Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahaiza Mitady Hevitra sy Mampifanara-javatra Rehefa Mitory

Mahaiza Mitady Hevitra sy Mampifanara-javatra Rehefa Mitory

Mahaiza Mitady Hevitra sy Mampifanara-javatra Rehefa Mitory

“Tonga zava-drehetra ho an’ny karazan’olona rehetra aho, mba hisy hovonjeko na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana.”—1 KORINTIANINA 9:22.

1, 2. a) Inona avy no manaporofo fa mpitory nahay ny apostoly Paoly? b) Araka ny tenin’i Paoly, toe-tsaina nanao ahoana no nentiny nanatanteraka ny asa nanendrena azy?

TSY sahirana izy niresaka tamin’ny olona avara-pianarana, sy ny olon-tsotra mpanao lay. Hainy ny nandresy lahatra ny olona ambony tany Roma, sy ny olona ambany saranga tany Frijia. Nandrisika ny Grika nalala-tsaina sy ny Jiosy tsy tia fiovana ny taratasiny. Tsy nisy hokianina ny fanaporofoany hevitra, ary tena nanohina ny fo ny teniny. Niezaka nitady marimaritra iraisana tamin’ny olona rehetra izy, mba hitaomana azy ireny hino an’i Kristy.—Asan’ny Apostoly 20:21.

2 Ny apostoly Paoly izany lehilahy izany, ary tsy isalasalana fa nahay nitady hevitra sy nahomby izy teo amin’ny fanompoana. (1 Timoty 1:12) Notendren’i Jesosy ‘hitondra ny anarany any amin’ny hafa firenena sy ny mpanjaka ary ny zanak’Israely’ izy. (Asan’ny Apostoly 9:15) Toe-tsaina nanao ahoana no nentiny nanatanteraka io asa io? Hoy izy: “Tonga zava-drehetra ho an’ny karazan’olona rehetra aho, mba hisy hovonjeko na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Fa ataoko noho ny vaovao tsara ny zava-drehetra, mba hitoriako azy io amin’ny hafa.” (1 Korintianina 9:19-23) Inona no nataon’i Paoly ka azontsika tahafina, mba hahay kokoa isika rehefa mitory sy mampianatra?

Niova ilay lehilahy ary vitany ilay asa sarotra

3. Ahoana no niheveran’i Paoly ny Kristianina, talohan’ny niovany finoana?

3 Efa nahari-po sy tsara fanahy foana ve i Paoly, ka tonga dia nahay ilay asa nanendrena azy? Tsy izany mihitsy! Nafana fo tafahoatra tamin’ny fivavahany izy taloha, tamin’izy mbola nantsoina hoe Saoly, ka nanenjika mafy ny mpanara-dia an’i Kristy. Nankasitraka ny namonoana an’i Stefana izy, tamin’izy mbola tovolahy. Nataony haza lambo ny Kristianina, taorian’izay. (Asan’ny Apostoly 7:58; 8:1, 3; 1 Timoty 1:13) “Nandrahona sy nitady handripaka ny mpianatry ny Tompo” foana izy. Sady nanenjika ny mpino tany Jerosalema izy, no nampirisika ny hankahalana sy hanenjehana ny Kristianina, hatrany Damaskosy tany avaratra.—Asan’ny Apostoly 9:1, 2.

4. Inona no fiovana tsy maintsy nataon’i Paoly, mba hanatanterahany ny asa nanendrena azy?

4 Nankahala mafy ny Kristianisma i Paoly, noho izy nihevitra fa angamba hanimba ny Fivavahan’ny Jiosy io finoana vaovao io, satria hahatonga azy io hifangaro amin’ny hevitry ny vahiny. “Fariseo” mantsy i Paoly tamin’izany, ary midika hoe “tafasaraka” io anarana io. (Asan’ny Apostoly 23:6) Nofidin’Andriamanitra hitory an’i Kristy tamin’ny hafa firenena anefa izy. Eritrereto ange ny hatairany, rehefa fantany izany e! (Asan’ny Apostoly 22:14, 15; 26:16-18) Ny Fariseo aza tsy nety niara-nisakafo tamin’ny olona noheveriny ho mpanota! (Lioka 7:36-39) Tsy isalasalana fa nila niezaka mafy i Paoly mba hanova ny fomba fisainany, sy hampifanaraka izany amin’ny sitrapon’Andriamanitra, dia ny hamonjy ny karazan’olona rehetra.—Galatianina 1:13-17.

5. Ahoana no anahafantsika an’i Paoly eny amin’ny fanompoana?

5 Mety hila hanao toa an’i Paoly isika. Mihabetsaka ankehitriny ny olona samy hafa firenena sy fiteny ao amin’ny faritanintsika. Tokony hiezaka mafy àry isika mba handini-tena sy hanaisotra ny toe-tsaina manavakavaka. (Efesianina 4:22-24) Mamolavola ny toe-tsaintsika mantsy ny fiaviantsika sy ny fanabeazana azontsika, na tsapantsika izany na tsia. Mety hahatonga antsika hizaha tavan’olona sy hanavakavaka ary ho tery saina izany. Tsy maintsy miala amin’ny toe-tsaina toy izany isika, raha maniry hahita sy hanampy ny olona toy ny ondry. (Romanina 15:7) Izany no nataon’i Paoly. Nanaiky hanitatra ny faritany nitoriany izy, na dia sarotra aza izany. Nentanin’ny fitiavana izy ka niezaka hahay hampianatra, ary mendrika ny hotahafina ny fomba fampianarany. Hita tamin’ny fanompoana nataon’io “apostoly ho an’ny hafa firenena” io, fa nandinika tsara sy nahay nampifanara-javatra ary nahay nitady hevitra izy, rehefa nitory sy nampianatra. *Romanina 11:13.

Nahay nitady hevitra izy rehefa nitory

6. Inona no mampiseho fa nandinika tsara ny mombamomba ny mpihaino azy i Paoly, ary inona no vokany?

6 Nodinihin’i Paoly tsara ny zavatra ninoan’ny olona nitoriany sy ny mombamomba azy ireo. Rehefa niresaka tamin’ny Mpanjaka Agripa II izy, ohatra, dia niaiky fa “mahay tsara ny fanao sy ny adihevitra rehetra eo amin’ny Jiosy” io mpanjaka io. Hainy avy eo ny nitondra ny resaka, nifanaraka tamin’ny zavatra ninoan’i Agripa, ary zavatra azon’izy io tsara no noresahiny taminy. Tena nazava sy nampiaiky ny hevitra naroson’i Paoly, ka hoy i Agripa: “Raha nisy kely foana dia ho naharesy lahatra ahy ho tonga Kristianina ianao.”—Asan’ny Apostoly 26:2, 3, 27, 28.

7. Inona no mampiseho fa nahay nampifanara-javatra i Paoly, rehefa nitory tamin’ny vahoaka tao Lystra?

7 Nahay nampifanara-javatra koa i Paoly. Mariho fa hafa mihitsy ny fomba nandreseny lahatra ny vahoaka tao Lystra, mba tsy hivavaka taminy sy Barnabasy. Voalaza fa anisan’ny tsy nahita fianarana firy sy ninonino foana, ny olona niteny lykaonianina. Milaza ny Asan’ny Apostoly 14:14-18, fa niresaka momba ny natiora sy ny zavaboary isan-karazany i Paoly, mba hanaporofoana fa lehibe noho ny andriamanitra rehetra ilay tena Andriamanitra. Mora azo ny hevitra narosony, ary toa “nahasakana ny olona tsy hanao sorona” ho azy sy Barnabasy izany.

8. Inona no mampiseho fa nahay nampifanara-javatra i Paoly, na dia tsy nahafehy ny fihetseham-pony aza indraindray?

8 Tsy lavorary i Paoly ka tsy nahafehy ny fihetseham-pony indraindray. Indray andro, ohatra, rehefa nisy nanala baraka azy sy nanao ny tsy rariny taminy, dia nokianiny mafy ny Jiosy iray atao hoe Ananiasy. Niala tsiny avy hatrany anefa izy, rehefa nilazana fa mpisoronabe ilay notevatevainy. (Asan’ny Apostoly 23:1-5) Tany Atena indray, dia “nahasorena azy ny nahita ny sampy eran’ilay tanàna.” Tsy nasehony mihitsy anefa izany fahasorenany izany, rehefa nanao lahateny teo amin’ny Havoanan’i Mars izy. Nitady marimaritra iraisana kosa izy rehefa niresaka tamin’ny Atenianina tafavory teo, ka niresaka momba ny alitaran’izy ireo izay nisy soratra hoe “Ho An’Andriamanitra Tsy Fantatra.” Nampiasainy koa ny tenin’ny poety iray teo amin’izy ireo.—Asan’ny Apostoly 17:16-28.

9. Inona no mampiseho fa tena nahay nitady hevitra i Paoly, mba hiresahana tamin’olona isan-karazany?

9 Tena nahay nitady hevitra i Paoly, mba hiresahana tamin’olona isan-karazany. Nihevitra ny kolontsaina sy ny toe-piainana namolavola ny fomba fisainan’ny olona nitoriany izy. Fantany tsara, ohatra, fa niaina tao amin’ny renivohitry ny firenena natanjaka indrindra tamin’izany andro izany, ireo Kristianina nanoratany tany Roma. Noho izany, dia izao no hevi-dehibe tao amin’ny taratasiny ho azy ireo: Resin’ny herin’ny vidim-panavotan’i Kristy, ny herin’ny otan’i Adama izay manimba. Rehefa niresaka tamin’ny Kristianina sy ny mponina hafa tao Roma izy, dia nampiasa teny nanohina ny fon’izy ireo.—Romanina 1:4; 5:14, 15.

10, 11. Ahoana no nampifanarahan’i Paoly ny ohatra nampiasainy tamin’ireo mpihaino azy? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

10 Inona no nataon’i Paoly, mba hanazavana fahamarinana lalina avy tao amin’ny Baiboly? Nahay nampiasa fanoharana tsotra sy mora azo izy, rehefa nanazava hevitra sarotra tao amin’ny Soratra Masina. Fantany, ohatra, fa hain’ny mponina tao Roma ny fanandevozana nisy eran’ny Fanjakana Romanina. Andevo aza angamba ny ankamaroan’ny olona nanoratany. Noho izany, dia nampiasa fanoharana momba ny fanandevozana na ny fanompoana izy, rehefa niresaka momba ny safidy hanompo ny ota na ny fahamarinana. Nampisy lanjany kokoa ny fanaporofoan-keviny izany.—Romanina 6:16-20.

11 Milaza ny boky iray fa “tany Roma, dia azon’ny tompony navotsotra fotsiny amin’izao ny mpanompo iray, na afaka nanome vola ho an’ny tompony izy ho takalon’ny fanafahana azy. Azo navotsotra koa ilay mpanompo, raha ho lasa mpanompon’ny andriamanitra iray.” Mbola afaka nikarama tamin’ny tompony taloha anefa ny mpanompo navotsotra iray, raha tiany. Izany fanao izany angamba no nataon’i Paoly ohatra, rehefa nasainy nisafidy ireo olona nanoratany hoe hanompo ny ota sa ny fahamarinana. Efa nafahana tamin’ny ota mantsy ireo Kristianina tany Roma, ary Andriamanitra no lasa tompony. Nahazo nifidy ny hanompo an’Andriamanitra izy ireo, nefa mbola afaka niverina nanompo ny ota notompoiny taloha ihany, raha izay no tiany. Fanoharana tsotra sy azon’izy ireo tsara izany, ka azo inoana fa nahatonga azy ireo hanontany tena hoe: ‘Mpanompon’iza aho?’ *

Fomba anahafana an’i Paoly

12, 13. a) Inona no ezaka tokony hataontsika, mba hanohinana ny fon’ny olona isan-karazany itoriantsika? b) Inona no hitanao fa nandaitra, rehefa nitory tamin’olona isan-karazany ianao?

12 Tsy maintsy mandinika tsara, mampifanara-javatra, ary mahay mitady hevitra toa an’i Paoly isika, mba hanohinana ny fon’ny olona isan-karazany itoriantsika. Tsy ampy ny mitsidika fotsiny an’ilay olona, na mampita aminy ny hafatra nomanintsika, na mametraka boky ara-baiboly, raha tiantsika ho azony ny hevitry ny vaovao tsara. Tokony hiezaka kosa isika hamantatra izay ilainy sy mampanahy azy, ny zavatra tiany sy tsy tiany, ary izay mampitebiteby azy sy ny hevi-diso ananany. Mazoto manao izany ny mpitory ilay Fanjakana eran-tany, na dia mitaky ezaka mafy ara-tsaina sy ara-batana aza izany. Nanoratra toy izao, ohatra, ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Hongria: “Manaja ny fomba amam-panao sy ny fomba fiainan’ny vahiny ny rahalahy atỳ, ary tsy mitaky ny hanarahan’izy ireo ny fomba amam-panao eto an-toerana.” Miezaka hanao toy izany koa ny Vavolombelona any an-tany hafa.

13 Manahy momba ny fahasalamana sy ny fitaizan-janaka ary ny fianarana, ny ankamaroan’ny olona any amin’ny firenena iray any Extrême-Orient. Ireo foto-kevitra ireo àry no ezahin’ny mpitory any resahina, fa tsy ny fiainana mihasarotra eran-tany, na ny olana saro-bahana eo amin’ny fiaraha-monina. Voamariky ny mpitory any amin’ny tanàn-dehibe iray any Etazonia koa, fa manahy momba ny kolikoly sy ny fitohanan’ny fifamoivoizana ary ny heloka bevava, ny olona tao amin’ny faritra iray. Ireo foto-kevitra ireo àry no nampiasain’izy ireo mba hanombohana resadresaka ara-baiboly, ary nahomby izany. Na inona na inona foto-kevitra fidin’ny mpampianatra Baiboly mahay, dia miezaka miresaka zavatra mahasoa sy mampahery foana izy ireo. Antitranteriny ireo soa azo avy amin’ny fampiharana ny toro lalan’ny Baiboly, sy ny hoavy sambatra ampanantenain’Andriamanitra.—Isaia 48:17, 18; 52:7.

14. Inona no ilaintsika hojerena, mba hampifanarahana ny fomba fitorintsika amin’izay ilain’ny olona sy ny toe-javatra misy azy?

14 Tena tsara koa raha ovaovantsika ny fomba fitorintsika, satria samy hafa kolontsaina sy fivavahana ny olona, sady tsy mitovy ny fianarana vitany. Tsy hitovy, ohatra, ny fomba hitoriantsika amin’ny olona tsy mino an’Andriamanitra, sy ny olona mino ny Mpamorona nefa tsy mino ny Baiboly. Tsy hitovy koa ny fomba hitoriantsika amin’ny olona manaiky izay ampianarin’ny Baiboly, sy ireo mihevitra fa fanerena an-kolaka hiova finoana ny boky ara-pivavahana rehetra. Samihafa be koa ny fari-pahaizan’ny olona itoriantsika, ka mila ampifanarahintsika amin’izany ny fomba fitorintsika. Mampisaintsaina sy mampiasa fanoharana mifanentana amin’ilay olona iresahany, ny mpampianatra mahay.—1 Jaona 5:20.

Ampio ireo mpitory vaovao

15, 16. Inona no mampiseho fa maro ny mpitory vaovao mila ampiofanina, ary nahoana izy ireo no mila izany?

15 Tsy ny fomba fampianarany fotsiny no nohatsarain’i Paoly. Hitany koa fa nila nampianarina sy nampiofanina ho tonga mpitory mahay ny tanora, toa an-dry Timoty sy Titosy. (2 Timoty 2:2; 3:10, 14; Titosy 1:4) Tena ilaina maika koa ankehitriny ny mpampiofana, satria betsaka no mila ampiofanina.

16 Nisy 5 000 teo ho eo ny mpitory eran-tany, tamin’ny 1914. Misy 5 000 isan-kerinandro eo ho eo anefa ankehitriny ny olona vita batisa! (Isaia 54:2, 3; Asan’ny Apostoly 11:21) Mila fampiofanana sy toromarika ireny vaovao ireny, rehefa manomboka mifanerasera amin’ny fiangonana kristianina sy maniry hitory. (Galatianina 6:6) Tena mila manahaka an’i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe isika, rehefa mampianatra sy mampiofana ireo vaovao. *

17, 18. Ahoana no anampiantsika ireo vaovao, mba hatoky tena eny amin’ny fanompoana?

17 Tsy hoe nitady vahoaka fotsiny i Jesosy, ary naniraka ny apostoliny hitory tamin’izy ireo. Nantitranteriny tamin’izy ireo aloha ny antony hitoriana, ary nampirisihiny hivavaka hatrany momba ny fanompoany izy ireo. Nisy zava-dehibe telo nomeny azy ireo taorian’izay: namana, faritany, ary hafatra hotorina. (Matio 9:35-38; 10:5-7; Marka 6:7; Lioka 9:2, 6) Tsara raha miezaka manao toy izany nataon’i Jesosy izany isika, rehefa mampiofana ny zanatsika na ny mpianatra vaovao na ny olona tsy nitory elaela.

18 Tena mila fanampiana be ireo vaovao, mba hatoky tena rehefa mampita ny hafatra momba ilay Fanjakana. Azonao ampiana ve izy ireo hanomana fomba fitory tsotra sy mahaliana, ary avy eo miara-mamerimberina an’ilay izy ianareo? Asaivo mianatra ny ataonao izy eny amin’ny saha, rehefa mitory amin’ireo trano vitsivitsy voalohany ianao. Azonao alaina tahaka i Gideona, izay nilaza tamin’ny mpiady namany hoe: “Mijere ahy hianareo, ka manaova araka izay ataoko.” (Mpitsara 7:17) Asaivo mandray anjara izy avy eo. Derao amin-kafanam-po izy noho ny ezaka nataony, ary omeo soso-kevitra kely hanatsarany ny fitoriany, raha ilaina izany.

19. Tapa-kevitra ny hanao inona ianao, eo am-piezahanao ‘hanatanteraka tsara ny fanompoanao’?

19 Mba ‘hanatanterahantsika tsara ny fanompoantsika’, dia tapa-kevitra isika hiezaka bebe kokoa hampifanara-javatra rehefa mitory. Irintsika koa ny hampiofana ny mpitory vaovao hanao toy izany. Tena zava-dehibe ny tanjontsika, dia ny hizara ny fahalalana an’Andriamanitra izay hahazoana famonjena. Miaiky àry isika fa ilaina ny miezaka mafy araka izay azo atao, mba ho ‘tonga zava-drehetra ho an’ny karazan’olona rehetra, ka hisy ho voavonjy na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana.’—2 Timoty 4:5; 1 Korintianina 9:22.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Mba hahitana ny nanehoan’i Paoly ireo toetra ireo teo amin’ny fanompoany, dia jereo ny Asan’ny Apostoly 13:9, 16-42; 17:2-4; 18:1-4; 19:11-20; 20:34; Romanina 10:11-15; 2 Korintianina 6:11-13.

^ feh. 11 Toy izany koa no nataon’i Paoly, rehefa nanazava ny fifandraisana misy eo amin’Andriamanitra sy ireo ‘zanany’ voahosotry ny fanahy. Mponina tany Roma no nanoratany, ka zavatra nahazatra azy ireo no nataony ohatra. (Romanina 8:14-17) Hoy ny boky Md. Paoly Tany Roma (anglisy): “Fanaon’ny Romanina ny nanangan-jaza, ary nihevitra izy ireo fa anisan’ny fianakaviana ireny zaza ireny.”

^ feh. 16 Any amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra ankehitriny, dia misy an’ilay fandaharana hoe Manampy ny Hafa Ireo Mpisava Lalana. Mizara ny zavatra hainy sy ny fampiofanana azony ireo mpitory manontolo andro ireo, mba hanampiana ny mpitory mbola tsy za-draharaha loatra.

Tadidinao Ve?

• Amin’ny fomba ahoana avy no anahafantsika an’i Paoly eny amin’ny fanompoana?

• Inona no toe-tsaina tokony hialantsika?

• Inona no zavatra mahasoa tokony hasongadintsika foana rehefa mitory?

• Inona no ilain’ny mpitory vaovao mba hahatonga azy hatoky tena?

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 29]

Nandinika tsara, nampifanara-javatra, ary nahay nitady hevitra ny apostoly Paoly, rehefa nitory sy nampianatra

[Teny notsongaina, pejy 31]

Nisy zava-dehibe telo nomen’i Jesosy ny mpianany: namana, faritany, ary hafatra hotorina

[Sary, pejy 28]

Nahay nampifanara-javatra i Paoly, ka nahay niresaka tamin’olona isan-karazany

[Sary, pejy 30]

Mihevitra ny kolontsain’ny olona mihaino azy ny mpitory mahay

[Sary, pejy 31]

Manampy ny vaovao hiomana ho amin’ny fanompoana ny mpitory za-draharaha