Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandre ny Vaovao Tsara ny Olona avy Amin’ny “Fiteny Rehetra”

Mandre ny Vaovao Tsara ny Olona avy Amin’ny “Fiteny Rehetra”

Mandre ny Vaovao Tsara ny Olona avy Amin’ny “Fiteny Rehetra”

Hisy folo lahy avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra ... hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.”—ZAKARIA 8:23.

1. Taiza ary oviana no nofidin’i Jehovah hanombohana ny fitoriana amin’ny olona samy hafa fiteny sy fiaviana?

NETY tsara mihitsy, na ny toerana, na ny fotoana nitrangan’ilay fisehoan-javatra. Pentekosta taona 33 ny andro tamin’izay. Herinandro maromaro talohan’io, dia efa nirohotra nankao Jerosalema mba hankalaza ny Paska, ny Jiosy sy ny olona vao nanomboka nanaraka ny fivavahana jiosy. Avy tany amin’ny faritra 15 nanerana ny Fanjakana Romanina izy ireo, ary nisy koa avy tany an-toeran-kafa. Tamin’io andro io, dia an’arivony tamin’izy ireo no nahita olon-tsotra feno ny fanahy masina, nanambara ny vaovao tsara tamin’ny fiteny maro nampiasaina nanerana ny Fanjakana Romanina. Nazava tamin’ny olona anefa ny tenin’izy ireo, fa tsy toy ny tany Babela fahiny. (Asan’ny Apostoly 2:1-12) Niforona tamin’io fotoana io ny fiangonana kristianina. Nanomboka teo koa ilay asa fampianarana eran-tany atao amin’ny fiteny samy hafa, ary mbola mitohy mandraka androany.

2. Nahoana no “talanjona” tamin’ny mpianatr’i Jesosy ireo olona samy hafa fiaviana, tamin’ny Pentekosta 33?

2 Azo inoana fa nahay ny teny grika tsotra fitenin’ny ankamaroan’ny olona tamin’izany, ny mpianatr’i Jesosy. Niteny hebreo koa izy ireo, satria io no fampiasa tao amin’ny tempoly. Tamin’io Pentekosta io anefa, dia “talanjona” ireo olona samy hafa fiaviana, satria niteny tamin’ny fitenin’izy ireo ny mpianatr’i Jesosy. Inona no vokany? Nanohina ny fon’ny olona ny fahamarinana sarobidy reny tamin’ny fiteniny. Niampy 3 000 mahery ny isan’ireo mpianatra vitsivitsy ireo, tamin’ny faran’iny andro iny ihany!—Asan’ny Apostoly 2:37-42.

3, 4. Ahoana no nielezan’ny vaovao tsara, rehefa nandao an’i Jerosalema sy Jodia ary Galilia ny mpianatr’i Jesosy?

3 Namely tampoka tao Jerosalema ny fanenjehana, taorian’iny fisehoan-javatra manan-tantara iny. “Izay niparitaka ... dia namakivaky an’ilay faritra, ka nitory ny vaovao tsaran’ny teny masina.” (Asan’ny Apostoly 8:1-4) Anisan’izany i Filipo, izay mpitory niteny grika angamba. Ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-8 ny tantarany. Nitory tamin’ny Samaritanina izy, ary koa tamin’ny tandapa etiopianina iray, izay nanaiky ny hafatra momba an’i Kristy.—Asan’ny Apostoly 6:1-5; 8:5-13, 26-40; 21:8, 9.

4 Nihaona tamin’olona samy hafa fiaviana sy fiteny ireo Kristianina, rehefa nandao ny tanànany sy nitady toerana honenana tany amin’ny faritra ivelan’i Jerosalema sy Jodia ary Galilia. Tsy nitory afa-tsy tamin’ny Jiosy angamba ny sasany, nefa hoy i Lioka mpianatra: “Nisy tamin’izy ireo avy tany Sipra sy Kyrena izay tonga tany Antiokia, ary niresaka tamin’ny olona miteny grika, ka nitory ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompo.”—Asan’ny Apostoly 11:19-21.

Hafatra ho an’ny rehetra, avy amin’ilay Andriamanitra tsy manavakavaka

5. Ahoana no ahitana fa tsy mizaha tavan’olona i Jehovah, raha ny vaovao tsara no resahina?

5 Tena mifanaraka amin’ny toetran’Andriamanitra izany fielezan’ny vaovao tsara izany, satria tsy mizaha tavan’olona izy. Nahitsin’i Jehovah ny fiheveran’ny apostoly Petera an’ireo hafa firenena, ary nankasitraka izany izy ka niteny hoe: “Hitako marina izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35; Salamo 145:9) Nanamafy izany koa ny apostoly Paoly, izay mpanenjika ny Kristianina taloha. Nilaza izy fa “sitrapon’Andriamanitra ny hamonjena ny karazan’olona rehetra.” (1 Timoty 2:4) Tsy manavakavaka tokoa ny Mpamorona, matoa omeny ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana daholo ny olona, na vehivavy na lehilahy, ary na inona na inona fokony sy fireneny ary fiteniny.

6, 7. Inona avy no faminanian’ny Baiboly momba ny fielezan’ny vaovao tsara amin’ny fiteny samy hafa eran-tany?

6 Efa voalaza an-jatony taona mialoha izany fielezan’ny vaovao tsara eran-tany izany. Milaza ny faminanian’i Daniela, fa “nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana [i Jesosy], mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy.” (Daniela 7:14) Tena tanteraka io faminanian’ny Baiboly io. Porofon’izany ity gazety ity, izay avoaka amin’ny fiteny 151 sy zaraina eran-tany, ka afaka mahafantatra momba ny Fanjakan’i Jehovah ianao.

7 Efa nolazain’ny Baiboly fa handre ny hafatra raketiny, izay manome fiainana, ny olona samy hafa fiteny. Naminany, ohatra, i Zakaria fa hahasarika olona maro ny fivavahana marina. Hoy izy: “Amin’izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ny Jiosy anankiray [izany hoe ny Kristianina voahosotra, anisan’ny “Israelin’Andriamanitra”] ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.” (Zakaria 8:23; Galatianina 6:16) Toy izao koa no nilazan’ny apostoly Jaona ny fahitana azony: “Indro, nisy vahoaka be tsy tambo isaina, avy tamin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra, nijoro teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry.” (Apokalypsy 7:9) Hitantsika tokoa ny fahatanterahan’ireo faminaniana ireo!

Fitoriana amin’ny karazan’olona rehetra

8. Inona no zava-misy ankehitriny, ka mitaky ny hanaovantsika fiovana eo amin’ny asa fitoriantsika?

8 Mihabetsaka izao ny olona mifindra monina, satria lasa mifandray akaiky ireo firenena eran-tany. Mifindra any amin’ny toerana milamindamina kokoa ny olona maro avy any amin’ny tany mahantra na misy ady, mba hananany fiainana miadana. Be dia be tokoa ny mpifindra monina tonga any amin’ny tany maro, hany ka lasa manana ny tanànany mihitsy izy ireo ao amin’ilay tany. Misy fiteny 120 mahery izao, ohatra, any Failandy. Mihoatra ny 200 ny any Aostralia, ary maherin’ny 100 ny any San Diego, tanàna iray any Etazonia!

9. Ahoana no tokony hiheverantsika ny fisian’ireo olona miteny vahiny ao amin’ny faritanintsika?

9 Heverintsika ho manakantsakana ny fitoriantsika ve ny fisian’ireny olona miteny vahiny ireny? Tsy izany mihitsy! Toy ny ‘vokatra eny an-tsaha efa masaka hojinjaina’ no fiheverantsika azy ireny, ary toy ny fomba hanitarana ny faritanintsika. (Jaona 4:35) Miezaka isika hanampy ireo olona mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, na inona na inona fireneny na fiteniny. (Matio 5:3) Vokatr’izany, dia mihabetsaka isan-taona ny olona ‘samy hafa fiteny’ lasa mpianatr’i Kristy. (Apokalypsy 14:6) Natao tamin’ny fiteny 40 teo ho eo, ohatra, ny fitoriana tany Alemaina tamin’ny Aogositra 2004. Tany Aostralia indray, tamin’io fotoana io ihany, dia fiteny 30 tany ho any no nitoriana ny vaovao tsara, nefa 18 monja izany, folo taona lasa. Mitory amin’ny fiteny efa ho 20 kosa ny Vavolombelon’i Jehovah any Gresy. Mampiasa teny hafa ny 80 isan-jaton’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, fa tsy mampiasa teny anglisy, izay teny iraisam-pirenena amin’izao fotoana izao.

10. Inona no andraikitry ny mpitory tsirairay, mba hanaovana mpianatra ny olona any amin’ny “firenena rehetra”?

10 Tanterahina tokoa ankehitriny ilay baikon’i Jesosy hoe “ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra”! (Matio 28:19) Mazoto manatanteraka io asa io ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany 235, ary mizara boky aman-gazety amin’ny fiteny 400 mahery. Marina fa manome fitaovana mba hitoriana ny fandaminan’i Jehovah. Ny mpitory tsirairay anefa no tsy maintsy miezaka mba hampita ny hafatra ara-baiboly amin’ny “karazan’olona rehetra”, amin’ny fiteny tena manavanana ny olona. (Jaona 1:7) Noho izany ezaka ifarimbonantsika izany, dia mandray soa avy amin’ny vaovao tsara ny olona an-tapitrisany, izay mampiasa fiteny maro samihafa. (Romanina 10:14, 15) Eny, zava-dehibe tokoa ny anjarantsika tsirairay amin’izy io!

Fiatrehana ilay zava-tsarotra

11, 12. a) Inona no zava-tsarotra tsy maintsy atrehintsika, ary ahoana no anampian’ny fanahy masina antsika? b) Nahoana no tsara kokoa matetika ny mitory amin’ny olona amin’ny fiteniny?

11 Betsaka ny mpitory te hianatra teny vahiny, nefa tsy afaka manantena izy ireo hoe homen’ny fanahin’Andriamanitra fahaizana mahagaga. (1 Korintianina 13:8) Asa be ny fianarana teny vahiny. Na ny olona efa mahay fiteny vahiny aza, dia mbola mety hila hanitsy ny fomba fisainany sy ny fomba fitoriny, mba hahafahany hampita ny hafatra avy ao amin’ny Baiboly amin’ny fomba manintona ny olona mampiasa an’ilay fiteny. Mety ho hafa koa mantsy ny kolontsaina sy ny toe-piainana niavian’ireny olona ireny. Matetika koa no saro-kenatra ny mpifindra monina, ary mila miezaka mafy ianao mba hahazoana ny fomba fisainany.

12 Mbola miasa amin’ny mpanompon’i Jehovah ihany anefa ny fanahy masina, mba hanampiana azy ireo hitory amin’ny olona miteny vahiny. (Lioka 11:13) Tsy manome antsika fahaizana mahagaga ny fanahy, fa manentana antsika bebe kokoa mba hiresaka amin’ny olona miteny vahiny. (Salamo 143:10) Marina fa mety ho tafita tsara ao an-tsain’ny olona ihany ny fitoriana na fampianarana ataontsika, raha amin’ny fiteny tsy mahazatra azy no iresahana an’ilay izy. Tsara kokoa anefa matetika ny mampiasa ny fiteniny, raha te hanohina ny fony isika. Izany mantsy no tena misy fiantraikany any am-pony lalina any, anisan’izany ny faniriany, ny antony anaovany zavatra, ary ny fanantenany.—Lioka 24:32.

13, 14. a) Inona no mahatonga ny mpitory sasany hanao fanompoana amin’ny fiteny vahiny? b) Ahoana no ahitana fa tena mahafoy tena tokoa ireo mpitory?

13 Maro ny mpitory mirotsaka manao fanompoana amin’ny fiteny vahiny, rehefa hitany fa mandray tsara ny fahamarinana ara-baiboly ny olona mampiasa an’ilay fiteny. Manao izany koa ny hafa, satria tsapany fa lasa marisika kokoa izy, rehefa mitaky ezaka sy mahaliana kokoa ny fanompoany. Nilaza ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny faritra atsimon’i Eoropa hoe: “Tena mangetaheta ny fahamarinana ny olona maro avy any Eoropa Atsinanana.” Tena mahafaly tokoa ny manampy olona mandray tsara toy izany!—Isaia 55:1, 2.

14 Ilaina anefa ny fikirizana sy fahafoizan-tena, mba hahazoana vokatra tsara amin’io asa io. (Salamo 110:3) Fianakaviana Vavolombelona japoney maromaro, ohatra, no nandao ny tranony mampiadana tany an-tanàn-dehibe, ka nifindra tany amin’ny toerana mitokana, mba hampianatra Baiboly an’ireo Sinoa nifindra monina tany. Any amin’ny morontsiraka andrefan’i Etazonia indray, dia misy mpitory mandeha fiara adiny iray na adiny roa, mba hampianarana Baiboly olona avy any Philippines, ary manao izany tsy tapaka izy ireo. Misy mpivady koa any Norvezy, mampianatra fianakaviana iray avy any Afghanistan. Mampiasa ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? * amin’ny teny anglisy sy norvezianina izy mivady, rehefa mampianatra azy ireo. Ary ireo fiteny ireo no ifampiresahana mandritra ilay fampianarana. Bokikely amin’ny teny persanina kosa no amakian’ilay fianakaviana ny fehintsoratra, satria io no fiteny mifanakaiky amin’ny teny dari fitenin’izy ireo. Manaiky ny vaovao tsara ny vahiny, rehefa mahafoy tena toy izany ny mpitory, sady mahay mampifanara-javatra. Tena valisoa lehibe izany! *

15. Ahoana no azontsika rehetra andraisana anjara amin’ny fitoriana amin’ny teny vahiny?

15 Afaka mandray anjara amin’io fitoriana amin’ny teny vahiny io ve ianao? Nahoana raha marihina aloha izay teny vahiny fampiasan’ny olona ao amin’ny faritaninao? Afaka mivatsy taratasy mivalona na bokikely amin’ireo fiteny ireo ianao avy eo. Tena fitaovana mandaitra mba hanambarana ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana koa, ilay bokikely navoaka tamin’ny 2004 hoe Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra. Tsotra sy mampahery ny hafatra amin’ny fiteny maro raketiny.—Jereo ilay lahatsoratra hoe “Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra”, eo amin’ny pejy 32.

“Tiava vahiny”

16. Ahoana no anehoan’ny mpiandraikitra fahafoizan-tena, mba hanampiana ny olona miteny vahiny?

16 Na mianatra fiteny vahiny isika na tsia, dia samy afaka manao zavatra daholo, mba hahafahan’ny vahiny ao amin’ny faritanintsika hianatra Baiboly. Nampianatra ny vahoakany mba ho ‘tia vahiny’ i Jehovah. (Deoteronomia 10:18, 19) Misy fiangonana dimy mivory, ohatra, ao amin’ny Efitrano Fanjakana iray, any amin’ny tanàn-dehibe iray any Amerika Avaratra. Toy ny fanao any amin’ny efitrano maro, dia miovaova isan-taona ny ora fivorian’ireo fiangonana ireo. Tokony hivory ny alahady harivariva ny fiangonana miteny sinoa, raha narahina io fandaharana io. Hidika anefa izany fa tsy ho afaka hivory ny maro amin’ireo Sinoa miasa amin’ny hotely fisakafoana. Tsara fanahy ireo anti-panahy tao amin’ny fiangonana hafa, ka nanova ny fandaharana mba hahafahan’ilay fiangonana miteny sinoa hivory aloha kokoa ny alahady.

17. Ahoana no tokony hataontsika rehefa misy mpitory mandeha manampy fiangonana miteny vahiny?

17 Derain’ny anti-panahy be fitiavana ireo rahalahy sy anabavy mahay sady mahafeno fepetra, izay maniry hanampy ny fiangonana miteny vahiny. Marina fa mety halahelo an’ireny mpampianatra Baiboly za-draharaha ireny ny fiangonana, nefa hanahaka ny anti-panahy tany Lystra sy Ikonioma ireo mpiandraikitra, na izany aza. Tsy nisakana an’i Timoty tsy hanaraka an’i Paoly mantsy izy ireo, na dia tena nilaina aza i Timoty teo anivon’ny fiangonan’izy ireo. (Asan’ny Apostoly 16:1-4) Tsy tokony hampiahotra an’ireo mitarika ny fitoriana koa ny toe-tsain’ny vahiny sy ny fanaony ary ny fomba fiainany, na dia hafa tanteraka noho ny an’ny eo an-toerana aza. Tokony hanaja an’ireny kosa izy ireo, ary hitady fomba hifandraisana tsara amin’ireny olona ireny, noho ny vaovao tsara.—1 Korintianina 9:22, 23.

18. Inona no varavarana lehibe ho amin’ny asa, misokatra ho an’ny rehetra?

18 Torina amin’ny “firenena samy hafa fiteny rehetra” tokoa ny vaovao tsara, araka ny faminaniana. Tena mbola mety hisy fitomboana be any amin’ny faritany miteny vahiny. Mpitory kinga an’arivony no miditra amin’io ‘varavarana lehibe ho amin’ny asa’ io. (1 Korintianina 16:9) Misy zavatra hafa ilaina anefa mba hitoriana any amin’ireny faritany ireny, ary izany no hovelabelarina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 14 Misy ohatra hafa ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Nitondra Fitahiana Maro Be ny Zavatra Kely Nafoinay”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 2004, pejy 24-28.

ainao Hazavaina Ve?

• Ahoana no anahafantsika an’i Jehovah, izay tsy mizaha tavan’olona?

• Ahoana no tokony hiheverantsika ny olona miteny vahiny ao amin’ny faritanintsika?

• Nahoana no tsara ny mitory amin’ny olona amin’ny fiteniny?

• Ahoana no anehoantsika fiahiana an’ireo vahiny eo anivontsika?

[Fanontaniana]

[Sarintany/Sary, pejy 23]

(Jereo ny gazety)

Roma

KRETA

AZIA

FRIJIA

PAMFYLIA

PONTO

KAPADOKIA

MEZOPOTAMIA

MEDIA

PARTIA

ELAMA

ARABIA

LIBYA

EJIPTA

JODIA

Jerosalema

[Ranomasina/Farihy]

Ranomasina Mediterane

Ranomasina Mainty

Ranomasina Mena

Hoala Persika

[Sary]

Nandre ny vaovao tsara tamin’ny fiteniny ny olona avy tamin’ny faritra 15 tao amin’ny Fanjakana Romanina sy avy tany an-toeran-kafa, tamin’ny Pentekosta 33

[Sary, pejy 24]

Maro ny vahiny mandray tsara ny fahamarinana ara-baiboly

[Sary, pejy 25]

Soratra fampahafantarana Efitrano Fanjakana, amin’ny fiteny dimy