Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitra, dia Hijinja Zava-tsoa

Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitra, dia Hijinja Zava-tsoa

Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitra, dia Hijinja Zava-tsoa

“Rivotra no nafafiny, ary tadio no hojinjany.”—HOSEA 8:7.

1. Ahoana no iarahantsika mandeha amin’i Jehovah?

TSY hampatahotra loatra ny hamakivaky faritra mampidi-doza, raha misy olona mahay tsara an’ilay lalana mitarika anao. Fahendrena ny miaraka amin’ny olona toy izany, toy izay handeha irery. Azo oharina amin’izany ny toe-javatra misy antsika. Toy ny hoe manolo-tena hitari-dalana antsika i Jehovah, mba hahafahantsika hamakivaky ity tontolo ratsy toy ny tany efitra ity. Fahendrena ny miaraka aminy, toy izay hanao izay saim-pantatsika fotsiny. Ahoana no iarahantsika mandeha amin’Andriamanitra? Ilaina ny manaraka ny tari-dalana omeny ao amin’ny Teniny.

2. Inona no hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity?

2 Namakafaka ilay tantara natao sary an’ohatra ao amin’ny Hosea toko 1 ka hatramin’ny faha-5, ny lahatsoratra teo aloha. Nahitantsika lesona manampy antsika hiara-mandeha amin’Andriamanitra iny tantara iny. Andeha isika izao handinika hevitra sasany misongadina ao amin’ny toko faha-6 ka hatramin’ny faha-9. Hanao topy maso an’ireo toko efatra ireo aloha isika.

Topy maso

3. Fintino ny voalazan’ny Hosea toko faha-6 ka hatramin’ny faha-9.

3 Tany amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely tany avaratra, no tena nanirahan’i Jehovah an’i Hosea mpaminany. Niala tamin’Andriamanitra io firenena io, izay antsoina koa hoe Efraima, anaran’ilay foko nanan-kery indrindra tao. Asehon’ny Hosea toko faha-6 ka hatramin’ny faha-9, fa nivadika izy ireo rehefa nandika ilay fifanekeny tamin’i Jehovah ary zatra nanao ratsy. (Hosea 6:7) Naleony niantehitra tamin’ny fifanekena nataony tamin’ny firenen-kafa toy izay hiverina amin’i Jehovah. Tsy nitsahatra namafy zava-dratsy izy ireo, ka nijinja zava-dratsy, dia ny fanamelohana. Mahavelom-panantenana koa anefa ny hafatra nentin’i Hosea mpaminany. Nomeny toky ny Israelita fa afaka niverina tamin’i Jehovah izy ireo ary namindrany fo, raha tena nibebaka.

4. Inona avy no lesona mahasoa hodinihintsika ao amin’ny faminanian’i Hosea?

4 Hanampy antsika bebe kokoa hiara-mandeha amin’Andriamanitra ireo toko efatra amin’ny faminanian’i Hosea ireo. Handinika lesona mahasoa efatra isika: 1) Ny ataon’ny olona fa tsy ny teny lazainy fotsiny no ahitana raha tena mibebaka izy; 2) tsy ampy hampifaliana an’Andriamanitra ny fanatitra; 3) malahelo i Jehovah rehefa miala aminy ny mpanompony; ary 4) tsy maintsy mamafy zava-tsoa isika raha te hijinja zava-tsoa.

Ahoana no isehoan’ny tena fibebahana?

5. Inona no hevi-dehibe raketin’ny Hosea 6:1-3?

5 Mampianatra betsaka momba ny fibebahana sy ny famindram-po ny faminanian’i Hosea. Hoy ny Hosea 6:1-3: “Andeha hiverina ho amin’i Jehovah isika; fa Izy no namiravira, ary Izy ihany no hahasitrana antsika; Izy no namely, ary Izy no hamehy ny ferintsika. Rehefa afaka indroa andro, dia hovelominy indray isika; ary amin’ny andro fahatelo, dia hatsangany ho velona eo anatrehany isika. Dia aoka hahalala, eny, aoka hiezaka hahalala an’i Jehovah isika; mahatoky toy ny maraina ny fiposahany, fa ho avy amintsika toy ny ranonorana mivatravatra Izy, sy toy ny fara-orana izay mahavonto ny tany.”

6-8. Nahoana i Jehovah no tsy nankasitraka ny fibebahan’ny Israelita?

6 Iza no niteny izany? Misy milaza hoe ny Israelita nivadika. Mody nibebaka, hono, io vahoaka tsy nankatò io, ary nanararaotra ny famindram-pon’Andriamanitra. Ny hafa kosa mihevitra fa i Hosea mpaminany no nilaza ireo teny ireo, rehefa nitalaho tamin’ny vahoaka mba hiverina amin’i Jehovah. Ity fanontaniana ity anefa no tena zava-dehibe: Niverina tamin’i Jehovah sy tena nibebaka ve ny ankamaroan’ny olona tao amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely? Tsia no valiny. Hoy i Jehovah tamin’i Hosea: “Inona re no ho azoko atao aminao, ry Efraima? Inona re no ho azoko atao aminao, ry Joda? Fa toy ny rahona maraina ny fitiavanareo sy tahaka ny ando izay levona, raha vao maraina ny andro.” (Hosea 6:4) Nampalahelo fa tena niharatsy toetra ny vahoakan’Andriamanitra! Zara raha nanana fitiavana sy hatsaram-panahy izy ireo. Toy ny zavona maraina ny fitiavany, ka misava haingana rehefa miposaka ny masoandro. Tsy hitan’i Jehovah izay antony tokony hamindrana fo tamin’ilay vahoaka, na dia niseho ho nibebaka aza izy ireo. Nahoana?

7 Tsy tena vokatry ny fo ny fibebahan’ny Israely. Tsy faly taminy àry i Jehovah, araka ny Hosea 7:14 hoe: “Tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, fa midradradradra foana ao am-pandriany.” Hoy koa ny andininy faha-16: “Miverina ihany izy, nefa tsy ho amin’ny Avo.” Tsy vonona hiverina ho amin’ny Avo, na hanompo an’i Jehovah, ilay vahoaka. Tsy vonona hiova izy ireo mba hihavanana aminy indray. Tsy tena naniry hiara-mandeha amin’Andriamanitra izy ireo.

8 Nisy olana hafa koa. Mbola zatra nanota ireo Israelita ireo, ary nanao fahotana lehibe maro mihitsy aza, toy ny famitahana, vonoan’olona, halatra, fanompoan-tsampy. Tsy naneho fahendrena koa izy ireo, fa nanao fifanekena tamin’ny firenen-kafa. Oharin’ny Hosea 7:4 amin’ny “fatana” na lafaoron’ny mpanao mofo izy ireo, noho ny fanirian-dratsy niredareda tao am-pony angamba. Mendrika ny hamindrana fo ve io vahoaka ratsy toetra io? Tsy mendrika velively! Nilaza tamin’ilay vahoaka nikomy i Hosea fa ‘hotsaroan[’i Jehovah] ny helony’ ary “hovaliana ny fahotany.” (Hosea 9:9) Tsy namindrana fo mihitsy izy ireo!

9. Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Hosea momba ny fibebahana sy ny fangorahana?

9 Inona no ianarantsika momba ny fibebahana sy ny famindram-po, rehefa mamaky ny tenin’i Hosea? Fampitandremana ho antsika ny zavatra nanjo ny Israelita nivadika. Tsy maintsy maneho fibebahana vokatry ny fo isika, raha te hahazo ny famindram-pon’i Jehovah. Ahoana no ampisehoana izany fibebahana izany? Tsy voafitaky ny ranomaso na ny teny fotsiny i Jehovah. Ny ataon’ny olona no ahitana raha tena mibebaka izy. Raha te hamindrana fo ny olona nanao ratsy, dia tsy maintsy miova tanteraka, ary mampifanaraka ny fiainany amin’ny fitsipika ambony takin’i Jehovah.

Tsy ampy hampifaliana an’i Jehovah ny fanatitra

10, 11. Nahoana no tsy ampy hampifaliana an’i Jehovah ny fanatitra, araka ny hita tamin’ny Israely?

10 Ity no lesona faharoa hanampy antsika hiara-mandeha amin’i Jehovah: Tsy ampy hampifaliana an’Andriamanitra ny fanatitra. Hoy ny Hosea 6:6: “Famindrampo no sitrak[’i Jehovah], fa tsy fanatitra alatsa-dra, ary fahalalana an’Andriamanitra noho ny fanatitra odorana.” Mariho fa ny famindram-po, na hatsaram-panahy sy fitiavana avy amin’ny fo, ary ny fahalalana azy no sitrak’i Jehovah. Mety hanontany tena anefa ianao hoe: ‘Nahoana io andininy io no milaza fa tsy sitrany ny “fanatitra alatsa-dra” sy ny “fanatitra odorana”? Fa angaha moa tsy nitaky izany ny Lalàn’i Mosesy?’

11 Nitaky ny hanaovana fanatitra sy sorona tokoa ny Lalàna, nefa tsy nety mihitsy ny nataon’ny mpiara-belona tamin’i Hosea. Toa nanao ireo fanatitra notakina taminy izy ireo, mba ho hita fotsiny hoe mpivavaka. Mbola nanota ihany anefa ny Israelita. Izany no mampiseho fa tsy tena nanana fitiavana sy hatsaram-panahy izy ireo. Tsy niraharaha ny fahalalana an’Andriamanitra koa izy ireo, satria tsy niaina nifanaraka tamin’izany. Koa raha tsy tsara ny toe-pony sy ny fomba fiainany, ho nisy dikany ve ny fanatitra nataony? Nahatezitra an’i Jehovah Andriamanitra ny fanatitr’izy ireo.

12. Mampitandrina ny olona momba ny inona ny Hosea 6:6?

12 Mirakitra fampitandremana ho an’ireo mpiangona maro be ankehitriny ny tenin’i Hosea. Manao fanatitra ho an’Andriamanitra izy ireo, rehefa manao ireo fombafomba ara-pivavahana. Zara anefa raha misy heriny eo amin’ny fitondran-tenany andavanandro ny fivavahany, raha hisy aza. Tena mampifaly an’Andriamanitra ve ireny olona ireny, raha toa ny fony tsy manosika azy hianatra ny marina momba an’i Jehovah, sy hampihatra izay ianarany, ary hiala amin’ny fahotany? Aoka tsy hisy hieritreritra hoe ampy hampifaliana an’Andriamanitra ny fanefana adidy ara-pivavahana. Tsy mampifaly azy ny olona manao fombafomba ara-pivavahana mba hahazoana sitraka aminy, nefa tsy tena manaraka izay voalazan’ny Teniny.—2 Timoty 3:5.

13. Inona no sorona atolotsika, nefa inona no tokony hotadidina raha tiana hankasitrahan’i Jehovah izy ireny?

13 Aoka hotadidintsika tena Kristianina fa tsy ampy hampifaliana an’Andriamanitra ny fanatitra. Marina fa tsy manao fanatitra biby ho azy intsony isika. ‘Manao sorona fiderana ho an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy’ anefa isika, “dia ny vokatry ny molotra izay manao fanambarana ampahibemaso momba ny anarany.” (Hebreo 13:15) Mila mitandrina isika sao hitovy amin’ireo Israelita mpanota tamin’ny andron’i Hosea, ka hieritreritra fa afaka manonitra ny ratsy vitantsika ireo sorona atolotsika ho an’Andriamanitra. Diniho ny ohatr’ity tovovavy ity, izay naloto fitondran-tena, nefa nanafina izany. Niaiky izy tatỳ aoriana hoe: “Nampitombo ny fanompoako aho, satria nihevitra fa hanonitra ny ratsy vitako izany.” Tsy nisy hafa tamin’ny nataon’ireo Israelita nania izany. Tsy hankasitraka ny sorona fiderana ataontsika anefa i Jehovah, raha tsy tsara ny antony manosika antsika hanao izany sy ny fitondran-tenantsika.

Malahelo i Jehovah rehefa miala aminy ny mpanompony

14. Inona no fihetseham-pon’Andriamanitra ahariharin’ny faminanian’i Hosea?

14 Misy lesona fahatelo raisintsika avy amin’ny Hosea toko faha-6 ka hatramin’ny faha-9. Tsy inona izany fa ny fihetseham-pon’i Jehovah rehefa miala aminy ny mpanompony. Hentitra Andriamanitra nefa be fangoraham-po. Faly sy mangoraka an’ireo mpanota mibebaka izy. Mandray fepetra hentitra anefa izy rehefa tsy mety mibebaka ny vahoakany. Tena miahy izay hahasoa antsika Andriamanitra, ka faly izy rehefa miara-mandeha aminy foana isika. “Sitrak’i Jehovah ny olony”, hoy ny Salamo 149:4. Manao ahoana anefa ny fihetseham-pony rehefa misy mpanompony mivadika?

15. Inona no nataon’ny Israelita sasany araka ny Hosea 6:7?

15 Hoy i Jehovah momba an’ireo Israelita nivadika: “Ireny dia nivadika ny fanekena tahaka an’i Adama, tao no nivadihany nahafoizany Ahy.” (Hosea 6:7) Ilay teny hebreo nadika hoe ‘nivadika nahafoy’ dia midika koa hoe “namitaka.” Io teny io ihany no ampiasaina ao amin’ny Malakia 2:10-16, mba hilazana ny fitondran-tenan’ireo Israelita nanitsakitsa-bady. Misy boky iray milaza fa io teny ao amin’ny Hosea 6:7 io, dia ‘teny an’ohatra ilazana ny fifandraisan’ny mpivady, rehefa namadika ny fitiavan’ny andaniny ny ankilany.’

16, 17. a) Nataon’ny Israely ahoana ny fifaneken’Andriamanitra taminy? b) Inona no tokony hotadidintsika momba izay ataontsika?

16 Noheverin’i Jehovah ho toy ny vadiny ny Israely, noho ilay fifanekeny taminy. Toy ny hoe nanitsakitsaka azy àry ny vahoakany rehefa nivadika tamin’ilay fifanekena. Oharina amin’ny vady mahatoky Andriamanitra, fa ny vahoakany no nandao azy!

17 Ary ahoana ny amintsika? Zava-dehibe amin’Andriamanitra ny hiarahantsika mandeha aminy. Tokony hotadidintsika fa “Andriamanitra dia fitiavana” ary misy fiantraikany eo aminy izay ataontsika. (1 Jaona 4:16) Mety hampalahelo azy isika ary azo antoka fa tsy hampifaly azy, raha manao ny tsy mety. Hanampy antsika tsy ho resin’ny fakam-panahy ny fitadidiana izany hatrany.

Ahoana no hijinjantsika zava-tsoa?

18, 19. Inona no toro lalana hitantsika ao amin’ny Hosea 8:7, ary ahoana no niharan’io toro lalana io tamin’ny Israelita?

18 Ny fomba hijinjantsika zava-tsoa no lesona fahefatra hitantsika ao amin’ny faminanian’i Hosea. Nanao hadalana ny Israelita rehefa nivadika, ka zava-poana no vokany. Hoy i Hosea momba izany: “Rivotra no nafafiny, ary tadio no hojinjany.” (Hosea 8:7) Mirakitra toro lalana tokony hotadidintsika io andininy io: Miankina amin’izay ataontsika ankehitriny ny zavatra hitranga amintsika amin’ny hoavy. Izany ve no nitranga tamin’ireo Israelita nivadika?

19 Namafy zava-dratsy ireo Israelita ireo satria tsy nitsahatra nanota. Ho afa-maina ve izy ireo? Tsy maintsy homelohina izy ireo. Hoy ny Hosea 8:13: “Hotsarovan[’i Jehovah] ny fahotany, ary hovaliany ny helony.” Hoy koa ny Hosea 9:17: “Harian’Andriamanitro izy, satria tsy nihaino Azy; ka dia ho tonga mpirenireny any amin’ny jentilisa izy.” Nampamoahin’Andriamanitra ny Israelita satria nanota. Namafy zava-dratsy izy ireo, ka nijinja zava-dratsy. Niharan’ny didim-pitsaran’Andriamanitra izy ireo tamin’ny 740 T.K. Resin’ny Asyrianina ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely, ka nentiny ho babo.

20. Inona no ianarantsika avy amin’izay nanjo ny Israelita?

20 Mampianatra antsika ny fahamarinan’ity voalaza ity izay nanjo ny Israelita: Mijinja izay afafintsika isika. Mampitandrina antsika ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.” (Galatianina 6:7) Hijinja zava-dratsy isika raha mamafy zava-dratsy. Hitera-pahavoazana ho an’ny tenany, ohatra, ny olona ratsy fitondran-tena. Ho ratsy fiafara koa ny mpanota tsy mibebaka.

21. Ahoana no hijinjantsika zava-tsoa?

21 Ahoana àry no hijinjantsika zava-tsoa? Haka ohatra tsotsotra isika hamaliana izany. Hamboly katsaka ve ny tantsaha iray raha te hijinja vary? Mazava ho azy fa tsia! Izay tiany hojinjaina no tsy maintsy amboleny. Toy izany koa fa tsy maintsy mamafy zava-tsoa isika, raha te hijinja zava-tsoa. Tianao ve ny hijinja zava-tsoa foana, izany hoe fiainana mahafa-po dieny izao, ary fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra amin’ny hoavy? Raha izany no irinao, dia tsy maintsy mamafy zava-tsoa foana ianao, izany hoe miara-mandeha amin’Andriamanitra ary manaraka ny fitsipiny marina.

22. Inona avy no lesona hitantsika tao amin’ny Hosea toko faha-6 ka hatramin’ny faha-9?

22 Nahitantsika lesona efatra manampy antsika hiara-mandeha amin’Andriamanitra ny Hosea toko faha-6 ka hatramin’ny faha-9: 1) Ny ataon’ny olona fa tsy ny teny lazainy fotsiny no ahitana raha tena mibebaka izy; 2) tsy ampy hampifaliana an’Andriamanitra ny fanatitra; 3) malahelo i Jehovah rehefa miala aminy ny mpanompony; ary 4) tsy maintsy mamafy zava-tsoa isika raha te hijinja zava-tsoa. Mbola afaka manampy antsika hiara-mandeha amin’Andriamanitra koa ireo toko dimy farany ao amin’ny Hosea. Amin’ny fomba ahoana?

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no isehoan’ny tena fibebahana?

• Nahoana no tsy ampy hampifaliana an’ilay Raintsika any an-danitra ny fanatitra?

• Manao ahoana ny fihetseham-pon’Andriamanitra rehefa miala aminy ny mpanompony?

• Inona no tsy maintsy afafintsika raha te hijinja zava-tsoa isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Nisava toy ny rahona maraina ny fitiavana sy hatsaram-panahin’ny Israely

[Sary, pejy 23]

Niredareda toy ny afo tao anaty lafaoro ny fanirian-dratsin’ny Israely

[Sary, pejy 24]

Nahoana i Jehovah no tsy nankasitraka ny fanatitry ny vahoakany?

[Sary, pejy 25]

Tsy maintsy mamafy zava-tsoa isika raha te hijinja zava-tsoa