Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitahy Ireo Mahafoy Tena i Jehovah

Mitahy Ireo Mahafoy Tena i Jehovah

“Ny Famonjena Ahy dia avy Amin’i Jehovah”

Mitahy Ireo Mahafoy Tena i Jehovah

MAMAKIVAKY ny ala mikitrok’i Cameroun amin’ny bisikileta ny lehilahy iray. Misetra ny loza eny amin’ny lalana feno rano sy mamotaka izy mandritra ny ora maromaro, mba hitondra fampaherezana ho an’ny hafa. Mandeha an-tongotra 15 kilaometatra indray ny lehilahy roa any Zimbabwe, mba hampianarana olona vitsivitsy any amin’ny toerana mitokana. Miampita renirano tondraka izy ireo amin’izany, ka lolohaviny ny akanjony sy ny kirarony mba tsy ho lena. Mifoha amin’ny efatra maraina koa ny vehivavy iray any an-toeran-kafa, mba hampianatra Baiboly mpitsabo mpanampy iray. Tsy manam-potoana afa-tsy adiny iray amin’ny maraina be mantsy izy io.

Inona no itovian’ireo olona manao ezaka mafy ireo? Vavolombelon’i Jehovah izy ireo ary mpitory manontolo andro, mampianatra ny fahamarinana ara-baiboly. Anisan’izy ireo ny mpisava lalana maharitra sy manokana, misionera, mpiandraikitra mpitety faritany, ary ireo mpiasa an-tsitrapo an’arivony any amin’ireo Trano Betela eran-tany. Miavaka izy ireo satria mahafoy tena. *

Antony tsara no anaovan’izy ireo izany

Mankatò ity fananaran’ny apostoly Paoly ho an’i Timoty ity ny Vavolombelon’i Jehovah: “Ataovy izay rehetra azonao atao mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ho olona ankasitrahana, dia mpiasa tsy mitsanga-menatra na amin’inona na amin’inona, ary manazava ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara.” (2 Timoty 2:15) Fa inona no mandrisika Vavolombelona ana hetsiny hanompo manontolo andro?

Milaza izy ireny fa anisan’ny mahatonga azy hilofo amin’ny fanompoana, ny fitiavany an’i Jehovah sy ny mpiara-belona aminy. (Matio 22:37-39) Mety tokoa izany, satria tsy hisy dikany izay ezaka rehetra atao, raha tsy ny fitiavana no antony anaovana azy.—1 Korintianina 13:1-3.

Tena mahafoy tena izy ireo

Manaiky ity fanasan’i Jesosy ity ny Kristianina nanolo-tena rehetra: “Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handa ny tenany ka hitondra ny hazo fijaliany ary hanaraka ahy mandrakariva.” (Matio 16:24) Ny hoe mandà tena dia midika hoe manaiky an-tsitrapo ho fananan’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy, sady manaiky ny fitarihan’izy ireo. Izany no mahatonga olona maro hahafoy tena sy hanompo manontolo andro.

Maro ny Vavolombelona manao ezaka mafy, mba hanitarana ny fanompoany an’i Jehovah. Anisan’izy ireny i Júlia, mpisava lalana maharitra efa 56 taona, any São Paulo, any Brezila. Hoy izy: “Nanontany ahy an-telefaonina ny rahalahy sinoa iray raha te hianatra teny sinoa aho. Tsy nieritreritra hianatra teny hafa intsony aho satria efa be taona. Nanaiky ihany anefa aho afaka andro vitsivitsy, na dia sarotra aza ilay izy. Efa mahaihay mitory amin’ny teny sinoa aho izao.”

Hoy ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Peroa: “Tao anatin’ireo taona faramparany, dia mpisava lalana maharitra an-jatony no naneho herim-po sy fahafoizan-tena, ka nifindra tany amin’ny faritany lavitra mbola tsy nisy mpitory. Sarotra ny mahita asa any amin’ireny tanàna ireny, sady tsy misy ireo zavatra mahazatra sy mampiadana toy ny any an-tanàn-dehibe. Vonona hanao ny sorona ilaina anefa ireny rahalahy sy anabavy ireny, mba hijanonana any amin’izay nanendrena azy. Ny tena mahafinaritra dia ny vokatra tsara entin’ny fanompoan’izy ireo any amin’ny faritra maro. Manao tatitra ireo mpiandraikitra mpitety faritany, fa nisy antoko-mpitory maromaro niforona noho ny fanampian’ireny mpisava lalana mahafoy tena ireny.”

Misy koa Kristianina manao vivery ny ainy, mba hanampiana ny mpiray finoana aminy. (Romanina 16:3, 4) Hoy ny mpiandraikitra mpitety faritany, any amin’ny faritra iray rotidrotiky ny ady atsy Afrika: “Kely sisa izahay dia ho tonga teo amin’ny toeram-pisavana farany, teo anelanelan’ny faritra fehezin’ny mpanohitra sy ny faritra fehezin’ny governemanta. Nanodidina anay mivady ny lehiben’ny tafiky ny mpanohitra efatra sy ny mpiambina azy ireo, ary nangataka ny kara-panondronay. Hitany tao fa avy any amin’ny faritra fehezin’ny governemanta izahay, ka lasa niahiahy izy ireo. Nampangainy ho mpitsikilo aho, ka nanapa-kevitra hanipy ahy tao anaty lavaka be izy ireo. Nohazavaiko hoe iza moa izahay, ka navelany handeha ihany avy eo.” Tena velom-pankasitrahana ireo fiangonana, fa afaka nitsidika azy ireo ilay mpivady feno fahafoizan-tena!

Mitombo ny isan’ny mpanompo manontolo andro eran-tany, na eo aza ny zava-tsarotra atrehiny. (Isaia 6:8) Mankamamy ny tombontsoany manompo an’i Jehovah ireny mpiasa mazoto ireny. Misy olon-kafa an-tapitrisany koa izao mahafoy tena, ary midera an’i Jehovah. Omen’i Jehovah fitahiana tondraka izy ireo ho setrin’izany. (Ohabolana 10:22) Matoky ireo mpiasa mazoto ireo fa hanohy hitahy sy hanohana azy ireo i Jehovah, ka miombon-kevitra amin’ny mpanao salamo izay nihira toy izao izy ireo: “Ny famonjena ahy dia avy amin’i Jehovah.”—Salamo 121:2.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Jereo ny Kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah 2005, Novambra/Desambra.

[Teny notsongaina, pejy 9]

“Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin’ny andro anafihanao.” —SALAMO 110:3

[Efajoro, pejy 8]

TIAN’I JEHOVAH NY MPANOMPONY MANDÀ TENA

Aoka ianareo hifahatra tsara sy tsy ho voahozongozona ary ho be atao foana amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy very maina ny asa mafy ataonareo ao amin’ny Tompo.” —1 Korintianina 15:58.

“Andriamanitra ... tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany.”—Hebreo 6:10.