Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tena Nahafinaritra Ahy iny Andro Iny”

“Tena Nahafinaritra Ahy iny Andro Iny”

“Tena Nahafinaritra Ahy iny Andro Iny

“KETRAKA ny tanora maro. Izany no olana tena mpahazo azy ireo, raha ny fahasalaman’ny saina no resahina”, hoy ny fikambanana iray tohanan’ny fanjakana, mikarakara ny tanora ketraka any Aostralia. Hita tamin’ny fandinihana, fa tanora aostralianina 100 000 eo ho eo isan-taona no ketraka.

Mety ho ketraka koa ny tanora kristianina. Manampy ny maro aminy tsy ho ketraka intsony sy hahomby anefa, ny finoany an’i Jehovah. Tena misy vokany tsara eo amin’ny hafa izany. Amin’ny fomba ahoana?

Diniho ny tantaran’i Claire, 18 taona. Anisan’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Melbourne izy sy ny reniny. Ketraka izy rehefa nandao azy ireo ny rainy. Natanjaka foana anefa ny finoany an’i Jehovah, ilay Rainy any an-danitra. Narary ny reniny, indray andro, ary tonga nizaha ny fahasalamany i Lydia dokoteran-dry zareo. Nilaza tamin’i Claire ilay dokotera avy eo, fa afaka mandeha fiara miaraka aminy hatrany an-tsena izy raha tiany. Teny an-dalana dia nanontany azy ilay dokotera, raha misy ankizilahy miaraka aminy. Nanazava i Claire fa Vavolombelon’i Jehovah izy, ka tsy mampiaraka. Gaga ilay dokotera. Nohazavain’i Claire avy eo hoe ahoana no nanampian’ny Baiboly azy handray fanapahan-kevitra tsara. Nilaza izy fa nisy boky ara-baiboly iray tena nanampy azy, ary nampanantena izy fa hitondra azy io ho an’ilay dokotera. Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra no lohatenin’ilay boky.

Nitelefaonina i Lydia, telo andro taorian’ny nahazoany an’ilay boky. Nilaza tamin’ny renin’i Claire izy fa tena nahafinaritra azy ny namaky an’ilay izy. Nangataka boky enina izy avy eo, mba homeny an’ireo mpiara-miasa aminy. Naterin’i Claire ireo boky, ary nilaza taminy ilay dokotera fa tena nampiaiky volana azy ny finoany. Nilaza i Claire fa vonona hampianatra Baiboly azy raha tiany, ary nanaiky ilay dokotera.

Isaky ny fiatoana tamin’ny antoandro izy ireo no nianatra, nandritra ny volana vitsivitsy. Nanontany an’i Claire i Lydia, indray andro, raha afaka hanome fanazavana mandritra ny seminera iray momba ny tanora ketraka izy. Nanaiky izy na dia natahotahotra aza. Nisy 60 mahery no nanatrika, ary olon-dehibe daholo sady mpitsabo aretin-tsaina ireo efatra nanao famelabelarana. Anjaran’i Claire avy eo ny niteny. Nasongadiny fa tena zava-dehibe ny hifandraisan’ny tanora amin’Andriamanitra. Nohazavainy fa tena miahy ny tanora i Jehovah Andriamanitra, ary manampy izay rehetra mitady fanampiana sy fampiononana aminy. Tsy nisalasala mihitsy koa izy nilaza, fa hofoanan’i Jehovah tsy ho ela ny karazan’aretina rehetra. (Isaia 33:24) Inona no vokatr’izany fitoriana tsara izany?

Hoy i Claire: “Maro no nanatona ahy, rehefa nifarana ilay fandaharana. Nilaza izy ireo fa nahagaga azy ny nahita tanora niresaka momba an’Andriamanitra. Nisy 23 ny boky Manontany ny Tanora voapetrako. Nisy ankizivavy telo koa nanome ahy ny nomeraon’ny telefaoniny, ary mianatra Baiboly izao ny iray. Tena nahafinaritra ahy iny andro iny.”