Tena Mino ve Ianao fa Misy ny Devoly?
Tena Mino ve Ianao fa Misy ny Devoly?
HAZAVAIN’NY Soratra Masina fa tena misy ny Devoly. Tsy hita maso izy, satria fanahy toa an’Andriamanitra. (Jaona 4:24) Nisy nahary anefa izy, fa tsy toy ny Mpamorona.
Namorona fanahy maro be i Jehovah Andriamanitra, ela be talohan’ny namoronany ny olombelona. (Joba 38:4, 7) Antsoin’ny Baiboly hoe anjely izy ireny. (Hebreo 1:13, 14) Anjely lavorary daholo no noforonin’Andriamanitra, fa tsy nisy devoly ary tsy nisy ratsy toetra na dia iray aza. Ahoana àry no nampisy ny Devoly? “Mpanendrikendrika” na mpanaratsy no dikan’ny teny hoe “devoly.” “Mpanohitra” na mpikomy kosa no dikan’ny hoe “Satana.” Nanatanteraka ny fanirian-dratsiny ny anjely lavorary iray, ka nivadika ho Satana Devoly. Tsy misy hafa amin’ny olo-marina iray lasa mpangalatra izany. Hazavain’ny Baiboly toy izao ny mahatonga ny fanaovan-dratsy: “Tsapaina ... ny tsirairay rehefa voasariky ny fanirian’ny tenany ihany ka voafandrik’izany. Ary ny faniriana rehefa kolokoloina, dia miteraka fahotana, ary ny fahotana kosa rehefa notanterahina, dia miteraka fahafatesana.”—Jakoba 1:14, 15.
Izany mihitsy no nitranga. Nahita tsara ny namoronan’i Jehovah Andriamanitra an’i Adama sy Eva mpivady voalohany, ilay anjely nieritreritra ny hikomy. Fantany fa nanome baiko an’i Adama sy Eva i Jehovah mba hiteraka, ka hahatonga ny tany ho feno olo-marina manompo ny Mpamorona. (Genesisy 1:28) Hitan’io anjely io fa nisy fomba hahazoany voninahitra sy fahefana. Tsy afa-po tamin’ny toerany izy, ka nitsiriritra zavatra tsy nananany zo. Naniry hivavahan’ny olombelona izy, nefa tokony ho an’ny Mpamorona irery ihany izany, raha ny marina. Tsy nanohitra izany fanirian-dratsy izany io anjely io, fa nanolokolo ilay izy kosa. Nahatonga azy handainga sy hikomy izany. Jereo ny nataony:
Nampiasa bibilava io anjely mpikomy io mba hiresahana tamin’i Eva. Nanontany an’i Eva toy izao ilay bibilava: “Hanky! efa nataon’Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha?” Nanonona ny didin’Andriamanitra i Eva, ary nilaza ny sazy hihatra aminy raha tsy mankatò izany izy. Hoy anefa ilay bibilava: Genesisy 3:1-5) Te hilaza izy fa tsy nilaza ny marina tamin’i Adama sy Eva Andriamanitra. Ho tahaka an’Andriamanitra, hono, i Eva raha mihinana an’io voankazo io, ka hanana zo hanapa-kevitra ny amin’ny tsara sy ratsy. Io no lainga voalohany teo amin’ny tantara. Lasa mpanendrikendrika ilay anjely nanomboka teo, sady lasa mpanohitra an’Andriamanitra. Resahin’ny Baiboly fa io fahavalon’Andriamanitra io dia “ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana.”—Apokalypsy 12:9.
“Tsy ho faty tsy akory hianareo; fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy [ilay hazo eo afovoan’ny saha] dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” (‘Miambena’
Nandaitra araka ny nikasan’ny Devoly azy ny lainga nolazainy tamin’i Eva. Hoy ny Baiboly: “Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; ary nomeny koa ny vadiny, ka dia nihinana izy.” (Genesisy 3:6) Nino an’i Satana i Eva ka tsy nankatò an’Andriamanitra. Voataonany koa i Adama. Vitan’i Satana àry ny nitarika ny mpivady voalohany hikomy tamin’Andriamanitra. Nanomboka nitaona ny olona i Satana nanomboka teo, na dia tsy hitan’ny mason’izy ireo aza izany. Inona no tanjony? Ny hitarika ny olona tsy hanompo an’ilay tena Andriamanitra, fa hanompo azy. (Matio 4:8, 9) Misy antony tsara àry matoa mampitandrina toy izao ny Soratra Masina: “Aoka ianareo ho mailo hatrany sy hiambina, satria ny Devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady olona harapaka.”—1 Petera 5:8.
Asehon’ny Baiboly mazava tsara eo, fa tena misy ny Devoly. Anjely nivadika izy ary tena mampidi-doza! Zava-dehibe ny hanekentsika fa tena misy izy, satria izany no dingana voalohany hanampy antsika ho mailo sy hiambina hatrany. Tsy ampy anefa izany. Tena ilaina koa ny mahafantatra ny “teti-dratsiny” sy ny fomba amitahany ny olona. (2 Korintianina 2:11) Inona avy àry no tetiny? Ary ahoana no azontsika anoherana azy ireny?
Hararaotin’ny Devoly ny faniriana voajanaharin’ny olona
Mahafantatra tsara ny olona i Satana, satria efa nandinika azy ireo hatramin’ny namoronana azy. Fantany ny zavatra ilain’izy ireo sy tiany ary ny iriny. Fantany fa voajanahary ao amin’ny olona ny faniriana hivavaka, ka nohararaotiny tamin-kafetsena izany. Ahoana no nataony? Nofahanany lainga ny olona. (Jaona 8:44) Mifanohitra sy mampisafotofoto ny zavatra maro ampianarin’ny fivavahana momba an’Andriamanitra. Iza, hoy ianao, no mahazo tombony amin’izany? Tsy mety ho samy marina daholo ireny fampianarana mifanohitra ireny. Tsy hitanao ve fa tena avy amin’i Satana mihitsy ny ankamaroan’ireny fampianarana ireny, ary ampiasainy mba hamitahana ny olona? Resahin’ny Baiboly fa izy, raha ny marina, no “andriamanitr’ity tontolo ity”, ary manajamba ny sain’ny olona.—2 Korintianina 4:4.
Miaro ny olona amin’ny fitaka ampiasain’ny fivavahana ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra. Oharin’ny Baiboly amin’ny fehikibo isikinana ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Nanao fehikibo mantsy ny miaramila fahiny mba hiarovana ny andilany. (Efesianina 6:14) Hiaro anao tsy ho voafitaky ny lainga aelin’ny fivavahana ny Tenin’Andriamanitra, raha mianatra azy io ianao, ka mampifanaraka tsara ny fiainanao amin’izy io toy ny hoe misikina azy.
Levitikosy 19:31; Salamo 119:110.
Noho ny faniriany hivavaka dia miezaka mamantatra ny tsy hita maso ny olona, ary liana amin’ny zava-mahagaga sy ny zava-miafina. Mety ho voafitak’i Satana koa anefa izy amin’izany. Hararaotin’i Satana mantsy izany, ka namorona fanao be dia be izy mba hahatonga olona maro ho eo ambany fifehezany. Toy ny mpihaza mampiasa jono mba hanintonana ny rembiny, dia misarika sy mamandrika ny olona eran-tany i Satana amin’ny alalan’ny fanandroana, astrolojia, hipnotisma, filalaovana ody, mazia, ary ny famantarana ny hoavy amin’ny alalan’ny famakiana ny soritra amin’ny tanana.—Inona no azonao atao mba tsy ho voafandrika ka hifandray amin’ny fanahy ratsy? Hoy ny Deoteronomia 18:10-12: “Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zanani-lahy na ny zanani-vavy hamaky ny afo, na mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody, na manao ho masimbava, na mpanadina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin’ny maty. Fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany, ary izany fahavetavetana izany no androahan’i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao.”
Mazava tsara ny torohevitry ny Soratra Masina hoe: Aza mifandray amin’ny fanahy ratsy mihitsy. Inona no azonao atao raha efa nanao izany ianao, nefa te hiala? Araho ny modelin’ireo Kristianina tany Efesosy fahiny. Milaza ny Baiboly fa rehefa nandray “ny tenin’i Jehovah” izy ireo, dia “maro tamin’ireo mpanao mazia no nanangona ny bokiny ka nandoro izany teo anatrehan’ny rehetra.” Tena lafo ireo boky ireo, satria farantsa volafotsy 50 000 no tokom-bidiny. (Asan’ny Apostoly 19:19, 20) Tsy nisalasala anefa ireo Kristianina tany Efesosy namotika azy ireny.
Hararaotin’i Satana ny fahalemen’ny olona
Nahoana no nanjary Satana Devoly ny anjely lavorary iray? Satria nitady hanambony tena izy. Notairiny koa ny hambom-pon’i Eva mba haniry mafy hitovy amin’Andriamanitra. Manao izay hiavonavonan’ny olona koa i Satana ankehitriny, mba ho eo ambany fahefany foana izy ireo. Mieritreritra, ohatra, ny sasany fa tsara noho ny an’ny olon-kafa ny firazanany, ny fokony, na ny fireneny. Tena mifanohitra amin’izay ampianarin’ny Baiboly izany! (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Milaza mazava tsara ny Baiboly hoe: “Avy tamin’ny olona anankiray no nanaovan[’Andriamanitra] ny olona any amin’ny firenena rehetra.”—Asan’ny Apostoly 17:26.
Ny fanetren-tena no fomba mahomby entina manohitra ny fitaoman’i Satana antsika hiavonavona. Mananatra antsika ny Baiboly hoe: “Aza mihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina.” (Romanina 12:3) Voalaza ao koa hoe: “Manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, fa maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa amin’ny manetry tena kosa.” (Jakoba 4:6) Azo antoka fa hahatohitra an’i Satana ianao, raha manetry tena sy maneho ireo toetra hafa ankasitrahan’Andriamanitra.
Tena hararaotin’ny Devoly koa ny filan’ny nofo eo amin’ny olombelona, satria mora resin’ny fanirian-dratsy izy ireo. Tian’i Jehovah Andriamanitra hifaly amin’ny fiainana ny olona. Tena ho sambatra isika, raha mifanaraka amin’ny sitrapony no hanatanterahantsika ny faniriantsika. Maka fanahy ny olona anefa i Satana, mba hanomezan’izy ireo fahafaham-po ny fanirian’ny nofo amin’ny fomba ratsy. (1 Korintianina 6:9, 10) Tsara lavitra àry ny mampifantoka ny saina amin’ny eritreritra madio sy tsara. (Filipianina 4:8) Hanampy anao hifehy tsara ny eritreritrao sy ny fihetseham-ponao izany.
Tohero foana ny Devoly
Ho vitanao ve ny hanohitra ny Devoly? Tena azonao atao tokoa izany. Manome toky antsika ny Baiboly hoe: “Tohero ... ny Devoly, dia handositra anareo izy.” (Jakoba 4:7) Tsy hiala avy hatrany akory i Satana na dia toherinao aza. Tsy midika koa izany hoe tsy hanelingelina anao intsony izy rehefa mianatra momba an’Andriamanitra ianao. Mbola hanandrana haka fanahy anao indray izy amin’ny “fotoana hafa mety.” (Lioka 4:13) Tsy tokony hatahotra ny Devoly anefa ianao. Tsy hahavita hampiala anao amin’ilay tena Andriamanitra izy, raha manohitra azy foana ianao.
Mila mahafantatra azy sy ny fomba famitahany anefa ianao, mba hanoherana azy. Ilainao koa ny mianatra miaro tena amin’ny tetiny. Tsy misy afa-tsy boky iray monja no ahalalana izany, dia ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra. Aoka àry ianao ho tapa-kevitra hianatra ny Soratra Masina, ary hampihatra izay ianaranao. Ho faly hampianatra Baiboly maimaim-poana anao ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny faritra misy anao, ary hatao amin’ny fotoana mety aminao izany. Aza misalasala manatona azy ireo, na manorata any amin’ny mpamoaka an’ity gazety ity.
Tadidio rehefa mianatra Baiboly ianao, fa mety hampisy fanoherana na fanenjehana i Satana, mba tsy hianaranao ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra intsony. Mety ho tezitra ny havanao noho ianao mianatra Baiboly. Mety hitranga izany, satria tsy fantatr’izy ireo ny fahamarinana faran’izay sarobidy raketin’izy io. Mety hananihany anao ny hafa. Ho faly ve anefa Andriamanitra raha manaiky ho resin’izany rehetra izany ianao? Te hanakivy anao ny Devoly, amin’izay dia tsy hianatra momba an’ilay Andriamanitra marina intsony ianao. Aza avela handresy i Satana. (Matio 10:34-39) Tsy nanome na inona na inona anao izy. I Jehovah no nanome aina anao. Koa aoka ianao ho tapa-kevitra hanohitra ny Devoly sy ‘hampifaly ny fon’i Jehovah.’—Ohabolana 27:11.
[Sary, pejy 6]
Nandoro ireo boky momba ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy ireo lasa Kristianina
[Sary, pejy 7]
Aoka ianao ho tapa-kevitra hianatra ny Baiboly