Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manampy Antsika Hiara-mandeha Amin’Andriamanitra ny Faminanian’i Hosea

Manampy Antsika Hiara-mandeha Amin’Andriamanitra ny Faminanian’i Hosea

Manampy Antsika Hiara-mandeha Amin’Andriamanitra ny Faminanian’i Hosea

“Harahin’ireny Jehovah.”—HOSEA 11:10.

1. Inona no tantara natao sary an’ohatra hita ao amin’ny bokin’i Hosea?

TIA tantara misy mpilalao mahavariana sady ahitana tetika mahaliana ve ianao? Mirakitra tantara natao sary an’ohatra ny bokin’i Hosea ao amin’ny Baiboly. * Miresaka momba ny fianakavian’i Hosea, mpaminan’Andriamanitra, izy io. Resahiny ao koa ny ifandraisan’izany amin’ny fifaneken’ny Lalàn’i Mosesy nataon’i Jehovah tamin’ny Israely fahiny, izay oharina amin’ny vadiny.

2. Inona no fantatsika momba an’i Hosea?

2 Milaza ny toerana sy ny fotoana nitrangan’ilay tantara ny Hosea toko 1. Angamba i Hosea nipetraka tany amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely (antsoina koa hoe Efraima, izay ny foko nanan-kery indrindra tao). Naminany izy nandritra ny fitondran’ireo mpanjaka fito farany tany Israely, sy ny fitondran’i Ozia, Jotama, Ahaza, ary Hezekia tany Joda. (Hosea 1:1) Naminany nandritra ny 59 taona àry i Hosea, fara fahakeliny. Taoriana kelin’ny 745 T.K. no vita ilay boky mitondra ny anarany. Mbola zava-dehibe anefa izy io ankehitriny, satria olona an-tapitrisany no mampihatra an’ity voalaza ity: “Harahin’ireny Jehovah.”—Hosea 11:10.

Topy maso amin’ny bokin’i Hosea

3, 4. Fintino ny voalazan’ny Hosea toko 1 ka hatramin’ny faha-5.

3 Andeha isika hanao indray mitopy maso ny Hosea toko 1 ka hatramin’ny faha-5. Hanampy antsika ho tapa-kevitra kokoa hiara-mandeha amin’Andriamanitra izy io, izany hoe haneho finoana azy sy hanao ny sitrapony. Nivadika tamin’Andriamanitra ny Israelita, nefa namindra fo taminy izy, raha nibebaka izy ireo. Nampiseho izany ny fomba nifandraisan’i Hosea tamin’i Gomera vadiny. Toa nanan-janaka roa tamin’olon-kafa i Gomera, rehefa avy niteraka iray taminy. Nampody azy anefa i Hosea. Vonona ny hamindra fo tamin’ireo Israelita nibebaka koa i Jehovah.—Hosea 1:1–3:5.

4 Nifandahatra tamin’ny Israely i Jehovah, satria tsy nisy fahamarinana, na fitiavana, na fahalalana azy tao amin’ilay tany. Hanao ampamoaka ny Israelita mpanompo sampy sy ny fanjakan’i Joda nivadika izy. Nitady an’i Jehovah anefa ny vahoakany rehefa “azom-pahoriana.”—Hosea 4:1–5:15.

Ny fizotran’ilay tantara

5, 6. a) Niely be ve ny fijangajangana tao amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely? Hazavao. b) Nahoana no zava-dehibe amintsika ny fampitandremana nomena ny Israely fahiny?

5 Nandidy an’i Hosea Andriamanitra hoe: “Andeha hianao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana; fa fatra-pijangajanga miala amin’i Jehovah ny tany.” (Hosea 1:2) Niely be ve ny fijangajangana tany Israely? Hoy ny Baiboly: ‘Ny fanahim-pijangajangana no nampania [ny mponin’ny fanjakan’ny foko folo], ary lasan-ko janga izy ka tsy manaiky an’Andriamaniny. Mijejojejo ny zanakavavinareo [ary] mijangajanga ny vinantovavinareo. Ny tenanareo aza dia miavaka hankamin’ny mpijangajanga sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin’ireo vehivavy mpanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy.’—Hosea 4:12-14.

6 Niely patrana ny fijangajangana sy ny fanompoan-tsampy tany Israely. ‘Hamaly’ ny Israelita àry i Jehovah. (Hosea 1:4; 4:9) Zava-dehibe amintsika io fampitandremana io, satria mbola hovalian’i Jehovah na hampamoahiny ireo olona ratsy fitondran-tena sy manaraka fivavahan-diso ankehitriny. Mahafeno ny fepetra takin’Andriamanitra amin’ny mpivavaka marina kosa ireo miara-mandeha aminy. Fantatr’izy ireo fa ‘tsy manana lova ao amin’ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra ny mpijangajanga.’—Efesianina 5:5; Jakoba 1:27.

7. Inona no nifanitsy tamin’ny fanambadian’i Hosea sy Gomera?

7 Azo inoana fa virjiny i Gomera rehefa nalain’i Hosea ho vady, ary mbola nanaja ny vadiny izy tamin’izy “nitera-dahy taminy.” (Hosea 1:3) Araka ny asehon’io tantara natao sary an’ohatra io, dia nanao fifanekena tamin’ny Israelita i Jehovah taoriana kelin’ny nanafahany azy ireo avy tany Ejipta, tamin’ny 1513 T.K. Toy ny hoe naka vady azy ireo izy tamin’izay, ary mendri-kaja tokoa ilay fanambadiana. Nampanantena ny tsy hivadika tamin’i Jehovah ‘vadiny’ ny Israely, rehefa nanaiky ilay fifanekena. (Isaia 54:5) Io fifaneken’Andriamanitra tamin’ny Israely io no nifanitsy tamin’ilay fanambadiana mendri-kajan’i Hosea sy Gomera. Niova anefa izany!

8. Ahoana no nampisy ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely, ary inona no nivavahany?

8 “Nanan-anaka indray” ny vadin’i Hosea “ka nitera-bavy.” Toa tamin’ny fijangajangana no nahazoan’i Gomera an’io zazavavy io sy ny zandriny. (Hosea 1:6, 8) Koa satria nifanitsy tamin’i Gomera ny Israely, dia mety hanontany ianao hoe: ‘Ahoana no ilazana fa nijangajanga ny Israely?’ Nisaraka tamin’ny fokon’i Joda sy Benjamina tany atsimo, ny folo tamin’ireo fokon’ny Israely tamin’ny 997 T.K. Nasiana ombilahikely hivavahana tao amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely tany avaratra. Natao izy io mba tsy hankanesan’ny olona tany Joda, hanompoany an’i Jehovah tao amin’ny tempoliny tany Jerosalema. Lasa mpivavaka tamin’ilay andriamani-diso atao hoe Bala ny Israelita, sady nanaram-po tamin’ny firaisana ara-nofo.

9. Inona no nitranga tamin’ny Israely araka ny Hosea 1:6?

9 Taorian’ny niterahan’i Gomera an’ilay zazasary faharoa angamba no nilazan’Andriamanitra tamin’i Hosea hoe: “Ataovy Lô-rohama [midika hoe “Tsy Namindrana Fo”] no anarany; fa tsy hamindra fo amin’ny taranak’Isiraely intsony Aho, eny, tsy havelako mihitsy ny helony.” (Hosea 1:6) Tsy ‘navelan’i Jehovah ny helony’, satria nobaboin’i Asyria ny Israelita tamin’ny 740 T.K. Namindra fo tamin’ny fanjakan’ny foko roan’i Joda kosa Andriamanitra ka namonjy azy ireo, nefa tsy tamin’ny tsipìka, na sabatra, na ady, na soavaly, na mpitaingin-tsoavaly. (Hosea 1:7) Anjely iray monja no nahafaty miaramila asyrianina 185 000 tao anatin’ny indray alina, rehefa nandrahona an’i Jerosalema renivohitr’i Joda izy ireo tamin’ny 732 T.K.—2 Mpanjaka 19:35.

Nifandahatra tamin’ny Israely i Jehovah

10. Inona no nifanitsy tamin’ny nanitsakitsahan’i Gomera ny vadiny?

10 Nandao an’i Hosea i Gomera ka nanjary ‘vady tena janga.’ Lasa niara-nipetraka tamin’ny lehilahy hafa izy. Izany dia nifanitsy tamin’ny fifanekena ara-politika nataon’ny Israely tamin’ireo firenena mpanompo sampy. Nanomboka niantehitra tamin’izy ireo izy. Ny andriamanitr’izy ireo indray no nolazainy fa nampanankarena azy, fa tsy i Jehovah. Nivadika tamin’ny fifanekena nataony tamin’Andriamanitra izy ireo, ka lasa nanompo sampy. Tsy mahagaga raha nifandahatra tamin’io firenena nanitsakitsaka azy io i Jehovah!—Hosea 1:2; 2:4, 14, 15.

11. Nanao ahoana ny fifaneken’ny Lalàna rehefa navelan’i Jehovah hoentina babo ny Israely sy Joda?

11 Inona no sazin’ny Israely noho izy nandao ny Vadiny? Navelan’Andriamanitra hoentina “ho any an-efitr[’i Babylona]” izy. I Babylona mantsy no firenena nandresy an’i Asyria, izay namabo ny Israelita tamin’ny 740 T.K. (Hosea 2:16) Marina fa tsy nisy intsony ny fanjakan’ny foko 10 avy eo, nefa tsy nofoanan’i Jehovah ilay fifanekeny tamin’ny foko 12-n’ny Israely. Navelan’Andriamanitra horavan’ny Babylonianina koa i Jerosalema tamin’ny 607 T.K., ka lasa babo ny mponin’i Joda. Tsy nofoanany anefa ilay fifaneken’ny Lalàn’i Mosesy nataony tamin’ireo foko 12-n’ny Israely. Tsy tapaka io fatoram-panambadiana io, raha tsy rehefa nanda an’i Jesosy Kristy ireo mpitarika jiosy, ka namono azy ho faty tamin’ny taona 33.—Kolosianina 2:14.

Nananatra ny Israely i Jehovah

12, 13. Inona no votoatin’ny Hosea 2:8-10, ary ahoana no nahatanterahan’ireo teny ireo tamin’ny Israely?

12 Nanarin’i Jehovah ny Israely mba ‘hanaisotra ny fijejojejoany’, nefa naleony ihany nanaraka ireo lehilahiny. (Hosea 2:4, 7) “Koa”, hoy i Jehovah, “indro, hotampenako tsilo ny làlanao sady hasiako fefy, ary tsy hahita izay làlan-kalehany izy. Ary hiezaka hanenjika ireo lehilahiny izy, nefa tsy hahatratra azy; eny, hitady ireo izy, nefa tsy hahita; dia hanao hoe izy: Handeha hody amin’ny vadiko taloha aho; fa niadana aho tamin’izay noho ny ankehitriny. Ary tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, sady nataoko be ny volafotsiny sy ny volamenany, izay nolaniny ho an’i Bala [na nanaovany sarin’i Bala].”—Hosea 2:8-10.

13 Nitady fanampiana tamin’ireo firenena na “lehilahiny” ny Israely, nefa tsy nisy afaka nanampy azy. Toy ny hoe voafefy kirihitrala mantsy izy. Resy i Samaria renivohiny, tamin’ny 740 T.K., rehefa avy nataon’ny Asyrianina fahirano nandritra ny telo taona. Tsy nisy intsony ny fanjakan’ny foko folo taorian’izay. Babo israelita vitsivitsy monja no nahatakatra, fa tsara lavitra ny fiainana tamin’ny razambeny mbola nanompo an’i Jehovah. Nanda tsy hivavaka tamin’i Bala io sisa io, ary naniry hanavao ny fifanekeny tamin’i Jehovah.

Lafiny hafa amin’ilay tantara

14. Nahoana i Hosea no nanaiky an’i Gomera ho vadiny indray?

14 Mba hampahazava kokoa ny fifanitsian’ny fanambadian’i Hosea tamin’ny fifandraisan’i Jehovah tamin’ny Israely, dia diniho izao teny izao: “Hoy Jehovah tamiko: Mandehana indray, tiava vehivavy izay tian’ny vadiny nefa mijangajanga.” (Hosea 3:1) Nanaiky io didy io i Hosea, ka nividy an’i Gomera tamin’ilay lehilahy niara-nipetraka taminy. Nananatra mafy ny vadiny i Hosea avy eo hoe: “Andro maro no hitoeranao miandry ahy; fa tsy havela hijangajanga na hanambady olon-kafa hianao.” (Hosea 3:2, 3) Neken’i Gomera ilay fifehezana, ka nanaiky azy ho vadiny indray i Hosea. Inona no nifanitsy tamin’izany teo amin’ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny Israely sy Joda?

15, 16. a) Inona no tsy maintsy nataon’ny vahoakan’Andriamanitra raha tiany ny hamindrana fo? b) Ahoana no nahatanterahan’ny Hosea 2:20?

15 Nirahin’i Jehovah ho any amin’ny Israely sy Joda, izay babo tany Babylona, ny mpaminaniny mba “hanao teny malefaka hahafinaritra azy” ireo. Raha te hamindrana fo ny vahoakan’Andriamanitra, dia tsy maintsy nibebaka sy niverina tamin’ny Vadiny, toa an’i Gomera. Nampanantena i Jehovah fa hanafaka an’ilay firenena vadiny avy tany “an-efitra” na i Babylona, ary hitondra azy hiverina ho any Joda sy Jerosalema. (Hosea 2:16, 17) Notanterahiny izany tamin’ny 537 T.K.

16 Notanterahin’Andriamanitra koa ity fampanantenana ity: “Izaho dia hanao fanekena ho azy amin’ny bibi-dia sy amin’ny voro-manidina ary amin’ny biby mandady sy mikisaka amin’ny tany; ary hotapatapahiko tsy hisy amin’ny tany intsony ny tsipìka sy ny sabatra ary ny fiadiana, dia hataoko mandry fahizay izy.” (Hosea 2:20) Tsy nanana ahiahy tokoa ny sisa tamin’ireo Jiosy nody tany an-tanindrazany, sady tsy nisy biby natahorany. Tanteraka koa io faminaniana io tamin’ny 1919, rehefa nisy sisa tamin’ny Israely ara-panahy nafahana avy tao amin’i “Babylona Lehibe”, na ny fivavahan-diso eran-tany. Tsy manana ahiahy ao amin’ny paradisa ara-panahy izy ireo ankehitriny, miaraka amin’ireo namany manantena hiaina mandrakizay eto an-tany. Tsy manana toetra ratsy toy ny an’ny biby ireo tena Kristianina ireo.—Apokalypsy 14:8; Isaia 11:6-9; Galatianina 6:16.

Mandraisa lesona

17-19. a) Inona avy no toetran’i Jehovah asaina tahafintsika? b) Inona no tokony ho akon’ny famindram-pon’i Jehovah sy ny fangorahany eo amintsika?

17 Mamindra fo sy mangoraka Andriamanitra ka tokony hotahafintsika. Izany no anisan’ny ianarantsika avy amin’ireo toko voalohandohany ao amin’ny Hosea. (Hosea 1:6, 7; 2:25) Vonona hamindra fo amin’ireo Israelita nibebaka Andriamanitra, araka ny voalazan’ity ohabolana ity: “Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo.” (Ohabolana 28:13) Mampahery an’ireo mpanota mibebaka koa ny tenin’ny mpanao salamo hoe: “Ny fanatitra ho an’Andriamanitra dia fanahy torotoro, ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.”—Salamo 51:17.

18 Asongadin’ny faminanian’i Hosea fa mangoraka sy mamindra fo ilay Andriamanitra tompointsika. Afaka mibebaka sy miverin-dalana na dia ireo niala tamin’ny lalany marina aza. Handray azy an-tanan-droa i Jehovah, raha manao izany izy ireo. Namindrany fo ireo olona nibebaka tao amin’ny firenen’i Israely, izay toy ny vadiny. Tsy nankatò an’i Jehovah sy “nampalahelo ny Iray Masin’ny Israely” izy ireo taloha. ‘Namindra fo’ tamin’izy ireo anefa izy, ary ‘nahatsiaro fa nofo ihany ireo.’ (Salamo 78:38-41) Tokony handrisika antsika hiara-mandeha hatrany amin’i Jehovah, ilay Andriamanitsika be fangoraham-po, izany.

19 ‘Nanao teny malefaka hahafinaritra’ ny Israelita i Jehovah, na dia nanjaka teo anivony aza ny vonoan’olona, halatra, ary fijangajangana. (Hosea 2:16; 4:2) Tokony hanohina ny fontsika ny fisaintsainana ny famindram-pon’i Jehovah sy ny fangorahany. Tokony hanamafy ny fifandraisantsika aminy koa izany. Aoka àry isika hanontany tena hoe: ‘Ahoana no anahafako bebe kokoa ny famindram-pon’i Jehovah sy ny fangorahany, rehefa mifandray amin’olona? Vonona hamela heloka toa azy ve aho, raha mifona amiko ny Kristianina iray nanafintohina ahy?’—Salamo 86:5.

20. Manomeza ohatra mampiseho fa azo antoka ny fampanantenan’Andriamanitra.

20 Azo antoka ny fampanantenan’Andriamanitra. Nampanantena, ohatra, izy hoe: “Homeko azy ... ny lohasaha Akora ho varavaram-panantenana.” (Hosea 2:17) Nahazo antoka ny fandaminan’i Jehovah fahiny, izay toy ny vadiny, fa hody any an-tanindrazany na ny toerana misy ny “lohasaha Akora” izy. Tanteraka izany tamin’ny 537 T.K. Mahatonga antsika hifaly amin’ny fampanantenana azo antoka omen’i Jehovah antsika izany.

21. Inona no ifandraisan’ny fahalalana sy ny fiaraha-mandeha amin’Andriamanitra?

21 Mila mianatra foana momba an’Andriamanitra sy mampihatra izay ianarantsika isika, raha te hiara-mandeha aminy hatrany. Niharihary fa tsy nahalala an’i Jehovah ny ankamaroan’ny Israelita. (Hosea 4:1, 6) Nisy ihany anefa ireo nihevitra fa sarobidy ny fampianaran’Andriamanitra. Nampihatra izay nianarany izy ireo ka nahazo fitahiana maro. Anisan’izy ireny i Hosea sy ireo 7 000 tsy nandohalika tamin’i Bala, tamin’ny andron’i Elia. (1 Mpanjaka 19:18; Romanina 11:1-4) Hiara-mandeha hatrany amin’Andriamanitra koa isika, raha mankasitraka ny fampianarany.—Salamo 119:66; Isaia 30:20, 21.

22. Ahoana no tokony hiheverana ny fivadiham-pinoana?

22 Takin’i Jehovah amin’ireo lehilahy mitarika ny vahoakany ny handavan’izy ireo ny fivadiham-pinoana. Hoy anefa ny Hosea 5:1: “Henoinareo izao, ry mpisorona, ary mandrenesa, ry taranak’Isiraely; ary atongilano ny sofinareo, ry mpianakavin’ny mpanjaka; fa hianareo no hiharan’ny fitsarana, satria tonga fandrika ao Mizpa hianareo sy fandrika harato voavelatra ao Tabara.” Fandrika sy harato ho an’ny Israelita ireo mpitarika nivadi-pinoana, ka voataona hanompo sampy izy ireo. Azo inoana fa toerana niroboroboan’ny fivavahan-diso i Mizpa sy ny Tendrombohitra Tabara.

23. Inona no soa noraisinao tamin’ny fandinihana ny Hosea toko 1 ka hatramin’ny faha-5?

23 Hitantsika hatreto fa Andriamanitra mamindra fo i Jehovah, araka ny asehon’ny faminanian’i Hosea. Manome fanantenana antsika izy, ary mitahy ireo manaraka ny toromariny sy mandà ny fivadiham-pinoana. Aoka àry isika hitady an’i Jehovah sy hiezaka hampifaly azy foana, toa an’ireo Israelita nibebaka fahiny. (Hosea 5:15) Hijinja zava-tsoa isika amin’izay, ary hifaly sy hiadana tsy misy toy izany, toa an’ireo rehetra miara-mandeha hatrany amin’Andriamanitra.—Salamo 100:2; Filipianina 4:6, 7.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 1 Misy tantara natao sary an’ohatra koa ao amin’ny Galatianina 4:21-26. Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 1992, pejy 21.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no nifanitsy tamin’ny fanambadian’i Hosea sy Gomera?

• Nahoana i Jehovah no nifandahatra tamin’ny Israely?

• Inona no lesona nampiaiky volana anao tao amin’ny Hosea toko 1 ka hatramin’ny faha-5?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 18]

Fantatrao ve hoe iza no mifanitsy amin’ny vadin’i Hosea?

[Sary, pejy 19]

Resin’ny Asyrianina ny mponin’i Samaria tamin’ny 740 T.K.

[Sary, pejy 20]

Vahoaka falifaly nody tany an-tanindrazany