Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Tantara Faharoa

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Tantara Faharoa

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Tantara Faharoa

I SOLOMONA no mpanjakan’ny Israely, eo am-piandohan’ny bokin’ny Tantara Faharoa. Mamarana azy io kosa ny tenin’i Kyrosy, mpanjaka persanina, tamin’ny Jiosy babo tany Babylona. Hoy izy: “[Jehovah] efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema, izay any Joda. Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Jehovah Andriamaniny anie homba azy, fa aoka hiakatra [any Jerosalema] izy.” (2 Tantara 36:23) Vitan’i Ezra mpisorona tamin’ny 460 T.K. io boky io. Mahafaoka fe-potoana naharitra 500 taona izy io, nanomboka tamin’ny 1037 T.K. ka hatramin’ny 537 T.K.

Afaka niverina tany Jerosalema ny Jiosy, noho ny didy navoakan’i Kyrosy, sady afaka namerina ny fivavahana tamin’i Jehovah. Nisy fiantraikany teo amin’izy ireo anefa ny fahababoana an-taonany maro tany Babylona. Tsy nahafantatra ny tantaran’ny fireneny, ireo babo nody tany amin’ny taniny. Nosoratana ho azy ireo àry ny bokin’ny Tantara Faharoa, izay mamintina mazava tsara ny zava-nitranga nandritra ny fitondran’ireo mpanjaka anisan’ny taranak’i Davida. Mahasoa antsika koa ireo fitantarana ireo, satria manasongadina ny fitahiana azon’ireo mankatò an’ilay Andriamanitra marina, sy ny vokatry ny tsy fankatoavana azy.

MPANJAKA IRAY NANAO TRANO HO AN’I JEHOVAH

(2 Tantara 1:1–9:31)

Nomen’i Jehovah an’i Solomona Mpanjaka ny zavatra tena niriny, dia fahendrena sy fahalalana. Nomeny harena sy voninahitra koa izy. Nanao trano kanto ho an’i Jehovah ny mpanjaka, tany Jerosalema, ka “faly sy ravoravo” ny vahoaka. (2 Tantara 7:10) Lasa “nanan-karena sady hendry indrindra noho ny mpanjaka rehetra ambonin’ny tany” i Solomona.—2 Tantara 9:22.

“Lasa nodimandry any amin’ny razany” i Solomona, rehefa avy nanjaka 40 taona teo amin’ny Israely, ary “Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy.” (2 Tantara 9:31) Tsy nosoratan’i Ezra ny nialan’i Solomona tamin’ny fivavahana marina. Ny hany fahadisoan’ny mpanjaka nosoratany dia ny nanangonany soavaly maro be avy tany Ejipta, sy ny nanambadiany ny zanakavavin’i Farao. Zavatra mampahery àry no nosoratan’i Ezra.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

2:13—Nahoana ny firazanan’ilay mpanao asa tanana voalaza eo no tsy mitovy amin’izay lazain’ny 1 Mpanjaka 7:14? Milaza ny Mpanjaka Voalohany fa “mpitondratena tamin’ny firenen’i Naftaly” ny renin’ilay mpanao asa tanana, satria nanambady lehilahy avy tamin’io foko io izy. Ilay vehivavy kosa avy tamin’ny fokon’i Dana. Rehefa maty ny vadiny, dia nanambady lehilahy avy tany Tyro izy, ary zanany tamin’io lehilahy io ilay mpanao asa tanana.

2:17; 8:10—Milaza ireo andininy ireo fa 3 600 ny mpifehy ny mpiasa, ary niampy 250. Ny 1 Mpanjaka 5:30; 9:23 kosa milaza fa nisy 3 300 izy ireo, ary niampy 550. Nahoana ireo isa ireo no tsy mitovy? Ny fomba nanasokajiana an’ireo mpifehy angamba no naha samy hafa azy. Ao amin’ny Tantara Faharoa dia mety ho navahana tsara ny mpifehy israelita 250, sy ireo tsy Israelita 3 600. Ao amin’ny Mpanjaka Voalohany kosa dia navahana tsara ny mpifehy 3 300 sy ireo mpifehy 550 nanan-kaja kokoa. Samy 3 850 anefa ny tontalin’ireo mpifehy, amin’izy roa ireo.

4:2-4—Nahoana no sarin’omby no nampiasaina mba hametrahana ilay tavin-drano an-idina? Entina hilazana tanjaka ny omby, ao amin’ny Soratra Masina. (Ezekiela 1:10; Apokalypsy 4:6, 7) Nety tsara àry ny nampiasana sarin’omby, satria “tavin-drano” lehibe nilanja 30 taonina no napetraka teo ambonin’ireo omby varahina 12. Tsy mandika ny didy faharoa mihitsy ny fampiasana sarin’omby toy izany, satria ny fanaovana zavatra hivavahana no voararan’io didy io.—Eksodosy 20:4, 5.

4:5—Nahalany rano firy litatra ilay tavin-drano an-idina? Nahalany rano 66 000 litatra teo ho eo izy io raha feno. Hatreo amin’ny androatokon’ilay tavin-drano teo ho eo ihany anefa mazàna ny haavon’ny rano tao anatiny. Izany no nilazan’ny Mpanjaka Voalohany 7:26 hoe: “Nahalany roa arivo bata [44 000 litatra] izy.”

5:4, 5, 10—Fanaka inona tao amin’ny tranolay tany am-boalohany, no nampidirina tao amin’ny tempolin’i Solomona? Ny Fiara ihany no fanaka tao amin’ny tranolay fihaonana, natao tao amin’ny tempolin’i Solomona. Nalaina tany Gibeona ilay tranolay, rehefa vita ny tempoly. Nentina tany Jerosalema izy io, ary azo inoana fa napetraka tany.—2 Tantara 1:3, 4.

Lesona ho antsika:

1:11, 12. Hitan’i Jehovah tamin’ny fangatahan’i Solomona, fa tena nirin’ilay mpanjaka ny hahazo fahendrena sy fahalalana. Mampiharihary izay tena ao am-pontsika ny vavaka ataontsika amin’Andriamanitra. Fahendrena àry ny mamakafaka izay raketin’ny vavaka ataontsika.

6:4. Tokony haniry hisaotra sy hidera an’i Jehovah isika, raha tena mankasitraka ny fitiavana sy hatsaram-panahiny, ary ny hatsarany. Fiderana atosiky ny fitiavana sy fankasitrahana izany.

6:18-21. Foiben’ny fivavahana tamin’i Jehovah ny tempoly, na dia tsy antonona ao anaty trano aza Andriamanitra. Ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah koa no foiben’ny fivavahana marina, eo amin’ny toerana misy azy.

6:19, 22, 32. Nohenoin’i Jehovah ny vavaka nataon’ny olona rehetra, na mpanjaka izy, na mahantra faraidiny tao amin’ilay firenena, eny fa na dia vahiny nitalaho taminy tamim-pahatsorana aza. *Salamo 65:2.

IREO MPANJAKA NIFANDIMBY, ANISAN’NY TARANAK’I DAVIDA

(2 Tantara 10:1–36:23)

Nizara roa ny fanjakan’ny Israely, dia ny fanjakan’ny foko folo tany avaratra, ary ny fanjakan’ny fokon’i Joda sy Benjamina tany atsimo. Tsy nivadika tamin’ny fifanekena ny amin’ilay Fanjakana ny mpisorona sy ny Levita teo amin’ny Israely, satria tsy nanindrahindra ny fireneny izy ireo. Nanohana an’i Rehoboama zanak’i Solomona àry izy ireo. Norobaina ny fanaka sarobidy tao amin’ny tempoly, 30 taona mahery kely taorian’ny nahavitan’izy io.

Mpanjaka 19 no nandimby an’i Rehoboama: Nahatoky ny 5, ny 3 nahatoky tamin’ny voalohany fa nivadika tatỳ aoriana, ary ny iray kosa niala tamin’ny ratsy nataony. Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah ny sisa. * Nasongadina ny asan’ireo mpanjaka dimy natoky an’i Jehovah. Namerina indray ny fanompoana tao amin’ny tempoly i Hezekia, ary nandamina Paska lehibe i Josia. Azo antoka fa tena nampahery ny Jiosy izany fitantarana izany. Naniry hamerina ny fivavahana tamin’i Jehovah tany Jerosalema mantsy izy ireo.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

13:5—Inona no dikan’ny hoe “fanekena nasian-tsira”? Entina hilazana zavatra maharitra sy tsy miovaova ny sira, noho izy io miaro zavatra tsy ho simba. Fifanekena tsy miovaova àry no dikan’ny hoe “fanekena nasian-tsira.”

14:1-4; 15:17—Noravan’i Asa Mpanjaka ve ny “fitoerana avo” rehetra? Toa tsy izany no izy. Ireo fitoerana avo nivavahana tamin’andriamani-diso ihany angamba no noravany, fa tsy ireo nivavahan’ny olona tamin’i Jehovah. Nety ho nisy fitoerana avo naorina koa tamin’ny faramparan’ny fotoana nanjakan’i Asa. Ireny no noravan’i Josafata zanany. Tsy foana tanteraka anefa ny fitoerana avo, na dia tamin’ny fotoana nanjakan’i Josafata aza.—2 Tantara 17:5, 6; 20:31-33.

15:9; 34:6—Niandany tamin’iza ny fokon’i Simeona, rehefa nizara roa ny fanjakan’ny Israely? Tany amin’ny fanjakan’ny Joda sy Benjamina no nisy ny lovan’ny fokon’i Simeona. (Josoa 19:1) Nanohana ny fitondrana tany avaratra sy nanaraka ny fivavahana tany anefa izy ireo. (1 Mpanjaka 11:30-33; 12:20-24) Anisan’ny fanjakan’ny foko folo tany avaratra àry ny fokon’i Simeona.

16:13, 14—Inona ireo zavatra betsaka nodorana ireo? Zava-manitra izy ireo, fa tsy ny fatin’i Asa akory.

35:3—Avy taiza no nangalan’i Josia ny Fiara masina, rehefa nentiny ho ao amin’ny tempoly izy io? Tsy voalazan’ny Baiboly, raha nesorin’ireo mpanjaka ratsy fanahy tao amin’ny tempoly ilay Fiara, na i Josia no namindra azy rehefa namboarina ilay trano. Ilay nitondran’i Josia ny Fiara tao amin’ny tempoly no hany noresahina momba azy io, taorian’ny andron’i Solomona.

Lesona ho antsika:

13:13-18; 14:10, 11; 32:9-23. Tena ilaina ny miantehitra amin’i Jehovah!

16:1-5, 7; 18:1-3, 28-32; 21:4-6; 22:10-12; 28:16-22. Mitera-doza ny fiarahana amin’ny vahiny na tsy mpino. Hendry isika rehefa manalavitra ny fiarahana tsy amin’antony amin’ny olona eto amin’ity tontolo ity.—Jaona 17:14, 16; Jakoba 4:4.

16:7-12; 26:16-21; 32:25, 26. Lasa ratsy toetra i Asa Mpanjaka, tamin’ireo taona farany nahavelomany, noho ny avonavona. Nampietry an’i Ozia koa ny avonavona. Tsy naneho fahendrena i Hezekia, ary nety ho nirehareha mihitsy aza, rehefa nasehony an’ireo iraky ny Babylonianina ny zava-tsarobidy nananany. (Isaia 39:1-7) Mampitandrina ny Baiboly hoe: “Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.”—Ohabolana 16:18.

16:9. Manampy ireo tia azy amin’ny fo manontolo i Jehovah, ary vonona hampiasa ny heriny mba hamonjena azy ireo.

18:12, 13, 23, 24, 27. Tokony hanana herim-po toa an’i Mikaia isika, ka ho sahy hitory momba an’i Jehovah sy ny fikasany.

19:1-3. Mijery ny toetra tsarantsika i Jehovah, na dia amin’ny fotoana anaovantsika zavatra mampahatezitra azy aza.

20:1-28. Afaka matoky isika fa hahita an’i Jehovah, raha manetry tena ka mangataka ny tari-dalany.—Ohabolana 15:29.

20:17, Fandikan-teny Katolika. Tokony ho ‘tonga’ isika, izany hoe hanohana ny Fanjakan’Andriamanitra, raha te ‘hahita ny famonjena hataony.’ Tsy handray an-tanana an’ilay raharaha anefa isika, fa ‘hijanona’ tsara, izany hoe hitoky tanteraka amin’i Jehovah.

24:17-19; 25:14. Nanjary fandrika ho an’i Joasy sy Amazia zanany ny fanompoan-tsampy. Mety hamandrika antsika koa ankehitriny ny fanompoan-tsampy, indrindra raha miseho amin’ny endrika fitsiriritana na fanindrahindram-pirenena izy io.—Kolosianina 3:5; Apokalypsy 13:4.

32:6, 7. Hahery sy hatanjaka koa isika raha ‘mitafy ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra’, sady manohy ny ady ara-panahy.—Efesianina 6:11-18.

33:2-9, 12, 13, 15, 16. Tena mibebaka ny olona iray, rehefa miala amin’ny ratsy fanaony, ka miezaka mafy hanao ny tsara. Afaka mahazo famindram-po avy amin’i Jehovah izy, na dia nanao ratsy toa an’i Manase Mpanjaka aza.

34:1-3. Tsy manakana antsika tsy hahafantatra an’Andriamanitra sy hanompo azy, ny zava-dratsy niainantsika fony kely. Nahazo tari-dalana tsara avy tamin’i Manase raibeny, izay efa nibebaka, angamba i Josia, tamin’ny fahazazany. Nisy vokany tsara teo aminy ny tari-dalana tsara azony, na inona izany na inona. Mety hitranga amintsika koa izany.

36:15-17. Mamindra fo i Jehovah sady manam-paharetana. Misy fetrany anefa izany. Mila mandray tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana ny olona, raha tiany ny ho tafavoaka velona rehefa handringana ity tontolo ratsy ity i Jehovah.

36:17, 22, 23. Tanteraka foana ny tenin’i Jehovah.—1 Mpanjaka 9:7, 8; Jeremia 25:9-11.

Nahatonga azy hanao zavatra ny boky iray

Hoy ny 2 Tantara 34:33: “Josia nanaisotra ny fahavetavetana rehetra tamin’ny tany rehetra izay an’ny Zanak’Isiraely sady nandidy izay rehetra teo amin’ny Isiraely hanompo an’i Jehovah Andriamaniny.” Inona no nahatonga an’i Josia hanao izany? Hita ny bokin’ny Lalàn’i Jehovah, ka nentin’i Safana mpitan-tsoratra tany amin’i Josia Mpanjaka, ary nasainy novakina mafy. Tena nanohina ny fony ny zavatra reny, ka nazoto nampandroso ny fivavahana marina izy nandritra ny androm-piainany.

Mety hisy vokany lalina eo amintsika ny famakiana sy ny fisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra. Tena mandrisika antsika hanahaka ny ohatr’ireo natoky an’i Jehovah sy hanalavitra ny fitondran-tena ratsin’ireo tsy nanao izany, ny fisaintsainana ny tantaran’ireo mpanjaka anisan’ny taranak’i Davida. Mampirisika antsika hahatoky eo anatrehan’ilay Andriamanitra marina sy hanompo azy irery ihany, ny bokin’ny Tantara Faharoa. Velona sy mahery tokoa ny hafatra raketin’izy io.—Hebreo 4:12.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 19 Mamaly ny fanontaniana miompana amin’ny fitokanana ny tempoly sy ny lesona hafa raisintsika avy amin’ny vavak’i Solomona tamin’io fotoana io, Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 2005, pejy 28-31.

^ feh. 23 Jereo ny lisitry ny mpanjakan’ny Joda, araka ny taona nanjakany, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 2005, pejy 12.

[Sary, pejy 18]

Nahoana no nety tsara ny nampiasana sarin’omby mba hametrahana ilay tavin-drano an-idina?

[Sary, pejy 21]

Nahatoky teo anatrehan’i Jehovah i Josia rehefa lehibe, na dia tsy nahazo fanampiana firy aza fony kely