly. Vao mainka nitombo ny faniriako hanompo an’i Jehovah, na dia nihatsy nahita aza aho. Inona no azoko natao?

Nasaina niandry, ary nanapa-kevitra haingana avy eo

Nangataka hianatra tao amin’ny Sekoly ho An’ny Jamba sy ny Tsy Mahita Tsara any Nîmes aho, ka nekena hiofana tany nandritra ny telo volana. Nahasoa ahy izany. Lasa tsapako ny haratsin’ilay aretiko, ka nianatra nizatra tamin’ilay izy aho. Nifanerasera tamin’olona voan’ny aretina isan-karazany aho tany, ka niaiky fa tena sarobidy ilay fanantenako. Nanana tombony aho, satria nanana tanjona sy afaka nanao soa ho an’ny hafa. Nianatra soratra Braille frantsay koa aho.

Rehefa nody aho, dia voamariky ny fianakaviako fa tena nanampy ahy ilay fiofanana. Tsy tiako mihitsy anefa ilay tehina fotsy tsy maintsy nampiasaiko. Elaela aho vao nanaiky hoe nila an’io “fatin-kazo” io. Nieritreritra aho hoe: “Raha mba nisy vahaolana hafa mantsy, ohatra hoe alika mpitari-dalana!”

Nameno fangatahana hahazo alika aho, nefa nilazana fa tsy maintsy miandry, satria maro no efa nangataka. Tsy maintsy nanadihady koa ilay fikambanana, satria tsy omemena fotsiny ny alika mpitari-dalana. Niresaka tamiko ny vehivavy iray mpitantana fikambanana ho an’ny jamba, indray andro. Nilaza izy fa nahatsiaro ahy raha vao nandre fa nisy fikambanana mpilalao tenisy, nikasa hanome alika mpitari-dalana ho an’ny jamba na olona iray tsy mahita tsara, nipetraka teo amin’ny manodidina. Hanaiky ve aho? Tsapako fa i Jehovah no nahatonga izany, ka nekeko ilay fanomezana feno hatsaram-panahy. Tsy maintsy niandry an’ilay alika ihany anefa aho.

Mbola nieritreritra an’i Afrika

Zavatra hafa indray no nalehan’ny saiko, teo am-piandrasana. Tena nahaliana ahy hatramin’ny mbola kely i Afrika, araka ny voalazako terỳ aloha. Nihatsy nahita ihany ny masoko, nefa vao mainka aho liana kokoa tamin’i Afrika, indrindra rehefa fantatro fa be olona liana amin’ny Baiboly sy ny fanompoana an’i Jehovah any. Efa nanipy teny tamin’i Valérie aho fa te ho any Afrika. Nanontaniako izy raha te hiaraka amiko. Nanaiky izy, ka nanoratra tany amin’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah maromaro miteny frantsay tany Afrika izahay.

Ny sampan’i Togo no namaly. Faly be aho, ary nasaiko novakin’i Valérie tamiko ilay taratasy. Nampahery ilay izy ka hoy izy: “Koa maninona moa isika raha mandeha?” Nifandray tamin’ireo anadahy tao amin’ny sampana aho, ary nampifandraisin’izy ireo tamin’i Sandra, mpisava lalana tao Lomé renivohitra. Nanainga ny 1 Desambra 1998 izahay.

Hafa be mihitsy tany, nefa tena nahafinaritra! Toy ny bodofotsy nandrakotra anay ny hafanan’i Afrika, rehefa tonga tao Lomé izahay ary nidina ny fiaramanidina. Nitsena anay i Sandra, ary tonga dia nifandray tsara toy ny mpinamana efa ela izahay, na dia mbola tsy nifankahita mihitsy aza. Voatendry ho mpisava lalana manokana tany Tabligbo, tanàna kely afovoan-tany, i Sandra sy Christine namany, taloha kelin’ny nahatongavanay. Faly izahay niara-niasa tamin’izy ireo nandritra ny roa volana. Rehefa nody izahay, dia fantatro fa tsy maintsy hiverina aho.

Faly be fa tafaverina

Nanomboka nikarakara ny diako faharoa ho any Togo aho, raha vao tonga teto Frantsa. Nampian’ny fianakaviako aho, mba ho afaka hijanona any enim-bolana. Nandray fiaramanidina ho any Togo indray àry aho, tamin’ny Septambra 1999. Nandeha irery anefa aho tamin’izay. Alao sary an-tsaina izay tsapan’ny fianakaviako nahita ahy niainga irery, na teo aza ny aretiko! Tsy nisy tokony ho nampanahy anefa. Nanome toky ny ray aman-dreniko aho fa efa niandry ahy tao Lomé ny namako, izay efa lasa toy ny fianakaviako.

Nahafinaritra tokoa ny niverina tany amin’ilay toerana be olona liana amin’ny Baiboly! Mahazatra ny mahita olona mamaky Baiboly eny an-dalana. Ny olona mihitsy no miantso anao hiara-midinika Baiboly aminy, any Tabligbo. Ary tena tombontsoa ny niara-nipetraka tamin’ny rahavavy roa mpisava lalana manokana, tao amin’ny trano tsotra iray! Lasa nahalala kolontsaina sy fomba fisainana hafa aho. Izao anefa no zavatra tena niavaka hitako: Ataon’ireo anadahy sy rahavavy any Afrika loha laharana eo amin’ny fiainany, ny fanompoana an’Andriamanitra. Tsy manakana azy ireo tsy hivory, ohatra, ny dia an-tongotra lavitra be rehefa mankany amin’ny Efitrano Fanjakana izy ireo. Niana-javatra maro avy tamin’ny hatsaram-panahin’izy ireo sy ny fitiavany mandray vahiny koa aho.

Avy nanompo aho indray andro, ary nilaza tamin’i Sandra fa natahotra ny hody eto Frantsa. Vao mainka nihatsy nahita mantsy aho. Nieritreritra an’ireo arabe feno olona sy tabataba any Béziers aho, ireo tohatry ny trano avo be, ary ny zavatra maro mety hanahirana ny olona tsy mahita tsara. Ny arabe tany Tabligbo anefa nangina tsara, satria tsy be olona sy fiara, saingy tsy vita rarivato fotsiny. Nieritreritra aho hoe: “Ahoana no hahaizako hiaina any Frantsa amin’izao izaho efa zatra atỳ Tabligbo izao?”

Niantso ahy i Neny roa andro taorian’izay, ka nilaza fa niandry ahy ilay sekoly mpampiofana alika mpitari-dalana. Vonona hisolo ny “masoko” i Océane, alika labrador tanora iray. Nahazo izay nilaiko indray aho, ka afaka ny fanahiako. Niverina teto Frantsa aho mba hihaona tamin’i Océane, rehefa avy nanompo tamim-pifaliana nandritra ny enim-bolana, tany Tabligbo.

Nomena ahy i Océane, rehefa avy nampiofanina nandritra ny volana maromaro. Tsy mora ilay izy tamin’ny voalohany. Tsy maintsy nianatra nifankahalala izahay. Takatro tsikelikely fa tena nila azy aho, ary tsy afa-misaraka aminy intsony aho izao. Nanao ahoana, hoy ianareo, ny fihetsiky ny mponin’i Béziers, rehefa nahita ahy tonga teo am-baravarany niaraka tamin’ny alika? Tena nanaja ahy izy ireo sady tsara fanahy. Lasa “nalaza” teo amin’ny manodidina i Océane. Sanganehana ny olona maro rehefa eo anoloan’ny kilemaina. Afaka nanazava tamim-pahatsorana ny aretiko anefa aho, satria nisy alika niaraka tamiko. Tony kokoa ny olona noho izany, ka nihaino ahy. I Océane no lasa fampidiran-dresaka tsara indrindra.

Tany Afrika, niaraka tamin’i Océane

Tsy nanadino an’i Afrika aho, ka nanomboka nikarakara ny diako fahatelo. Nentiko i Océane tamin’izay. Niaraka tamiko koa i Anthony sy Aurore, mpivady mbola tanora, sy Caroline namako, izay samy mpisava lalana toa ahy. Tonga tao Lomé izahay tamin’ny 10 Septambra 2000.

Maro no natahotra an’i Océane tamin’ny voalohany. Mbola tsy nahita alika be toa azy ny maro tamin’ny mponin’i Lomé, satria kely ny ankamaroan’ny alika any Togo. Rehefa hitan’izy ireo ilay tady be namatorana azy, dia nisy nihevitra fa tena masiaka izy matoa nohazonina tamin’iny. I Océane kosa vonona hiaro ahy tamin’izay hitany fa mety hampidi-doza. Vetivety anefa izy dia zatra an’ilay fiainana vaovao. Rehefa eny aminy ilay tady be, dia miasa tsara izy, izany hoe mora fehezina, mendri-pitokisana, ary tsy mandao ahy. Misangisangy sy mihetraketraka mihitsy kosa izy indraindray, rehefa vahana. Miara-manao zavatra mahafinaritra maro izahay.

Nasaina nipetraka tany amin’i Sandra sy Christine tany Tabligbo izahay rehetra. Nasainay hitsidika anay ireo anadahy sy rahavavy teo an-toerana, mba ho zatra an’i Océane. Nohazavainay tamin’izy ireo ny asan’ny alika mpitari-dalana sy ny antony nilako azy, ary ny tokony ho fihetsik’izy ireo aminy. Navelan’ny anti-panahy hitondra an’i Océane tany amin’ny Efitrano Fanjakana aho. Mbola tsy nisy an’izany tany Togo, ka natao fampandrenesana teo anivon’ny fiangonana ilay izy. Teny amin’ny fanompoana indray, dia tsy nitondra an’i Océane aho raha tsy rehefa nanao fiverenana mitsidika sy nampianatra Baiboly. Mora azon’ny olona kokoa mantsy ny antony nitondrako azy, tamin’ireo toe-javatra ireo.

Mbola mahafinaritra ny mitory any amin’io faritany io. Nanohina ny foko foana ny fiahian’ireo olona tsara fanahy nitoriako. Nomen’izy ireo seza haingana aho, ohatra, rehefa tonga tao aminy. Niaraka tamiko tamin’ny diako fahefatra tany Togo i Neny, tamin’ny Oktobra 2001. Nijanona tany telo herinandro izy, ary faly erỳ rehefa nody teto Frantsa, sady tsy nanahy ny amiko intsony.

Tena velom-pankasitrahana an’i Jehovah aho fa afaka nanompo tany Togo. Matoky aho fa hanohy hanome ahy ‘izay irin’ny foko’ izy, raha mbola manohy mampiasa izay rehetra ananako aho mba hanompoana azy. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 37 Nody tany Frantsa ny Anabavy Morgou, ary niverina fanindiminy tany Togo tamin’ny 6 Oktobra 2003 ka hatramin’ny 6 Febroary 2004. Mampalahelo fa izay angamba no diany farany tany, alohan’ny tontolo vaovao, noho ny aretina mahazo azy. Mbola ny hanompo an’i Jehovah ihany anefa no faniriany lehibe indrindra.

[Sary, pejy 10]

Nientam-po foana aho nieritreritra ireo faritra midadasika sy ireo bibidia mahavariana any Afrika

[Sary, pejy 10]

Niaraka tamiko i Océane rehefa nanao fiverenana mitsidika aho

[Sary, pejy 11]

Navelan’ny anti-panahy hitondra an’i Océane tany am-pivoriana aho