Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Misy ve ny Devoly?

Tena Misy ve ny Devoly?

Tena Misy ve ny Devoly?

AHOANA no fiheveranao izany Devoly izany? Mihevitra ve ianao fa tena misy izy ary maka fanahy ny olona hanao ratsy? Sa ny faharatsiana fotsiny no atao hoe devoly? Tokony hatahorana ve izy, sa tsy tokony horaharahaina satria finoanoam-poana na angano fotsiny? Hery mitera-pahavoazana ve izy, ary hita eran’izao rehetra izao? Sa ny toetra ratsy ao anatin’ny olona fotsiny, araka ny ambaran’ny teolojianina maro ankehitriny?

Tsy mahagaga raha tsy mitovy ny hevitry ny olona momba ny Devoly. Eritrereto, ohatra, hoe misy olona iray faran’izay mahay manovaova endrika. Tena ho sarotra aminao ny hamantatra azy, indrindra moa raha misaron-tava foana izy! Milaza ny Baiboly fa toy izany ny Devoly, izay antsoina koa hoe Satana. Izao no lazainy momba azy: “Satana ... miseho foana ho toy ny anjelin’ny mazava.” (2 Korintianina 11:14) Tena ratsy i Satana, nefa miseho ho tsara mba hamitahana olona. Vao mainka mandaitra ny tetika ataony, rehefa vitany ny mampino ny olona fa tsy misy izy.

Fa iza marina àry ny Devoly? Oviana izy no nanomboka nisy? Ahoana no nampisy azy? Ahoana no itaomany olona ankehitriny? Misy azontsika atao ve mba hanoherana azy? Mirakitra ny tantara marina momba ny niandohan’ny Devoly ny Baiboly, ary manome valiny azo itokisana momba ireo fanontaniana ireo.

[Sary, pejy 3]

Tena sarotra ny mamantatra olona misaron-tava foana!