Tontolo Anjakan’ny Tsy Rariny
Tontolo Anjakan’ny Tsy Rariny
EKENAO ve fa miaina amin’ny tontolo anjakan’ny tsy rariny isika? Azo antoka ny amin’izany. Na manan-talenta tokoa mantsy isika, na mitsinjo mialoha ny hoavintsika, dia tsy ho azo antoka mihitsy hoe hanan-karena isika, na hahomby, na hanan-kohanina akory aza. Mazàna no tanteraka ny tenin’i Solomona, mpanjaka hendry fahiny hoe: “Tsy ho an’ny hendry ny hanina, ary tsy ho an’ny mazava saina ny harena, ary tsy ho an’ny manam-pahalalana [ny tombon-tsoa, Fandikan-teny Katolika].” Nahoana? Hoy ihany izy: “Ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.”—Mpitoriteny 9:11.
Tonga tampoka ny “andro mahory”
Tsy tanteraka mazàna ny fikasantsika sy ny zavatra antenaintsika, noho ny “fotoana sy ny sampona.” Noho isika sendra eo amin’ny toerana iray isehoan’ny loza no mahatonga izany, matetika. Milaza i Solomona fa “toy ny hazandrano azon’ny harato fahitan-doza [isika], ary toy ny voron-kely izay voan’ny fandrika”, rehefa tonga tampoka ny “andro mahory.” (Mpitoriteny 9:12) Olona an-tapitrisany, ohatra, no mifofotra miasa tany mba hahazoana sakafo ho an’ny ankohonany. Tonga anefa ny “andro mahory”, rehefa tsy milatsaka ny orana, ka simban’ny hain-tany ny voly.
Miezaka manampy ihany ny hafa, nefa toa tsy ara-drariny na dia ny fanampiana omena an’ireo iharan-java-mahory aza. Hoy ny fikambanana lehibe iray mikarakara tra-boina: “Ny ampahadimin’ny vola nolanina tamin’ny ady tany amin’ny Hoala [Persika] fotsiny, [ohatra], no azon’ny kontinanta [afrikanina] iray manontolo” mba hiadiana tamin’ny mosary, vao tsy ela izay. Rariny ve raha nandany vola be tamin’ny ady tao amin’ny firenena iray ny firenena matanjaka, nefa ny ampahadimin’izany fotsiny no natokany hanamaivanana ny fahoriana sy ny fijalian’ireo olona mosarena, tao amin’ny kontinanta iray manontolo? Rariny koa ve raha ny ampahefatry ny mponina eran-tany no mahantra faraidiny, ary ankizy an-tapitrisany isan-taona no matin’ny aretina azo sorohina, nefa be dia be ny tany manankarena? Tsy rariny mihitsy!
Marina aloha fa tsy ny “fotoana sy ny sampona” ihany no mahatonga ny “andro mahory.” Eo koa ny herisetra mahatsiravina fahita eto amin’ity tontolo ity. Tsy afa-miala amin’izy
ireny isika, ka mety hiharany koa. Mampiseho an’izany ny zava-nitranga tany Belsan, Ossétie Avaratra, tamin’ny fararanon’ny taona 2004. Nisy fifandonana teo amin’ny mpampihorohoro sy ny mpitandro ny filaminana, ka olona an-jatony no maty, ary ankizy vao nampidirina nianatra ny ankamaroany. Marina aloha fa kisendrasendra no nahafaty sy tsy nahafaty an’ireo niharan-doza. Fifandonan’ny samy olombelona anefa no tena fototr’ilay ‘fahoriana.’Izany foana ve no hitranga?
“Fiainana izany!”, hoy angamba ny olona sasany, rehefa miresaka momba ny tsy rariny. “Efa nisy foana izany hatramin’izay, ary hitohy foana izy io.” Lazainy fa hampahory ny malemy foana ny matanjaka, ary hitsentsitra ny mahantra foana ny manana. Mihevitra izy ireo fa hampahory antsika hatrany izany, miampy ny “fotoana sy ny sampona”, raha mbola misy koa ny taranak’olombelona.
Izany tokoa ve no tsy maintsy hitranga? Mbola handray valin-kasasarana ara-drariny ihany ve ireo olona miasa mafy sy mampiasa tsara ny fahaizany? Misy afaka mitondra fiovana maharitra eto amin’ity tontolo anjakan’ny tsy rariny ity ve? Hiresaka momba izany ny lahatsoratra manaraka.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]
FONONY: Rangahy sy ankizikely: UN PHOTO 148426/McCurry/Stockbower
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
MAXIM MARMUR/AFP/Getty Images